“Ho fantany fa Izaho no Jehovah”
“Ary tsy havelako holotoina intsony ny anarako masina; ka dia ho fantatry ny firenena fa Izaho no Jehovah.” — EZEKIELA 39:7.
1, 2. Ahoana moa no ahafantarantsika fa tsy holeferin’i Jehovah tsy hisy farany akory ny fandotoana ny anarany masina?
ARAKA ny miharihary mazava amin’ny bokin’i Ezekiela, dia nandoto ny anarana masin’i Jehovah ny Isiraelita fahizay. Nandoto ny anaran’ilay Andriamanitra izay nolazainy fa nivavahana koa anefa ireo anisan’ny fivavahana lazaina fa kristiana.
2 Moa ve holeferin’ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao tsy hisy farany ny handotoana ny anarany? Tsia, satria izao no nambarany: “Ary tsy havelako holotoina intsony ny anarako masina; ka dia ho fantatry ny firenena fa Izaho no Jehovah.” (Ezekiela 39:7; jereo koa Ezekiela 38:23). Ahoana no hahatanterahan’ireo teny ireo? Ary fianarana inona no azontsika tsoahina avy amin’ireo toko manaraka amin’ny bokin’i Ezekiela?
Faminaniana ho fanoherana firenena hafa
3. a) Nanao ahoana ny fihetsiky ny firenena hafa teo anoloan’ny loza nahazo ny Joda? b) Noho ny toe-tsaina inona moa no nanonganana ny ‘mpanjakan’i Tyro’, ary fianarana inona no tokony hotsoahintsika avy amin’izany?
3 Taorian’ny nandravana an’i Jerosalema, dia nomelohina Amona noho ny nifaliany tamin’ny loza nanjo ny Joda, ary Moaba noho ny nanarahany fihetsika nanamavo an’io fanjakana io. Nomelohina noho ny faharatsiam-panahy Edoma, ary hiharan’ny “famaliana lehibe” avy amin’Andriamanitra ny Filistina noho ny fitiavany valifaty (Ezekiela 25:1-17; Ohabolana 24:17, 18). Noho ny nifaliany rehefa nahafantatra ny nandravana an’i Jerosalema, dia ho latsaka eo an-tanan’i Nebokadnezara na Nebokadrezara (dikan-tsoratra manakaiky kokoa ny fiteny babyloniana) ny tanànan’i Tyro. (Ezekiela 26:1-21.) Sahala amin’ny sambo natao ho rendrika izy (Ezekiela 27:1-36). Naongana ny ‘mpanjakan’i Tyro’ (toa ny tarana-mpanjaka nanjaka teo amin’io tanàna io), noho ny nampisehoany fiavonavonana sahala amin’ny an’i Satana (Ezekiela 28:1-26). Tsy azo lavina àry fa tokony hariantsika ny avonavona, satria io fahotana io mety hitarika antsika handoto ny anaran’i Jehovah. — Salamo 138:6; Ohabolana 21:4.
4. Inona no anjara niandry an’i Farao sy Egypta?
4 Nambaran’i Ezekiela fa ho foana mandritra ny 40 taona Egypta. Ny harenany no ho vidin’ny fanafihan’i Nebokadnezara an’i Tyro, araka ny didim-pitsaran’i Jehovah (Ezekiela 29:1-21). Rehefa hampiely ny Egyptiana Andriamanitra, dia ‘ho fantatr’izy ireo fa izy no Jehovah’. (Ezekiela 30:1-16.) Farao nieboebo, solontenan’i Egypta, dia noharina tamin’ny sedera lehibe ho nokapaina (Ezekiela 31:1-18). Tamin’ny farany, Ezekiela dia niventy hiram-pisaonana ny amin’i Farao sy ny fidinan’i Egypta ho any amin’ny Sheola. — Ezekiela 32:1-32.
Ny adidin’ny mpitily
5. a) Inona moa no fepetra takina mba hahazoan’ny mpitily ara-panahy iray sitraka amin’Andriamanitra? b) Inona moa no dikan’ny hoe ‘mandeha ao amin’ny fandaharana ho amin’ny fiainana’?
