Mety hahasoa ve ny fijaliana?
VONTON’ALAHELO ny olona maro be, rehefa iharam-pijaliana mafy. Ny hafa indray, eo am-piaretana sazy sahalahala amin’izany, na mafy kokoa aza, dia manjary mangoraka kokoa ny mpiara-belona aminy, sy malefaka kokoa. Torak’izany koa, ny sasany mandà hatramin’ny fisian’Andriamanitra raha iharam-pahoriana maharitra, fa ny hafa kosa mandalo fisedrana mafy nefa tsy voahozongozona ny finoany ny Tsitoha. Nahoana no toy izany no hita?
Matetika no manjary kivy sy manary ny finoany ny olona satria mihevi-tena ho zavatra loatra izy ary tsy ekeny ny toerany amin’ny maha-mpanota velona eo amin’izao tontolo izao tsy miraharaha ny lalàn’Andriamanitra. Ny Tsitoha no heveriny amim-pahadisoana ho tompon’Andraikitra amin’ny ratsy maha-meloka ny olona. Tsy mandray soa na inona na inona avy amin’ny fahasahiranana izy noho izany ary, rehefa mihamaivana amin’izany izy, dia maneho toetra mbola tsy faniry kokoa noho ny teo aloha aza angamba.
Mba tsy hahatongavan’izany amintsika, dia tokony horaisintsika ho adidy ny hanao izay handraisantsika soa amin’izay rehetra mitranga amintsika. Ilaina àry amin’izany ny manana fomba fijery marina ny amin’ny fijalian’olombelona. Ny bokin’ny Fitomaniana ao amin’ny Baiboly no tena ilaintsika mba hametrahana izany amin’ny toerana mety aminy.
Mihazona fanantenana
Misy tononkalo dimy io boky io izay itomanian’i Jeremia an’i Jerosalema noravan’ny Babyloniana tanteraka. Ao amin’ny fahatelo amin’ireo tononkalo ireo, ilay mpaminany, natosiky ny fanahin’Andriamanitra, no mamboraka ny fihetseham-pony lalina sy milaza izany ho an’ny firenena manontolo, izay asehony amin’ny endriky ny lehilahy matanjaka iray (Fitomaniana 3:1). Na dia niara-nijaly tamin’ny firenena manontolo aza i Jeremia, dia tsy nahakivy azy ny fisedrana. Nitodika tamim-panantenana tany amin’ny fotoana hiverenan’ny fankasitrahan’Andriamanitra indray ny vahoakany izy ary nanaiky ny anjaran’ilay firenena ho toy ny fampiharana araka ny rariny ny fitsaran’Andriamanitra.
Nanohana an’i Jeremia ny fahafahana ho avy. Izao no vakintsika: “Tsaroan’ny fanahiko indrindra izany, ka mitanondrika ato anatiko izy [Eny, hahatsiaro ny fanahinao (Jehovah mihitsy) ka hiondrika amiko, MN ]. Izany no ho eritreretiko ato am-poko, ka dia hanantena aho.” (Fitomaniana 3:20, 21). Tsy nisy fisalasalana mihitsy tao an-tsain’i Jeremia fa ho jeren’i Jehovah amim-pankasitrahana amin’ny farany ny vahoakany nibebaka. Marina fa tena naetry tokoa ny Isiraelita tamin’ny fahareseny tanteraka. Nefa Jehovah, dia azo lazaina hoe hiondrika avy amin’ny toerany ambony any an-danitra ka hanala azy ireo amin’ny toeram-pietreny. Natanjaka tamin’izany fisainana izany Jeremia ka afaka nampionona ny fony sy niandry tamim-paharetana ny hanaovan’i Jehovah zavatra ho tombontsoan’ny vahoakany nibebaka.
Koa tsy tokony hanary fanantenana àry isika rehefa mandalo fotoana mampahory. Tokony hotsaroantsika fa raha manam-piandohana ny fisedrana, dia hisy fiafarana koa. Tsy hamela na oviana na oviana ny mpanompony hijaly tsy misy farany miaraka amin’ireo izay tsy mba nanolo-tena ho azy ny Avo Indrindra. Izany no antony tokony hiandrasantsika amim-paharetana ny hitondran’i Jehovah fanamaivanana azo antoka.
Ny mbola maha-velona dia tokony hanome antony hanantenana. Tamin’ny andron’i Jeremia, dia foana ny tanànan’i Jerosalema sy ny tanin’i Joda, ary maro tamin’ny Isiraelita no maty. Kanefa, nisy tafita velona. Antoka izany fa nitoetra ho be famindrampo tamin’ny vahoakany Andriamanitra. Izao no vakintsika: “Ny famindrampon’i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy nitsahatra ny fiantrany. Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao. Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho.” — Fitomaniana 3:22-24.
