Ireo Andro Ara-paminanian’i Daniela sy ny Finoantsika
“Sambatra izay miandry sy mahatratra ny andro dimy amby telo-polo amby telon-jato sy arivo.” — DANIELA 12:12.
1. Nahoana no tsy mahita fahasambarana ny maro, ary ampifandraisina amin’inona ny tena fahasambarana marina?
SAMY maniry ny ho sambatra ny olona rehetra. Amin’izao andro izao anefa, dia vitsy ny toy izany. Nahoana? Amin’ny ampahany sasany, izany dia noho ny fitadiavan’ny ankamaroan’ny olona fahasambarana any amin’ny toerana tsy tokony ho izy. Ny fahasambarana dia tadiavina any amin-javatra toy ny fianarana, ny harena, ny asa fidina hatao eo amin’ny fiainana, na any amin’ny fikatsahana fahefana. Tao amin’ny teny fanokafany ny Toriteniny teo An-tendrombohitra anefa i Jesosy, dia nampifamatotra ny fahasambarana tamin’ny fahatsapana ny zavatra ilain’ny tena ara-panahy, tamin’ny famindram-po sy ny fahadiovam-po ary ny toetra tsara mitovy amin’izany. (Matio 5:3-10, NW ). Ilay karazam-pahasambarana noresahin’i Jesosy dia tena izy sady maharitra.
2. Araka ny faminaniana, dia inona no hitarika ho amin’ny fahasambarana amin’ny andro farany, ary fanontaniana inona avy no mipoitra mikasika izany?
2 Ho an’ireo sisa voahosotra ao anatin’ny andro farany, ny fahasambarana dia mifamatotra amin-javatra fanampiny. Izao no vakintsika ao amin’ny bokin’i Daniela: “Andeha, ry Daniela, fa efa voahorona ny teny sady voaisy tombo-kase mandra-pihavin’ny andro farany. Sambatra izay miandry sy mahatratra ny andro dimy amby telo-polo amby telon-jato sy arivo.” (Daniela 12:9, 12). Vanim-potoana toy inona no voafaoka ao anatin’ireo 1 335 andro ireo? Nahoana no sambatra ireo izay niaina tamin’izany? Moa ve izany misy ifandraisany amin’ny finoantsika amin’izao andro izao? Ampiana mba hamaly ireo fanontaniana ireo isika raha mitodika ny lasa, tamin’ny fotoana nanoratan’i Daniela ireo teny ireo, fotoana fohy taorian’ny nanafahana ny Isiraely tamin’ny fahababoana tany Babylona, tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Kyrosy mpanjakan’i Persia. — Daniela 10:1.
Fampodiana amin’ny laoniny mitondra fahasambarana
3. Zavatra inona nataon’i Kyrosy Mpanjaka no nitondra fifaliana lehibe ho an’ireo Jiosy nahatoky tamin’ny 537 al.f.i., kanefa tombontsoa inona no tsy nomen’i Kyrosy azy ireo?
3 Ho an’ny Jiosy, ny fanafahana avy tany Babylona dia tena fotoam-pifaliana lehibe tokoa. Rehefa avy niaritra fanaovana sesitany efa ho 70 taona ny Jiosy, dia nasain’i Kyrosy Lehibe niverina tany Jerosalema mba hanorina indray ny tempolin’i Jehovah. (Ezra 1:1, 2). Ireo izay nanaiky izany fanasana izany dia niainga nanao dia lavitra tamim-panantenana lehibe, ka tonga tany amin’ny taniny tamin’ny 537 al.f.i. Tsy nasain’i Kyrosy nampody tamin’ny laoniny fanjakana iray teo ambanin’ny taranak’i Davida Mpanjaka anefa izy ireo.
4, 5. a) Oviana no naongana ny fanjakan’ny taranak’i Davida? Nahoana? b) Fanomezan-toky inona no nataon’i Jehovah fa hampodiana amin’ny laoniny indray ny fanjakan’ny taranak’i Davida?