5 Nampahatsiarovin’i Jehovah an’i Ezekiela ny adidiny amin’ny maha-mpitily (Ezekiela 33:1-7). Miharihary fa tsy mankasitraka mpitily ara-panahy iray Andriamanitra raha tsy manatanteraka ny adidiny izy ka mampiomana ny ratsy fanahy (vakio Ezekiela 33:8, 9). Sahala amin’i Ezekiela, ny kilasin’ny “mpitily” voahosotra àry dia manambara amim-pahasahiana ireo fampitandreman’Andriamanitra. Koa satria tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fahafatesan’ny ratsy fanahy, dia tsy hoheveriny ny ratsy nataony taloha raha mihaino ny fampitandremany izy ireo ka manomboka ‘mandeha amin’ny fandaharan’ny fiainana’. Tamin’ny andron’i Ezekiela, ny dikan’ny hoe mandeha amin’izany fandaharana izany dia ny nitandrina ny Lalàna. Amin’izao andro izao, ny dikan’izany dia ny fanekena ny vidin’ny avotra natolotr’i Kristy sy ny fahatongavana ho anankiray amin’ireo mpianany (1 Petera 2:21). Tsy misy zavatra tsy mifandrindra mihitsy amin’ny fomba anasazian’Andriamanitra na amaliany soa an’ireo mpanompony. Ilaina àry ny manaraka ny lalàny mba hahatafitana velona amin’ny “fahoriana lehibe”. — Ezekiela 33:10-20; Matio 24:21.
6. Amin’izao androntsika izao, amin’ny ahoana moa ny maro no sahala amin’ireo babo jiosy tamin’ny andron’i Ezekiela?
6 Tany amin’ny faramparan’ny taona 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia nitantara ny fandravana an’i Jerosalema ny mpitsoa-ponenana iray, ary dia nanomboka niteny indray tamin’ny anaran’i Jehovah i Ezekiela (Ezekiela 33:21-29). Inona no vokatry ny teniny teo amin’ireo babo (vakio Ezekiela 33:30-33)? Amin’izao androntsika izao, dia be dia be no sahala amin’ireo babo jiosy nihevitra an’i Ezekiela ho “mpanao hira mahafinaritra”. Tian’izy ireny ny mandre ny hafatra momba ilay Fanjakana torin’ny kristiana voahosotra sy ireo namany isan-trano, nefa tsy manao zavatra mifanaraka amin’izany izy. Amin’izy ireny, izany hafatra izany dia sahala amin’ny hirahiram-pitiavana mahafinaritra. Kanefa, noho izy ireny tsy manolo-tena ho an’i Jehovah, dia tsy ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” izy.
Ny ‘hany mpiandry ny ondrin’i’ Jehovah
7. Fanaovan-javatra inona, azo ampitahaina amin’izay notanterahiny tamin’ny andron’i Ezekiela moa no ataon’i Jehovah ho an’ireo ‘ondriny’ amin’izao androntsika izao?
7 Tao amin’ny hafatra nomeny an’i Ezekiela taorian’ny nianjeran’i Jerosalema, dia nomelohin’i Jehovah ireo “mpiandry ny Isiraely”, dia ireo mpitondra jiosy izay nandoto ny anarany masina. Tena mihatra marina tokoa amin’ireo mpitondra ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana koa io fanamelohana io (vakio Ezekiela 34:1-6)! Mifanohitra amin’ny Mpiandry tsara, Jesosy Kristy, ireo filoha ara-politika ao amin’ny tanin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia manatavy tena amin’ny famaboana ny “ondry”. (Jaona 10:9-15.) Kanefa, tahaka ny nanafahan’Andriamanitra ny ondriny tamin’ny fanesorana ny fahefana tamin’ireo mpiandry tia tena rehefa noravana Joda, dia toy izany koa fa hafahany indray izy ireny amin’ny fanesorana ny fahefany amin’ireo mpitondra ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’ny “fahoriana lehibe”. (Apokalypsy 16:14-16; 19:11-21.) Nampiseho ny fitiavany an’ireo ‘ondriny’ Jehovah tamin’ny fanafahana azy ireny avy tany Babylona tamin’ny 537 alohan’ny fanisan-taona iraisana; toy izany koa, fa nampiseho an’io toetra io izy rehefa nampiasa an’ilay Kyrosy Lehibe, Jesosy Kristy, mba hanafahana ny sisa tamin’ny Isiraelita ara-panahy avy amin’ny fanandevozan’i Babylona Lehibe tamin’ny 1919. — Ezekiela 34:7-14.
