-
“Hamely Anao Aho, ry Goga”Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
-
-
Inona ilay “tany”?
11. Inona no lazain’ny faminanian’i Ezekiela momba an’ilay “tany” hotafihin’i Goga?
11 Hitantsika teo amin’ny fehintsoratra faha-3 fa ho tezitra be i Jehovah satria hanafika tany sarobidy be aminy i Goga avy any Magoga. Inona io tany io? Andao hojerentsika indray ilay faminanian’i Ezekiela. (Vakio ny Ezekiela 38:8-12.) Voalaza ao hoe ‘hotafihin’i Goga ny tanin’ireo olona naverina indray tao amin’ny taniny’ sy “nangonina avy any amin’ireo firenena.” Voalaza ao koa hoe “miadana sy milamina” ireo olona ao amin’ilay tany ireo sady “manangona harena”, ary “mipetraka ao amin’ny tanàna kely tsy misy manda na bara hidiny na vavahady miaro azy.” Ny tany misy an’ireo manaraka ny fivavahana madio maneran-tany no tian’ilay faminaniana horesahina. Hijery tsipiriany bebe kokoa momba azy io isika izao.
12. Nahoana no azo lazaina fa efa nisy famerenana tamin’ny laoniny tany Israely?
12 Tany Israely ny vahoaka nofidin’Andriamanitra no nipetraka sy niasa ary nanompo azy, nandritra ny taonjato maro. Rehefa nivadika tamin’i Jehovah ry zareo, dia naniraka an’i Ezekiela izy mba hilaza hoe ho rava ny tanin-dry zareo ary tsy hisy mponina intsony. (Ezek. 33:27-29) Nilaza koa anefa i Jehovah hoe hisy hibebaka ny olona hatao sesitany any Babylona, dia hiverina any Israely ka hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana madio ao amin’ilay tany. Hotahin’i Jehovah ilay tany, dia tsy ho ngazana intsony fa hamokatra be “hoatran’ny zaridainan’i Edena.” (Ezek. 36:34-36) Tanteraka tamin’ny 537 T.K. izany, rehefa tafaverina tany Jerosalema ny Jiosy natao sesitany ka namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana madio tao amin’ilay taniny.
13, 14. a) Inona ilay tany an’ohatra hotafihin’i Goga? b) Nahoana izy io no sarobidy amin’i Jehovah?
13 Mitovitovy amin’izany koa no nitranga tamin’ny mpanompon’i Jehovah tatỳ aoriana. Hitantsika tao amin’ny Toko faha-9 fa nafahana avy tao amin’i Babylona Lehibe ry zareo tamin’ny 1919 rehefa avy babo ela be tao. Nentin’i Jehovah tany amin’ny tany anankiray an’ohatra ny vahoakany tamin’io taona io. Inona io tany io? Ilay paradisa ara-panahy izy io, ary ao isika no miara-manompo an’i Jehovah. Milamina tsara isika ao sady mahazo sakafo ara-panahy tondraka, ary voaro sy milamin-tsaina. (Ohab. 1:33) Faly sy afa-po koa isika ao manao asa isan-karazany mba hahafahana mitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Tena tsapantsika mihitsy ny voalazan’ilay ohabolana hoe: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy ampiany fijaliana izany.” (Ohab. 10:22) Inona no tokony hataontsika raha te hijanona ao amin’io paradisa ara-panahy io foana isika, na aiza na aiza misy antsika? Mila asehontsika amin’izay lazaintsika sy ataontsika hoe manohana ny fivavahana madio isika.
14 Sarobidy amin’i Jehovah io paradisa ara-panahy io. Nahoana? Satria aminy dia “zava-tsarobidy eo amin’ny firenena rehetra” ny olona mipetraka ao, izany hoe ny olona notaominy hanaraka ny fivavahana madio. (Hag. 2:7; Jaona 6:44) Miezaka be ireo olona ireo mba hitafy ny toetra vaovao, izay mampiseho taratra ny toetra tsaran’i Jehovah. (Efes. 4:23, 24; 5:1, 2) Tena mahafoy tena ry zareo rehefa manompo azy, satria te hanome voninahitra azy sady te hanaporofo hoe tia azy. (Rom. 12:1, 2; 1 Jaona 5:3) Azo antoka fa faly be i Jehovah mahita ny mpanompony miasa mafy mba hanatsarana an’ilay paradisa ara-panahy. Eritrereto ange e! Rehefa ny fivavahana madio no ataonao zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainanao, dia tsy vitan’ny hoe manatsara an’ilay paradisa ara-panahy ianao fa mampifaly ny fon’i Jehovah koa!—Ohab. 27:11.
-
-
“Hamely Anao Aho, ry Goga”Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
-
-
16 Rahoviana i Goga avy any Magoga no hanafika an’ilay tany? Milaza ilay faminaniana hoe hanafika an’ilay tany i Goga “amin’ny farany, rehefa afaka taona maro.” (Ezek. 38:8) Midika izany hoe aloha kelin’ny handringanana an’izao tontolo izao no hanafika i Goga avy any Magoga. Tadidio fa hanomboka amin’ny fandravana an’i Babylona Lehibe, izany hoe ny fivavahan-diso rehetra, ny fahoriana lehibe. Aorian’io fandravana ny fivavahan-diso io sy alohan’ny Aramagedona i Goga no hanafika an’izay rehetra manaraka ny fivavahana marina.
-