Fizarana 4: Ny Empira mediana sy persiana: Herim-panjakana fahefatra
Fisehoan-javatra sy faminaniana ara-baiboly maro no mampahafantatra ny Mediana sy ny Persiana. Misy zavatra mahaliana ny amin’ireny vahoaka fahizay ireny; ho tianao ve ny hahafantatra misimisy kokoa ny amin’izy ireny?
NANDEHA ny Mediana sy ny Persiana. Nitari-dalana azy ireny i Kyrosy Lehibe izay efa nanana empira sahady. Babylona nahery, herim-panjakana tamin’ny androny, no nanintona azy.
Tao Babylona renivohitra, Belsazara mpanjaka dia nanao fanasana ho an’ny vahiny manan-kaja arivo. Araka ny lazain’ny Baiboly amintsika, dia “teo ambany herin’ny divay” izy. Teo afovoan’izany filibana izany, izy sy ireo mpanolo-tsainy dia nisotra tamin’ny fanaka masina nalaina tao amin’ny tempolin’i Jehovah tany Jerosalema ary nanomboka nidera ny andriamanitr’izy ireo, sampy fotsiny (Daniela 5:1-4, MN ). Nieritreritra izy fa voaro tao ambadik’ireo manda mafin’ny tanàna.
Tany ivelany anefa, ny tafik’i Kyrosy dia namily ny ranon’i Eofrata, izay namakivaky an’i Babylona. Rehefa nesorina io fefy araka ny natiora io, dia niakatra nanaraka ny fanambanin’ny ony hatreo amin’ny manda ireo miaramilany ary niditra tao an-tanàna tamin’ireo vavahady nivoha teo amin’i Eofrata izay nidanadana teo. Talohan’ny niposahan’ny masoandro, dia maty Belsazara, resy Babylona, ary tonga Herim-panjakana fahefatra teo amin’ny tantara araka ny Baiboly ny Empira mediana sy persiana. Nefa raha ny marina, iza moa ny Mediana sy ny Persiana?
Nonina tao amin’ny lembalemba midadasika tany atsinanan’i Asyria ny Mediana. Ny sary vato mivohitra kely sasany hita tany Asyria dia nampiseho azy ireny manao izay toa fitafiana hoditr’ondry mibontsika eo ambony akanjo anatiny, kiraro baoty mifatotra — fomba fitafy nifanaraka tamin’ny fiainan’ny mpiandry ondry teny amin’ny lembalamba avo. Azo lazaina hoe tsy namela soratra mihitsy ny Mediana; ny ankamaroan’ny fanazavana ananantsika momba azy ireny dia ao amin’ny Baiboly, ao amin’ireo soratra asyriana ary ao amin’ireo bokin’ny mpanoratra tantara grika taloha. Raha ny amin’ny Persiana, ny fonenany dia tany avaratry ny hoala (golfe) Persika; tamin’ny voalohany izy ireny dia matetika no nanana fiainan’ny mpifindrafindra monina, kanefa ny fitaran’ny empirany dia niteraka tao amin’izy ireny fitiavana rendrarendra niavaka.
Ny Mediana aloha no nanapaka ny Persiana; avy eo, tamin’ny 550 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia nandresy haingana an’i Astyage, mpanjakan’ny Mediana i Kyrosy Lehibe Persiana. Nafangaron’i Kyrosy ireo fanao sy lalàn’ireo firenena roa ireo, nakambany ny fanjakany ary nitariny ny fanafihany. Na dia olom-pehezin’ny Persiana aza ny Mediana, dia nahaforona empira roa sosona ireo firenena roa. Araka izany, dia nitana toerana ambony tao amin’ny fanjakana ny Mediana ary nitarika ny tafika persiana; niresaka ny amin’ny Mediana sy ny Persiana ny hafa firenena na, rehefa tsy nampiasa afa-tsy teny iray, ny amin’ny “Mediana”.
Talohan’ny hanafihan’ny Mediana sy ny Persiana an’i Babylona, dia nahazo fahitana ny amin’io firenena roa sosona io tamin’ny endriky ny ondrilahy nanan-tandroka roa i Daniela mpaminany. Izao no nosoratan’i Daniela: “Lava ireo tandroka ireo, ary ny anankiray lava noho ny anankiray, nefa ilay lavalava kokoa no niposaka taoriana.” Tsy misy isalasalana mihitsy ny amin’ny hoe iza io ondrilahy io, satria izao no nolazain’ilay anjely tamin’i Daniela: “Ilay ondrilahy hitanao nanana tandroka roa dia ny mpanjakan’i Media sy Persia.” — Daniela 8:3, 20.
