Toko Fahasivy
Iza no Hanapaka ny Tany?
1-3. Lazalazao ilay nofy sy fahitana azon’i Daniela tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Belsazara.
NY FAMINANIAN’I Daniela mitana mafy ny saina izao dia mamerina antsika any amin’ny taona voalohany nanjakan’i Belsazara, Mpanjakan’i Babylona. Efa ela be i Daniela no tany an-tsesitany tao Babylona, nefa tsy nihozongozona na oviana na oviana ny tsy fivadihany tamin’i Jehovah. Efa maherin’ny 70 taona izao io mpaminany nahatoky io, fony ‘nanonofy sy nahita fahitana tao am-pandriany’. Ary tena naharaiki-tahotra azy tokoa ireo fahitana ireo! — Daniela 7:1, 15.
2 “Indreo”, hoy ny fihiakan’i Daniela, “ny rivotra efatry ny lanitra nibosesika teny amin’ny ranomasina lehibe. Ary nisy biby efatra lehibe samy hafa niakatra avy tamin’ny ranomasina.” Biby mahavariana re izany! Ny voalohany dia liona nanana elatra, ary ilay faharoa dia tahaka ny bera. Avy eo dia iny fa tonga ny leoparda iray nanana elatra efatra sy loha efatra! Ilay biby fahefatra nanan-kery tsy fahita kosa dia nanana nify vy lehibe sy tandroka folo. Avy teo amin’ireo tandrony ireo dia nisy tandroka “kely” iray nipoitra, izay nanana “maso toy ny mason’olona” sy ‘vava niteny zavatra nihoa-pampana’. — Daniela 7:2-8.
3 Ny lanitra indray izao no nifantohan’ireo fahitan’i Daniela. Nipetraka tamim-boninahitra teo amin’ny seza fiandrianany ny Fahagola, izay Mpitsara tao amin’ny Fitsarana any an-danitra. “Arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany”. Nanameloka ireo biby ireo izy, ka nanesotra ny fanapahany taminy, ary namono an’ilay biby fahefatra. Nomena ny olona iray “toy ny zanak’olona” ny zo hanapaka mandrakizay eo amin’ny “fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny”. — Daniela 7:9-14.
4. a) Iza no nitodihan’i Daniela mba hahazoana fanazavana azo nitokisana? b) Nahoana no zava-dehibe ho antsika izay hitan’i Daniela sy reny tamin’io alina io?
4 “Izaho”, hoy i Daniela, “nalahelo tam-panahy, ary ny fahitan’ny lohako naharaiki-tahotra ahy.” Koa nandeha nitady “ny fototr’izany rehetra izany”, na “fanazavana azo itokisana momba izany rehetra izany” (NW ), tany amin’ny anjely iray àry izy. Ary dia tena nanome azy “ny hevitry ny zavatra” tokoa ilay anjely. (Daniela 7:15-28). Izay hitan’i Daniela sy reny tamin’io alina io dia tena mahaliana antsika, satria nosoritany tao ireo fisehoan-javatra ho avy maneran-tany hatramin’izao androntsika izao, izay fotoana hanomezana ny fanapahana “ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny” ho an’ilay “toy ny zanak’olona”. Noho ny fanampian’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanahiny, dia ho afaka hahatakatra ny hevitr’ireo fahitana ara-paminaniana ireo koa isika.a
BIBY EFATRA NIAKATRA AVY TAMIN’NY RANOMASINA
5. Sary mampiseho inona moa ilay ranomasina nasamboaravoaran’ny rivotra?
5 “Nisy biby efatra lehibe samy hafa niakatra avy tamin’ny ranomasina”, hoy i Daniela. (Daniela 7:3). Sary nampiseho inona moa ilay ranomasina nasamboaravoaran’ny rivotra? Taona maro tatỳ aoriana, dia nahita bibidia iray nanana loha fito niakatra avy tamin’ny “ranomasina” ny apostoly Jaona. Io ranomasina io dia nampiseho “olona sy vahoaka betsaka sy firenena maro ary samy hafa fiteny” — ilay fitambaran’olona maro be izay tafasaraka amin’Andriamanitra. Ilay ranomasina àry dia sary mety tsara ampisehoana ny sarambaben’ny olona tafasaraka amin’Andriamanitra. — Apokalypsy 13:1, 2; 17:15; Isaia 57:20.
6. Inona no asehon’ireo biby efatra?
6 “Ireo biby lehibe efatra ireo”, hoy ilay anjelin’Andriamanitra, “dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin’ny tany.” (Daniela 7:17). Mazava fa nampahafantarin’ilay anjely ho “mpanjaka efatra” ireo biby efatra hitan’i Daniela. Araka izany, dia milaza firenena matanjaka indrindra eran-tany ireo biby ireo. Iza avy anefa?
7. a) Inona no lazain’ny mpanazava teny ao amin’ny Baiboly sasany momba ilay fahitana biby efatra nonofisin’i Daniela sy ilay sariolona goavam-be nonofisin’i Nebokadnezara Mpanjaka? b) Inona no asehon’ny tsirairay amin’ireo tapany metaly efatra amin’ilay sariolona?
7 Ireo mpanazava teny ao amin’ny Baiboly mazàna dia mampifandray ilay fahitana biby efatra nonofisin’i Daniela amin’ilay sariolona goavam-be nonofisin’i Nebokadnezara. Izao, ohatra, no nambaran’ny The Expositor’s Bible Commentary: “Ny toko faha-7 [amin’ny Daniela] dia mifanitsy amin’ny toko faha-2.” Ary hoy ny The Wycliffe Bible Commentary: “Eken’ny ankamaroan’ny olona fa ilay fifandimbiasan’ny fanapahana jentilisa efatra eto [Daniela toko faha-7] (...) dia mitovy amin’ilay hita ao amin’ny [Daniela] toko faha-2.” Ireo firenena natanjaka efatra nasehon’ireo metaly efatra tao amin’ny nofin’i Nebokadnezara dia ny Empira Babylonianina (loha volamena), i Media-Persia (tratra sy sandry volafotsy), i Gresy (kibo sy fe varahina) ary ny Empira Romanina (tongotra vy).b (Daniela 2:32, 33). Andeha hojerentsika ny fomba ifanitsian’ireo fanjakana ireo amin’ireo biby efatra lehibe hitan’i Daniela.
MASIAKA TOY NY LIONA, HAINGAM-PANDEHA TOY NY VOROMAHERY
8. a) Ahoana no nilazan’i Daniela an’ilay biby voalohany? b) Empira iza no nasehon’ilay biby voalohany, ary tamin’ny heviny ahoana izy io no toy ny liona?
8 Manaitra tokoa ireo biby hitan’i Daniela! Hoy izy momba ny iray taminy: “Ny voalohany dia toy ny liona ary nanana elatry ny voromahery; nijery aho ambara-panongotra ny elany, ary natsangana avy tamin’ny tany izy ka najoro tamin’ny tongony roa toy ny fijoron’ny olona, sady natao manana fon’olombelona izy.” (Daniela 7:4). Io biby io dia nampiseho ilay fanapahana nasehon’ny loha volamenan’ilay sariolona goavam-be, dia ny Firenena Natanjaka Babylonianina (607-539 al.f.i.). Toy ny “liona” mpiremby, i Babylona dia nandrapaka firenena tamin-kalozana, anisan’izany ny vahoakan’Andriamanitra. (Jeremia 4:5-7; 50:17). Toy ny hoe nanana elatry ny voromahery io “liona” io, ka nandroso faingana mba hamabo tany tamin-kery. — Fitomaniana 4:19; Habakoka 1:6-8.
9. Inona avy ireo fiovana nitranga teo amin’ilay biby tahaka ny liona, ary inona no vokatr’izy ireo teo aminy?
9 Tatỳ aoriana, dia ‘voaongotra’ ny elatr’io liona tsy nanan-tsahala io. Tany amin’ny faramparan’ny fanapahan’i Belsazara Mpanjaka, dia verin’i Babylona ny hafainganam-pandehan’ny famaboany tany ary koa ny fahamboniana toy ny an’ny liona, nananany teo amin’ireo firenena. Tsy nandeha haingana noho ny olona nandeha an-tongotra izy. Nahazo “fon’olombelona” izy, ka nanjary nalemy. Tsy nanana “ny fon’ny liona” intsony i Babylona, ka tsy afaka nitondra tena toy ny mpanjaka teo amin’ny “biby any an-ala” intsony. (Ampitahao amin’ny 2 Samoela 17:10; Mika 5:7.) Nisy biby lehibe iray hafa nandresy azy.
MIRANGORANGO TOY NY BERA
10. Sary mampiseho ny tarana-mpanjaka iza moa ilay “bera”?
10 “Indro koa ny faharoa”, hoy i Daniela, dia “biby hafa tahaka ny bera, izay nampisondrotra ny ila-tenany, sady nisy taolan-tehezana telo teo am-bavany anelanelan’ny nifiny; ary toy izao no voalaza taminy: Mitsangàna, homàna nofo be.” (Daniela 7:5). Ny mpanjaka nasehon’ilay “bera” dia ilay nasehon’ireo tratra sy sandry volafotsin’ilay sariolona lehibe — ireo mpanapaka medianina sy persanina nifandimby (539-331 al.f.i.), nanomboka tamin’i Dariosy Medianina sy i Kyrosy Lehibe, ary nifarana tamin’i Dariosy III.
11. Inona no hevitry ny nampisondrotan’ilay bera ara-panoharana ny ila-tenany sy ny nananany taolan-tehezana telo tao am-bavany?