8. Inona no hataon’i Jehovah raha manomboka mampahory ny andian’ondriny ny ‘ondry matavy’ iray, ary ahoana moa no tokony ho fomba hitondran’ireo mpiandry lefitra ny ondry?
8 Miahy amim-pitiavana an’ireo ondriny Andriamanitra (vakio Ezekiela 34:15, 16). Raha toa amin’izao androntsika izao, ka manomboka mampahory ny Andian’ondriny ny ‘ondry matavy’ iray, dia ‘hampiraoka’ azy Jehovah amin’ny fandroahana azy aloha, avy eo dia amin’ny fanafoanana azy amin’ny “fahoriana lehibe”. Tamin’ny 1914 Jehovah dia nanendry ‘ny hany mpiandry’, dia Jesosy Kristy, ho eo amin’ny sisa amin’ny kristiana voahosotra. Nanomboka tamin’ny 1935 izy dia mitarika fanangonana “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” izay manompo hatramin’izao eo anilan’ireo ‘ondry ao amin’ny tanin’ahitr’i Jehovah’ voahosotry ny fanahy. Sahala amin’Andriamanitra sy Kristy, ireo mpandry lefitra kristiana dia tokony hitondra ireny ondry rehetra ireny amim-pitiavana. — Ezekiela 34:17-31; Apokalypsy 7:9; Jaona 10:16; Salamo 23:1-4; Asa. 20:28-30.
“Saha Edena”
9. Koa satria nandidy ny hitandreman’ny tanin’ny Joda sy Isiraely sabata Jehovah, inona moa no nataony?
9 Aoka anefa isika hiverina any amin’ny tanin’ny Joda sy Isiraely rava. Koa satria namoaka didy Andriamanitra fa hitandrina sabata io tany io satria tsy hisy mponina mandritra ny 70 taona, dia nataony izay tsy hahatonga an’i Edoma na firenena hafa iray haka azy (2 Tantara 36:19-21; Daniela 9:2). Raha ny marina, araka ny voalazan’ny faminaniana, dia noravan’ny Babyloniana koa Edoma sy ny faritaniny, dia ny faritra be tendrombohitr’i Seïra, ka tonga teo ambany fanapahany tamin’ny 602-601 alohan’ny fanisan-taona iraisana. — Ezekiela 35:1 ka hatramin’ny 36:5; Jeremia 25:15-26.
10. Fisehoan-javatra amin’ny andro ankehitriny inona avy moa no nambara tamin’ny fampodiana sisa tamin’ny Joda tamin’ny 537 alohan’ny fanisan-taona iraisana?
10 Ny fampodiana sisa tamin’ny Joda tamin’ny 537 alohan’ny fanisan-taona iraisana dia nanambara fisehoan-javatra manaitra nitranga tamin’izao androntsika izao. Tamin’ny 1919, ny “tendrombohitr’Isiraely”, izany hoe ny faritra ara-panahin’ny Vavolombelon’i Jehovah voahosotry ny fanahy, dia nanomboka nonenan’ny sisa novelombelomina indray teo amin’ny lafiny ara-panahy (Ezekiela 36:6-15). Nanadio an’ireo mpanompony Andriamanitra, ka nanaisotra ny fahalotoany ara-panahy, ary nametraka teo aminy “fanahy vaovao” izay mahatonga azy ireo ho afaka hamoa ny vokatry ny fanahiny masina (Galatiana 5:22, 23). Ary mba hahatonga an’ireo firenena tsy handoto ny anarany noho ny nifehezany ny olony, dia nitahy be dia be ny sisa tamin’ireo mpanompony Jehovah. — Ezekiela 36:16-32.
11. Mifanaraka amin’ny Ezekiela 36:33-36, inona moa no nataon’Andriamanitra ho an’ny faritra ara-panahy niainan’ny sisa tamin’ny kristiana voahosotra?
11 Taorian’ny niverenan’ny sisa tamin’ny Joda, dia tonga “saha Edena” lonaka io tany foana io (vakio Ezekiela 36:33-36). Toy izany koa, nanomboka tamin’ny 1919 Jehovah dia nanova ny faritra nisy ny sisa tamin’ny kristiana voahosotra foana taloha ho paradisa ara-panahy lonaka, ka mitoetra ao koa ny “olona betsaka” amin’izao fotoana izao. Ny kristiana nanolo-tena ho an’Andriamanitra tsirairay avy dia tokony handray anjara amin’ny fitehirizana ho madio io paradisa ara-panahy io satria olona masina no namponeniny tao. — Ezekiela 36:37, 38.