Tany Babylona i Daniela rehefa resy io tanàna io; nanatrika ny fahatongavan’ny Mediana sy ny Persiana àry izy. Dariosa Mediana, tompon’i Babylona voalohany taorian’ny nahareseny, dia nanendry mpiaro ny fanjakana 120 ka mpanao raharaham-panjakana ambony telo no nitarika azy, anisan’izany Daniela (Daniela 5:30 ka hatramin’ny 6:4). Ny faminaniana iray voarakitra ao amin’ny Soratra hebreo dia nanambara, taonjato roa nialoha, fa handresy an’i Babylona ny lehilahy iray hitondra ny anarana hoe Kyrosy. Rehefa heverina amin’ny toerana notanan’i Daniela tao amin’ilay tany na taloha na taorian’ny nianjeran’i Babylona, dia tsy azo inoana loatra fa hoe tsy nampahafantarina ny amin’ny fisian’io faminaniana io Kyrosy. — Isaia 45:1-3.
Naorina indray Jerosalema
Ny fianjeran’i Babylona dia nahatonga ho afaka hanangana indray ny tanàna hafa iray, Jerosalema, navela ho foana nandritra ny 70 taona, taorian’ny nandravan’ny Babyloniana azy tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Araka ny voalazan’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly, dia noho Kyrosy no hahavoaorina indray an’i Jerosalema sy hametrahana fanorenan’ny tempoliny. — Isaia 44:28.
Tanteraka ve ireo faminaniana ireo? Eny. Ezra mpisorona sady mpandinika Baiboly no mpanora-dalàna dia nanambara fa namoaka didy natao ho an’ireo mpivavaka amin’i Jehovah i Kyrosy; izao no nolazain’i Kyrosy tamin’io didy io: “Aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy [ny firenena] ka hanao ny tranon’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, — Izy no Andriamanitra Izay any Jerosalema.” (Ezra 1:3). Olona tokony ho 50000, nitondra niaraka taminy ireo harena tao amin’ny tempoly, no nanao izany dia naharitra efa-bolana izany izay tokony hitarika azy ireo ho any Jerosalema. Tamin’ny 537 alohan’ny fanisan-taona iraisana, fitopolo taona indrindra taorian’ny naharavan’i Jerosalema, dia nanomboka nonenana indray ilay tany. — Jeremia 25:11, 12; 29:10.
Hamarinin’ny arkeolojia fa nifanaraka tamin’ny politikan’i Kyrosy io didy io. Ny varingarina (cylindre) tanimanga hita tao amin’ny sisan-javatra rava tao Babylona tokoa dia manome antsika ireto tenin’i Kyrosy ireto: “Nasaiko naverina tany amin’ireo tanàna masina (...) — izay rava hatramin’ny ela ny fitoerany masina — ireo sary (fahita) tao ary nanorenako fitoerana masina mafy izy. Nangoniko (koa) ny mponina rehetra tao aminy ary naveriko taminy ny fonenany.”
Tatỳ aoriana dia nataon’ny Samaritana fahavalon’ny Jiosy izay hampiatoan’ny didin’ny emperora ny fanorenana indray ny tempoly. Tamin’izay Hagay sy Zakaria, mpaminanin’i Jehovah, no namporisika ny vahoaka, ary dia nitohy indray ny asa. Nandidy ny hanaovana fikarohana “Dariosy mpanjaka” mba hahitana indray ny didin’i Kyrosy nanome lalana hanorina indray. Tantarain’ny Baiboly fa hita tany Akmeta, lapan’i Kyrosy rehefa lohataona, ny horonan-taratasy iray, ary tao amin’io horonan-taratasy io ny soratra fitadidiana nanaporofo fa ara-dalàna ny asa natao tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Vita tamin’ny taona fahenina nanjakan’i Dariosy I, mpanjakan’i Persia, izany asa izany. — Ezra 4:4-7, 21; 6:1-15.
Ireo porofon’ny fahalehibeazany
Ny fahitana resahina eo ambony dia nampiseho tamin’i Daniela ny Empira mediana sy persiana tamin’ny endriky ny “ondrilahy [nanana tandroka rao] manoto miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo; ary tsy nisy biby [tsy nisy firenena hafa mihitsy] nahajanona teo anoloany, ary tsy nisy naharombaka izay mby teny an-tànany; fa nanao araka izay sitrapony izy ka tonga lehibe”. (Daniela 8:4.) Tanteraka io fahitana io raha ela indrindra dia tamin’ny andron’i Dariosa. Ho porofon’ny zava-bitany, Dariosa lehibe dia nampanao sarin’ny tenany nivohitra kely be velarana, mbola mety ho hita ihany ankehitriny eo an-tampon’ny hantsambato iray any Behistoun, eo amin’ny lalana taloha avy eo Babylona mankany Akmeta. Afa-tsy Babylona, ny “ondrilahy” mediana sy persiana dia nanitatra ny fanafihany ho any amin’ny faritra telo lehibe indrindra: tany avaratra, tany Asyria; tany andrefana, tany Azia Minora; ary tany atsimo, tany Egypta.
