Nanao ny Sitrapon’i Jehovah Izy Ireo
Nanompo An’Andriamanitra Tsy Nisy Fiovaovana i Daniela
TSY fahita ny fiovana tampotampoka eo amin’ny fizotran’ny ny tantara. Kanefa, nitranga izany tamin’ny 539 al.f.i., rehefa nazeran’ny Mediana sy ny Persiana tao anatin’ny ora vitsy monja, ny Empira Babyloniana. Tamin’io taona io, i Daniela mpaminanin’i Jehovah dia niaina toy ny Jiosy iray natao sesitany tao Babylona, efa ho 80 taona. Azo inoana fa teo amin’ny faha-90 taonany i Daniela fony izy niatrika ny iray tamin’ireo fitsapana lehibe indrindran’ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra.
Taorian’ny nianjeran’i Babylona, dia toa nandeha tsara ny toe-javatra ho an’i Daniela. Ilay mpanjaka vaovao dia i Dariosy Mediana, lehilahy 62 taona, izay nankasitraka an’i Daniela. Ny iray tamin’ireo asa voalohany nataon’i Dariosy tamin’ny naha-mpanjaka azy, dia ny fanendrena mpanapaka 120, sy ny fanandratana lehilahy telo ho eo amin’ny laharan’ny komandy lehibe.a Iray tamin’ireo lehilahy telo nahazo tombontsoa manokana ireo, i Daniela. Noho i Dariosy nahafantatra ny fahafahana hanao zavatra naningana nananan’i Daniela, dia nikasa mihitsy izy ny hanome azy ny toeran’ny praiminisitra! Tamin’izay indrindra anefa no nisy zava-nitranga nanova tamin’ny fomba nahery vaika ny planin’ny mpanjaka.
Planina iray feno hafetsen-dratsy
Nanatona ny mpanjaka ireo komandy lehibe naman’i Daniela, niaraka tamin’ny antokona mpanapaka maro be, nitondra hevitra iray nanahiran-tsaina. Niangavy mafy an’i Dariosy izy ireo mba hanorina lalàna iray nitaky izao zavatra izao: “Na zovy na zovy no hanao fangatahana ato anatin’ny telo-polo andro, na amin’Andriamanitra na amin’olona, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona izy.” (Daniela 6:8). Tamin’i Dariosy, izany dia nety ho toy ny fanambaran’ireo lehilahy ireo an-karihary ny tsy fivadihany taminy. Nety ho nisaina koa izy fa io lalàna io dia hanampy azy, izay hafa firenena, hanamafy ny toerany amin’ny maha-filoham-panjakana azy.
Kanefa, tsy ho tombontsoan’ilay mpanjaka no nanoloran’ireo komandy lehibe sy mpanapaka ireo an’io didy io. Izy ireo dia “nitady izay hiampangany an’i Daniela ny amin’ny fanjakana, nefa tsy nahita izay hiampangany azy na izay tsininy akory ireo, satria marina izy, ka tsy nisy kilema na tsiny hita taminy”. Koa nisaina toy izao ireo lehilahy fetsy ratsy ireo: “Tsy ho hitantsika izay hiampangantsika io Daniela io raha tsy ny amin’ny lalàn’Andriamaniny no misy hitantsika hiampangana azy.” (Daniela 6:5, 6). Koa satria fantatr’izy ireo fa nivavaka isan’andro tamin’i Jehovah i Daniela, dia nataony izay hahatonga izany ho heloka mendrika ny famonoana ho faty.
Angamba nitahiry lolompo tamin’i Daniela ireo komandy lehibe sy mpanapaka, satria izy “nihoatra noho [izy ireo], fa nanam-panahy hendry izy; ary ny mpanjaka nikasa hanandratra azy ho lehibe amin’ny fanjakana rehetra”. (Daniela 6:4). Nety ho nahaforona fanakanana tsy nirina ho an’ny fandraisana kolikoly sy ny halatra ny fanaovan’i Daniela ny marina. Na inona na inona ilay tarehin-javatra, ireo lehilahy ireo dia nahavita nampanaiky ny mpanjaka mba hanaovany sonia ilay didy, ka nanao azy io ho anisan’ny “lalàn’ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana”. — Daniela 6:9, 10.