Voaorina indray ny firaisan-tsaina
12. Ao amin’ny Ezekiela 37:1-14, tamin’ny fomba ahoana moa no nanoharana ny famelomana indray ny firenena jiosy fahiny, ary inona no mifanitsy amin’izany fampodiana izany amin’izao androntsika izao?
12 Nandritra ny fahababoany tany Babylona, dia toy ny firenena maty, taolana teo amin’ny velaran’ny saha iray, ny Jiosy (Ezekiela 37:1-4). Fa inona no hitan’i Ezekiela nanaraka izany (vakio Ezekiela 37:5-10)? Nirakotra hozatra sy nofo ary hoditra ireny taolana ireny, avy eo dia novelomina indray tamin’ny alalan’ny fofonaina (Ezekiela 37:11-14). Nanangana ny firenena jiosy tamin’ny maty Andriamanitra rehefa nanana fahafahana honina indray tany Jerosalema ny olona 42 360 avy amin’ny fokon’ny Isiraely rehetra sy tsy Isiraelita teo amin’ny 7 500, ka nanorina indray an’i Jerosalema sy ny tempoliny ary nampiverina tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina tao amin’ny tanin’izy ireo (Ezra 1:1-4; 2:64, 65). Toy izany koa, tamin’ny 1918 ny sisa tamin’ny Isiraelita ara-panahy nenjehina dia tonga tahaka ireny taola-maina ireny, maty izy ireny raha ny amin’ny asany ampahibemaso fanaovana fanambarana. Tamin’ny 1919 anefa Jehovah dia namelombelona azy ireny indray ary nanomboka nanambara indray ilay Fanjakana izy (Apokalypsy 11:7-12). Izany fifanitsian-javatra izany dia tokony hampahery antsika eo amin’ny fiaikentsika fa ireny kristiana voahosotra ireny sy ireo niaraka taminy dia mahaforona ny fandaminana eto an-tany ampiasain’i Jehovah amin’izao androntsika izao. — Jereo ny Annuaire des Témoins de Jéhovah 1975, pejy faha-87 ka hatramin’ny 125.
13. Ao amin’ny Ezekiela 37:15-20, tamin’ny fomba ahoana moa no nanazavana ny fiverenan’ny firaisan-tsaina teo amin’ny lafin’ny fandaminana, teo anivon’ny vahoakan’i Jehovah fahiny, ary inona no nifanitsy tamin’izany?
13 Ahoana no nanazavana ny fampiverenana tamin’ny laoniny ny firaisan-tsaina teo amin’ny lafin’ny fandaminana teo anivon’ny vahoakan’i Jehovah fahiny (vakio Ezekiela 37:15-20)? Ny fampifanatonana tapa-kazo (ny anankiray voamarika ho an’ireo fokon’ny fanjakan’ny Joda roa, ny anankiray ho an’ny foko folon’ny fanjakan’ny Isiraely) dia nahita fahatanterahany tamin’izao androntsika izao. Nandritra ny Ady Lehibe Voalohany, dia nisy olona fatra-paniry laza nanandrana nanapaka ny firaisan-tsain’ireo mpanompon’Andriamanitra, nefa tamin’ny 1919 ireo kristiana voahosotra nahatoky dia tafaray teo ambany fitarihan’i Kristy, “mpanjaka iray ihany” sy ‘mpiandry iray ihany’ azy ireo. Afa-tsy izany koa, sahala amin’ireo tsy Isiraelita maherin’ny 7 500 izay niverina tao amin’ny tanin’ny Joda, ireo anisan’ny “olona betsaka” izao dia tafaray amin’ny sisa amin’ny kristiana voahosotra. Toy inona moa ny fifaliana ao anatin’ny paradisa ara-panahy sy manompo an’i Jehovah ao anatin’ny firaisan-tsaina eo ambany fitarihan’ilay ‘mpanjakantsika iray ihany’! — Ezekiela 37:21-28.
Manafika i Goga!
