-
“Tonga Aminao Tokoa Izao ny Farany”Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
-
-
6. a) Naka ny toeran’iza avy i Ezekiela rehefa nanao an’ilay karazana fampisehoana fahatelo? b) Inona no tian’i Jehovah haseho rehefa nasainy ‘nolanjaina sy nozaraina ilay volo’?
6 Ho ringana ilay tanàna sy ny vahoakany. Naka ny toeran’i Jehovah i Ezekiela tamin’ity karazana fampisehoana ity sady naka ny toeran’ny Jiosy. Voalohany, nasehony ny zavatra hataon’i Jehovah. Izao no nasain’i Jehovah nataony: “Makà sabatra maranitra, ka ataovy toy ny harezan’ny mpanety izany.” (Vakio ny Ezekiela 5:1, 2.) Ny tanan’i Jehovah na ny didim-pitsarany no asehon’ny tanan’i Ezekiela mitazona sabatra, ary hampiasa ny tafika babylonianina izy mba hanatanteraka an’io didim-pitsarana io. Faharoa, nasehon’i Ezekiela izay hanjo ny Jiosy. Hoy i Jehovah taminy: “Kakaso ny lohanao ary esory ny volombavanao.” Nasain’i Jehovah nanao an’izany izy mba hampisehoana ny fomba hanafihana ny Jiosy sy hahafatesan-dry zareo. Nandidy an’i Ezekiela koa izy hoe: “Makà mizana ka lanjao sy zarao telo ilay volo.” Tiany haseho mantsy hoe tsy handeha ho azy fotsiny ny hanatanterahany ny didim-pitsarany momba an’i Jerosalema, fa efa nisy lamina napetrapetrany tsara momba an’izany.
-
-
“Kakaso ny Lohanao ary Esory ny Volombavanao”Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
-
-
“Kakaso ny lohanao”
Hisy hanafika ny Jiosy ary ho ripaka ry zareo
“Lanjao sy zarao”
Efa nisy lamina mipetrapetraka momba an’ilay didim-pitsarana
-