Fanontanian’ny mpamaky
◼ Rehefa avy nanota i Davida sy Batseba, nahoana no tsy maintsy maty ny zanany, kanefa araka ny Deoteronomia 24:16 sy Ezekiela 18:20 dia tsy tokony ho faty noho ny fahotan’ny rainy ny zanaka?
Nanambady i Davida, toy izany koa i Batseba fony izy ireo nanitsakitsa-bady ka nahatonga an’i Batseba hanana anaka. Fahotana lehibe ny fanitsakitsahan’izy ireo vady ary nahameloka ho faty teo ambanin’ny lalàn’Andriamanitra (II Samoela 11:1-5; Deoteronomia 5:18; 22:22). Noho izany, raha navelan’Andriamanitra hotsarain’olona araka ny lalàna izy, dia ho novonoina ho faty niaraka tamin’ny reniny ilay zaza. Nanapa-kevitra anefa Jehovah ny handamina io raharaha io tamin’ny fomba hafa, ka azo antoka fa nanana zo hanao izany izy tamin’ny naha-“mpitsara ny tany rehetra” azy. — Genesisy 18:25.
Rehefa nampahafantarina azy ny fahadisoany, dia niaiky toy izao i Davida: “Efa nanota tamin’i Jehovah aho.” Dia hoy ny mpitondra tenin’i Jehovah taminy: “Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty hianao.” (II Samoela 12:13). Namindra fo tamin’i Davida Andriamanitra noho ny fanekena momba ilay Fanjakana nifanaovany taminy. Afa-tsy izany koa, noho izy afaka mamaky ao am-po, dia tsy maintsy ho notombanany ny fahatsoran’ny fibebahan’i Davida ka noheveriny fa izany dia namela azy hamindra fo tamin’ireo mpanota roa. Na dia izany aza dia tsy ho afaka amin’ny vokatry ny fahotany rehetra i Davida sy Batseba. Izao no nolazaina tamin’i Davida: “Kanefa noho ianao tsy ampy fanajana an’i Jehovah tamin’io zavatra io, dia tsy maintsy ho faty ny zaza izay haterakao.” — II Samoela 12:14, MN.
“Namely ny zaza” tsy nananan’i Davida sy Batseba zo hananana Andriamanitra; narary io ary maty. Amin’izao androntsika izao, dia mety hisy hirona hampiharihary ny nahafatesan’io zaza io ka hahita fa mafy loatra ny fitsaran’Andriamanitra ny aminy. Mety anefa ny hitadidiana ao an-tsaina fa raha olona no nitsara ny raharaha araka ny Lalàna, dia ho samy maty i Davida sy Batseba ary ilay zaza. Raha heverina amin’io lafiny io ilay zava-manahirana, dia tsapa fa raha ny marina dia naneho famindrampo Andriamanitra satria namela roa tamin’izy ireo mbola ho velona. Afa-tsy izany koa, dia tsy fantatsika ny toe-javatra rehetra. Ohatra, tsy fantatsika ny toe-pahasalaman’ilay zaza vao teraka. Na ahoana na ahoana, dia afaka matoky isika fa nitsara an’io raharaha io tsy nisy fiangarana sy tamim-pahendrena ary araka ny rariny Andriamanitra. Ny tenan’i Davida koa no hiaiky toy izao atỳ aoriana: “Raha ny amin’Andriamanitra, dia marina ny lalàny.” — II Samoela 22:31; jereo Joba 34:12; Isaia 55:11.
Ireo teny ireo dia mifanaraka amin’ny fihetsika nasehon’i Davida taorian’ny nandrenesany ny fitsaran’Andriamanitra: nitomany sy nifady hanina izy raha mbola narary ilay zaza. Rehefa maty kosa io, dia tsapany fa nikatona ny raharaha (II Samoela 12:22, 23). Nitoky tamin’ny fitsaran’Andriamanitra izy ka nampionona an’i Batseba (lasa vadiny ara-dalàna izao) ka nanome toky azy fa tsy ho tapaka akory ny fifandraisan’izy ireo tamin’ny naha-mpivady. Taty aoriana izy ireo dia niteraka zazalahy, Solomona, izay tonga mpandimby an’i Davida.
Tsy misy antony tokony hahitana fifanoheran-kevitra amin’ny fomba nandaminan’Andriamanitra an’io raharaha io sy ny fotopoto-pitsipika voambara ao amin’ny Deoteronomia 24:16 sy ao amin’ny Ezekiela 18:20.
Tao anatin’ny faritry ny Lalàna, dia nanome izao toromarika izao Andriamanitra: “Ny ray tsy hatao maty amin’ny ataon’ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin’ny rainy; fa samy hatao maty amin’ny fahotany avy ihany ny olona.” (Deoteronomia 24:16). Tokony hanaraka io fotopoto-pitsipika io ireo mpitsara isiraelita rehefa nikarakara raharaha ara-pitsarana. Noho izy ireo tsy afaka namaky tao am-po, dia nitsara ny olona tsirairay avy arakaraka ny nataony ka voaporofon’ny zava-nitranga izy ireo.
Toy izany koa, ny teny ao amin’ny Ezekiela 18:20 dia manambara hoe: “Ny zanaka tsy mba hitondra ny heloky ny rainy, ary ny ray tsy mba hitondra ny heloky ny zanany; ny fahamarinan’ny marina ho aminy ihany, ary ny faharatsian’ny ratsy fanahy kosa ho aminy ihany.” Io fotopoto-pitsipika io dia nahakasika ireo olon-dehibe alohan’ny zavatra rehetra. Ny teny manodidina tokoa dia miresaka ny amin’ny zanakalahy iray izay nahita ny faharatsian’ny rainy, kanefa tsy nety nanao tahaka azy; notandremany kosa ireo didim-pitsaran’i Jehovah ka nandeha araka ny didiny izy. Ho voaro ny zanaka toy izany rehefa ho faty ny rainy. — Ezekiela 18:14-17.
Tsy azo lavina anefa fa mety hiharan’ny voka-dratsin’ny nataon’ireo ray aman-dreniny ny zanaka. Raha mpandanilany foana na mampiseho hadalana ireo, ohatra, dia mety ho tonga amin’ny fahantrana ny fianakaviana manontolo. Eritrereto koa ny fahasahiranana hitan’ny zanaka iray manana reny na ray migadra noho ny nanaovan-dratsy. Rehefa nitondra loza ara-drariny tokoa teo amin’ny Isiraelita Andriamanitra noho ny faharatsian’izy ireo, dia nijaly koa na dia ireo zanany aza (Deoteronomia 28:15, 20-32; Ezekiela 8:6-18; 9:5-10). Mifamadika amin’izany, dia nanao izao fananarana izao ho an’ny olony Andriamanitra: “Mifidiana ny fiainana, dia ny ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao hianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan’ny andronao.” — Deoteronomia 30:19, 20.
Noho izany, izay nitranga tamin’i Davida sy Batseba dia tokony hampahafantatra tsara ny ray aman-dreny fa mety hisy vokany mavesatra eo amin’ireo zanany ny fitondrantenan’izy ireo. Raha ‘matahotra ny anaran’Andriamanitra izy ireo, dia mety hiposaka ny Masoandron’ny fahamarinana’ mba hahasoa ny fianakaviana manontolo. — Malakia 3:20.