Ilay soratra teo amin’ny rindrina: hitanao ve?
“Amin’ny tanany ihany no ahatsinjovany ny ho fiafarany, (...)
Toy ilay soratra teo amin’ny rindrina.”
TAMIN’IREO teny ireo no nilazalazan’i Jonathan Swift, mpanoratra irlanday tamin’ny taonjato faha-18, ny amin’ny lehiben’ny trano fitehirizam-bola iray. Rehefa tototry ny fitakian’ny mpametra-bola sarotsarotiny ny hamerenana ny volan’izy ireo io lehilahy io dia nahatsiaro fa nanakaiky ny farany ho azy. Hatramin’ny taonjato maro, tany amin’ireo tany “anglo-saxons”, ny fitenenana hoe ‘soratra eo amin’ny rindrina’ dia milaza loza mananontanona.
2 500 taona mahery izay no nisehoan’ilay “soratra teo amin’ny rindrina” voalohany, ary ny fahatanterahany niaraka tamin’izay dia nanova ny fandehan’ny Tantara. Mba hahafantarana tsara kokoa hoe avy taiza ny fitenenana hoe ‘soratra eo amin’ny rindrina’, dia tokony hitodika any amin’ny bokin’i Daniela ao amin’ny Baiboly isika. Ny fandinihana azy dia hanampy antsika hahatsapa fa sarobidy ireo fampitandremana voarakitra ao amin’ny Soratra Masina, ka tsy isalasalana fa hanosika antsika hihevitra fampitandremana farany amin’izao androntsika izao.
Avy eo amin’ny fara tampon’ny hery
Tamin’ny harivan’ny 5 oktobra 539 amin’ny fanisan-taona iraisana, dia nisotro sy nandihy ireo mponina tao Babylona. Tao am-bavahady ny fahavalo mediana sy persiana, nefa toa voaro tsara ny tanàna. Tsy nisy afaka nananika ireo mandany. Omeo toerana àry ny firavoravoana! Ary na dia ny tabatabam-pikoranana aza dia azo inoana fa nampiseho tamin’ireo mpanafika fa afaka mahatohitra maharitra ny tanàna!
Tao amin’ny efitrano malalaka tao an-dapany, azo antoka fa tamim-pieboeboana, Belsazara mpanjaka dia nijerijery ireo olo-nalaza novoriny tamin’io fotoana io. Araka ny baikony, dia nisy mpanompo nitondra ireo fanaka volamena sy volafotsy nalain’ny raibeny, Nebokadnezara mpanjaka, tao amin’ny tempolin’i Jehovah tany Jerosalema, am-polony taona maro talohan’izay. ‘Aoka isika hisotro divay amin’ireto fanaka ireto ho fanomezam-boninahitra ireo andriamanitsika!, hoy angamba ny fihiakan’i Belsazara. — Daniela 5:1-4.
Nankeo amin’ny fahavoazana tanteraka
Tsitapitapitr’izay, dia nanjary hatsatra noho ny tahotra ny endrik’ilay mpanjaka. Terỳ, nanoloana ny fanaovan-jiro teo akaikin’ny rindrina, dia niseho ny tanana iray ka nanoratra teny efatra tsotra, nefa saro-pantarina. Tamin’izay, dia nitsahatra ny mozika sy ny dihy. Raiki-tahotra ny mpanjaka, niady ny lohaliny. Inona no dikan’izany fambara izany? Aoka hantsoina ireo olon-kendry sy ireo mpanandro! Izay hilaza ny hevitr’io soratra io dia hofenoina voninahitra. — Daniela 5:5-7.
Niandry tamim-pahataitairana fanambarana avy amin’ny olon-kendry ny rehetra. Very hevitra foana anefa ireo. Inona no hevi-dalin’io “soratra teo amin’ny rindrina” io? Tsy nisy sahy nanome fanazavana, ka vao mainka nampitombo ny tahotra nahazo ny mpanjaka izany. — Daniela 5:8, 9.
