OLAY
(Olày).
‘Renirano’ nikoriana tany Elama, tao Sosana (Sosa) na tany akaiky tany. Teo amoron’i Olay i Daniela no nahazo an’ilay fahitana nisy ondrilahy sy osilahy. Tsy fantatra raha tena nandeha avy tany Babylona nankany amin’io toerana io ilay mpaminany, na toy ny hoe tany mihitsy izy tao amin’ilay fahitana. (Da 8:1-3, 6, 16) Misy adihevitra be momba ny toerana nisy an’ilay Olay fahiny. Efa niova be mantsy ny lalan’ireo renirano any, tao anatin’ny taonjato maro, ka saro-pantarina hoe iza marina no tena Olay. Misy milaza azy io ho ny Reniranon’i Karkeh. Misy kosa milaza azy ho lakandrano iray namboarina tany avaratra na avaratratsinanan’i Sosana, ka nampifandray an’i Karkeh tamin’ny renirano hafa.