Ahariharin’ny nofy iray fa fohy ny fotoana
“JEHOVAH no (...) Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay.” (Jeremia 10:10). Mbola tsy nafoiny mihitsy ny fahefany eo amin’izao rehetra izao, ka izany no tsy neken’i Nebokadnezara mpanjaka tany Babylona fahizay. Mba hampahafantarana tsara an’io mpanjaka mpanompo sampy io fa “ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olona”, dia nahatonga nofy tao aminy Andriamanitra ary nanome fahefana an’i Daniela mpanompony mba hilaza ny hevitr’izany. — Daniela 4:14, 15.
Hita tao amin’io nofy io ny hazo lehibe iray. “Ny hahavony nipaka tamin’ny lanitra, ary ny fijery azy dia hatrany amin’ny faran’ny tany rehetra.” Araka ny baikon’Andriamanitra, dia nokapaina ilay hazo, nefa nasiana fehy vy sy varahina ny fotony. Tokony hajanona eo izany mandra-pahatapitry ny “fetr’andro fito” amin’io fototra io, aorian’izany, dia ho afaka haniry indray ilay hazo. — Daniela 4:7-14.
“Io hazo hitanao io, hoy ny fanazavan’i Daniela, (...) hianao indrindra izany (...) ary ny fanapahanao.” Tsy maintsy ‘nokapaina’ Nebokadnezara: tsy maintsy namoy ny fiandrianany izy ka very saina koa aza, satria voaheloka hirenireny tany an-tsaha toy ny biby dia nandritra ny “fetr’andro fito”. Aorian’ny fahataperan’ny vanim-potoana voafetra, dia tokony hesorina ireo fatorana ara-panoharana ary tokony hody ny sain’ny mpanjaka ka ho azony indray ny seza fiandrianany. — Daniela 4:17-24.
Marina ny faminaniana: “Izany rehetra izany no nanjo an’i Nebokadnezara mpanjaka.” (Daniela 4:25). Milaza ny rakibolana nohafohezina iray (Lexicon Linguae Aramaicae Veteris Testamenti) fa ireo “fetr’andro fito” tamin’ny nofin’i Nebokadnezara dia fito taona ara-bakiteny. Koa satria io mpanjaka io nanjaka 43 taona (tamin’ny 624 ka hatramin’ny 581 alohan’ny fanisan-taona iraisana), dia marina io filazana io.
Milaza inona ho antsika izany?
Nampihatra foana ny fanapahany teo amin’izao rehetra izao araka ny heveriny fa tsara Jehovah. Nisy fotoana nampiharany izany teto an-tany tamin’ny alalan’ny firenen’Isiraely, hany ka rariny ny nilazana ny amin’ireo mpitondra azy teto an-tany fa izy ireo dia ‘nipetraka tamin’ny seza fiandrianan’i Jehovah’. (I Tantara 29:23.) Rehefa nivadi-pinoana anefa ny Isiraely, dia navelan’i Jehovah ho voaongana ny taranaka avy tamin’ireo mpanjakany, ny taranak’i Davida mpanjaka.
Mety tanteraka àry ny nanomezan’Andriamanitra taoriana kelin’izany an’i Nebokadnezara — ilay nomeny lalana mihitsy handrava ny fanjakany tandindona — famantarana sasany mampiseho fa izany fanomezan-dalana izany dia tsy nilaza velively hoe nifarana ny fanapahan’Andriamanitra ara-dalàna. Io mpanjaka io sy ny firenena jentilisa rehetra izay hanitsaka ilay fanjakana nampiseho an’Andriamanitra dia tsy maintsy hahatakatra fa nihelina ihany izany toe-javatra izany.