4 Nisy heviny lehibe izany. Taonjato dimy teo ho eo talohan’izay, dia nampanantena an’i Davida toy izao i Jehovah: “Ary ny taranakao sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay.” (2 Samoela 7:16). Nampalahelo fa ny ankamaroan’ireo tarana-mpanjaka avy tamin’i Davida dia niseho ho mpikomy. Ary nanjary lehibe aoka izany ny trosan-dran’ilay firenena, hany ka navelan’i Jehovah ho voaongana ny fanjakan’ny taranak’i Davida tamin’ny 607 al.f.i. Ankoatra ny vanim-potoana fohy nanapahan’ny Makabeo, dia teo ambany fanapahana vahiny i Jerosalema nanomboka teo ka hatramin’ny faharavany fanindroany tamin’ny 70 am.f.i. Araka izany, tamin’ny 537 al.f.i., dia efa teo an-dalana ny “fotoana voatondro ho an’ireo firenena” tsy hisian’ny zanak’i Davida hanapaka amin’ny maha-mpanjaka. — Lioka 21:24, NW.
5 Na dia izany aza dia tsy nanadino ny fampanantenana nomeny an’i Davida i Jehovah. Tamin’ny alalan’ny fahitana sy ny nofy maromaro nifanarakaraka, dia nambarany tamin’ny alalan’i Daniela mpaminaniny ny tsipirian’ireo fisehoan-javatra eo amin’izao tontolo izao amin’ny hoavy. Ireo fisehoan-javatra ireo dia hametra ireo taonjato manomboka amin’ny fotoana nanapahan’i Babylona izao tontolo izao ka hatramin’ny fotoana hisian’ny mpanjaka iray avy amin’ny taranak’i Davida hanapaka indray ao amin’ny fanjakan’ny vahoakan’i Jehovah. Ireo faminaniana ireo, izay voatana an-tsoratra ao amin’ny Daniela toko faha-2, 7, 8, ary ny faha-10-12, dia nanome toky an’ireo Jiosy tsy nivadika fa, amin’ny farany, ny seza fiandrianan’i Davida dia tena “hitoetra mandrakizay” tokoa. Azo antoka fa ny fahamarinana nambara toy izany dia nitondra fahasambarana ho an’ireo Jiosy izay niverina tany amin’ny taniny tamin’ny 537 al.f.i.!
6. Ahoana no ahafantarantsika fa ny sasany amin’ny faminanian’i Daniela dia tokony ho tanteraka amin’izao androntsika izao?
6 Ny ankamaroan’ireo mpanazava ny Baiboly dia milaza fa ny faminanian’i Daniela dia saiky tanteraka manontolo talohan’ny nahaterahan’i Jesosy Kristy. Miharihary anefa fa tsy toy izany ny tarehin-javatra. Ao amin’ny Daniela 12:4, dia nisy anjely iray nilaza tamin’i Daniela hoe: “Ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-pihavin’ny andro farany; maro no hazoto mandinika, ka hitombo ny fahalalana.” Matoa amin’ny andro farany vao tokony hovahana ny tombo-kasen’ny bokin’i Daniela — izany hoe hiharihary tanteraka ny heviny — dia azo antoka fa tsy maintsy mihatra amin’izany vanim-potoana izany fara faharatsiny ny sasany amin’ireo faminaniana raketiny. — Jereo ny Daniela 2:28; 8:17; 10:14.
7. a) Oviana no nifarana ny fotoana voatondro ho an’ireo firenena, ary fanontaniana maika inona no tsy maintsy novaliana tamin’izay? b) Iza avy no tsy “mpanompo mahatoky sy malina”?
