LANDY
Kofehy mafy indrindra vita nanahary, izay nanaovana lamba tsara tarehy sy maivana efa hatry ny ela. Fanday samihafa, indrindra fa ny bibindandy sinoa, no mamokatra landy. Mpihinana ravim-boaroihazo izy io, ary mamoaka faroratra izay mihamafy ka lasa akoran-dandy ahazoana kofehy. Nahita lamba landy tao amin’ny fasana fenisianina tany akaikin’i Sabrata any Libya ny mpikaroka. Efa 2 000 taona mahery, hono, ilay izy no voatenona.
Toa niandoha tany Chine ny fiompiana landy ary avy eo niparitaka tany an-tany hafa, toa an’i Inde. Sirikôs, izay misy ifandraisany amin’ny hoe “Seres” (fiantsoana ny Sinoa matetika), no ilazan’ny Grika ny zavatra vita amin’ny landy. Anisan’ny entana lafo vidy novidin’i “Babylona Lehibe” ny lamba landy.—Ap 18:2, 11, 12.
Adikan’ny Baiboly sasany hoe “landy” ny hoe meshi (heb.) ao amin’ny Ezekiela 16:10, 13. (DIEM, DPV) Landy no dikan’ny hoe meshi, hoy ny lovantsofin’ireo raby, nefa tsy azo antoka izany. Nadikan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao hoe “zavatra lafo vidy” àry izy io, toy ny ataon’ny mpanao diksionera ankehitriny.