-
“Ho Velona Indray Ianareo”Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
-
-
“Maina ny taolanay” ary “tsy manana fanantenana intsony izahay”
6. Inona no notenenin’i Jehovah mba hanampiana an’i Ezekiela hahazo an’ilay fahitana?
6 Mba hanampiana an’i Ezekiela hahazo an’ilay fahitana, dia nilaza taminy i Jehovah hoe “ny taranak’Israely manontolo ireo taolana ireo.” Fa inona tokoa moa no tsapan’ireo Jiosy tany an-tsesitany rehefa naheno hoe rava i Jerosalema? Nahatsiaro ho hoatran’ny hoe maty ry zareo ka nitaraina hoe: “Maina ny taolanay. Tsy manana fanantenana intsony izahay, fa tena vita hatreo ny aminay.” (Ezek. 37:11; Jer. 34:20) Mba hampaherezana an-dry zareo, dia nasehon’i Jehovah hoe misy fanantenana ho an-dry zareo ao amin’ilay fahitana momba ny taolam-paty.
-
-
“Ho Velona Indray Ianareo”Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
-
-
8. a) Nahoana “ny taranak’Israely manontolo” no hoatran’ny hoe maty? b) Araka ny Ezekiela 37:9, ahoana no nahafaty an-dry zareo? (Jereo ny fanamarihana.)
8 Nahoana no azo lazaina hoe hoatran’ireo taolam-paty noresahin’i Ezekiela ny firenen’Israely manontolo? Nanomboka hoatran’ny hoe maty ry zareo rehefa rava ny fanjakan’ny foko folo tamin’ny 740 T.K. ka natao sesitany ny olona tao. Rehefa natao sesitany koa ny olona tao Joda, 130 taona tatỳ aoriana, dia “ny taranak’Israely manontolo” no tany an-tsesitany. (Ezek. 37:11) Hoatran’ny hoe maty àry ireo olona rehetra ireo tamin’izay, ka nitovy tamin’ireo taolana tao amin’ny fahitan’i Ezekiela.a Tadidio koa fa tsy taolana tsotra fotsiny no hitan’i Ezekiela fa taolana“maina be.” Midika izany fa nandritra ny fotoana ela be ny Israely sy ny Joda no hoatran’ny hoe maty. Izany mihitsy no nitranga, satria raha atambatra dia naharitra 200 taona mahery io fotoana io, nanomboka tamin’ny 740 T.K. ka hatramin’ny 537 T.K.—Jer. 50:33.
-
-
“Ho Velona Indray Ianareo”Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
-
-
a Taolan’olona “novonoina” ireo taolana hitan’i Ezekiela. (Ezek. 37:9) Hoatran’ny hoe novonoina “ny taranak’Israely manontolo”, izany hoe ny olona tao amin’ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely sy tao amin’ny fanjakan’ireo foko roan’ny Joda, rehefa resin’ny Asyrianina sy ny Babylonianina sady nataony sesitany.
-