11 “Nampisondrotra ny ila-tenany” ilay bera ara-panoharana, angamba ho fiomanana hanafika sy handresy firenena maro, ka hihazona ny fahefany maneran-tany. Na angamba io fisondrotana io natao mba hampisehoana fa hahery kokoa noho i Dariosy, ilay hany mpanjaka medianina, ireo mpanapaka persanina hifandimby. Ireo taolan-tehezana telo teo anelanelan’ny nifiny dia mety hilaza ireo zotra telo nalehany mba hamaboana tany. Nankany avaratra aloha ilay “bera” medianina sy persanina, mba haka an’i Babylona, tamin’ny 539 al.f.i. Avy eo, dia niankandrefana izy, namakivaky an’i Azia Minora, ka hatrany Thrace. Ary farany, dia nianatsimo ilay “bera” mba handresy an’i Ejipta. Koa satria sary mampiseho fanamafisana ny isa telo indraindray, ireo taolan-tehezana telo dia mety hanamafy koa fa nihoa-pampana ny fanirian’ilay bera ara-panoharana hahazo tany.
12. Inona no vokatry ny nankatoavan’ilay bera ara-panoharana ilay baiko hoe: “Mitsangàna, homàna nofo be”?
12 Nanafika firenena maro ilay “bera”, araka ilay teny hoe: “Mitsangàna, homàna nofo be.” Tamin’ny fandrapahana an’i Babylona, araka ny sitrapon’Andriamanitra, dia tsara toerana i Media-Persia mba hanatontosa asa sarobidy ho an’ny vahoakan’i Jehovah. Ary dia izany tokoa no nataony! (Jereo ny hoe “Mpanjaka Iray Nahay Nandefitra”, eo amin’ny pejy faha-149.) Tamin’ny alalan’i Kyrosy Lehibe sy i Dariosy I (Dariosy Lehibe) ary i Artaksersesy I, dia nanafaka an’ireo babo jiosy tany Babylona i Media-Persia, ka nanampy azy ireo hanorina indray ny tempolin’i Jehovah sy hanamboatra ny simba tamin’ny mandan’i Jerosalema. Tamin’ny farany, dia nanjary nanapaka teo amin’ny faritany 127 i Media-Persia, ary i Ahasoerosy (Ksersesy I), vadin’i Estera Mpanjakavavy, dia “nanjaka hatrany India ka hatrany Etiopia”. (Estera 1:1). Kanefa, efa nanangasanga sahady ny fisandratan’ny biby iray hafa.
HAINGAM-PANDEHA TOY NY LEOPARDA MANANA ELATRA!
13. a) Sary nampiseho inona moa ilay biby fahatelo? b) Inona no azo lazaina momba ny hafainganam-pandehan’ilay biby fahatelo sy ny faritra nanapahany?
13 Ilay biby fahatelo dia “toy ny leoparda, izay nanana ela-borona efatra teo an-damosiny, ary io biby io nanana loha efatra, ary nomena fanapahana izy”. (Daniela 7:6). Toy ilay mifanitsy aminy — ilay kibo sy fe varahina tamin’ilay sariolona nonofisin’i Nebokadnezara — io leoparda nanana elatra efatra sy loha efatra io dia sary nampiseho an’ireo mpanapaka makedônianina, na grika, nifandimby, nanomboka tamin’i Aleksandra Lehibe. Toy ny leoparda mailaka sady haingam-pandeha, dia namakivaky an’i Azia Minora i Aleksandra, nianatsimo hatrany Ejipta ary nanohy hatrany amin’ny sisin-tany andrefan’i India. (Ampitahao amin’ny Habakoka 1:8.) Lehibe noho ny an’ilay “bera” ny faritra nanapahany, satria nahafaoka an’i Makedônia sy i Gresy ary ny Empira Persanina. — Jereo ny hoe “Nandresy ny Tany Manontolo ny Mpanjaka Tanora Iray”, eo amin’ny pejy faha-153.
14. Inona no nahatonga an’ilay “leoparda” hanana loha efatra?
14 Nanjary nanana loha efatra ilay “leoparda”, fony maty i Aleksandra tamin’ny 323 al.f.i. Tamin’ny farany, dia nanjary nandimby azy tany amin’ny faritany samy hafa tamin’ny faritra nanapahany ny efatra tamin’ireo jeneraliny. I Séleucus tany Mezôpôtamia sy Syria. I Ptolémée nifehy an’i Ejipta sy i Palestina. I Lysimaque nanapaka tany Azia Minora sy Thrace, ary i Cassandre nahazo an’i Makedônia sy i Gresy. (Jereo ny hoe “Nizarazara ny Fanjakana Iray Nidadasika”, eo amin’ny pejy faha-162.) Avy eo, dia nisy loza hafa indray koa nananontanona.
HITA HO HAFA NY BIBY NAMPAHATAHOTRA IRAY
15. a) Resaho ny amin’ilay biby fahefatra. b) Sary nampiseho inona moa ilay biby fahefatra, ary ahoana no nanotahotany sy nihinanany izay rehetra teny amin’ny lalany?
15 Nilaza ilay biby fahefatra ho “[mampahatahotra, NW ] sady matanjaka sy mahery indrindra” i Daniela. Hoy koa izy: “Ary nanana nify vy lehibe izy; nihinana sy nanotahota izy, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen’ny tongony; ary hafa noho ny biby rehetra teo alohany izy sady nanana tandroka folo.” (Daniela 7:7). Ny hery ara-politika sady ara-tafik’i Roma io biby nampahatahotra io, fony izy nanomboka. Naka tsikelikely an’ireo fizarana helenistika efatra tamin’ny Empira Grika izy io, ary tamin’ny taona 30 al.f.i., dia nisandratra mba ho ny firenena natanjaka indrindra nanaraka, araka ny tantaran’ny Baiboly. Noresen’ny Empira Romanina tamin’ny tafiny avokoa izay rehetra teny amin’ny lalany, hany ka tamin’ny farany izy dia niitatra ka nahafaoka an’ireo Nosy Britanika, ny faritra maro tany Eoropa, ny nanodidina an’i Mediterane, ary nihoatra an’i Babylona ka hatrany amin’ny Hoala Persika.
16. Fanazavana inona no nomen’ilay anjely momba ilay biby fahefatra?
16 Naniry hahazo antoka ny amin’ny dikan’io biby “[mampahatahotra, NW ] indrindra” io i Daniela, ka nanongilan-tsofina tamin’ny fanazavan’ilay anjely hoe: “Ary ny [tandrony] folo dia mpanjaka folo izay hitsangana avy amin’izany fanjakana izany; ary hisy iray koa hitsangana manaraka azy; hafa noho ny voalohany izy ary handresy mpanjaka telo.” (Daniela 7:19, 20, 24). Inona moa ireo “tandroka folo”, na “mpanjaka folo”, ireo?
17. Sary mampiseho inona ireo ‘tandroka folon’ilay’ biby fahefatra?
17 Nihananankarena i Roma, no sady nihanikororosy noho ny fomba fiaina feno filiban’ireo mpitondra teo aminy, hany ka nihanihena ny heriny ara-tafika. Tatỳ aoriana, dia nanjary niharihary mazava tsara fa nihaosa ny hery ara-tafik’i Roma. Nizarazara ho fanjakana maro tamin’ny farany ilay empira natanjaka. Koa satria mampiasa matetika ny isa folo mba hilazana fahafenoana ny Baiboly, ireo “tandroka folo” teo amin’ilay biby fahefatra àry dia mampiseho ireo fanjakana rehetra nipoitra avy tamin’ny faharavan’i Roma. — Ampitahao amin’ny Deoteronomia 4:13; Lioka 15:8; 19:13, 16, 17.
18. Ahoana no nanohizan’i Roma nampihatra fanapahana teo amin’i Eoropa, taonjato maro taorian’ny nanesorana ny emperorany farany?
18 Tsy nifarana tamin’ny fanesorana ny emperorany farany tao Roma tamin’ny 476 am.f.i. anefa ilay Firenena Matanjaka Romanina. Nandritra ny taonjato maro, i Roma notarihin’ny papa dia nanohy nampihatra fahefana ara-politika, ary indrindra fa ara-pivavahana, nanerana an’i Eoropa. Tamin’ny alalan’ny fanjakan-tompomenakely no nanaovany izany, ka tamin’izany ny ankamaroan’ny mponin’i Eoropa dia nofehezin’ny tompomenakely iray aloha, ary avy eo dia ny mpanjaka iray. Ary ny mpanjaka rehetra indray kosa dia samy nanaiky ny fahefan’ny papa. Toy izany no nanapahan’ny Empira Romanina Masina ny raharaha naneran-tany, tamin’ny alalan’i Roma notarihin’ny papa, nandritra iny fe-potoana lava be teo amin’ny tantara nantsoina hoe ny Vanim-potoan’ny Haizina iny.
19. Araka ny mpahay tantara iray, nanao ahoana moa i Roma, raha nampitahaina tamin’ireo empira teo aloha?
19 Iza no ho afaka handa fa “hafa noho ny fanjakana rehetra” ilay biby fahefatra? (Daniela 7:7, 19, 23). Izao no nosoratan’i H. G. Wells, mpahay tantara, momba izany: “Tamin’ny lafiny maro, io fanjakana romanina vaovao io (...) dia hafa noho ireo empira lehibe rehetra nanjaka hatramin’izay teo amin’ilay tontolo nandroso ara-kolontsaina. (...) Saika voafaoka tao [aminy] avokoa ny Grika rehetra naneran-tany, ary tsy dia hamitika sy semitika loatra toy ny an’ireo empira rehetra teo alohany ny mponina tao aminy. (...) Mbola tsy nisy modely toa an’io mihitsy hatreo teo amin’ny tantara. (...) Vokatry ny fivoaran-javatra ny Empira Romanina, ary vokatra vaovao tsy nampoizina; nanjary voaray, saika tsy nampoiziny, tao anatin’ny andrana goavana iray teo amin’ny fitantanan-draharaha ny vahoaka romanina.” Mbola hiharan’ny fivoaran-javatra fanampiny koa anefa ilay biby fahefatra.
