Daniela, tena bokim-paminaniana
MILAZA amintsika toy izao ny fitantaran’ny Baiboly: “Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Belsazara, mpanjakan’i Babylona, dia nanonofy Daniela sady nahita fahitana tao am-pandriany, ary nosoratany ny nofy, ka nambarany ny fotopototry ny teny [ny fitantarana feno ireo zavatra, MN ].” — Daniela 7:1.
Tao anatin’ny tapany faharoa amin’ny taonjato faha-4 alohan’ny fanisan-taona iraisana no nanoratan’i Daniela an’io nofy io mbamin’ny nofy hafa sy fahitana hafa mahakasika antsika amin’izao andro izao. Ananantsika “ny fitantarana feno” ireny fahitana ireny ao amin’ireo pejin’ny bokin’i Daniela ara-paminaniana.
Tena mpaminany
Ny tenan’i Kristy mihitsy no nanamarina fa mpaminany i Daniela. Andinindininy mahaliana ny hoe nanaporofo izany i Jesosy tao amin’ny famantarana ny ‘fanatrehany sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra’. Nampahafantariny tamin’izany fa ny fahatanterahana fenon’ny faminanian’i Daniela dia hitranga amin’izao androntsika izao izay ahitantsika maso ireo foto-javatra samihafa amin’ilay famantarana, toy ny ady iraisam-pirenena, ny tsy fahampian-kanina, ny horohorontany sy ny tahotra amam-pitebitebena maneran-tany. — Matio 24:3-8, 15.
Izao no nambaran’i Jesosy: “Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro. (...) Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. Koa raha hitanareo mitsangana ao amin’izay fitoerana masina ‘ny fahavetavetan’ny fandravana’, izay nampilazaina an’i Daniela mpaminany (aoka hisaina izay mamaky izany), dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra; (...) lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan’izany rehetra izany.” — Matio 24:11-34.
Nampitandrina an’ireo mpianany i Jesosy fa hisy mpaminany sandoka, talohan’ny hanononana indrindra an’i “Daniela mpaminany”, ka porofo izany fa nihevitra azy io ho tena mpaminanin’Andriamanitra izy. Tsapantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha fa ny sasany amin’ireo fanambarana ara-paminanian’i Daniela ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, toy ireo nanambara ny fahadalana nihelina nahazo an’i Nebokadnezara sy ny nianjeran’i Babylona, dia tanteraka tamin’ny andro nahaveloman’i Daniela. Nolazain’i Daniela mialoha koa anefa ny fisehoan-javatra hitranga taonjato maro atỳ aoriana. Inona moa no sasantsasany amin’ireo faminaniana ho tanteraka atỳ aoriana ela?
Ny fahatongavan’ny Mesia sy ny nahafatesany
Ny faminaniana iray manamarina fa tena mpaminany tokoa i Daniela dia ilay fantatra amin’ny anarana hoe faminaniana momba ireo herinandro 70. Izao no ambarany, amin’ny tapatapany: “Fito-polo herinandro no voatendry ho an’ny firenenao sy ny tanànanao masina, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka (...). Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin’ny hivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema ka hatramin’i Mesia Andriana dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro [izany hoe 69 amin’ny fitambarany] (...). Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro [izany hoe 7 + 62, na aorian’ny herinandro faha-69], dia hovonoina ny Mesia (...). Ary hanorina fanekena herinandro [ny faha-70] amin’ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hafa hatramin’ny antsasaky ny herinandro.” — Daniela 9:24-27.
Mpandinika Baiboly jiosy maro, katolika sy protestanta, no miray hevitra mba hanantitrantitra fa ireo “herinandro” voalazan’io faminaniana io dia herinandron-taona. Milaza mazava toy izao ny fandikan-tenin’i Maredsous: “Fitopolo herinandro [taona] no noferana ho an’ny firenenao.” (Fanamarihana ambany pejy). Izany 490 taona izany dia nanomboka tamin’ny 455 alohan’ny fanisan-taona iraisana, rehefa nahazo lalana avy tamin’i Artaksersesy mpanjaka persiana i Nehemia ‘hanavao sy hanamboatra an’i Jerosalema’. (Nehemia 2:1-8.) Rehefa afaka herinandron-taona sivy amby enimpolo taty aoriana, izany hoe tamin’ny taona 29 amin’ny fanisan-taona iraisana, dia natao batisa i Jesosy ka nohosorana, ary tonga Kristy na Voahosotra, Mesia. Tamin’ny “antsasaky ny herinandro [faha-70]”, tamin’ny taona 33 amin’ny fanisan-taona iraisana, dia ‘novonoina’ izy. Ny fahafatesany ho sorona no nanaovana fanavotana noho ny fahotan’ny olombelona, ka tamin’izany dia ‘nampitsahatra’ ireo fanatitra biby nanan-kery teo ambanin’ny lalàn’i Mosesya.