7 Nifarana tamin’ny 1914 ny fotoana voatondro ho an’ireo firenena, ary nanomboka ny andro farany ho an’itỳ tontolo itỳ. Nampodiana tamin’ny laoniny ny Fanjakan’ny taranak’i Davida, tsy tao Jerosalema eto an-tany akory, fa tany amin’ny “rahon’ny lanitra” tsy hita maso. (Daniela 7:13, 14). Tamin’izay fotoana izay, noho ny firoboroboan’ny ‘tsimparifarin’ny’ Kristianisma sandoka, dia tsy nazava ny toerana nisy ny Kristianisma marina — fara faharatsiny teo imason’olombelona. Na dia izany aza, dia nisy fanontaniana lehibe tsy maintsy novaliana: “Iza marina moa no mpanompo mahatoky sy malina”? (Matio 13:24-30; 24:45, NW ). Iza no hampiseho eto an-tany an’ilay Fanjakan’ny taranak’i Davida nampodiana tamin’ny laoniny? Tsy ny Jiosy, rahalahy ara-nofon’i Daniela akory. Nolavina izy ireo noho ny tsy finoany sy ny naha-tafintohina azy tamin’ny Mesia. (Romana 9:31-33). Ny mpanompo mahatoky dia tsy hita velively teo amin’ireo fandaminan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana! Ny asa ratsin’izy ireo dia nanaporofo fa tsy nahafantatra azy ireo i Jesosy. (Matio 7:21-23). Koa iza àry izy io?
8. Iza no hita fa “mpanompo mahatoky sy malina” mandritra ny andro farany? Ahoana no ahafantarantsika izany?
8 Tsy misy isalasalana mihitsy fa izy io dia ilay fitambaran’olom-bitsy nisy ireo rahalahin’i Jesosy voahosotra izay fantatra ho Mpianatra ny Baiboly tamin’ny 1914, ary fantatra ho Vavolombelon’i Jehovah kosa hatramin’ny 1931. (Isaia 43:10). Izy ireo ihany no nanintona ny sain’ny besinimaro tamin’ilay Fanjakan’ny taranak’i Davida nampodiana tamin’ny laoniny indray. (Matio 24:14). Izy ireo ihany no nitoetra ho tafasaraka tamin’izao tontolo izao ary nidera ny anaran’i Jehovah. (Jaona 17:6, 14). Ary teo amin’izy ireo ihany no tanteraka ireo faminanian’ny Baiboly momba ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny andro farany. Anisan’ireny faminaniana ireny ireo vanim-potoana ara-paminaniana maromaro mifanarakaraka izay voatanisa ao amin’ny Daniela toko faha-12 ka mahatafiditra ireo 1 335 andro izay hitondra fahasambarana.
Ireo 1 260 andro
9, 10. Zava-nitranga inona avy no nampiavaka ilay “fetr’andro iray sy fetr’andro roa ary antsasaky ny fetr’andro” ao amin’ny Daniela 7:25, ary ao amin’ny andininy hafa inona avy no misy fitenenana ny amin’ny vanim-potoana mifanitsy amin’izany?
9 Ao amin’ny Daniela 12:7 no amakiantsika ilay vanim-potoana ara-paminaniana voalohany hoe: “Ho fetr’andro iray sy fetr’andro roa ary antsasaky ny fetr’andro; ary rehefa vita ny fanamontsamontsanana ny herin’ny olo-masina, dia ho tanteraka ireo rehetra ireo.”a Io vanim-potoana io ihany no voatonona ao amin’ny Apokalypsy 11:3-6, izay milaza fa hisy vavolombelon’Andriamanitra hitory mitafy lamba fisaonana mandritra ny telo taona sy tapany ary avy eo dia hovonoina. Izao indray no vakintsika ao amin’ny Daniela 7:25: “Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin’ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna; ary hatolotra eny an-tànany ireo ambara-pahatapitry ny fetr’andro iray sy ny fetr’andro roa ary ny antsasaky ny fetr’andro.”
10 Ao amin’io faminaniana farany io, ilay hoe “izy” dia ny herim-panjakana fahadimy isaina manomboka amin’i Babylona. Izy io no ilay “tandroka iray kely”, ka amin’ny andron’ny fanapahany no hahazoan’ny Zanak’olona “fanapahana sy voninahitra ary fanjakana”. (Daniela 7:8, 14). Io tandroka ara-panoharana io, ny empira britanika tany am-boalohany, dia nitombo nandritra ny ady lehibe voalohany ka nanjary herim-panjakana roa mitambatra Anglisy-Amerikana, izay tapahin’i Etazonia amin’izao fotoana izao. Mandritra ireo fetr’andro, na taona, telo sy tapany, dia hampahory ireo olo-masina sady hanandrana hanova fotoana sy lalàna io herim-panjakana io. Farany, dia hatolotra eo an-tanany ireo olo-masina. — Jereo koa ny Apokalypsy 13:5, 7.