Araka izany, ny fotoana nanomezana ilay nofy, ny olona nahazo azy sy ny foto-kevitra ny amin’ny fanapahan’Andriamanitra nasongadiny dia mitarika fa ny heviny dia nihoatra be dia be izay nofonosiny ho an’i Nebokadnezara. Ireo toetra manokana telo ireo dia mahatonga hieritreritra fa, sahala amin’ny hazo iray nokapaina sy nofatorana, ny fanapahan’Andriamanitra araka ny nampisehoana azy tamin’ilay Jerosalema efa rava izao, dia tsy haorina indray alohan’ny fahataperan’ny “fetr’andro fito”, rehefa hesorina ireny fatorana mamepetra ireny. Amin’izay fotoana izay, ny Filoha solontenan’Andriamanitra, “ny manetry tena indrindra amin’ny olombelona” — fanasiana fitenenana ny amin’ny Mesia nampanantenaina izany — dia hotendrena ao amin’ny Fanjakany. Fa raha ny amin’ny fotoana hanatanterahan’Andriamanitra izany zavatra izany, ireo mpianatr’i Jesosy dia nangataka famantarana mba hahalalana izany. — Daniela 4:17, MN; Matio 24:3.
Misy andinindininy hafa koa mampiseho fa marina izany fampiharana lehibe ny nofin’i Nebokadnezara izany. Ny faminaniana voarakitra ao amin’ny Daniela 9:24-27 dia nanambara indrindra ny taona hahatongavan’i Mesia, 500 taona mahery atỳ aorian’ny nanoratana azya. Koa raha nambara tamin’ny fomba hentitra toy izany ny fotoana nahatongavan’ny Mesia tamin’ny naha-olombelona, tsy araka ny fandrindran-kevitra ve ny hanatsoahana avy amin’izany fa holazaina mialoha tsy misy diso toy izany koa ny fotoan’ny fiverenany tsy hita maso ho mpanjaka, dia fiverenana lehibe kokoa? Iza no tsara toerana kokoa noho Daniela mba hanambara izany fiverenana izany? Tadidio koa fa rehefa avy nitantara ireo fahitany sy ireo nofiny ara-paminaniana, anisan’izany ny amin’ilay hazon’i Nebokadnezara, i Daniela, dia nandre baiko nilaza taminy hoe: “Ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-pihavin’ny andro farany.” Nahoana no hatreo? Satria ao anatin’izany fotoana izany dia “hitombo ny fahalalana”. Raha tokony hitoetra ho voaisy tombo-kase, tsy ho azo, ny zavatra nosoratan’i Daniela, mandra-pahatongan’ny “andro farany”, moa ve izany tsy mampahafantatra fa ho zava-dehibe izany eo amin’ny lafiny ara-paminaniana amin’izany fotoana izany? — Daniela 12:4.
Ny “fetr’andro fito” — Nanomboka oviana ka hatramin’ny oviana?
Fony izy nanome ny famantarany, dia notononin’i Jesosy ireo “fetr’andro fito” tamin’ny fiantsoana izany hoe “fotoana voafetra ho an’ireo firenena”. Izao no nambarany: “Jerosalema [mbola] hohitsahin’ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron’ny jentilisa [ny fotoana voafetra ho an’ireo firenena, MN ].” (Lioka 21:24). Ny fanamarihana ambany pejy iray ao amin’ny fanontana amin’ny teny frantsay amin’ny New Scofield Reference Bible dia milaza amintsika fa “ ‘ny andron’ireo firenena’ dia nanomboka tamin’ny fahababoan’ny Joda tamin’ny andron’i Nebokadnezara (...). Hatramin’izay, (...) Jerosalema, araka ny nolazain’i Jesosy, dia ‘nohitsahin’ireo firenena’ ”.