Nahalala an’io faminaniana mendrika itokisana io ny firenena jiosy tamin’ny taonjato I ka “nahafantatra fa ireo fitopolo herinandron-taona noferan’i Daniela dia nifarana, ary tsy nisy gaga mihitsy nandre an’i Jaona Mpanao batisa nanambara fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra”. — Manuel biblique, nataon’i Bacuez sy Vigouroux.
Ireo herim-panjakana sahala amin’ny biby
Ny faminaniana hafa iray koa tanteraka atỳ aoriana ela, zava-dehibe tokoa ho an’ny olona velona ankehitriny, dia nanambara herim-panjakana nisesy oharina amin’ny biby mahatahotra izay tsy maintsy hanome toerana ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Nitantara toy izao i Daniela: “Nahita tamin’ny fahitako tamin’ny alina aho (...). Ary nisy biby efatra lehibe samy hafa niakatra avy tamin’ny ranomasina. Ny voalohany dia toy ny liona (...). Ary indro koa ny faharoa, biby hafa tahaka ny bera (...), (...) indro, nisy hafa koa toy ny leoparda (...) Nony afaka izany, dia nahita tamin’ny fahitana tamin’ny alina aho, ary, indro ny fahefatra, biby mahatsiravina sady matanjaka (...) Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin’ny tany. Nefa ny olo-masin’ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana mandrakizay alaovalo.” — Daniela 7:2-18.
Mazava fa ireo biby ireo dia mampiseho herim-panjakana; miharihary izany amin’ny fanazavana ny fahitan’i Daniela hafa iray. Izao no nosoratan’ilay mpaminany: “Ilay ondrilahy hitanao nanana tandroka roa dia ny mpanjakan’i Media sy Persia. Ary ny osilahy lava volo dia ny mpanjakan’i Grisia.” — Daniela 8:20, 21.
Toy izany koa, ireo biby efatra voalaza ao amin’ny toko faha-7 amin’ny bokin’i Daniela dia mampiseho herim-panjakana efatra nitsangana tamin’ny andron’ilay mpaminany ary taty aoriana, hatramin’ny andro nanorenana ny Fanjakan’Andriamanitra. Mbola velona ihany i Daniela taorian’ny nianjeran’ny Herim-panjakana babyloniana (ny liona) ary nahita ny niandohan’ilay nandimby azy io, dia ny Herim-panjakana mediana sy persiana (ny bera). Ny faminanian’i Daniela tanteraka atỳ aoriana ela dia nanambara fa ny Empira mediana sy persiana dia ho resin’i Grisia (ny leoparda), izay hosoloana koa ‘biby fahefatra’, ny Empira romana sy ny tohiny, ny herim-panjakana anglisy amerikanab.
Nolazain’i Daniela mialoha tsy misy diso ny fifandimbiasan’ireo herim-panjakana izay nandatsa-dra toy ny biby dia foana mba hanalana ny hetahetany hahazo ny fahamboniana eo amin’izao tontolo izao. Toy izany koa, ny Fanjakana marina nambarany dia hisolo toerana tsy ho ela ireo fitondram-panjakana ara-politika ankehitriny. Tao amin’ny fahitana iray dia hitan’i Daniela “ny Fahagola”, Jehovah Andriamanitra, manome ho an’ny “zanak’olona”, Jesosy Mesia, “fanapahana sy voninahitra ary fanjakana (...) mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy”. Moa ve izany hitondra fanafodiny haharitra ho an’ireo zava-manahirana ny olombelona? Eny, satria eo ny fanapahan’i Jesosy dia tondroina ho “fanapahana mandrakizay [haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra, MN ] ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava”. — Daniela 7:13, 14; jereo Matio 16:27, 28; 25:31.
