-
Fanontanian’ny MpamakyNy Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2016 | Martsa
-
-
Voalohany, voalaza fa “maina” na “maina be” ireo taolana. (Ezek. 37:2, 11) Midika izany fa taolan’olona efa maty ela be ireo. Faharoa, velona tsikelikely ireo olona maty ireo, fa tsy velona tampoka. Nisy feo re aloha, avy eo nisy zavatra nikatrokatroka, ary “indreny fa nifanatona ireo taolana: Samy nanatona ny namany avy izy ireo.” Naniry “hozatra sy nofo” ireo taolana, ary rakotra hoditra avy eo. “Nisy fofonaina niditra tao amin’ireo” nony farany, “dia velona ireo.” Napetrak’i Jehovah tao amin’ny taniny ireo olona ireo rehefa velona. Nila fotoana izany rehetra izany.—Ezek. 37:7-10, 14.
-
-
Fanontanian’ny MpamakyNy Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2016 | Martsa
-
-
Nazoto nandinika Baiboly i Charles Russell sy ny namany, tamin’ny 1870 tany ho any, ka niharihary indray ny fahamarinana. Toy ny hoe nanomboka nisy hozatra sy nofo àry ireo taolana. Nanampy an’ireo olona tso-po hahalala ny fahamarinana Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona (anglisy) sy ny boky hafa. Nanatanjaka ny finoan’ny vahoakan’i Jehovah koa ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana” (anglisy) tamin’ny 1914, sy ny boky Ilay Mistery Fantatra (frantsay) tamin’ny 1917. Farany, dia azo lazaina hoe velona izy ireo tamin’ny 1919, ary toy ny hoe napetrak’i Jehovah tao amin’ny tany iray vaovao. Niampy an’ireo manantena hiaina eto an-tany ny sisa voahosotra, tatỳ aoriana, ka lasa “tafika tena lehibe dia lehibe” izy ireo.—Ezek. 37:10; Zak. 8:20-23.b
-