Niditra tao amin’ny efitrano ny renin’ny mpanjaka izay nahare ny fisehoan-javatra. Nampahatsiaroviny an’i Belsazara fa ao amin’ny fanjakana dia misy olon-kendry hafa firenena iray izay nampiseho ny fahaizany, koa dia nantsoina Daniela. Tamin-kerim-po no nampahatsiarovany ny mpanjaka izay nitranga tamin’i Nebokadnezara taona maro talohan’izay. Avy eo, dia nambaran’i Daniela an’i Belsazara tamin’izao teny izao izay hitranga taminy:
“Ary ny teny voasoratra dia izao: MENE, MENE, TEKELA, OPARESINA.
“Izao no hevitry ny teny: MENE, voaisan’Andriamanitra ny nanjakanao ka taperiny amin’izao;
“TEKELA, efa voalanja tamin’ny mizana hianao ka, indro, latsa-danja;
“PARESA, zarazaraina ny fanjakanao ka omena ho an’ny Mediana sy Persiana.” — Daniela 5:10-29.
Fahatanterahana niaraka tamin’izay
Tokony hiandry ela ve i Belsazara mba hahatsapana ny fahamarinan’ny tenin’i Daniela? Aoka hojerentsika izay nitranga nanaraka izany, ary aoka isika hijanona eo amin’ireo fisehoan-javatra izay tsy ara-tantara fotsiny ny heviny.
Nandavaka lakan-drano ny tafika mediana sy persiana mba hanodinana an’i Eofrata, ilay ony namakivaky ny tanànan’i Babylona. Niandry an’io hariva io Kyrosy mpanjaka mba hanatanterahana ny tetikadiny, noho ny fanantenana fa tsy hitandrina ny Babyloniana noho ny firavoravoan’izy ireo. Nisokatra izao ireo lakan-drano. Raha vao ampy ny fidinan’ny rano, dia nilahatra nidina tao amin’ny fanambanin’ny ony ireo miaramila.
Tamin’io alina io, dia nivoha ireo vavahadin’ny tanàna nankeo amin’ny renirano, angamba satria ireo mponina natoky tena loatra noho ny fiarovana azy ireo. Niditra tao an-tanàna ny tafika mediana sy persiana, ka namafy horohoro teny am-pandalovany. Afaka niditra tao an-dapan’ny mpanjaka ny miaramila vitsivitsy voatendry, ary novonoina ho faty Belsazara. Nianjera ilay Empira babyloniana lehibe. — Daniela 5:30.
Fandringanana tampoka toy izany
Ny fahamarinan’ny hevitry ny teny nolazain’i Daniela dia manazava ny maha-zava-dehibe ny fampitandremana raketin’ny Baiboly. Taty aoriana, ny apostoly Paoly dia nampiseho fa mbola vao ho avy ny fisehoan-javatra tampoka sy lehibe hafa. Tao amin’ny taratasy ara-tsindrimandry voalohany nosoratany ho an’ireo kristiana tany Tesalonika, dia izao no nosoratany: “Rehefa hilaza izy ireo hoe: ‘Fiadanana sy filaminana!’, dia tsy maintsy hanjo azy ireo avy hatrany ny fandringanana tampoka [avy amin’Andriamanitra], toy ny fanaintainan’ny vehivavy raha hiteraka; ary tsy ho afa-mandositra mihitsy izy ireo.” — I Tesaloniana 5:3, MN.
Kanefa, toy ny nitsimbinana ny ain’i Daniela sy ireo Jiosy fony nianjera Babylona, dia toy izany koa fa azo atao ny ho tafita velona amin’io fandringanana io izay hoentin’Andriamanitra tsy ho ela. Amin’ny alalan’ny inona? Amin’ny fifohazana hatrany eo amin’ny ara-panahy ka amin’izany dia hahazo ny fiarovan’i Jehovah. “Fa hianareo, ry rahalahy, hoy ny nambaran’i Paoly, tsy ao amin’ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany.” — I Tesaloniana 5:4.
Nasian’i Paoly fitenena ny amin’ny “andron’i Jehovah”, ny fotoana handraisan’Andriamanitra anjara amin’ny raharahan’olombelona amin’ny alalan’ny Fanjakana mesianikany (I Tesaloniana 5:2). Amin’ny fotoana toy inona isika no tokony hanantena ny hahita izany ‘soratra eo amin’ny rindrina’ izany — dia ireo famantarana hialoha ny fandraisan’Andriamanitra anjara? Mamaly an’io fanontaniana io ny faminaniana iray tranainy kokoa, voatantara ao amin’ny toko faha-2 amin’ny bokin’i Daniela.