14. Iza moa Gogan’i Magoga, ary inona no hataony (Ezekiela 38:1-17)?
14 Nolazaina ara-paminaniana nanaraka izany ny fisehoan-javatra nanaitra iray. Noho ny fanantenana ny handoto ny anaran’Andriamanitra sy hanafoana ny Olony, dia hanafika ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy, dia sisa mampiseho ny “vehivavy” na fandaminan’i Jehovah any an-danitra Gogan’i Magoga (Apokalypsy 12:1-17). Goga dia “filohan’izao tontolo izao”, Satana Devoly. Nandray ny anarana hoe Goga izy taorian’ny nandroahana azy avy tany an-danitra, dia fandroahana izay nanaraka ny nahaterahan’ilay Fanjakana tamin’ny 1914 (Jaona 12:31, MN ). Ny “tany Magoga” dia ny toerana itanana an’i Goga sy ireo demoniany eo amin’ny manodidina ny tany. Rehefa ho avy nandringana ny fivavahana lazaina fa kristiana sy ny tapany sisa amin’i Babylona Lehibe ireo hery mpanohitra fivavahana, Jehovah dia hampiakatra an’i Goga hanohitra ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy sy ireo namany nanolo-tena ho an’Andriamanitra izay toa tsy hanam-piarovana. — Ezekiela 38:1-17; Apokalypsy 17:12-14.
15. Inona moa no hitranga rehefa hanafika ny Vavolombelon’i Jehovah i Goga?
15 Inona no hitranga rehefa hanafika ny Vavolombelon’i Jehovah i Goga (vakio Ezekiela 38:18-23)? Hamonjy ny vahoakany Jehovah! Ny fiadiana hampiasainy dia ranonorana manafotra, havandra vaventy, tselatr’afo sy areti-mandringana. Hisafotofoto tanteraka ireo mpiadin’i Goga ka hifamely sabatra? Alohan’ny hanafoanan’Andriamanitra azy ireny anefa, dia ‘ho fantany fa Izy no Jehovah’.
16. a) Inona no hitranga amin’ny “tany Magoga”? b) Inona moa no tokony ho vokatry ny fahalalana mialoha izay hitranga amin’i Goga eo amintsika?
16 Rehefa ho voatsipy ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa Satana sy ireo demoniany, amin’izay ny “tany Magoga” itanana azy ireo etỳ amin’ny manodidina ny tany dia tsy ho hita mandrakizay (Apokalypsy 20:1-3). Ho lehibe aoka izany ny fitaovam-piadian’i Goga, hany ka hilàna fotoana ny fanafoanana azy. Ny vorona sy ny biby no hihinana ny fatin’ireo tafik’i Goga izay tsy halevina. Inona no tokony ho vokatry ny fahalalana mialoha izany fisehoan-javatra rehetra izany eo amintsika? Ny fahafantarana fa antomotra ny fanafihan’i Goga, nefa hamonjy ireo Mpanompony Jehovah, dia tokony hampitombo ny finoantsika. Tokony hifaly isika amin’ny fieritreretana fa hanamasina ny anaran’Andriamanitra nolotoina hatramin’ny ela be tokoa izany fisehoan-javatra izany. — Ezekiela 39:1-29.
Diniho ny fitoerana masin’i Jehovah!
17. a) Inona moa no fahitana azon’i Ezekiela tamin’ny 593 alohan’ny fanisan-taona iraisana? b) Manaporofo inona ny fahitana ny tempoly?
17 Tamin’ny 593 alohan’ny fanisan-taona iraisana, taona fahefatra ambin’ny folo taorian’ny nandravana ny tempolin’i Jerosalema, dia nahazo fahitana fitoerana masina vaovao natokana ho an’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah i Ezekiela. Lehibe dia lehibe ny refiny nalain’ilay anjely nitari-dalana an’ilay mpaminany (Ezekiela 40:1 ka hatramin’ny 48:35). Io tempoly io dia nampiseho ny “tena tabernakely, izay naorin’ny Tompo [Jehovah, MN ]” ary nahitana “tandindon’ny zavatra any an-danitra”. Niditra tao amin’ny Masina Indrindra amin’io fitoerana masina io, dia ny “any an-danitra tokoa”, Jesosy Kristy, tamin’ny taona 33 amin’ny fanisan-taona iraisana mba hitondra teo amin’Andriamanitra ny vidin’ny sorom-panavotany (Hebreo 8:2; 9:23, 24). Ny fahitana an’io tempoly io dia manaporofo fa mbola ho velona ihany ny fanompoam-pivavahana madio na dia ao aza ny fanafihan’i Goga. Fampaherezana re izany ho an’ireo izay tia ny anaran’i Jehovah!