11, 12. Zava-nitranga inona avy no nitarika ny fiandohan’ireo 1 260 andro ara-paminaniana?
11 Ahoana avy no nahatanterahan’ireo faminaniana mifanitsy rehetra ireo? Nandritra ireo taona talohan’ny Ady Lehibe Voalohany, dia nampitandrina ampahibemaso ireo rahalahin’i Jesosy voahosotra, fa ny taona 1914 dia hahita ny fifaranan’ilay fotoana voatondro ho an’ireo firenena. Rehefa nipoaka ny ady, dia niharihary fa tsy noraharahaina izany fampitandremana izany. Nampiasain’i Satana mba hanandramana “hanova fotoana sy lalàna”, izany hoe mba hampihemotra ilay fotoana hanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny “bibi-dia”, dia ilay fandaminana ara-politika maneran-tany notapahin’ny Empira Britanika tamin’izay fotoana izay. (Apokalypsy 13:1, 2). Tsy nahomby i Satana. Ny Fanjakan’Andriamanitra dia niorina tany an-danitra, lavitra tsy takatry ny olombelona. — Apokalypsy 12:1-3.
12 Ho an’ireo Mpianatra ny Baiboly, ny ady dia nidika ho fotoam-pitsapana. Hatramin’ny Janoary 1914 dia nasehon’izy ireo ny Photo-Drame de la création, fampisehoana ara-baiboly iray izay nisintona ny saina ho amin’ireo faminanian’i Daniela. Ny fahavaratra tamin’io taona io ihany, tany amin’ny Ila Bolantany Avaratra, dia nipoaka ny ady. Nifarana tamin’ny Oktobra ilay fotoana voatondro. Tamin’ny faran’io taona io, dia nanampo fanenjehana ireo sisa voahosotra, araka ny hita avy tamin’ilay teny fototra nofidina ho an’ny taona 1915 izay fanontaniana nataon’i Jesosy tamin’ny mpianany hoe: “Hainareo va ny hisotro amin’ny kapoaka izay efa hisotroako?”, miorina amin’ny Matio 20:22.
13. Ahoana no nitorian’ireo Mpianatra ny Baiboly nitafy lamba fisaonana nandritra ireo 1 260 andro, ary inona no nitranga tamin’ny faran’izany vanim-potoana izany?
13 Noho izany, nanomboka tamin’ny Desambra 1914, io antokon’olom-bitsy nisy ny vavolombelona io dia ‘nitory nitafy lamba fisaonana’, niaritra tamim-panetren-tena teo am-panambarany ny didim-pitsaran’i Jehovah. Maro no voadona mafy tamin’ny nahafatesan’i C. T. Russell, prezidà voalohan’ny Watch Tower Bible and Tract Society, tamin’ny 1916. Arakaraka ny nielezan’ny firehetan’ny ady, dia niatrika fanoherana nitombo hatrany izy ireo. Natao an-tranomaizina ny sasany. Nisy olona, sahala amin-dry Frank Platt tany Angletera sy Robert Clegg tany Kanada, nampijalijalin’ny manam-pahefana tsy nifaditrovana. Farany, tamin’ny 21 Jona 1918, noho ny fiampangana lainga, dia voaheloka hanefa sazy naharitra tany an-tranomaizina i J. F. Rutherford, ilay prezidà vaovao, niaraka tamin’ireo mpitantana ny Watch Tower Bible and Tract Society. Araka izany, tamin’ny faran’ilay vanim-potoana ara-paminaniana, dia namono ny asa fitoriana ampahibemaso voalamina ilay ‘tandroka kely’. — Daniela 7:8.
