-
Teny Efatra Izay Nanova Izao Tontolo IzaoDiniho ny Faminanian’i Daniela
-
-
6 Kanefa dia nanan-kevitra mbola feno fahasahisahian-dratsy kokoa i Belsazara. “Ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy sy ny vadiny mbamin’ny vaditsindranony (...) nisotro divay (...) sady nankalaza ny andriamanitra volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy hazo ary vato.” (Daniela 5:3, 4). Koa ny tian’i Belsazara hatao àry dia ny hanandratra an’ireo andriamani-disony ho ambony noho i Jehovah! Toa fahita teo amin’ny Babylonianina ny fihetsika toy izany. Nanamavo an’ireo babony jiosy izy ireo, ary naniratsira ny fivavahany no sady tsy nanome azy fanantenana ny hiverina tany an-tanindrazany malalany. (Salamo 137:1-3; Isaia 14:16, 17). Angamba nihevitra io mpanjaka efa mamo io fa hampiaiky volana an’ireo vehivaviny sy ireo mpanolo-tsainy ny fampietreny an’ireo olona tany an-tsesitany ireo sy ny fanivaivany ny Andriamanitr’izy ireo, satria hahatonga ny tenany hiseho hanan-kery.a Raha nahatsiaro fientanentanana noho izany fampisehoan-kery izany anefa i Belsazara, dia tsy naharitra ela izany.
-
-
Teny Efatra Izay Nanova Izao Tontolo IzaoDiniho ny Faminanian’i Daniela
-
-
a Tao amin’ny soratra fahiny iray, dia hoy i Kyrosy Mpanjaka momba an’i Belsazara: “Olo-malemy no natao ho [mpanapaka] ny taniny.”
-