NAHAZO NY FANAPAHANA NY TANDROKA KELY IRAY
20. Inona no nolazain’ilay anjely momba ny tandroka kely iray nivoaka avy teo amin’ny lohan’ilay biby fahefatra?
20 “Nodinihiko ny tandroka”, hoy i Daniela, “ka, indro, nisy tandroka iray kely koa nipoitra teo aminy, ary [novohana] teo anoloan’io ny tandroka telo tamin’ireo taloha”. (Daniela 7:8). Momba io rantsana vaovao io, dia hoy ilay anjely tamin’i Daniela: “Hisy iray koa hitsangana manaraka azy [ireo mpanjaka folo]; hafa noho ny voalohany izy ary handresy mpanjaka telo.” (Daniela 7:24). Iza io mpanjaka io, rahoviana izy no hitsangana, ary iza ireo mpanjaka telo ho resiny?
21. Ahoana no nahatongavan’i Grande-Bretagne ho ny tandroka kely ara-panoharan’ilay biby fahefatra?
21 Diniho ireo fizotran-javatra nanaraka. Tamin’ny 55 al.f.i., dia nanafika an’i Bretagne i Jules César, jeneraly romanina, nefa tsy tafatoetra naharitra tany. Tamin’ny 43 am.f.i., dia nanomboka nandresy ny faritra atsimon’i Grande-Bretagne tamin’ny fomba naharitra kokoa i Klaodio Emperora. Avy eo, tamin’ny 122 am.f.i., i Hadrien Emperora dia nanomboka nanorina manda iray avy teo amin’ny Renirano Tyne ka hatrany amin’ny Helodranon’i Solway, ho fanamarihana ny sisin-tany avaratry ny Empira Romanina. Teo am-piandohan’ny taonjato fahadimy, dia niala teo amin’ilay nosy ireo tafika romanina. “Tamin’ny taonjato fahenina ambin’ny folo”, hoy ny fanazavan’ny mpahay tantara iray, “dia fanjakana iray tsy nisy nampiavaka azy i Angletera. Nanify ny harenany, raha noharina tamin’ny an’i Holandy. Vitsy lavitra noho ny an’i Frantsa ny mponina tao aminy. Latsaka noho ny an’i Espaina ny tafiny (anisan’izany ny tafiny an-dranomasina).” Miharihary fa fanjakana tsy dia nanao ahoana i Grande-Bretagne tamin’izay, dia ilay tandroka kely ara-panoharana teo amin’ilay biby fahefatra. Hiova anefa izany.
22. a) Tandroka telo hafan’ilay biby fahefatra iza avy no resin’ilay tandroka “kely”? b) Nisandratra mba ho inona moa i Grande-Bretagne?
22 Tamin’ny 1588, dia nandefa ny Armada Espaniola hamely an’i Grande-Bretagne i Philippe II, mpanjakan’i Espaina. Niakatra ny la Manche io andian-tsambo 130, nitondra lehilahy maherin’ny 24 000, io, nefa dia resin’ny tafika an-dranomasina britanika, ary niharam-pahavoazana noho ireo rivotra nanohitra azy sy ireo tafio-drivotra mahery vaikan’i Atlantika. “Nanamarika ny fifindrana tanteraky ny fahamboniana teny an-dranomasina avy teo an-tanan’i Espaina ho eo an-tanan’i Angletera” iny fisehoan-javatra lehibe iny, hoy ny mpahay tantara iray. Tamin’ny taonjato faha-17, dia nanjary nanana ny andian-tsambo mpanao varotra lehibe indrindra eran-tany, ny Holandey. Nampitombo ny isan’ireo zanataniny tany ampitan-dranomasina anefa i Grande-Bretagne, ka nisongona an’io fanjakana io. Tamin’ny taonjato faha-18, dia niady ny Anglisy sy ny Frantsay tany Amerika Avaratra sy tany Inde. Izany dia nitarika ho amin’ny Fifaneken’i Paris tamin’ny 1763. Io fifanekena io, hoy i William B. Willcox, mpanoratra, “dia nanaiky ny toerana vaovao notanan’i Grande-Bretagne, dia ny an’ny firenena eoropeanina natanjaka indrindra tany amin’ireo tany ivelan’i Eoropa”. Nohamafisin’ny fandreseny niezinezina an’i Napoléon, emperora frantsay, tamin’ny 1815 am.f.i. ny fahambonian’i Grande-Bretagne. Ireo ‘mpanjaka telo resiny’ àry dia i Espaina sy i Holandy ary i Frantsa. (Daniela 7:24). Ho vokany, dia nisandratra mba ho ny firenena mpanjana-tany sady mpanao varotra lehibe indrindra eran-tany i Grande-Bretagne. Eny, nitombo ka tonga firenena natanjaka indrindra ilay tandroka “kely”!
23. Tamin’ny heviny ahoana ilay tandroka kely ara-panoharana no ‘nandrava ny tany rehetra’?
23 Nilaza tamin’i Daniela ilay anjely fa ilay biby fahefatra, na fanjakana fahefatra, dia “handrava ny tany rehetra”. (Daniela 7:23). Hita ho marina izany raha ny amin’ilay provansy romanina fantatra taloha tamin’ny hoe Bretagne. Lasa ny Empira Britanika izy io tamin’ny farany, ary ‘nandrava ny tany rehetra’. Nisy fotoana nananan’io empira io ny ampahefatry ny velaran-tany teto an-tany sy ny ampahefatry ny mponin’ny tany.
24. Inona no nolazain’ny mpahay tantara iray momba ny Empira Britanika izay hafa noho ireo firenena natanjaka talohany?
24 Toy ilay Empira Romanina izay hafa noho ireo firenena natanjaka talohany, ilay mpanjaka nasehon’ilay tandroka “kely” koa dia ho “hafa noho ny voalohany”. (Daniela 7:24). Hoy ny nomarihin’i H. G. Wells, mpahay tantara, momba ny Empira Britanika: “Mbola tsy nisy tahaka azy io mihitsy taloha. Ny rafitra fototra nitondrana ilay firenena dia ilay ‘repoblika nenti-mpanjaka’ tao amin’ireo Fanjakana Britanika Mitambatra. (...) Tsy nisy sampan-draharaha na singan’olona afaka nahatakatra ny natao hoe Empira Britanika tamin’ny fitambarany. Izy io dia fifangaroan’ny vokatry ny fivoaran-javatra sy ny zavatra nangonina, ka tonga hafa tanteraka noho izay rehetra nantsoina hoe empira taloha.”
25. a) Eo amin’ny fivoarany farany indrindra, inona moa no mahaforona ilay tandroka kely ara-panoharana? b) Amin’ny heviny ahoana ilay tandroka “kely” no manana “maso toy ny mason’olona” sy “vava miteny zavatra mihoa-pampana”?
25 Tsy ny Empira Britanika ihany anefa no nahaforona ilay tandroka “kely”. Tamin’ny 1783, dia nanaiky ny fahaleovan-tenan’ireo zanataniny amerikanina 13 i Grande-Bretagne. Nanjary mpiara-dia tamin’i Grande-Bretagne i Etazonian’i Amerika tatỳ aoriana, rehefa nisandratra mba ho ny firenena nanam-pahefana indrindra teto an-tany taorian’ny Ady Lehibe Faharoa. Mbola mifamatotra mafy amin’i Grande-Bretagne ihany izy io. Ilay firenena matanjaka roa sosona anglisy-amerikanina naterak’izany no ilay “tandroka nanana maso”. Eny tokoa, mahay mandinika sy mailo io firenena matanjaka io! ‘Miteny zavatra mihoa-pampana’ izy io, ka milaza amin’ny ankamaroan’ny tany izay tokony hataon’izy ireo ary mitondra tena toy ny mpitondra tenin’izy ireo, na “mpaminany sandoka”. — Daniela 7:8, 11, 20; Apokalypsy 16:13; 19:20.
NANOHITRA AN’ANDRIAMANITRA SY NY OLO-MASINY ILAY TANDROKA KELY
26. Inona no nolazain’ilay anjely mialoha momba ny teny sy ny zavatra hataon’ilay tandroka ara-panoharana amin’i Jehovah sy ny mpanompony?
26 Nanohy nilaza ny fahitany toy izao i Daniela: “Mbola nijery ihany aho, ary izany tandroka izany nanoto ny olo-masina ka naharesy azy”. (Daniela 7:21). Hoy ny nambaran’ny anjelin’Andriamanitra mialoha momba io “tandroka”, na mpanjaka, io: “Hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin’ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna; ary hatolotra eny an-tànany ireo ambara-pahatapitry ny fetr’andro iray sy ny fetr’andro roa ary ny antsasaky ny fetr’andro.” (Daniela 7:25). Tamin’ny fomba ahoana ary oviana io tapany amin’ilay faminaniana io no tanteraka?
27. a) Iza moa ireo ‘olo-masina’ enjehin’ilay tandroka “kely”? b) Ahoana no nitadiavan’ilay tandroka ara-panoharana “hanova fotoana sy lalàna”?