14. Ahoana no niovan’ny tarehin-javatra ho an’ireo sisa voahosotra tamin’ny 1919 sy ny taorian’izay?
14 Naminany ny amin’izay nitranga nanaraka ny bokin’ny Apokalypsy. Taorian’ilay fotoana fohy tsy niasana — nambara mialoha ho telo andro sy tapany niamparana maty teo an-dalambe — dia nanjary velona sy niasa indray ireo sisa voahosotra. (Apokalypsy 11:11-13). Tamin’ny 26 Martsa 1919, dia navoaka avy tao an-tranomaizina sy nafahana madiodio tamin’ny fiampangana lainga natao taminy tatỳ aoriana ny prezidà sy ireo mpitantana tao amin’ny Watch Tower Bible and Tract Society. Raha vantany vao tafavoaka ny tranomaizina ireo sisa voahosotra, dia nanomboka avy hatrany nandamin-javatra indray izy ireo ho amin’ny asa bebe kokoa. Araka izany, ho fahatanterahan’ilay loza voalohany ao amin’ny Apokalypsy, dia nivoaka avy tao amin’ny lavaka tsy hita noanoan’ny tsy fanaovana asa izy ireo, toy ny valala ara-panahy izay narahin’ny setroka matevina, manambara hoavy maizina ho an’ny fivavahan-diso. (Apokalypsy 9:1-11). Nandritra ireo taona vitsivitsy nanaraka, dia voafahana ara-panahy izy ireo sady voaomana ho amin’izay hitranga. Tamin’ny 1921 izy ireo dia namoaka boky vaovao iray, La Harpe de Dieu, natao mba hanampiana ireo vaovao sy ny ankizy mba hianatra ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly. (Apokalypsy 12:6, 14). Ireo zavatra rehetra ireo dia nitranga nandritra ny vanim-potoana nisy heviny lehibe hafa iray.
Ireo 1 290 andro
15. Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika manao asa marika mba hahitana ny fiandohan’ireo 1 290 andro? Oviana no nifarana io vanim-potoana io?
15 Hoy ilay anjely tamin’i Daniela: “Ary hatramin’ny andro hampitsaharana ny fanatitra isan-andro sy hampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro sivi-folo sy roan-jato amby arivo.” (Daniela 12:11). Teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy, ny “fanatitra isan-andro” dia nodorana teo amin’ny alitaran’ny tempoly tao Jerosalema. Tsy manolotra fanatitra dorana ny Kristiana, fa manolotra fanatitra ara-panahy isan’andro kosa izy ireo. Nanisy fitenenana ny amin’izany i Paoly rehefa nilaza hoe: “Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ny alalany ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.” (Hebreo 13:15; ampitahao amin’ny Hosea 14:3, fanamarihana ambany pejy.) Nesorina io fanatitra isan’andro io tamin’ny Jona 1918. Inona àry ilay “fahavetavetana” — dia ilay lafiny faharoa tokony hotadiavina? Izy io dia ny Fikambanam-pirenena izay notohanan’ireo herim-panjakana nandresy tamin’ny faran’ny Ady Lehibe Voalohany.b Fahavetavetana ilay izy, satria ireo mpitondra tao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia nametraka azy io teo amin’ny toeran’ny Fanjakan’Andriamanitra, nampiseho ny Fikambanam-pirenena ho ny hany fanantenana fiadanana ho an’ny olombelona. Naroso holanina ny Fikambanam-pirenena tamin’ny Janoary 1919. Raha manisa 1 290 andro (telo taona sy fito volana) avy amin’io fotoana io isika, dia tonga eo amin’ny Septambra 1922.
16. Tamin’ny faran’ireo 1 290 andro, ahoana no nihariharian’ny fahavononan’ireo sisa voahosotra ho amin’ny asa?
16 Inona no nitranga avy eo? Izao ny Mpianatra ny Baiboly dia velombelona sy afaka tamin’i Babylona Lehibe ary vonona ny hanao zavatra. (Apokalypsy 18:4). Tamin’ny fivoriamben’ny distrika iray natao tamin’ny Septambra 1922 tany Cedar Point any Ohio, Etazonia, dia nanomboka nanambara tsy nisy tahotra ny didim-pitsaran’Andriamanitra tamin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana izy ireo. (Apokalypsy 8:7-12). Tena nanomboka naharary ny fanaikitr’ireo valala! Ambonin’izany, dia nanomboka ny loza faharoan’ny Apokalypsy. Nirohotra nanerana ny tany ny andiana mpitaingin-tsoavaly kristiana — voaforon’ny sisa voahosotra tamin’ny voalohany, ary tatỳ aoriana dia nampitomboin’ny olona betsaka. (Apokalypsy 7:9; 9:13-19). Eny, nitondra fifaliana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra ny faran’ireo 1 290 andro.c Be kokoa anefa no mbola niandry azy ireo.
