-
“Asio Marika ny Handrin’ny Olona”Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
-
-
7, 8. Ahoana no hataon’ireo lehilahy enina mitondra fitaovam-piadiana famotipotehana rehefa handrava an’ilay tanàna? Ary ahoana no niafaran’ilay fahitana?
7 Nomen’i Jehovah toromarika ireo lehilahy enina mitondra fitaovam-piadiana famotipotehana avy eo hoe mila manaraka an’ilay lehilahy mitondra fitoeran-dranomainty ry zareo, dia hovonoiny daholo ny olona afa-tsy izay misy an’ilay marika eo amin’ny handriny. Nandidy an-dry zareo koa i Jehovah hoe: “Atombohy ao amin’ny toerako masina izany.” (Ezek. 9:6) Taiza àry ry zareo no nasaina nanomboka nandringana? Tao amin’ilay toerana nisongadina indrindra tao Jerosalema, izany hoe tao amin’ny tempoly, izay efa tsy noheverin’i Jehovah ho masina intsony. Ny “anti-panahy teo alohan’ilay trano” no novonoina voalohany, izany hoe ireo anti-panahy 70 nandoro emboka manitra ho an’ny andriamani-diso tao amin’ny tempoly.—Ezek. 8:11, 12; 9:6.
-
-
“Asio Marika ny Handrin’ny Olona”Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
-
-
9, 10. Iza, ohatra, no tafavoaka velona rehefa noravana i Jerosalema? Ary inona no azo lazaina momba an’ireo olona tsy nivadika ireo?
9 Vakio ny 2 Tantara 36:17-20. Tanteraka tamin’ny 607 T.K. ny faminanian’i Ezekiela rehefa noravan’ny tafika babylonianina i Jerosalema sy ny tempoliny. Hoatran’ny ‘kaopy teny an-tanan’i Jehovah’ io tafika io satria nampiasainy hanasazy ny olona nivadika taminy tao amin’ilay tanàna. (Jer. 51:7) Ny olona rehetra ve no ringana tamin’izay? Tsia. Hita tao amin’ilay fahitan’i Ezekiela fa hisy olona sasany tsy hovonoin’ny Babylonianina.—Gen. 18:22-33; 2 Pet. 2:9.
10 Be dia be ny olona tsy nivadika tafavoaka velona, anisan’izany ny Rekabita, ilay Etiopianina antsoina hoe Ebeda-meleka, ary i Jeremia mpaminany sy Baroka mpitan-tsorany. (Jer. 35:1-19; 39:15-18; 45:1-5) Rehefa jerena ilay fahitan’i Ezekiela, dia azo antoka fa anisan’ireo ‘nisento sy nitaraina noho ny zavatra maharikoriko rehetra’ natao tao Jerosalema ireo olona ireo. (Ezek. 9:4) Azo inoana fa nasehon-dry zareo talohan’ilay fandravana hoe nankahala ny ratsy ry zareo sady tena tia ny fivavahana madio, ka mendrika ny hovonjena.
11. Mampiseho an’iza ireo lehilahy fito tao amin’ilay fahitana?
11 Nasiana marika ara-bakiteny ve anefa ireny olona tsy nivadika ireny? Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe nandeha nitety an’i Jerosalema i Ezekiela na ny mpaminany hafa, dia nanisy marika teo amin’ny handrin’ny olona. Mazava àry fa zavatra tsy hitan’ny maso no asehon’ilay fahitana. Mampiseho ny anjelin’i Jehovah tsy mivadika, izay vonona hanao ny sitrapony foana, ilay lehilahy mitondra fitoeran-dranomaintin’ny mpitan-tsoratra sy ireo enin-dahy mitondra fitaovam-piadiana famotipotehana. (Sal. 103:20, 21) Azo inoana fa nampiasa an’ireo anjeliny ireo i Jehovah mba hampihatra ny didim-pitsarany tamin’i Jerosalema. Tsy namonomono fahatany fotsiny ireo anjely ireo, fa nataony azo antoka hoe tsy novonoina izay olona mendrika ny hovonjena. Hoatran’ny hoe nanisy marika teo amin’ny handrin’ireny olona ireny ry zareo tamin’izany.
-