27 Ireo “olo-masina” nenjehin’ilay tandroka “kely” — ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina — dia ireo mpanara-dia an’i Jesosy voahosotry ny fanahy eto an-tany. (Romana 1:7; 1 Petera 2:9). An-taonany maro talohan’ny Ady Lehibe Voalohany, dia nampitandrina ampahibemaso ny olona ny sisa amin’ireo voahosotra ireo fa hahitana ny fifaranan’ny “fotoana voatondro ho an’ireo firenena” ny 1914. (Lioka 21:24, NW ). Rehefa nipoaka ny ady tamin’io taona io, dia niharihary fa tsy niraharaha io fampitandremana io ilay tandroka “kely”, satria nikiry nampahory ireo “olo-masina” voahosotra. Nanohitra ny ezaka nataon’izy ireo mba hankatoavana ilay “lalàna” takin’i Jehovah mba hitorian’ny Vavolombelony ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana maneran-tany mihitsy aza ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. (Matio 24:14). Nitady “hanova fotoana sy lalàna” àry ilay tandroka “kely”, araka izany.
28. Hafiriana no aharetan’ireo ‘fetr’andro iray sy fetr’andro roa ary antsasaky ny fetr’andro’?
28 Niresaka momba ny fe-potoana ara-panoharana iray nantsoiny hoe ‘fetr’andro iray sy fetr’andro roa ary antsasaky ny fetr’andro’ ilay anjelin’i Jehovah. Hafiriana no aharetan’izany? Ireo mpanazava teny ao amin’ny Baiboly mazàna dia manaiky fa io teny io dia midika hoe fetr’andro telo sy tapany. Koa satria naharitra fito taona ireo “fetr’andro fito” fony i Nebokadnezara lasa adala, ireo fetr’andro telo sy tapany àry dia haharitra telo taona sy tapany.c (Daniela 4:13, 22). Izao no vakina ao amin’ny An American Translation: “Halefa any aminy mandritra ny herintaona sy roa taona ary antsasa-taona izy ireo.” Ny dikan-tenin’i James Moffatt kosa manao hoe: “Mandritra ny telo taona sy tapany.” Voatonona ao amin’ny Apokalypsy 11:2-7 koa io fe-potoana io. Voalaza ao fa hitory mandritra ny 42 volana, na 1 260 andro, ny vavolombelon’Andriamanitra, hitafy lamba fisaonana, ary avy eo dia hovonoina. Oviana io fotoana io no nanomboka sy nifarana?
29. Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nanombohan’ireo fetr’andro telo sy tapany?
29 Fotoam-pitsapana ho an’ny Kristianina voahosotra ny Ady Lehibe Voalohany. Tamin’ny faran’ny 1914, dia nanampo fanenjehana izy ireo. Raha ny marina aza, ny andinin-teny nofidina ho an’ny taona 1915 dia ilay fanontanian’i Jesosy tamin’ny mpianany hoe: “Hainareo va ny hisotro amin’ny kapoaka izay efa hisotroako?” Niorina tamin’ny Matio 20:22 izy io. Noho izany, nanomboka tamin’ny Desambra 1914, dia nitory nitafy “lamba fisaonana”, ireo vavolombelona vitsy dia vitsy ireo.
30. Ahoana no nampahorian’ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina an’ireo Kristianina voahosotra nandritra ny Ady Lehibe Voalohany?
30 Rehefa nentanin’ny fahataitairana tamin’ny ady ny olona, dia nihanitombo ny fanoherana an’ireo Kristianina voahosotra. Nampidirina an-tranomaizina ny sasany taminy. Nisy olona sahala amin’i Frank Platt tany Angletera sy i Robert Clegg tany Kanada, nampijalijalin’ny manam-pahefana tsy nifaditrovana. Tamin’ny 12 Febroary 1918, i Kanada, izay anisan’ny Commonwealth Britanika, dia nandrara ilay boky fahafito tamin’ny Études des Écritures, nitondra ny lohateny hoe Le mystère accompli, navoaka vao haingana, ary koa ireo taratasy mivalona nitondra ny lohateny hoe L’Étudiant de la Bible. Ny volana nanaraka, dia nambaran’ny Minisiteran’ny Fitsaran’i Etazonia ho tsy ara-dalàna ny fanelezana io boky fahafito io. Ny vokany? Nosavaina ny tokantranon’olona, nohazonina ny zavatra vita an-tsoratra, ary nosamborina ny mpivavaka tamin’i Jehovah!
31. Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nifaranan’ireo ‘fetr’andro iray sy fetr’andro roa ary antsasaky ny fetr’andro’?
31 Nahatratra ny fara tampony ny fampahoriana ireo voahosotr’Andriamanitra tamin’ny 21 Jona 1918, fony nohelohina hanefa sazy naharitra tany an-tranomaizina, noho ny fiampangana lainga, i J. F. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower, sy ny mpikambana ambony tao amin’ny Watch Tower Bible and Tract Society. Nitady “hanova fotoana sy lalàna” ilay tandroka “kely”, ka tena namono ilay asa fitoriana natao tamin’ny fomba voalamina. (Apokalypsy 11:7). Nifarana tamin’ny Jona 1918 àry ilay ‘fetr’andro iray sy fetr’andro roa ary antsasaky ny fetr’andro’ nambara mialoha.
32. Nahoana ianao no hilaza fa tsy naharingana an’ireo ‘olo-masina’ ilay tandroka “kely”?
32 Tsy naharingana an’ireo ‘olo-masina’ anefa ilay fampahoriana nataon’ilay tandroka “kely”. Araka ny faminanian’ny bokin’ny Apokalypsy, rehefa avy tsy niasa kelikely ireo Kristianina voahosotra, dia velona sy niasa indray. (Apokalypsy 11:11-13). Tamin’ny 26 Martsa 1919, dia navoaka avy tany an-tranomaizina ny prezidàn’ny Watch Tower Bible and Tract Society sy ireo mpiara-miasa taminy, ary avy eo dia nafahana madiodio tamin’ny fiampangana lainga natao taminy. Avy hatrany dia nanomboka nandamin-javatra indray ny sisa voahosotra mba hanohy ny asany. Inona anefa no niandry an’ilay tandroka “kely”?
NITARIKA FITSARANA NY FAHAGOLA
33. a) Iza moa ny Fahagola? b) Inona ireo ‘boky novelarina’ tao amin’ilay Fitsarana any an-danitra?
33 Rehefa avy nampahafantatra ireo biby efatra i Daniela, dia nifindra avy teo amin’ilay biby fahefatra ny masony mba hijery izay nitranga tany an-danitra. Nahita ny Fahagola nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany namirapiratra mba hitsara, izy. Tsy iza io Fahagola io fa i Jehovah Andriamanitra. (Salamo 90:2). Rehefa naka toerana ilay Fitsarana any an-danitra, dia nahita ‘boky novelarina’ i Daniela. (Daniela 7:9, 10). Koa satria efa hatrany amin’ny lasa tsy manam-petra ny fisian’i Jehovah, dia fantany avokoa ny tantaran’ny olombelona manontolo, toy ny hoe nosoratana tao amin’ny boky iray izy io. Nandinika an’ireo biby ara-panoharana efatra rehetra izy, ka afaka mamoaka didim-pitsarana momba azy ireo, dia didim-pitsaran’izay nahita nivantana ny nitranga.
34, 35. Inona no hitranga amin’ilay tandroka “kely” sy ireo fanjakana hafa toy ny biby?
34 Hoy i Daniela nanohy ny teniny: “Dia mbola nijery ihany aho noho ny feon’ny teny mihoa-pampana notenenin’ilay tandroka; eny, nijery aho ambara-pamono ny biby, ka nolevonina ny tenany, ary natao teo amin’ny afo mirehitra izy. Ary ny amin’ny biby sasany, dia nesorina taminy ny fanapahany; nefa nohalavaina ihany ny andro hiainany mandra-pahalanin’ny andro sy ny fotoana.” (Daniela 7:11, 12). Hoy ilay anjely tamin’i Daniela: “Hipetraka ny Mpitsara, ary hesorina ny fanapahany, ka horavana sy hosimbana hatramin’ny farany izy.” — Daniela 7:26.
35 Araka ny didin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpitsara Lehibe, dia hitovy amin’izay nanjo ny Empira Romanina, izay nanenjika ny Kristianina tany am-boalohany, ny hanjo an’ilay tandroka niteny ratsy an’Andriamanitra sy nampahory ny ‘olo-masiny’. Tsy hitohy ny fanapahany. Ary tsy hitohy ihany koa ny an’ireo “mpanjaka” ambany kokoa, dia ireo tandroka nipoitra avy tamin’ny Empira Romanina. Ahoana anefa ny amin’ireo fanapahana nipoitra avy tamin’ireo fanjakana toy ny biby teo aloha? Araka ny nambara mialoha, dia nohalavaina “mandra-pahalanin’ny andro sy ny fotoana” ny androm-piainany. Mbola misy mponina ihany ireo faritaniny hatramin’izao androntsika izao. I Irak, ohatra, dia eo amin’ilay nisy an’i Babylona fahiny. I Persia (Iran) sy i Gresy koa dia mbola misy ankehitriny. Anisan’ny Firenena Mikambana ankehitriny ny sisa amin’ireny fanjakana natanjaka ireny. Ho ringana koa izy ireo, rehefa horavana ilay firenena matanjaka farany. Hesorina tsy hisy intsony mihitsy ny fitondram-panjakan’olombelona rehetra amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”. (Apokalypsy 16:14, 16). Iza anefa no hanapaka ity tontolo ity avy eo?