Raha tsy teo moa ny hatsaram-pon’Andriamanitra, ny fiahiany tamim-pangoraham-po ny vahoakany, dia tsy ho nisy Isiraelita tafita velona na dia iray aza. Nefa niseho ho be indrafo Jehovah, ka ny fisehoan’ny famindrampony dia nitosaka tamin’ny vahoakany ihany, vaovao isa-maraina. Tondraka ny fahatokian’i Jehovah ka azo natao marina tokoa ny nitoky tamin’ny famindrampony. Tsy niova izany, tsy mba nalemy na oviana na oviana na zava-poana. Koa satria ny Avo Indrindra mbola anjara, na lova, ho an’ny vahoakany ihany, noho izany dia nanana antony tsara io hanohizana hiandry ny hampitsimbadika ny tarehin-javatra nisedra izay navelan’Andriamanitra hisy azy noho ny tsy fahatokiany.
Ny fomba iandrasana amim-paharetana
Inona moa no tokony hampiavaka izany fiandrasana izany? Mamaly ny bokin’ny Fitomaniana hoe: “Tsara Jehovah amin’izay manantena Azy, dia amin’ny olona izay mitady Azy. Tsara ny miandry ny famonjen’i Jehovah amin’ny fanginana. Tsara amin’ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy. Aoka hanjokaiky irery izy ka hangina, raha ampitondraina izany. Aoka hanohoka ny vavany eo amin’ny vovoka izy, angamba hisy hantenaina. Aoka hanolotra ny takolany ho amin’izay mamely azy izy ka ho feno latsa!” — Fitomaniana 3:25-30.
Mariho fa mandritra ny fotoam-pangirifiriana toy izany dia tokony hanohy hitady amim-panantenana fanamaivanana avy amin’Andriamanitra sy hanakaiky azy. Ho tiana ny haharitra, hiandry amim-panginana na tsy mitaraina ambara-pitondran’ny Tsitoha ny fanafahana, na ny famonjena. Tena ilaina mihitsy ny mianatra mitondra ziogam-pahoriana toy izany raha mbola tanora. Nahoana? Satria mora kokoa atỳ aoriana ny miaritra fisedrana toy izany tsy very fanantenana. Amin’ny fahafantarana fa efa naharitra fisedrana lehibe ny tena taloha, dia manana antony hanantenana fa ho afaka handresy indray.
Fanampin’izany, raha itambesaran’ny ziogam-pahoriana ny olona iray, dia tsy tokony ho mailaka hampiseho ny fitarainany izy. Tokony hanjokaiky irery izy, ka hangina. Tokony hitsotra izy, hiankohoka, ary hanohoka ny vavany amin’ny vovoka; raha lazaina amin’ny teny hafa, tokony hanaiky amim-panetren-tena ny fisedrana avelan’Andriamanitra hitranga izy, ka hijery amim-panantenana ny fanafahana ho avy. Tsy tokony hikomy amin’ny mpanenjika azy izy, fa hizaka amim-paharetana ny vono sy ny fanalam-baraka. Mampahatsiaro antsika ny fomba nitondran’i Jesosy tena izany. Mitantara toy izao ny Baiboly: “Raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ny mpitsara marina.” — I Petera 2:23.
Misy zavatra hafa iray tsy tokony hohadinoina rehefa miaritra fijaliana ny tena: tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny asa ratsy dia ratsy hotanterahin’ny olona. Ny Avo Indrindra anefa dia mamela zavatra sasany hitranga amin’ny fikasana mahasoa. Mampiseho izany tsara ireto teny notsoahina avy tao amin’ny bokin’ny Fitomaniana ireto: “Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo; eny, fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben’ny famindrampony. Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak’olombelona. Ny fanitsakitsahana ny mpifatotra rehetra ambonin’ny tany ho eo ambanin’ny tongotra, ny familiana ny rariny amin’ny olona eo anatrehan’ny Avo Indrindra, ny famadihana ny adin’ny olona, dia samy tsy sitraky ny Tompo.” — Fitomaniana 3:31-36.