18. Inona avy moa no sasantsasany amin’ireo toetra mampiavaka ny tempoly hita tamin’ny fahitana?
18 Nahitana toetra nampiavaka maro ny tempoly. Ohatra, nisy varavarana enina tamin’ireo rindriny ivelany sy anatiny (Ezekiela 40:6-35). Nisy efitrano fihinanana telopolo (azo inoana fa mba hihinanana ny fanati-pihavanana) tao amin’ny kianja ivelany (40:17, MN ). Tao amin’ny kianja anatiny ny alitaran’ny fanatitra odorana (43:13-17). Nisy alitara hazo, angamba mba handoroana ditin-kazo manitra, tao amin’ny efitra voalohany amin’ny tempoly (41:21, 22). 20 hakiho ny refin’ny lafin’ny Masina Indrindra, ary 500 volotara (1 600 metatra) ny lafin’ny manda nanodidina ny tempoly. Trano kanto feno ny voninahitr’Andriamanitra re izany! — Ezekiela 41:4; 42:16-20; 43:1-7.
19. Inona moa no tokony ho vokatry ny toetoetra mampiavaka ny tempoly sy ny hoe tsy maintsy nanarahan’ireo nanompo tao ny fitsipika noferan’Andriamanitra, eo amintsika?
19 Ireo andinindininy maro momba ny tempoly, ny sorona, ny fanatitra sy ny andro firavoravoana dia tokony hanoritra ao an-tsaintsika ny ilàna hanarahana amim-pitandremana ireo toromarika omen’ny fandaminan’Andriamanitra, ny maha-zava-dehibe ny hanaovana ny zavatra rehetra mba hanandratana an’i Jehovah sy ny fanompoam-pivavahana aminy (Ezekiela 45:13-25; 46:12-20). Ireo izay nanompo tao amin’ny tempoly dia tsy maintsy nanaraka ireo fitsipik’Andriamanitra ambony ary tsy maintsy nampianarina ny vahoaka ‘ny tsy fitovian’ny zavatra masina sy ny zavatra tsy masina’. (Ezekiela 44:15, 16, 23.) Izany dia tokony hanosika antsika ho masina hatrany, dia isika izay anisan’ny vahoakan’i Jehovah. — Efesiana 1:3, 4.
20. a) Mampiseho inona moa ny rano nivoaka avy tamin’ny tempoly voalazan’ilay fahitana? b) Inona moa no ho vokatr’io rano ara-panoharana io?
20 Nisy riaka nivoaka avy amin’ny tempoly izay nanatsara na nahatonga ho mamy ny rano masiran’ny ranomasina Maty, hany ka nanjary feno hazandrano izy io (Ezekiela 47:1-11). Ny ranon’io riaka io dia mampiseho ireo fandaharana nataon’Andriamanitra mba hetezan’ny fiainana mandrakizay. Ny anankiray amin’izany dia ny soron’i Jesosy izay ampy tokoa ho fanavotana olona izay ho tafita velona amin’ny fanafihan’i Goga sy olon-kafa koa, dia ireo hatsangana amin’ny maty, ohatra (Jaona 5:28, 29; 1 Jaona 2:2; Apokalypsy 22:1, 2). Ny ranomasina Maty dia mampiseho ny fotopoto-javatra iainan’ny olombelona izay voaheloka ho amin’ny fahotana sy ny fahafatesana nolovana, ka tapahin’i Satana. Sahala amin’ny hazandrano tsy tambo isaina tao amin’ny ranomasina Maty nanjary mamy, dia hiroborobo ny olombelona navotana ao anatin’ny toe-piainana hihatsara hisy eo ambanin’ny Fiandrianan’ny Mesia.
21. Araka ny Ezekiela 47:12, soa inona avy moa no ho azon’ny olombelona mankatò ao amin’izao tontolo izao vaovao?
21 Ampifandraisina amin’ireo hazo naniry nanaraka ny rano voalazan’ny fahitana koa ny fanasitranana (vakio Ezekiela 47:12). Ao anatin’izao tontolo izao vaovao, ny olombelona mankatò dia hanana fahasalamana ara-batana sy ara-panahy tonga lafatra. Nahoana moa no tokony ho hafa noho izany no izy? Afaka manasitrana amin’ny fomba maharitra ny ravin’ireo hazo fihinam-boa voalazan’ilay fahitana. Endrey izany fitahiana ho an’ireo izay mahalala sy manompo an’i Jehovah!