Tokony haharitra firy taona ireo “fetr’andro fito” na “fotoana voafetra ho an’ireo firenena”? Miharihary fa izany dia tokony haharitra mihoatra ny fito taona ara-bakiteny misy 360 andro avy (toy izany no nanisana ireo taona ao amin’ny Baiboly), ka izany dia hanome 2 520 andro. Misy zavatra voalaza taloha ao amin’ny Soratra Masina mampiseho fa tokony hanisa taona iray ho solon’ny andro iray (Jereo nomery 14:34; Ezekiela 4:6; ampitahao amin’ny Apokalypsy 12:6, 14.) Izany fanisana izany dia hampiseho fa ireo “fetr’andro fito” dia naharitra 2 520 taona. Raha nanomboka tamin’ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana izany, dia tokony hifarana tamin’ny 1914 amin’ny fanisan-taona iraisana.
Nandritra ny telopolo taona mahery talohan’ny 1914, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanintona ny saina ho amin’ny maha-zava-dehibe an’io daty io. Aoka homarihintsika anefa fa, araka ilay boky hoe Fahasahiranana iraisam-pirenena (anglisy) navoakan’i Eugenia Nomikos sy Robert North tamin’ny 1976, dia “vitsy ny famantarana, na tsy nisy mihitsy aza, nampiseho fitomboan’ny fihenjanana tsy tapaka na nanambara fa hisy fifanolanana sy fihenjanana hitambatra ka hiafara mivantana amin’ny fipoahan’ny ady”. Mifanohitra amin’izany, “tany amin’ny faran’ny 1913 sy fiandohan’ny 1914, (...) ireo fifandraisana tamin’ireo firenena lehibe indrindra dia toa tsy nihilangilana kokoa tsy tahaka ny nandritra ny taona maro”. Amin’izao andro izao anefa, fitopolo taona atỳ aoriana, dia manantitrantitra ireo mpanoratra tantara fa ny 1914 dia fiolahana teo amin’ny tantaran’ny olombelona. Ohatra, ny boky fakan-kevitra alemana iray (ny Meyers Enzyklopädisches Lexikon) dia manambara fa “ny vokatry ny Ady Lehibe Voalohany dia nitondra fiovana lehibe ara-bakiteny ary nanamarika lalina saika ny fiainan’ny olona rehetra, teo amin’ny lafiny ara-toe-karena, ara-tsosialy sy ara-politika”.
Fantatra tsara ny vokatra ara-politikan’ireo fisehoan-javatra nitranga tamin’ny 1914. Ireo fiovana ara-tsosialy nentiny dia voatanisa ao amin’ilay boky hoe 1913: Farany sy fanombohana (anglisy), nataon’i Virginia Cowles. “Ny taona 1913 dia nanamarika ny faran’ny fotoana”, hoy ny nosoratany. Momba ny vokatry ny ady teo amin’ny ara-toe-karena, dia nanoratra toy izao i Ashby Bladen, prezidà lefitra tao amin’ny fikambanana amerikana momba ny fiantohana aina The Guardian: “Talohan’ny 1914, ireo fandaharan-javatra momba ny vola dia nety nikambana tsara. (...) Raha heverina fa tamin’ny aogositra 1914 dia nifarana ny taonjato faha-19 ary nanomboka ny faha-20, dia nanaitra ny fifanoheran-javatra tamin’ireo taonjato roa. Tamin’ny lafiny maro amin’ny fifandraisana eo amin’ny olombelona, dia nitranga ny firodanan’ny fironana tanteraka. (...) Ny anankiray amin’ireo antony lehibe indrindra [mahatonga izany fisafotofotoana izany] dia satria nanomboka tamin’ny 1914 ny fandaharana ara-bola dia tsy niantoka intsony ny tena vidin’ny vola. (...) Fisehoan-javatra tena lehibe izany fahatapahana izany. (...) Ny taona 1914 dia nanamarika fiovana tanteraka, ary taty aoriana dia nitondra loza aman’antambo, ho an’io fandaharana io.”
Mandroso ve ny ora?