Ireo faminaniana tanteraka vetivety sy atỳ aoriana ela izay noresahina kely foana tao amin’ireto lahatsoratra roa ireto dia santionany fotsiny amin’ireo nofy sy fahitana ary faminaniana voarakitra ao amin’ny bokin’i Daniela. Ireo ohatra ireo dia manaporofo fa io boky io dia tena bokim-paminaniana, bokin-tantara voasoratra mialoha. Mitohy ny fahatanterahan’ireo faminaniana ireo amin’izao taonjato faha-20 izao ka manome fanantenana mahatalanjona, araka ny hasehon’ireo nomerao manaraka amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana fanazavana amin’ny andinidininy kokoa ny amin’io faminaniana io, dia jereo ny toko faha-7 amin’ilay boky hoe Que ton royaume vienne!, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
b Mba hahitana fanazavana amin’ny andinindininy ny amin’io faminaniana io, dia jereo ao amin’ny toko faha-6 sy faha-7 amin’ilay boky hoe Le futur gouvernement universel — le Royaume de Dieu, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Efajoro, pejy 6]
NY TSANGAN-KEVITRA NY AMIN’NY ANGANO ARA-TANTARA
NY BAIBOLY dia milaza ny bokin’ny Daniela ho nosoratan’ilay mpaminany mitovy anarana aminy, ka ny nanoratana azy dia tany amin’ny taonjato faha-6 alohan’ny fanisan-taona iraisana (Daniela 7:1). Be dia be anefa no nisalasala ny amin’ny nanoratana azy talohan’ireo fisehoan-javatra voalaza mialoha, satria mahagaga aoka izany ireo faminaniana raketiny. Ny sasany izay tsy kristiana, sy mpivaofy tenin’ny Baiboly maro koa aza izay milaza ho manaraka ny kristianisma, dia nampiseho fisalasalana ny amin’ny fahamarinan’ny bokin’ny Daniela. Tian’izy ireny kokoa ny mieritreritra fa io boky io dia nosoratana taty aoriana na tamin’ny andro makabeana, tsangan-kevitra izay ny mpitarika azy dia filozofa mpanohitra ny kristiana iray tamin’ny taonjato faha-3 amin’ny fanisan-taona iraisana antsoina hoe Porphyre. Fanaporofoan-kevitra inona no anohanana an’io tsangan-kevitra io, ary manao ahoana ny vidin’izany?
Nahariharin’i Porphyre fa tsy mety hisy faminaniana mihitsy ka nanantitrantitra izy fa ny nanoratra ny boky mitondra ny anaran’i Daniela, raha ny marina, dia Jiosy iray tsy fantatra tamin’ny vanim-potoana makabeana, tamin’ny taonjato faha-2 alohan’ny fanisan-taona iraisana, izany hoe taty aorian’ny nitrangan’ny ankamaroan’ireo fisehoan-javatra voambara ao amin’ny bokin’ny Daniela. Notombanany fa ilay mpisandoka izay nanoratra tamin’ny anaran’ilay mpaminany dia nanao izany noho ny fikendrena ny hanohana ara-tsaina ireo Jiosy tamin’ny andro nikomian’ny Makabeo tamin’ny Séleucides, dia fikomiana natao tamin’ny taonjato faha-2 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Nefa moa ve azo atao ny mahita amin’ny fitondrantena feno fanajana sy tsy tia herisetra nananan’i Daniela sy ireo namany hebreo telo lahy tany Babylona, fitaomana hikomy amin’ny fampiasana fiadiana? Tsy izany velively (Daniela 1:8; 2:49; 3:16-18, 30). Tetsy andaniny koa, “Mesia Andriana” dia niseho tamin’ny fotoana voatendry indrindra, tamin’ny taona 29 amin’ny fanisan-taona iraisana, tamin’ny fifaranan’ny 69 ‘herinandron-taona’ voalazan’ny Daniela 9:25; asehon’izany zava-nitranga izany koa fa mahatsikaiky ny filazan’i Porphyre.