ANTOMOTRA DIA ANTOMOTRA NY FANAPAHANA MAHARITRA IRAY!
36, 37. a) Manondro an’iza moa ilay “toy ny zanak’olona”, ary oviana sy noho ny antony inona no nisehoany tao amin’ilay Fitsarana any an-danitra? b) Inona no tafaorina tamin’ny 1914 am.f.i.?
36 “Ary mbola nahita tamin’ny fahitana tamin’ny alina ihany aho, ary, indro”, hoy i Daniela nihiaka, “nisy toy ny zanak’olona avy tamin’ny rahon’ny lanitra, ary nankeo amin’ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany.” (Daniela 7:13). Fony teto an-tany i Jesosy Kristy, dia niantso ny tenany hoe “Zanak’olona”, mba hampisehoana fa olombelona koa ny tenany. (Matio 16:13; 25:31). Hoy i Jesosy tamin’ny Synedriona, ny fitsarana ambony jiosy: “Ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo amin’ny tànana ankavanan’ny Hery sy avy eo amin’ny rahon’ny lanitra.” (Matio 26:64). Koa, araka ny fahitan’i Daniela, ilay ho avy, nefa tsy ho hitan’ny mason’ny olombelona, ary nankeo amin’i Jehovah Andriamanitra, àry dia i Jesosy Kristy tafatsangana tamin’ny maty sy nomem-boninahitra. Oviana izany no nitranga?
37 Nanao fanekena tamin’i Jesosy Kristy, ny amin’ny Fanjakana iray Andriamanitra, toy ny nanaovany fanekena tamin’i Davida Mpanjaka. (2 Samoela 7:11-16; Lioka 22:28-30). Rehefa nifarana “ny fotoana voatondro ho an’ireo firenena” tamin’ny 1914 am.f.i., dia nanana ny zo hahazo ny fanapahana tao amin’ilay Fanjakana i Jesosy Kristy, ilay mpanjaka nandova an’i Davida. Hoy ny faminanian’i Daniela: “Nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.” (Daniela 7:14). Tafaorina tany an-danitra àry ilay Fanjakana Mesianika tamin’ny 1914. Nisy olon-kafa koa anefa nomena ny fanapahana.
38, 39. Iza no handray fanapahana mandrakizay eto amin’ity tontolo ity?
38 “Ny olo-masin’ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana”, hoy ilay anjely. (Daniela 7:18, 22, 27). I Jesosy Kristy no ilay olo-masina lehibe indrindra. (Asan’ny Apostoly 3:14; 4:27, 30). Ireo ‘olo-masina’ hafa handray anjara amin’ilay fanapahana dia ireo Kristianina 144 000 mahatoky voahosotry ny fanahy, izay mpiara-mandova ilay Fanjakana amin’i Kristy. (Romana 1:7; 8:17; 2 Tesaloniana 1:5; 1 Petera 2:9). Atsangana avy amin’ny fahafatesana ho fanahy (esprits) tsy mety maty izy ireo, mba hiara-manjaka amin’i Kristy eo amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra. (Apokalypsy 2:10; 14:1; 20:6). Noho izany, dia i Kristy Jesosy sy ireo Kristianina voahosotra tafatsangana amin’ny maty no hanapaka ny tontolon’ny olombelona.
39 Momba io fanapahan’ny Zanak’olona sy ny ‘olo-masina’ hafa tafatsangana amin’ny maty io, dia hoy ilay anjelin’Andriamanitra: “Ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan’ny fanjakana eny ambanin’ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin’ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy.” (Daniela 7:27). Endre izany fitahiana ho azon’ny olombelona mpankato eo ambanin’izany Fanjakana izany!
40. Ahoana no ahafahantsika mandray soa avy amin’ny fandinihana ilay nofy sy fahitana azon’i Daniela?
40 Tsy fantatr’i Daniela avokoa ny fahatanterahana mahatalanjona rehetran’ireo fahitana nomen’Andriamanitra azy. Hoy izy: “Hatramin’izao no faran’izany zavatra izany. Ny amiko, izaho Daniela, dia naharaiki-tahotra ahy indrindra ny eritreritro, ka nivaloarika ny tarehiko, nefa notehiriziko tao am-poko ihany izany zavatra izany.” (Daniela 7:28). Isika kosa anefa dia miaina amin’ilay fotoana ahafahantsika mahatakatra ny fahatanterahan’izay hitan’i Daniela. Ny fandinihantsika io faminaniana io dia hanatanjaka ny finoantsika ary hanamafy ny fiekentsika fa hanapaka ity tontolo ity ilay Mpanjaka Mesianikan’i Jehovah.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hampahazava tsara ny hevitra sy mba hanalavirana ny famerimberenana, dia hohamafisinay amin’ny alalan’ny fandinihana ny andininy tsirairay ao amin’ny Daniela 7:1-14 manome ireo fahitana, ireo andininy manome fanazavana ao amin’ny Daniela 7:15-28.
b Jereo ny Toko Faha-4 amin’ity boky ity.
c Jereo ny Toko Faha-6 amin’ity boky ity.
INONA NO AZONAO?
• Sary mampiseho inona moa ny tsirairay amin’ireo ‘biby efatra lehibe miakatra avy amin’ny ranomasina’?
• Inona no mahaforona ilay tandroka “kely”?
• Ahoana no nampahorian’ilay tandroka kely ara-panoharana an’ireo ‘olo-masina’ nandritra ny Ady Lehibe Voalohany?
• Inona no hanjo an’ilay tandroka kely ara-panoharana sy ireo fanjakana hafa toy ny biby?
• Inona no soa azonao avy amin’ny fandinihana ilay nofy sy ilay fahitana azon’i Daniela momba ireo “biby efatra lehibe”?
[Efajoro/Sary, pejy 149-152]
MPANJAKA IRAY NAHAY NANDEFITRA
NAHATSIARO azy ho mpanjaka nahay nandefitra sady filamatra ny mpanoratra grika iray tamin’ny taonjato fahadimy al.f.i. Ao amin’ny Baiboly izy dia antsoina hoe ny ‘voahosotr’Andriamanitra’ sy hoe “vorona mpihaza” izay “avy any atsinanana”. (Isaia 45:1; 46:11). I Kyrosy Lehibe, mpanjakan’i Persia, no tiana horesahina amin’izany.
Ny fandroson’i Kyrosy ho tonga olo-malaza dia nanomboka tokony ho tamin’ny 560/559 al.f.i., fony izy nandimby an’i Cambyse I rainy teo amin’ny seza fiandrianan’i Anshan, tanàna na zaratany iray tany Persia fahiny. Teo ambany fanapahan’i Astyage, mpanjakan’i Media, i Anshan tamin’izay. Nikomy tamin’ny fanapahana medianina i Kyrosy, ka nahazo fandresena haingana, satria nivadika nankany aminy ny tafik’i Astyage. Nahazo ny fahatokian’ny Medianina i Kyrosy avy eo. Taorian’izay, dia niara-niady tamim-piraisan-kina teo ambany fitarihany ny Medianina sy ny Persanina. Toy izany no nahaterahan’ny fanapahana medianina sy persanina, izay nanitatra ny faritra nanapahany hatreo amin’ny Ranomasina Égée ka hatrany amin’ny Ony Indus. — Jereo ilay sarintany.
Niaraka tamin’ireo tafika nitambatry ny Medianina sy ny Persanina i Kyrosy, mba handeha hifehy voalohany indrindra ny toerana iray nahitan-java-nanahirana — ny faritra andrefan’i Media izay nanitaran’i Crésus, Mpanjakan’i Lydie, ny faritra nanapahany tany amin’ny faritanin’ny Medianina. Nandroso hatrany amin’ny sisin-tany atsinanan’ny Empira Lydianina tany Azia Minora i Kyrosy, ka nandresy an’i Crésus ary namabo an’i Sardisy renivohiny. Avy eo dia nandresy an’ireo tanàna ionianina i Kyrosy, ary nampiditra an’i Azia Minora manontolo ho anisan’ny fanjakan’ny Empira Medianina sy Persanina. Nanjary ny fahavalo lehibe indrindran’i Babylona sy i Nabonida mpanjakany, àry izy tamin’izany.
Avy eo i Kyrosy dia niomana ny hifanandrina tamin’i Babylona nahery be. Ary nanomboka hatreo, dia nanana anjara tamin’ny fahatanterahan’ny faminaniana ara-baiboly izy. Tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany, efa ho roanjato taona mialoha, i Jehovah dia nanonona an’i Kyrosy ho ilay mpanapaka hanongana an’i Babylona sy hanafaka ny Jiosy tamin’ny fahababoana. Noho io fanendrena vita mialoha io no iresahan’ny Soratra Masina an’i Kyrosy ho ny ‘voahosotr’i’ Jehovah. — Isaia 44:26-28.
Fony niakatra hanafika an’i Babylona tamin’ny 539 al.f.i. i Kyrosy, dia tojo zava-tsarotra lehibe dia lehibe iray. Voahodidina manda goavam-be sy hady vory lalina sady lehibe voaforon’ny ony Eofrata ilay tanàna, ka toa tsy hety ho resy. Teny amin’ny toerana namakivakian’i Eofrata an’i Babylona, dia nisy manda iray toa tendrombohitra sy vavahady varahina goavana, nanaraka ny moron’ilay ony. Ahoana no hahafahan’i Kyrosy haka an’io tanàna io?
