-
Ohola sy OholibaNaverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
-
-
Ohola sy Oholiba
Notenenin’i Jehovah mafy ny vahoakany ao amin’ny Ezekiela toko faha-23 satria nivadika taminy. Betsaka no itovizan’io toko io amin’ny toko faha-16. Mampitaha ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny mpivaro-tena koa io toko io, ary resahina ao hoe hoatran’ny zandry vavin’i Samaria i Jerosalema. Na ny toko faha-16 na ny faha-23 dia samy miresaka hoe nivaro-tena ilay zokiny vavy, dia nanao hoatr’izany koa ilay zandriny fa mbola ratsy kokoa ny nataony tatỳ aoriana. Nomen’i Jehovah anarana izy roa vavy ao amin’ny toko faha-23. Ohola ilay zokiny, izany hoe i Samaria renivohitry ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely. Oholiba kosa ilay zandriny, izany hoe i Jerosalema renivohitr’i Joda.a—Ezek. 23:1-4.
-
-
Ohola sy OholibaNaverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
-
-
a Ilay hoe Ohola dia midika hoe “Tranolainy [Fivavahana].” Nisy fotoana ny Israelita tsy nampiasa ny tempolin’i Jehovah tao Jerosalema, fa nanamboatra toerana ho azy manokana mba hivavahana. Dia mety ho izay no tiana horesahina amin’io anarana io. Ilay hoe Oholiba kosa midika hoe “Ao Aminy ny Tranolaiko [Fivavahana].” Mampahatsiahy io anarana io hoe tany Jerosalema no nisy ny trano natao hivavahana tamin’i Jehovah.
-