Ireo 1 335 andro
17. Oviana no nanomboka sy nifarana ireo 1 335 andro?
17 Hoy ny Daniela 12:12: “Sambatra izay miandry sy mahatratra ny andro dimy amby telo-polo amby telon-jato sy arivo.” Ireo 1 335 andro ireo, na telo taona miampy valo volana sy tapany, dia miharihary fa nanomboka tamin’ny fiafaran’ilay vanim-potoana teo aloha. Raha isaina avy amin’ny Septambra 1922 izany, dia mitondra antsika any amin’ny faran’ny lohataonan’ny 1926 (Ila Bolantany Avaratra). Inona no nitranga nandritra ireo 1 335 andro ireo?
18. Zava-misy inona avy no mampiseho fa tamin’ny 1922 dia mbola nisy fandrosoana tokony hatao?
18 Na dia toa nanana heviny lehibe aza ireo zava-nitranga tamin’ny 1922 ireo, dia niharihary fa mbola nanembona ny lasa ihany ny sasany. Ny boky fianarana fototra dia mbola ny Études des Écritures, nataon’i C. T. Russell ihany. Ankoatra izany, ilay bokikely niely patrana hoe Olona An-tapitrisany Maro Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy (anglisy) dia nandroso ilay hevitra hoe amin’ny 1925 dia hanomboka ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra mikasika ny famerenana ny tany ho Paradisa sy ny fananganana ireo olona nahatoky fahiny. Ny fiaretan’ireo voahosotra dia toa nadiva hifarana. Na dia izany aza, dia tsy nahatsiaro ny tenany ho voatosika hizara tamin’ny hafa ny vaovao tsara ny sasany izay niaraka tamin’ireo Mpianatra ny Baiboly.
19, 20. a) Ahoana no niovan’ny zavatra maro ho an’ny vahoakan’Andriamanitra nandritra ireo 1 335 andro? b) Zava-nitranga inona avy no nanamarika ny faran’ilay vanim-potoana nisy 1 335 andro, ary nilaza inona izany raha ny amin’ny vahoakan’i Jehovah?
19 Rehefa nandroso ireo 1 335 andro, dia niova izany rehetra izany. Mba hanatanjahana ireo rahalahy, dia nalamina ireo antokona fianarana tsy tapaka Ny Tilikambo Fiambenana. Nohantitranterina ny asa fanompoana. Nanomboka tamin’ny May 1923, dia nasaina ny tsirairay mba handray anjara tamin’ny asa fanompoana isaky ny talata voalohan’ny volana, ary nisy fotoana natokana mba hampirisihana azy ireo tamin’io asa io nandritra ilay fivorian’ny kongregasiona andavanandro. Tamin’ny Aogositra 1923, tamin’ny fivoriambe iray tany Los Angeles any Californie, Etazonia, dia naseho fa ilay fanoharan’i Jesosy ny amin’ny ondry sy ny osy dia ho tanteraka alohan’ny Fanjakana Arivo Taona. (Matio 25:31-40). Ny taona 1924 dia nahita ny fitokanana ny foibe fandefasana ny radio WBBR, izay nampiasaina mba hampielezana ny vaovao tsara tamin’ny alalan’ny onjam-peo. Ilay lahatsoratra hoe “Fahaterahan’ilay Firenena” tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 Martsa 1925, dia nanome fahatakarana nisy fanitsiana ny amin’ny Apokalypsy toko faha-12. Farany, dia afaka nahatakatra araka ny tokony ho izy ny hevitr’ireo korontana nitranga tamin’ny 1914-1919 ireo Kristiana nahatoky.