Zato taona mahery talohan’io i Jehovah dia efa nanambara mialoha fa hisy “fanafoanana eo amin’ireo ranony”, ary efa nilaza fa “tsy maintsy ho ritra ireo”. (Jeremia 50:38, NW ). Nifanaraka tamin’ilay faminaniana, dia namily lalana ny ranon’ny Ony Eofrata i Kyrosy, tany amin’ny kilaometatra vitsivitsy tany avaratr’i Babylona. Avy eo dia nitsabatsaba nanaraka ny fanambanin’ilay ony ny tafiny, sy nianika ilay toerana nisolampy nankeo amin’ilay manda, ary niditra tao amin’ilay tanàna mora foana, satria navela hivoha ireo vavahady varahina. Toy ny “vorona mpihaza” iray miantsambotra eo amin’ny rembiny io mpanapaka “avy any atsinanana” io, ka namabo an’i Babylona tao anatin’ny indray alina!
Ho an’ny Jiosy tao Babylona, ny fandresen’i Kyrosy dia nitondra ilay fanafahana azy tamin’ny fahababoana nandrasany hatramin’ny ela, sy ny faran’ireo 70 taona nahafoanan’ny tanindrazany. Tsy maintsy ho nentanin-kafaliana tokoa izy ireo, fony i Kyrosy namoaka fanambarana nanome lalana ny hiverenan’izy ireo tany Jerosalema mba hanorina indray ny tempoly! Naverin’i Kyrosy tamin’izy ireo koa ireo fitaovana sarobidy tao amin’ny tempoly, izay nalain’i Nebokadnezara ka nentiny tao Babylona. Nanomezan’ilay mpanjaka lalana koa ny fampidirana hazo avy tany Libanona, sy ny famoriam-bola avy tamin’ny tranon’ny mpanjaka mba handoavana izay lany tamin’ny fanorenana. — Ezra 1:1-11; 6:3-5.
Nitondra an’ireo olona resiny tamim-piantrana sy tamim-pahaiza-mandefitra i Kyrosy tamin’ny ankapobeny. Nety ho antony iray tamin’izany ny fivavahany. Azo inoana fa nifikitra tamin’ireo fampianaran’i Zoroastre, mpaminany persanina, i Kyrosy, ary nivavaka tamin’i Ahoura Mazda — andriamanitra iray heverina ho ny mpamorona ny zavatra tsara rehetra. Hoy ny nosoratan’i Farhang Mehr ao amin’ny bokiny hoe The Zoroastrian Tradition: “Nampiseho an’Andriamanitra ho ny fahalavorariana ara-pitondran-tena i Zoroastre. Nilazany ny olona fa tsy tia mamaly faty i Ahoura Mazda, fa tia ny rariny kosa, ka noho izany, dia tsy tokony hatahorana fa hotiavina.” Nety ho nanan-kery teo amin’ny fitsipika narahin’i Kyrosy ny finoana andriamanitra iray nanana fari-pitsipika marina sy tia ny rariny, ary nampirisika hanana fahambonian-toetra sy ho tia ny rariny.
Raha ny amin’ny toetr’andron’i Babylona kosa anefa, dia tsy dia nahay nilefitra loatra ilay mpanjaka. Tsy zakany ireo fahavaratra nanevokevoka. Koa na dia nijanona ho tanànan’ny mpanjakan’ilay empira, sy foibe ara-pivavahana sy ara-kolontsaina, aza i Babylona, dia tsy nataony afa-tsy renivohiny tamin’ny ririnina izy io. Raha ny marina aza, rehefa avy nandresy an’i Babylona i Kyrosy, vetivety izy dia niverina tany Ekbatàna, ny renivohiny tamin’ny fahavaratra, izay tany amin’ny 1 900 metatra mahery ambonin’ny haabon’ny ranomasina, teo am-pototry ny Tendrombohitra Elvend. Nety taminy kokoa ny ririnina nangatsiaka nodimbiasan’ny fahavaratra nahafinaritra. Nanorina lapa kanto iray koa i Kyrosy tao Pasargades, ny renivohiny teo aloha, (teo akaikin’i Persepolisy), 650 kilaometatra tany atsimoatsinanan’i Ekbatàna. Toerana nialany sasatra io fonenany tany io.
Tadidy ho toy ny mpandresy feno herim-po sy mpanjaka nahay nandefitra àry i Kyrosy. Nifarana ny fanapahany naharitra 30 taona, rehefa maty an’ady tamin’ny 530 al.f.i. izy. I Cambyse II zanany no nandimby azy teo amin’ny seza fiandrianan’i Persia.
INONA NO AZONAO?
• Ahoana no nisehoan’i Kyrosy Persanina ho ny ‘voahosotr’i’ Jehovah?
• Fanampiana sarobidy inona no nomen’i Kyrosy ny vahoakan’i Jehovah?
• Tamin’ny fomba ahoana no nitondran’i Kyrosy an’ireo olona resiny?
[Sarintany]
(Jereo ny boky)
EMPIRA MEDIANINA SY PERSANINA
MAKEDÔNIA
Memfisa
EJIPTA
ETIOPIA
Jerosalema
Babylona
Ekbatàna
Sosa
Persepolisy
INDIA
[Sary]
Fasan’i Kyrosy ao Pasargades
[Sary]
Sary sokitra, any Pasargades, mampiseho an’i Kyrosy
[Efajoro/Sary, pejy 153-161]
NANDRESY NY TANY MANONTOLO NY MPANJAKA TANORA IRAY
TOKONY ho 2 300 taona lasa izay, dia nisy jeneraly tanora iray, nanana volo nivolon-katsaka tanora, maherin’ny 20 taona, nitsangana teo amoron’ny Ranomasina Mediterane. Nibanjina ny tanàna anosy iray tany amin’ny iray kilaometatra avy teo ny masony. Tsy navela hiditra tao izy, ka romotra, ary dia tapa-kevitra ny handresy an’ilay tanàna. Inona no ho tetikadiny? Ny hanorina fefiloha iray hatrany amin’ilay nosy ary handefa ny tafiny hanafika an’ilay tanàna. Efa natomboka ny fanorenana ilay fefiloha.
Nisy hafatra iray avy tany amin’ilay mpanjaka lehiben’ny Empira Persanina anefa tonga nampiato an’io jeneraly tanora io. May ny hihavana taminy ilay mpanapaka persanina, ka nanao izao fanolorana tsy nanam-paharoa izao: talenta volamena 10 000 (maherin’ny 11 000 000 000 000 FMG amin’ny vola ankehitriny), sy ny fanambadiana ny iray tamin’ireo zanany vavy, ary ny fanapahana teo amin’ny tapany andrefana manontolo tamin’ny Empira Persanina. Izany rehetra izany no natolotra an’ilay jeneraly ho takalon’ny fianakavian’ilay mpanjaka, izay nobaboin’io jeneraly io.
Ilay komandà tsy maintsy nanapa-kevitra ny hanaiky na handa io fanolorana io dia i Aleksandra III, avy any Makedônia. Tokony hanaiky ve izy sa tsia? “Fotoana hisy vokany faran’izay lehibe ho an’ilay tontolo fahiny tamin’izay”, hoy i Ulrich Wilcken, mpahay tantara. “Nahatratra hatramin’ny Moyen Âge, ka hatratỳ amintsika mihitsy aza, ary any Atsinanana sy any Andrefana, ny vokatry ny fanapahan-keviny.” Alohan’ny handinihantsika ny valin-tenin’i Aleksandra, dia andeha aloha isika hijery ireo fisehoan-javatra nitarika ho amin’io fotoana lehibe dia lehibe io.
IZAY NAHATONGA AZY HO MPANDRESY
Teraka tao Pela, tany Makedônia, tamin’ny 356 al.f.i., i Aleksandra. Ny rainy dia ny Mpanjaka Philippe II ary ny reniny i Olympias. Nampianarin’i Olympias an-janany fa ireo mpanjaka makedônianina dia avy tamin’i Hercule, izay zanak’ilay andriamanitra grika atao hoe Zeosy. Nampianariny koa fa ny razamben’i Aleksandra dia i Achille, ilay mahery fo ao amin’ilay tononkalon’i Homère hoe ny Iliade. Noho izy voavolavolan’ny ray aman-dreniny toy izany mba hikatsaka fandresena sy ny voninahitry ny mpanjaka, dia tsy liana firy tamin-javatra hafa i Aleksandra fony mbola kely. Rehefa nanontaniana izy raha handray anjara tamin’ny hazakazaka iray tamin’ny Lalao Olympika, dia nilaza fa hanao izany izy raha mpanjaka no nifaninana taminy. Ny nokatsahiny dia ny hanao zavatra lehibe noho ny nataon-drainy sy ny hahazo voninahitra avy tamin’ireo zava-bitany.
Teo amin’ny faha-13 taonany izy dia nampianarin’i Aristote, filôzôfa grika, izay nanampy azy hanjary ho liana tamin’ny filôzôfia sy ny fitsaboana ary ny siansa. Tsy mitovy hevitra ny olona raha ny amin’ny fitaoman’ny fampianarana filôzôfikan’i Aristote teo amin’ny fomba fisainan’i Aleksandra. “Ny toa azo lazaina tsy misy diso dia hoe maro be ireo zavatra tsy niombonan’izy ireo hevitra”, hoy i Bertrand Russell, filôzôfa tamin’ny taonjato faha-20. “Niorina tamin’ilay tanàna-fanjakana grika izay efa nihananjavona, ny hevitra ara-politikan’i Aristote.” Tsy ho nanintona ny andriana iray fatra-paniry laza sy naniry hanorina empira lehibe iray ivangongoan’ny fahefana, kosa ny fitondran’ny tanàna-fanjakana kely iray toy izany. Tsy maintsy ho nahabe fisalasalana an’i Aleksandra koa ny fitsipika nampianarin’i Aristote momba ny fitondrana ny tsy grika ho toy ny andevo, satria ny nandrandrainy dia empira iray hahitana fiaraha-miasa miroborobo eo amin’ny mpandresy sy ny resy.