Mitoetra ho tsy miova i Daniela
Taorian’ny nahafantaran’i Daniela ny amin’ilay lalàna vaovao, moa ve izy nitsahatra tsy nivavaka tamin’i Jehovah? Tsy izany velively! Nandohalika tao an-tranony ambony izy ka nivavaka tamin’Andriamanitra intelo isan’andro, “satria fanaony hatramin’ny taloha izany”. (Daniela 6:11). Raha mbola nivavaka izy, dia ‘somaritaka nivory ireo fahavalony ka nahita an’i Daniela nangataka sy nifona teo anatrehan’Andriamaniny’. (Daniela 6:12). Rehefa nentin’izy ireo teo anatrehan’ny mpanjaka ilay raharaha mba hisarihana ny sainy, dia nalahelo indrindra i Dariosy satria nahavoakasika an’i Daniela ilay lalàna nosoniaviny. “Nanao izay tratry ny heviny [izy] hamonjy azy mandra-pilentiky ny masoandro”, hoy ny ambaran’ny fitantarana amintsika. Kanefa, na dia ny mpanjaka aza dia tsy afaka nanafoana ny lalàna navoakan’ny tenany. Koa nentina tao an-davaky ny liona àry i Daniela, dia toerana izay azo inoana fa lalina, na tany ambanin’ny tany. “Andriamanitrao Izay tompoinao [tsy misy fiovaovana, NW ] anie hamonjy anao”, hoy ilay mpanjaka nanome toky an’i Daniela. — Daniela 6:13-17.
Taorian’ny alina iray tsy nahitan-tory sady nifadian-kanina, dia nandeha faingana tany amin’ilay lavaka, i Dariosy. Velona sady tsy naninon-tsy naninona i Daniela! Nanao zavatra avy hatrany ilay mpanjaka. Ho valin’ny nataon’ireo fahavalon’i Daniela, dia nasainy natsipy tao an-davaky ny liona ireo mbamin’ny fianakaviany. Nampahafantarin’i Dariosy nanerana ilay faritra koa fa izany dia ny “mba hangovitan’ny olona sy hatahorany eo anatrehan’Andriamanitr’i Daniela eran’ny fanjakako rehetra”. — Daniela 6:18-28.
Lesona ho antsika
Oha-pahatokiana tsara dia tsara i Daniela. Na dia ilay mpanjaka izay tsy nanompo an’i Jehovah aza, dia nahamarika fa nanompo Azy io ‘tsy nisy fiovaovana’ i Daniela. (Daniela 6:17, 21, NW ). Ilay fototeny aramiana nadika hoe “tsy misy fiovaovana” dia midika, amin’ny fotony, hoe “mihetsika ao anatin’ny faribolana iray”. Izany dia toa manondro fitohizan-javatra. Milazalaza tsara toy inona momba ny tsy fivadihana tsy azo noravana tamin’i Jehovah, nasehon’i Daniela moa izany!
I Daniela dia nampiharihary ohatra ny amin’ny tsy fiovaovana, ela be talohan’ny nanipazana azy tao an-davaky ny liona. Tamin’ny naha-tanora babo azy tao Babylona, dia tsy nety nihinana sakafo na zava-pisotro nandraran’ny Lalàn’i Mosesy, na voaloton’ny fombafomban’ny mpanompo sampy, izy. (Daniela 1:8). Tatỳ aoriana izy dia nanambara tamin-kerim-po ny hafatr’Andriamanitra tamin’i Nebokadnezara, mpanjaka babyloniana. (Daniela 4:16-22). Ora vitsivitsy monja talohan’ny nianjeran’i Babylona, dia nanambara tsy nisy tahotra ny didim-pitsaran’Andriamanitra momba an’i Belsazara Mpanjaka, i Daniela. (Daniela 5:22-28). Koa rehefa niatrika ny lavaky ny liona izy, dia nanohy ilay lalam-pahatokiana efa naoriny.
Ianao koa dia afaka manompo an’i Jehovah tsy misy fiovaovana. Tanora ve ianao? Manaova zavatra àry dieny izao mba hampiharihariana ohatra ny amin’ny tsy fiovaovana, amin’ny fanilihana ny fifaneraserana ratsy sy ny fitondran-tena manimban’itỳ tontolo itỳ. Raha efa nanompo an’Andriamanitra hatramin’ny fotoana sasany ianao, dia mihazòna oha-piaretana mampiseho fahatokiana. Aza miala, satria ny fisedrana tsirairay atrehintsika dia manome antsika fahafahana hampiseho amin’i Jehovah fa isika dia tapa-kevitra ny hanompo azy tsy misy fiovaovana. — Filipiana 4:11-13.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ilay teny hoe “mpanapaka” (midika ara-bakiteny hoe “mpiaro ny Fanjakana”) dia miresaka ny amin’ny governora iray voatendrin’ny mpanjakan’i Persia, mba ho komandin’ny fanapahana isan-tokony. Tamin’ny naha-solontena ofisialin’ny mpanjaka azy, dia izy no tompon’andraikitra tamin’ny fanangonana ny hetra sy ny fandefasana izany tany amin’ny lapam-panjakana.