Dia ho fantany!
22. Inona moa no mampiseho fa hametraka ny olombelona ao amin’izay heveriny fa tsara ao amin’ny Paradisa Andriamanitra?
22 Amin’ny fiaraha-miasa dieny izao amin’ny fandaminan’i Jehovah, dia afaka mampitombo toetra tsara isika ka izany dia hanampy antsika hanaiky hotarihin’Andriamanitra rehefa hametraka ny olombelona ao amin’izay hoheveriny fa tsara izy ao amin’ny Paradisa an-tany. Toa homena toerana honenany ny olombelona. Mampiseho izany ny fizarana tany ho an’ireo foko, tany avaratra sy tany atsimon’ny sila-tany iray ho an’ny fitantanan-draharaha hitan’i Ezekiela. Nisy fizarana telo io “anjara” faritany io: ny anankiray natokana ho an’ireo Levita tsy anisan’ny fisoronana, ny anankiray an’ny mpisorona ary nisy ny tempoly hita tamin’ny fahitana. Farany, teo afovoan’ny tapany atsimo no nisy tanàna iray niasan’olona avy tamin’ny foko rehetra teo ambany fitarihan’ny “mpanjaka [filoha, MN ]” niombonana, dia ireo mpanapaka ho solontenan’ny Mesia ao amin’ny “tany vaovao”. — Ezekiela 47:13 ka hatramin’ny 48:34; 2 Petera 3:13; Salamo 45:16.
23. Inona moa no tokony hataontsika dieny izao raha irintsika ny ho anisan’ny olombelona navotana izay hiaina ao amin’ny Paradisa?
23 Avy eo amin’ny seza fiandrianany, any amin’ny fitoerana masina any an-danitra, no hitahian’Andriamanitra ny tanàna ara-panoharana hitan’i Ezekiela (vakio Ezekiela 48:35). Io foibe fitantanan-draharaha eto an-tany io dia hantsoina hoe Jehovah-Shamah, “Jehovah no ao”. Manehoa hatrany fitiavana an’Andriamanitra tsy azo ravana, dia mety ho tonga anisan’ny olombelona navotana hiaina ao amin’ny Paradisa ianao rehefa tsy hisy olona ho ao anatin’ny fahamaizinana ara-panahy intsony eto an-tany, fa hahafantatra kosa ny olona rehetra fa Jehovah no hany Andriamanitra velona sady marina (Habakoka 2:14). Aza miandry ho voatery hiaiky fa Jehovah no Andriamanitra rehefa haringana ny ratsy fanahy. Manehoa finoana azy, ka asehoy amin’izany fa manantena ho anisan’ireo ho tafita velona ianao rehefa hanatanteraka ity fampanantenana ity Andriamanitra: “Ho fantatr’ireo firenena fa izaho no Jehovah.” — Ezekiela 36:23.
Ahoana no havalinao?
◻ Raha manao inona ihany ny mpitily ara-panahy vao ankasitrahan’i Jehovah?
◻ Ahoana moa no itondran’i Jehovah ireo ondriny, ary amin’ny fomba ahoana no tokony hiandrasan’ireo mpiandry kristiana azy ireny?
◻ Ahoana moa no nanoharana ny famelombelomana indray ny firenena jiosy (Ezekiela 37:1-14)? Inona no mifanitsy amin’izany amin’ny andro ankehitriny?
◻ Iza moa Gogan’i Magoga, ary inona no hitranga rehefa hanafika ny Vavolombelon’i Jehovah izy?
◻ Mampiseho inona moa ny rano nivoaka avy tao amin’ny tempoly hita tamin’ny fahitana?
[Sarintany/Sary, pejy 25]
(Jereo ny gazety)
Ny anjara masina voatokana, sy ny nomena an’ireo foko
RANOMASINA LEHIBE
DANA
ASERA
NAFTALY
MANASE
EFRAIMA
ROBENA
JODA
NY FILOHA
BENJAMINA
SIMEONA
ISAKARA
ZEBOLONA
GADA
[Sary, pejy 23]
Sahala amin’ireo mpiandry ondry fahizay, Jehovah dia miahy amim-pitiavana ireo ondriny. Tokony hitondra ny andian’ondrin’Andriamanitra amim-pitiavana àry ireo mpiandry kristiana.