Araka ny filazan’i Josèphe, mpanoratra jiosy, ny Soratra hebreo manontolo, anisan’izany ny bokin’ny Daniela, dia vita tamin’ny andron’i Ezra, tamin’ny taonjato faha-4 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Ahoana, amin’izany, no azo anohanana fa ny bokin’ny Daniela dia tsy nosoratana talohan’ny taonjato faha-2 alohan’ny fanisan-taona iraisana? Ambonin’izany, ireo horonambokin’ny ranomasina Maty dia nampiseho fa fantatra aoka izany ho anisan’ny Soratra Masina ny bokin’ny Daniela tao amin’ireo toerana jiosy tamin’ny taonjato faha-2 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Ho toy izany ve no izy raha asa natao tamin’izay fotoana izay izany?
Ny fanaporofoan-kevitra hafa koa omen’i Porphyre sy mpanohana maro ny fanakianana ambony dia ny hoe mirakitra filazana tsy marina ara-tantara ny bokin’ny Daniela. Araka ny tsangan-kevitr’izy ireo, izany dia nosoratana tamin’ny taonjato faha-2 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Tamin’izany fotoana izany anefa, ireo Jiosy nahay dia nanda ny boky voalohan’ny Makabeo, ka nihevitra izany ho tsy mendrika ny hampidirina tao amin’ny boky rehetra ao amin’ny Soratra Masina, kanefa izy ireo nihevitra izany ho marina araka ny fiheverana ara-tantara. Ireo Jiosy nahita fianarana izay afaka nampiasa ireo zavatra nosoratan’ny mpanoratra tantara tsy ara-pivavahana toa an’i Hérodote, dia tsy isalasalana mihitsy fa ho nanda ny bokin’ny Daniela raha nirakitra fahadisoana ara-tantara izany. Afa-tsy izany koa, ireo fahitan-javatra araka ny arkeolojia dia nanamarina ny fisian’i Belsazara mbamin’ny andinindininy hafa voatantara ao amin’ny bokin’ny Daniela heverin’i Porphyre sy ny mpanohana maro ny Fanakianana ambony ho tsy marina.
Ny amin’ny fiampangan’i Porphyre hoe ireo faminanian’i Daniela dia nosoratana taorian’ireo fisehoan-javatra nambarany, dia izao no nosoratan’i Philip Davies, ao amin’ny Sampan-draharaha momba ny fandinihana ny amin’ny Baiboly ao amin’ny oniversiten’i Sheffield, any Angletera: “Fanononana fitsarana mampalahelo loatra ny bokin’i Daniela ny fampitoviana ny tapany lehibe amin’ny fitaka an-tsitrapo natao teo amin’ny mpihaino (lazaina fa) mora mino zavatra, azo lazaina hoe mba hanohanana fikasana mendrika hoderaina amin’ny fomba feno lainga (...). Toa sarotra amiko ny hihevitra fa mora mino zavatra toy izany ireo mpamaky ilay boky tamin’ny voalohany. Raha nisy naneho ny finoany mora foana izany zavatra izany, dia azo inoana kokoa fa ireo mpanao fanakianana mpitoky amin’ny sain’ny tena.” — Journal for the Study of the Old Testament, nomerao 17, 1980.
Tsy dia mahagaga loatra raha toa ny filozofa neoplatonisiana iray ka mandà ny hoe nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra ny mpanoratra iray ao amin’ny Baiboly mba haminany fisehoan-javatra ho avy. Mampalahelo anefa fa misy mpivaofy tenin’ny Baiboly milaza tena ho kristiana manandrana manaisotra ny fitokisan’ny olona boky tena lehibe ara-paminaniana ao amin’ny Soratra Masina. Izany fihetsika izany dia mampiseho tsy finoana an’Ilay nanambara hoe: “Izay [Izaho, Jé] manambara ny farany hatramin’ny voalohany, ary nanambara hatramin’ny ela izay tsy mbola natao akory.” — Isaia 46:10.
[Kisary, pejy 5]
(Jereo ny gazety)
70 herinandro (490 taona)
69 herinandro (483 taona) Herinandro (7 taona)
455 al.fan.ir. 29 am.fan.ir. 33 am.fan.ir 36 am.fan.ir.
“Hatramin’ny “hatramin’i “Hovonoina “Ary
hivoahan’ny didy Mesia ny Mesia...” hanorina
hanavaozana sy Andriana...” fanekena ho
hanamboarana an’i herinandro
Jerosalema...” (...) izy”
[Sary, pejy 7]
Babylona
Mediana sy Persiana
Grisia
Roma — Grande-Bretagne sy Etazonia