Azo atao mora foana toy ny azo amakiana gazety iray na ijerena vaovao ao amin’ny televiziona ny mahita porofo fa eo am-pahatanterahana ny famantarana nomen’i Jesosy. Izany dia manamarina mafy fa tsy misy diso ireo filazana ara-pandaharan-taona ny nofin’i Nebokadnezara izay nanambara ny 1914. Araka izany, ny dikany dia hoe, ankehitriny, amin’ny taona 1987, dia efa hatramin’ny 73 taona isika no ao anatin’ny “andro farany”. Nampanantena Jesosy fa ny mpikambana sasany amin’ny taranaka ampy taona mba ho vavolombelon’ny fanombohan’io fotoana io dia mbola ho velona rehefa hanapitra izany ny fahoriana lehibe. — Matio 24:34.
Izany toe-javatra izany dia tokony hanosika antsika hifoha hatrany, hibanjina ny fanambaran’Andriamanitra izay mampiseho amintsika hoe aiza ho aiza isika izao eo amin’ny fandehan’ny fotoana. Zava-dehibe ny hanalavirantsika ny fahatongavana tsy hahandry, amin’ny fanandramana mampandroso ny famantaranandron’Andriamanitra: ho fahadisoam-panantenana ho antsika fotsiny izany. Etsy andaniny koa, dia zava-dehibe ny hitandremantsika mba tsy ho afa-po amin’ny tarehin-javatra, ka hanandrana hampihemotra ny famantaranandro: tsy ho tonga afa-tsy amin’ny tsy fahazoana ny zavatra rehetra isika. Tadidio fa tsy “bus”, fiaran-dalamby na fiaramanidina no mety tsy ho azontsika, fa ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra. Ary tena ho kanto tokoa izany fiainana izany ka tsy tokony havela handalo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahitana fanazavana, dia jereo ilay boky hoe “Ho tonga anie ny fanjakanao”, pejy faha-56 ka hatramin’ny faha-63, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc. tamin’ny 1981.
[Efajoro, pejy 6]
Oviana no tena tapitra ny “fetr’andro fito”?
Misy milaza fa na dia ara-paminaniana aza ny “fetr’andro fito” ary na dia maharitra 2 520 taona aza izany, dia diso hevitra ny Vavolombelon’i Jehovah raha ny amin’ny maha-zava-dehibe ny 1914 satria izy ireo manankina ny fanisany amin’ny daty fiaingana diso. Manizingizina ireny mpanaratsy ireny fa tamin’ny 587/586 alohan’ny fanisan-taona iraisana no rava Jerosalema, fa tsy tamin’ny 607. Raha marina io daty io, izany dia hitondra elanelany eo amin’ny roapolo taona amin’ny fanombohan’ny “andro farany”. Tamin’ny 1981 anefa ny Vavolombelon’i Jehovah dia namoaka porofo mampiaiky ho fanohananana ny daty 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana (“Ho tonga anie ny fanjakanao”, pejy faha-127 ka hatramin’ny 140 sy 186 ka hatramin’ny 189). Afa-tsy izany koa, moa ve ireo izay manandrana manaisotra amin’ny 1914 ny maha-zava-dehibe azy eo anoloan’ny Baiboly afaka manaporofo fa ny 1934 — na ny taona hafa rehetra — dia nisy vokany lalina kokoa, mahagaga kokoa sy miavaka kokoa teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao noho ny 1914?
[Tabilao, pejy 6]
(Jereo ny gazety)
‘Fotoana fito voafetra ho an’ireo Andro farany
firenena’ (2 520)
607 alohan’ny 33 amin’ny 1914 amin’ny 1987 amin’ny
fanisan-taona fanisan-taona fanisan-taona fanisan-taona
iraisana iraisana iraisana iraisana
Fandravana ilay Mbola Fanombohan’ny Taona faha-73
Jerosalema ‘hitsahina “andro farany” amin’ny “andro
teto an-tany Jerosalema’ (Daniela 12:4) farany” (Matio
(Lioka 21:24) Mt24:3,12, 22)
[Sary, pejy 7]
Misy fampiharana lehibe mahakasika anao ny nofin’i Nebokadnezara.