Tsy isalasalana anefa fa avy tamin’i Aristote no nahazoan’i Aleksandra ny fahalianany hamaky teny sy hianatra. Fatra-pamaky teny izy nandritra ny fiainany manontolo, ary ireo asa soratr’i Homère no tena tiany manokana. Misy milaza fa nianatra tsianjery ny Iliade, dia ilay tononkalo manontolo misy andalana 15 693, izy.
Nifarana tampoka ny fampianaran’i Aristote tamin’ny 340 am.f.i., fony niverina tany Pela ilay andriana 16 taona, mba hanapaka an’i Makedônia, rehefa tsy teo ny rainy. Ary vetivety foana dia niavaka io mpandova ny seza fiandrianana io, teo amin’ny zava-bitany ara-tafika. Ravoravo i Philippe, rehefa nandresy haingana ny foko maedi avy any Thrace, ny zanany, sy naka toy ny indray nitselatra ny tanànany lehibe indrindra, ka niantso an’ilay toerana, hoe Alexandroúpolis, araka ny anaran’ny tenany.
NANOMBOKA AMIN’IZAY NY FANDRESENA
Nandova ny seza fiandrianan’i Makedônia teo amin’ny faha-20 taonany i Aleksandra, rehefa maty novonoin’olona i Philippe tamin’ny 336 al.f.i. Niditra tany Azia tao Hellespont (i Dardanelles ankehitriny) i Aleksandra tamin’ny lohataonan’ny 334 al.f.i., ary nanomboka ny fanafihany tany, tamin’ny alalan’ny miaramila nandeha an-tongotra 30 000 sy miaramila nitaingin-tsoavaly 5 000, izay tafika kely nefa nahazo vokatra tsara. Narahin’ny enjeniera, ny mpandrefy tany, ny mpanao mari-trano, ny mpahay siansa ary ny mpahay tantara, io tafiny io.
Nandresy voalohany ny Persanina i Aleksandra, teo amin’ny Ony Granique, any amin’ny farany avaratrandrefan’i Azia Minora (Torkia ankehitriny). Tamin’io ririnina io izy dia nandresy an’i Azia Minora andrefana. Tamin’ny fararano nanaraka, dia nandresy fanindroany ny Persanina izy teo Issus, any amin’ny farany atsimoatsinanan’i Azia Minora. Tonga hifanehatra tamin’i Aleksandra teo i Dariosy III, ilay Mpanjaka persanina lehibe, niaraka tamin’ny tafiny nisy tokony ho 500 000 lahy. Natoky tena be loatra i Dariosy ka nitondra ny reniny sy ny vadiny ary ny mpianakaviny hafa niaraka taminy koa, mba hoe hahitan’izy ireo izay noheveriny fa ho fandresena niezinezina. Tsy voaomana tamin’ny fanafihana tampoka sy nahery vaikan’ny Makedônianina anefa ny Persanina. Nandresy tanteraka ny tafika persanina ireo miaramilan’i Aleksandra, ary dia nandositra i Dariosy, ka nandao ny fianakaviany teo an-tanan’i Aleksandra.
Tsy nanenjika an’ireo Persanina nandositra i Aleksandra, fa nankany atsimo kosa, nanaraka ny Morontsirak’i Mediterane, ary nandresy an’ireo toby nampiasain’ilay andian-tsambo persanina nahery. Nanohitra ilay fanafihana anefa ny tanàna anosin’i Tyro. Tapa-kevitra ny handresy azy io i Aleksandra, ka nanomboka nanao fahirano iray izay naharitra fito volana. Nandritra io fanaovana fahirano io no tonga ilay fanolorana fihavanana nataon’i Dariosy voalaza terỳ aloha. Nanintona aoka izany izy io, hany ka nilaza toy izao, hono, i Parménion, mpanolo-tsaina nitokisan’i Aleksandra: ‘Raha izaho i Aleksandra, dia hanaiky aho.’ Namaly anefa ilay jeneraly tanora hoe: ‘Izaho koa, raha izaho i Parménion.’ Tsy nanaiky ilay fifampiraharahana i Aleksandra, fa nanohy ilay fahirano ihany, ary namotipotika an’iny mpanjakavavy nieboebon’ny ranomasina iny, tamin’ny Jolay 332 al.f.i.
Nitsimbina an’i Jerosalema, izay nitolo-batana taminy, i Aleksandra, ka nanohy nianatsimo ary nandresy an’i Gaza. I Ejipta, izay leon’ny fanapahana persanina, dia nandray an’io mpanafaka io an-tanan-droa. Nanolotra fanatitra ho an’ilay ombilahy Apis izy tao Memfisa, ka nampifaly an’ireo mpisorona ejipsianina. Nanorina ny tanànan’i Aleksandria koa izy, dia tanàna izay nanjary foibem-pianarana nifaninana tamin’i Atena tatỳ aoriana, ary mbola mitondra io anarany io ihany.
Nanaraka izany, dia nianavaratratsinanana i Aleksandra, namakivaky an’i Palestina ary nankany amin’ny Ony Tigra. Tamin’ny 331 al.f.i., i Aleksandra dia nifanandrina fanintelony tamin’ny Persanina tao Gaugamèles, tsy lavitra ny tanàna ravan’i Ninive. Teo ireo 47 000 lahin’i Aleksandra dia nandresy ny tafika persanina vao nalamina indray ary nisy miaramila 250 000 lahy fara fahakeliny! Nandositra i Dariosy ary avy eo dia novonoin’ny olony ihany.
Nentanin’ny fandreseny i Aleksandra, ka nianatsimo ary naka an’i Babylona, renivohitr’i Persia tamin’ny ririnina. Nandresy an’i Sosa sy i Persepolisy, renivohitra, koa izy, sy naka ny tahirin-karena tsy toko tsy forohan’i Persia ary nandoro ny lapa lehiben’i Ksersesy. Farany, dia azony koa i Ekbatàna, renivohitra. Avy eo dia nandresy ny sisa tamin’ny faritra notapahin’ny Persanina io mpandresy haingam-be io, ka tonga hatrany amin’ny Ony Indus, tany atsinanana, any amin’ny misy an’i Pakistan ankehitriny.
Rehefa nita an’i Indus, teo an-tsisin’ny provansy persanin’i Taxila, i Aleksandra, dia tojo fahavalo nahatahotra iray, dia ilay mpanjaka karàna natao hoe Porus. Tamin’izy io no nanaovan’i Aleksandra ny adiny lehibe fahefatra sady farany, tamin’ny Jona 326 al.f.i. Voaforona miaramila 35 000 sy elefanta 200, izay naharaiki-tahotra ny soavalin’ny Makedônianina, ny tafik’i Porus. Nahery vaika sady feno ra nandriaka ilay ady, nefa dia nandresy ihany ny tafik’i Aleksandra. Nitolo-batana i Porus, ka tonga mpiara-dia taminy.
Valo taona mahery no lasa hatramin’ny nitan’ny tafika makedônianina nankany Azia, ka trotraka sady manina ny taniny ireo miaramila. Lany hery izy ireo, noho ilay ady nahery vaika tamin’i Porus, ka te hody. Na dia tsy nety aza i Aleksandra tamin’ny voalohany, dia nilefitra ihany. Tena tonga ny firenena natanjaka indrindra eran-tany tokoa i Gresy. Nanorenana zanatany grika maro tany amin’ireo tany noreseny, hany ka niely nanerana ny empirany ny teny sy ny kolontsaina grika.
ILAY LEHILAHY TAO AMBADIK’ILAY AMPINGA
Ny nihazona ny tafika makedônianina tsy hisaratsaraka tao anatin’ireo taona rehetra nandreseny ny hafa dia ny toetran’i Aleksandra. Taorian’ireo ady, dia fanaon’i Aleksandra ny nitsidika an’ireo naratra, ny nijery ny feriny, ny nidera an’ireo miaramila noho ny herim-pony, ary ny nanome voninahitra azy ireo tamin’ny fanomezana vola araka ny zava-bitany avy. Ireo maty an’ady kosa dia nanomanan’i Aleksandra fandevenana narevaka. Ny ray aman-drenin’ireo maty an’ady sy ny zanany dia tsy nampandoavina hetra na inona na inona na nampanaovina asa fanampiny na inona na inona. Ho fialam-boly taorian’ny ady, dia nandamina lalao sy fifaninanana i Aleksandra. Indray mandeha, dia nandamina fotoana tsy fiasana mihitsy aza izy, ho an’ireo lehilahy vao nampaka-bady, mba hahafahan’izy ireo hiaraka tamin’ny vadiny tany Makedônia nandritra ny ririnina. Ny zavatra toy izany dia nahatonga ny miaramilany ho tia azy sy ho talanjona noho ny aminy.
Hoy ny nosoratan’i Plutarque, mpanoratra tantaram-piainan’olona, momba ny nanambadian’i Aleksandra an’i Roxane, Andriambavin’i Bactriane: “Tena natosiky ny fitiavana ilay izy, na dia toa nampandroso ilay zava-nokendreny aza. Nahafinaritra an’ilay vahoaka noreseny tokoa ny nahita azy naka vady avy teo anivony, ary nahatonga azy ireo ho tia azy fatratra ny nahita fa, teo amin’ilay hany fitiavana naharesy azy, izy izay lehilahy nahalala onony indrindra dia nifady an-dravehivavy mandra-pahazony azy ho vady ara-dalàna sy tamin’ny fomba nihaja.”
