Ny faminanian’i Daniela: nofy mahakasika anao
“Naka ny tenin’ireo mpaminaninareo ao amin’ny Testamenta Taloha sy ireo famantarana mialoha ny Hara-Magedona aho, ka tonga amin’ny fanontanian-tena raha tsy isika no taranaka hahita fahatanterahan’izany rehetra izany. Tsy fantatro raha namaky ny anankiray tamin’ireny faminaniana ireny vao haingana ianareo, fa, minoa ahy, izany dia tena milazalaza ny fotoana diavintsika.” — Ronald Reagan, prezidàn’i Etazonia.
TSY NY prezidà Reagan ihany akory no manontany tena raha tsy miaina amin’ny fotoana ambara ao amin’ireo faminanian’ny Baiboly isika. Olon-kafa an-tapitrisany maro no gaga nahatsapa fa ny toe-piainana maneran-tany ankehitriny dia mifanitsy amin’ireo faminaniana ao amin’ny Soratra Masina. Ireo faminaniana ireo anefa dia tsy manambara fotsiny fotoam-pahoriana tsy mbola nisy toy izany mihitsy, fa manambara koa ny hanorenana aorian’izany avy hatrany, fandehan-javatra vaovao sy marina.
Ity lahatsoratra ity no voalohany amin’ny fitohitohizan-dahatsoratra havoaka ao amin’ny nomerao efatra hisesy amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana izay ny zava-kendrena aminy dia ny hampifankazatra anao amin’ny anankiray amin’ireo mpaminany fahizay nantsoina hoe Daniela. Angamba efa nandre firesahana ny aminy ianao. Jiosy avy amin’ny fianakaviana nalaza izy io ary babo tany Babylona raha mbola vao zatovo. Tany izy dia notezaina tao an-dapan’i Nebokadnezara, mpanjaka faharoa tao amin’ny Empira babyloniana vaovao. Nitranga izany tamin’ny faran’ny taonjato faha-7 alohan’ny fanisan-taona iraisana, talohan’ny nandravana an’i Jerosalema. Nijanona tany amin’ny fahababoana i Daniela mandra-pianjeran’i Babylona, tamin’ny 539, taorian’izany dia niasa tao an-dapan’ireo mpanjaka mediana sy persiana voalohandohany izy. Nandritra ny fahababoany, dia nilaza hevitry ny nofy izy ary nahita fahitana ara-tsindrimandrin’Andriamanitra mahakasika ny androntsika. Eny, ianao sy ny fianakavianao dia voakasika amin’izay nambaran’i Daniela.
Nofy sy fahitana ara-paminaniana
Ireo nofy sy fahitana tantaraina ao amin’ny bokin’i Daniela, raha ny marina dia faminaniana ho tanteraka vetivety sy atỳ aoriana ela. Milaza mialoha ny tantaran’izao tontolo izao izany. Ampahitany mialoha ny ady ho an’ny fahefana ataon’ny olona, ny tarana-mpanjaka sy ny empira ara-politika teo amin’ny tantara, nanomboka tamin’ny andron’i Daniela ka hatreo amin’ny “andro farany”. — Daniela 8:17, 19, MN.
Ny fahatanterahan’ireo faminaniana vetivety dia tokony hanome toky antsika ny amin’ny faminaniana ho tanteraka atỳ aoriana ela izay mahakasika ny androntsika. Inona moa no sasantsasany amin’ireny faminaniana tanteraka vetivety ireny?
Ny anankiray taminy dia nofy nahitana hazo lehibe nokapaina sy nofatorana nandritra ny “fetr’andro fito”, na fito taona, alohan’ny hamelana azy haniry indray (Daniela 4:7-14). Tamin’ny fahatanterahany vetivety, io faminaniana io dia nihatra tamin’ny Nebokadnezara izay nanonofy izany. Herintaona monja taty aoriana, dia ‘nokapaina’ io mpanjaka io, toa tamin’ny aretin-tsaina. Nandritra ny fito taona izy dia nitondra tena toy ny biby eny an-tsaha. Avy eo, “rehefa tapitra ny andro” voalazan’ny faminaniana, dia nody ny sain’i Nebokadnezara ary niverina teo amin’ny seza fiandrianany izy (Daniela 4:25-34). Araka ny voalazan’ny “encyclopédie” iray (The International Standard Bible Encyclopedia), ireo soratra tranainy dia mampiseho fa tena narary tokoa Nebokadnezara teo amin’ny faramparan’ny andro nanjakany. Nisy fahatanterahany atỳ aoriana ela koa anefa ny nofiny, araka ny hasehon’ny lahatsoratra hanaraka mitovy karazana amin’ity.
Ny fitantarana manaraka dia mahaforona anankiray hafa amin’ireo faminaniana tanteraka vetivety ao amin’ny bokin’i Daniela: nisy tanana nanoratra tamin’ny fomba mahagaga teo amin’ny rindrin’ny efitrano nanaovan’i Belsazara, zafikelin’i Nebokadnezara, fanasana niaraka tamin’ireo mpanapany (Daniela toko faha-5). Nolotoin’izy ireo ny fanaka masina nalaina tany amin’ny tempolin’i Jehovah tany Jerosalema tamin’izay. Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, dia nolazain’i Daniela ny hevitr’io hafatra fanamelohan’Andriamanitra io. Ary tanteraka io filazana ny heviny io satria “tamin’io alina io” dia nianjera Babylona ary “novonoina Belsazara, mpanjakan’ny Kaldeana”, araka ny hamarinin’ilay mpanoratra tantara grika atao hoe Xénophon (Daniela 5:30). Amin’izao andro izao, dia misy fambara hafa milaza mialoha ny fahataperan’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny. Hohazavaina koa izany ao amin’ny lahatsoratra iray mitovy karazana amin’ity.
Vahana amin’ny “andro farany”
Eo amin’ny faramparan’ny bokiny ara-paminaniana, Daniela dia mampita izao hafatra izao noraisiny avy amin’ny anjely iray: “Ary hianao, ry Daniela, dia ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-pihavin’ny andro farany; maro no hazoto mandinika, ka hitombo ny fahalalana [fahalalana marina, MN ].” — Daniela 12:4.
Amin’izao andro izao, dia tena tonga be dia be tokoa “ny fahalalana marina” momba ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly. Izany fitomboan’ny fahalalana izany dia nampiaiky mpianatra tsara ny Baiboly an-tapitrisany maro fa tena miaina amin’ny “andro farany” tokoa isika ary akaiky ny Fanjakana marin’Andriamanitra (Daniela 2:44). Nampiseho ny maha-zava-dehibe ny bokin’i Daniela amin’io lafiny io ny Soncino Books of the Bible ka manambara toy izao: “Tena lehibe indrindra ao amin’ny bokin’i Daniela ny fandresena faran’ny rariny izay ny vokany dia ny fiorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra.”
Moa ve ianao manantena “ny fandresena faran’ny rariny”? Raha izany no izy dia mahaliana anao indrindra ireo nofy sy ireo fahitana ara-paminanian’i Daniela. Ny lahatsoratra manaraka dia hanome anao vitsivitsy amin’izany ho fantatrao sy hanaporofo aminao fa bokim-paminaniana marina ny bokin’i Daniela.