20 Tonga teo amin’ny fifaranany ny taona 1925, kanefa mbola tsy tonga ny farany! Hatramin’ireo taona 1870 ny Mpianatra ny Baiboly dia nanompo tamin’ny fikendrena daty tao an-tsaina — ny 1914 aloha, avy eo dia ny 1925. Izao izy ireo dia nahatakatra fa tsy maintsy manompo an’i Jehovah izy ireo raha mbola maniry izany koa Izy. Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 Janoary 1926, dia nisy ilay lahatsoratra nitondra fiovana lehibe hoe “Iza no Hanome Voninahitra an’i Jehovah?” izay nampisongadina mbola tsy nisy toy izany ny naha-zava-dehibe ny anaran’Andriamanitra. Ary farany, tamin’ny May 1926, tamin’ilay fivoriamben’ny distrika tany Londres any Angletera, dia nisy fanapahan-kevitra noraisina nitondra ny lohateny hoe “Fanambarana ho An’ny Mpitondra eo Amin’izao Tontolo Izao”. Izany dia nanambara nivantana ny fahamarinana momba ilay Fanjakan’Andriamanitra sy ilay fandringanana ho avy amin’ny tontolon’i Satana. Tao amin’io fivoriamben’ny distrika io ihany dia navoaka ilay boky vaovao mahery hoe Délivrance, izay nanjary ny voalohany tamin’ireo boky nitohitohy nisolo ny Études des Écritures. Izao ny vahoakan’Andriamanitra dia nibanjina ny hoavy fa tsy ny lasa. Nifarana ireo 1 335 andro.
21. Inona no dikan’ny fiaretana nandritra ilay vanim-potoana nisy 1 335 andro ho an’ny vahoakan’Andriamanitra tamin’izany fotoana izany, ary midika ho inona ho antsika ny fahatanterahan’ny faminaniana momba io vanim-potoana io?
21 Nisy sasany tsy vonona ny hifanaraka tamin’ireo fisehoan-javatra ireo, kanefa ireo izay niaritra dia tena sambatra tokoa. Ambonin’izany, raha mitodika ny lasa ka mijery ny fahatanterahan’ireo vanim-potoana ara-paminaniana ireo isika, dia sambatra koa satria mahazo tanjaka ny fatokiantsika fa tena ny mpanompo mahatoky sy malina tokoa ilay fitambaran’olom-bitsy nisy ireo Kristiana voahosotra izay niaina nandritra izany fotoana izany. Hatramin’izay, nandritra ireo taona, dia niitatra fatratra ny fandaminan’i Jehovah, kanefa dia mbola ny mpanompo mahatoky sy malina ihany no votoatiny sy mitarika azy. Mampientam-po toy inona moa àry ny mahafantatra fa mbola misy fahasambarana bebe kokoa miandry ireo voahosotra sy ny ondry hafa! Ho hitantsika izany rehefa mandinika faminanian’i Daniela hafa iray isika.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hanaovana dinidinika mikasika ny fomba fanaovana asa marika momba ireny vanim-potoana ara-paminaniana ireny, dia jereo ilay boky hoe Le futur gouvernement universel — Le Royaume de Dieu, toko faha-8, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
c Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 1991, pejy faha-12, sy ny Annuaire des Témoins de Jéhovah 1975, pejy faha-132.
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Ahoana no ahafantarantsika fa misy faminaniana sasany ao amin’ny Daniela tokony ho tanteraka amin’izao androntsika izao?
◻ Nahoana isika no afaka matoky fa ny sisa voahosotra no “mpanompo mahatoky sy malina”?
◻ Oviana no nanomboka sy nifarana ireo 1 260 andro?
◻ Famelombelomana sy famerenana amin’ny laoniny inona no nentin’ireo 1 290 andro ho an’ireo sisa voahosotra?
◻ Nahoana no sambatra ireo izay niaritra hatramin’ny faran’ireo 1 335 andro?
[Efajoro, pejy 11]
VANIM-POTOANA ARA-PAMINANIAN’I DANIELA
1 260 andro:
Desambra 1914 ka hatramin’ny Jona 1918
1 290 andro:
Janoary 1919 ka hatramin’ny Septambra 1922
1 335 andro:
Septambra 1922 ka hatramin’ny May 1926
[Sary, pejy 8]
Hatramin’ny 1919 dia nazava fa ny sisa voahosotra no “mpanompo mahatoky sy malina”
[Sary, pejy 10]
Foiben’ny Fikambanam-pirenena tany Genève, any Soisa
[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]
UN photo