Raha ny amin’ireo Isiraelita nivadika, Jehovah Andriamanitra dia namela ny hahitan’izy ireo fisedrana mafy dia mafy avy tamin’ny Babyloniana. Nolaviny izy ireo hatramin’ny fanekena ny hitondrana azy ho babo. Kanefa, nanao zavatra tamin’ny fikasana mahasoa izy, dia ny hamokatra sisa nibebaka avy amin’ireo tafita velona sy ny taranany. Tamin’ireo sisa ireo no nanehoan’i Jehovah famindrampo. Tsy nahita fahafinaretana velively tamin’ny fanasaziana ny Isiraelita Jehovah. Tsy sitraky ny fony ny hanao izay hampalahelo azy ireo sy hampahory azy amin’ny fanolorana azy ireo ho eo an-tanan’ny fahavalony. Tsy nankasitrahan’i Jehovah ny fitondrana mafy nampahorian’ireo ny vahoakany. Tsy maso tsara velively no nijereny ny olona nampahory ireo babo an’ady, na izay naka tamin’ny olona ny zo nomeny azy, na izay tsy nety nampihatra ny rariny tamin’ny fitsarana.
Noho izany, rehefa misy olona mampahory antsika dia tsy tokony hiteny ratsy an’Andriamanitra isika noho ny asa ratsy ataon’izy ireo. Tsy mankasitraka ny fanereny na ny herisetrany ny Avo Indrindra. Indray andro any, dia tsy maintsy ampamoahina eo anatrehany ny amin’ny faharatsiany izy ireo.
Ary manaraka izany, dia ny tena ihany koa no mety hihantsy fijaliana ho an’ny tena. Niodina tamin’i Jehovah ireo Isiraelita tsy nanam-pinoana, tamin’ny fandavana ny fiahiany mpiaro. Koa ara-drariny àry ny nahafoizany azy ho an’ny fahavalony. Hatreo dia tsy nanana antony tokony hitarainana intsony mihitsy ny amin’izay nitranga taminy izy ireo. Misongadina amin’ity fanontaniana ity izany: “Koa ahoana no imonomononan’ny olona mbola velona, fa no tsy aleo misento noho ny amin’ny fahotany avy?” (Fitomaniana 3:39). Tsy tokony hitaraina ny Isiraelita fa tokony ho nibebaka sy niverina tamin’i Jehovah kosa amin’ny fitalahoana ny famindrampony. Izao no vakintsika: “Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin’i Jehovah. Aoka hasandratsika amin’Andriamanitra any an-danitra ny fontsika sy ny tànantsika. Izahay efa nanota sy nanao ditra, ary Hianao kosa tsy namela heloka.” — Fitomaniana 3:40-42.
Eny, tsy fotoana tokony hitarainan’ny Isiraelita intsony tamin’izay. Fotoana tokony handinihana amim-pitandremana ny lalany, ny fomba fiainany na ny fitondrantenany, sy hiheverana ny vokany izany. Tsy tokony hanohy handeha amin’ny lalan’ny tenany hitondra fahavoazana ho azy izy ireo fa tokony hiverina amin’i Jehovah kosa sy hampifanaraka ny fiainany amin’ny didiny. Tsy tokony hianina amin’ny fanomezana famantaram-pibebahana ivelany fotsiny, hanandra-tanana amin’ny vavaka fotsiny izy ireo. Nilaina ny hibebahan’izy ireo amim-pahatsorana tamin’ny fahadisoany.
Araka izany, rehefa miaritra fijaliana isika, dia tokony hihevitra ny fomba fiainantsika. Nampiteraka zava-manahirana ho antsika ve isika tamin’ny tsy firaharahana an-kitsirano izao ny lalàn’Andriamanitra? Raha izany no izy, dia tsy tokony hanome tsiny ny Avo Indrindra ny amin’izany isika. Ho tsaratsara kokoa raha mampiseho isika fa nandray soa tamin’ny famaizana naharary amin’ny fialana amin’ny lalan-dratsintsika, amin’ny fibebahana sy amin’ny fitodihana any amin’Andriamanitra. Raha niezaka nanana fiainana mahitsy isika ka mbola mijaly ihany na dia izany aza, dia tokony hotsaroantsika fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra izay mety hataon’ny ratsy fanahy amintsika. Mandritra izany ihany, dia tokony hekentsika amim-panetren-tena ny fisedrana ka hiandry amim-paharetana, tsy mitaraina, ny hanamaivanan’i Jehovah antsika isika. Raha mampihatra ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra isika ao anatin’ny fijaliana, dia hitondra tombontsoa ho antsika izany. Hianatra faharetana, fiaretana sy fitokisana tanteraka amin’i Jehovah isika. Tsy hanahaka na oviana na oviana ny fitondrantena ratsy dia ratsin’ireo mpampahory isika, fa hanohy ho tsara fanahy sy be fangoraham-po amin’ny mpiara-belona amintsika.
[Sary, pejy 23]
Jeremia, izay nanoratra ny Fitomaniana, dia afaka niresaka ny amin’ny fijaliana noho izay efa nodiaviny.