Nanaja ny fanambadian’ny hafa koa i Aleksandra. Na dia babony aza ny vadin’i Dariosy Mpanjaka, dia nataony izay hitondrana azy tamim-panajana. Toy izany koa, raha vao reny fa nametaveta ny vadin’ny vahiny sasany ny roa tamin’ireo miaramila makedônianina, dia nanome baiko izy mba hamonoana azy ireo ho faty, raha hita ho meloka.
Sahala amin’i Olympias, reniny, dia tia fivavahana be i Aleksandra. Nanolotra fanatitra izy taloha sy taorian’ny ady, ary naka saina tamin’ireo mpisikidiny, momba ny hevitry ny fambara sasany. Naka saina tany amin’ny toeram-pivavahan’i Ammon, tany Libya, koa izy. Ary tany Babylona izy dia nanaraka ireo toromariky ny Kaldeanina momba ny fanatitra, indrindra fa ny fanatitra tamin’i Bela (Mardoka), andriamanitra babylonianina.
Na dia nahalala onony aza i Aleksandra teo amin’ny fihinanany, tamin’ny farany izy dia tsy nahafehy ny fisotroany tafahoatra. Tsy nijanona niresaka izy isaky ny nisotro divay iray kaopy, no sady nandoka tena noho ireo zava-bitany. Ny iray tamin’ireo zavatra ratsy indrindra nataon’i Aleksandra dia ny famonoana an’i Clitus sakaizany, tao anatin’ny fahatezeran’olo-mamo. Nanamelo-tena aoka izany anefa i Aleksandra, ka nijanona telo andro teo am-pandriana, sady tsy nisakafo no tsy nisotro. Tamin’ny farany, dia afaka nandresy lahatra azy hihinan-kanina ireo namany.
Rehefa nandeha ny fotoana, dia nampivohitra lafin-toetra tsy faniry hafa ny fanirian’i Aleksandra voninahitra. Nanomboka nino fiampangana lainga mora foana izy ary nanomboka nampihatra sazy mafy izaitsizy. Ohatra, rehefa nisy nampino azy fa voarohirohy tamin’ny tetika hamonoana azy i Philotas, dia nasain’i Aleksandra novonoina ho faty izy io sy i Parménion, rainy, dia ilay mpanolo-tsainy nitokisany taloha.
NY FAHARESEN’I ALEKSANDRA
Fotoana fohy taorian’ny niverenan’i Aleksandra tao Babylona, dia tratran’ny tazomoka izy, ka tsy sitrana mihitsy. Tamin’ny 13 Jona 323 al.f.i., rehefa niaina 32 taona sy 8 volana monja i Aleksandra, dia resin’ilay fahavalo nahatahotra indrindra — ny fahafatesana.
Izany dia araka ny nomarihin’ny olon-kendry karàna sasany toy izao: “Ry Aleksandra Mpanjaka ô, tsy manana afa-tsy ity faritra amin’ny tany izay itsanganantsika ity ny olona tsirairay; ary noho ianao lehilahy toy ny lehilahy rehetra ihany, afa-tsy hoe tsy mijanona miasa ianao ary tsy mety vizana, dia mandehandeha eran’ity tany rehetra ity ianao, lavitra ny taninao, manahiran-tena sy manahirana ny hafa. Tsy ho ela anefa dia ho faty ianao, ka tsy hanana afa-tsy ilay tany ilaina handevenana anao.”
INONA NO AZONAO?
• Nanao ahoana ny fiavian’i Aleksandra Lehibe?
• Tsy ela taorian’ny nandovany ny seza fiandrianan’i Makedônia, ezaka inona moa no natombok’i Aleksandra?
• Resaho ny sasany amin’ireo fandresen’i Aleksandra.
• Inona no azo lazaina momba ny toetran’i Aleksandra?
[Sarintany]
(Jereo ny boky)
IREO TANY RESIN’I ALEKSANDRA
MAKEDÔNIA
EJIPTA
Babylona
Ony Indus
[Sary]
Aleksandra
[Sary]
Aristote sy Aleksandra mpianany
[Sary]
[Sary]
Meday lazaina ho mampiseho an’i Aleksandra Lehibe
[Efajoro/Sary, pejy 162, 163]
NIZARAZARA NY FANJAKANA IRAY NIDADASIKA
MOMBA ny fanjakan’i Aleksandra Lehibe, dia nanambara mialoha ny Baiboly fa hisy faharavana sy fizarazarana, “fa tsy ho an’ny taranany”. (Daniela 11:3, 4). Nifanaraka tamin’izany, tao anatin’ny 14 taona taorian’ny nahafatesan’i Aleksandra tampoka tamin’ny 323 al.f.i., dia nisy namono i Aleksandra IV, zanany tamin’ny vadiny, sy i Héraclès, zanany tamim-behivavy hafa.
Tamin’ny taona 301 al.f.i., dia samy nanorina ny fahefany teo amin’ilay empira nidadasika naorin’ny komandàny, ny efatra tamin’ireo jeneralin’i Aleksandra. Ny Jeneraly Cassandre nifehy an’i Makedônia sy i Gresy. Ny Jeneraly Lysimaque nahazo an’i Azia Minora sy i Thrace. I Séleucus I Nicator nahazo an’i Mezôpôtamia sy i Syria. Ary i Ptolémée Lagus, na Ptolémée I, nanapaka tany Ejipta sy Palestina. Fanjakana helenistika, na grika, efatra àry no nipoitra avy tamin’ilay fanjakana lehiben’i Aleksandra.
Tamin’ireo fanjakana helenistika efatra ireo, dia ny fanapahan’i Cassandre no fohy indrindra. Taona vitsivitsy taorian’ny nahazoan’i Cassandre fahefana, dia lany taranaka lahy izy, ary tamin’ny 285 al.f.i., dia nalain’i Lysimaque ny tapan’ilay Empira Grika tany Eoropa. Efa-taona tatỳ aoriana, dia maty tamin’ny ady nifanaovany tamin’i Séleucus I Nicator i Lysimaque, ka namela azy hifehy ny fizarana lehibe indrindra tamin’ireo faritany tany Azia. I Séleucus no nanjary ny voalohany tamin’ireo mpanjaka Séleucides nifandimby tany Syria. Nanorina an’i Antiokia any Syria, izay nataony ho renivohiny vaovao, izy. Novonoin’olona i Séleucus tamin’ny 281 al.f.i., fa ilay tarana-mpanjaka naoriny kosa mbola nanohy nitana fahefana hatramin’ny 64 al.f.i., fony nanao an’i Syria ho provansy romanina i Pompée, jeneraly romanina.
Tamin’ireo fizarana efatra avy tamin’ny empiran’i Aleksandra, dia ny fanjakan’i Ptolémée no naharitra ela indrindra. Nahazo ny anaram-boninahitry ny mpanjaka i Ptolémée I tamin’ny 305 al.f.i., ka nanjary ny voalohany tamin’ireo mpanjaka, na farao, makedônianin’i Ejipta. Nanao an’i Aleksandria ho renivohitra izy, ka nanomboka fandaharam-pampivoarana ny tanàna avy hatrany. Ny iray tamin’ireo fanorenana lehibe indrindra nataony dia ilay Tranombokin’i Aleksandria malaza be. Mba hanaraha-maso an’io tetik’asa lehibe io, dia nitondra manam-pahaizana atenianina fanta-daza iray avy tany Gresy izy, dia i Demetrius Phalereus. Misy milaza fa nirakitra horonam-boky iray tapitrisa, hono, io tranomboky io tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. Nanohy nanapaka tany Ejipta ny tarana-mpanjakan’i Ptolémée, mandra-pianjerany teo anatrehan’i Roma tamin’ny 30 al.f.i. Avy eo dia naka ny toeran’ny firenena natanjaka indrindra eran-tany notanan’i Gresy, i Roma.
INONA NO AZONAO?
• Ahoana no nizarazarana ilay empira nidadasik’i Aleksandra?
• Mandra-pahoviana no nanapahan’ireo mpanjaka Séleucides nifandimby tao Syria?
• Oviana no nifarana ny fanjakan’ireo mpanjaka Ptolémées tao Ejipta?
[Sarintany]
(Jereo ny boky)
FIZARAZARAN’NY EMPIRAN’I ALEKSANDRA
Cassandre
Lysimaque
Ptolémée I
Séleucus I
[Sary]
Ptolémée I
Séleucus I
[Kisary/Sary, pejy 139]
(Jereo ny boky)
IREO FIRENENA MATANJAKA AO AMIN’NY FAMINANIAN’I DANIELA
Ilay sariolona goavam-be (Daniela 2:31-45)
Biby efatra avy tamin’ny ranomasina (Daniela 7:3-8, 17, 25)
BABYLONIA nanomboka tamin’ny 607 al.f.i.
MEDIA-PERSIA nanomboka tamin’ny 539 al.f.i.
GRESY nanomboka tamin’ny 331 al.f.i.
ROMA nanomboka tamin’ny 30 al.f.i.
FIRENENA MATANJAKA ANGLISY-AMERIKANINA nanomboka tamin’ny 1763 am.f.i.
TONTOLO MIZARAZARA ARA-POLITIKA amin’ny fotoan’ny farany
[Sary, pejy 128]
[Sary, pejy 147]