Nanorina lapa goavana ireo emperora persiana tao amin’ny renivohiny, Persepolisy, tokony ho 650 kilaometatra any atsimo atsinanan’i Akmeta, lapany amin’ny lohataona. Ny sary mivohitra kely iray dia mampiseho ao an’i Dariosa mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany, mbamin’ny soratra ahitana izao teny fandokafan-tena izao: “Izaho Dariosa, mpanjaka lehibe, mpanjakan’ireo mpanjaka, mpanjakan’ireo tany (...); ilay nanorina ity lapa ity.” Mbola azo atao ihany ny mahita amin’izao andro izao ny sasantsasany amin’ireo andry lehibe nitsangana taloha tao amin’io tanàna narevaka io. Sosana, eo afovoan’ny telolafy voaforon’i Babylona sy Akmeta ary Persepolisy dia renivohitry ny Empira persiana koa. Nanorina lapa kanto hafa tao i Dariosa Lehibe.
Nandimby an’i Dariosa rainy i Kserksesy; toa ilay “Ahasoerosy” resahin’ny Baiboly izy io. Milaza tokoa ny bokin’i Estera fa nipetraka teo amin’ny “seza fiandrianan’ny fanjakany, izay tany Sosana renivohitra” i Ahasoerosy ary “nanjaka hatrany India ka hatrany Etiopia, ka nizarazara ho fito amby roa-polo amby zato toko ny fanjakany.” Tamin’io tanàna io no nifidianan’i Ahasoerosy an’i Estera tanora tsara tarehy ho mpanjakavavy (Estera 1:1, 2; 2:17). Any Paris, ao amin’ny trano fitehirizana rakitry ny ela any Louvre, dia azo atao ny mahita koronosy misy sarin’ombalahy roa, voaravaka aoka izany, izay teo an-tampon’ny andry goavana tao amin’ny lapa tany Sosana; voamarika koa ny ravaka teny amin’ny rindrina mampiseho mpandefa zana-tsipìka persiana nireharehana sy biby marevaka. Ny tavoahangy alabasitara, firavaka sy zavatra hafa hita tao amin’io lapa io dia manamarina ny tenin’ny Baiboly mitantara ny fikarakarana maro natao hahatsara tarehy an’i Estera sy ny rendrarendra be tao Sosana. — Estera 1:7; 2:9, 12, 13.
Ireo Grika, fahavalon’i Kserksesy, dia nitantara ny amin’ny fahasahiranany ara-panambadiana sy ny hanapahan’ny sasany tamin’ireo tandapany eo aminy. Na dia tsy mora toy izany aza angamba ny zavatra tena nisy ary novana, ny fitantaran’ny Grika dia toa mifanaraka amin’ny bokin’i Estera eo amin’ny hevitra lehibe indrindra sasany; milaza tokoa io boky io fa nanary an’i Vasty vadiny izay niseho ho mafy loha i Ahasoerosy ka nanolo azy tamin’i Estera; nilaza koa izy fa nahazo fahefana lehibe tao amin’ny fanjakana i Mordekay, zanak’olo-mpiraitampo tamin’i Estera. — Estera 1:12, 19; 2:17; 10:3.
Fahamoram-panahy tamin’ireo mpivavaka amin’i Jehovah
Tamin’ny 468 alohan’ny fanisan-taona iraisana, Artakserkesy (Lavatanana), mpandimby an’i Kserksesy, dia namela an’i Ezra mpisorona ho any Jerosalema mba hiahy ny amin’ny fandrosoan’ny fanompoam-pivavahana madio amin’i Jehovah ao amin’io tanàna io. Nonina tany Babylona Ezra taorian’ny nanafahan’i Kyrosy ny Jiosy. Lehilahy tokony ho 1500 sy ny fianakaviany, izany hoe olona 6000 angamba no niaraka tamin’i Ezra, ka nitondra fanomezana maro natao ho an’ny tempolin’i Jehovah. — Ezra 7:1, 6, 11-26.
Tao amin’ny lapan’i Sosana koa, tamin’ny taona faharoapolo nanjakany (tamin’ny 455 alohan’ny fanisan-taona iraisana), no naneken’io Artakserksesy io ihany ny hankanesan’i Nehemia ho any Jerosalema mba hanorina indray ny tanàna sy ireo mandany. Izany fisehoan-javatra izany dia nanamarika ny fanombohan’ireo “fito-polo herinandro” taona voambara ao amin’ny faminanian’i Daniela, izay nilaza fa Jesosy, “Mesia Andriana [Mpitari-dalana, MN ], dia hiseho indrindra amin’ny 29 amin’ny fanisan-taona iraisana, ary dia nitranga izanya. — Daniela 9:24, 25; Nehemia 1:1; 2:1-9.
Ny tahirin-kevitra teo amin’ny “papyrus” sasany nosoratana tamin’ny teny arameana dia hita tany Eléphantine, nosy egyptiana ao Neily. Ireo tahirin-kevitra ireny dia manaporofo fa marina izay nolazalazain’i Ezra sy Nehemia, mpanoratra ao amin’ny Baiboly, ny amin’ny toe-piainana nanjaka tao amin’ny Empira persiana sy ny hoe nety ho nanao ahoana ny didy ofisialy tamin’izany andro izany. Ao amin’ny Arkeolojia momba ny Baiboly (anglisy), dia nanambara toy izao ny profesora Wright: “Amin’izao andro izao, (...) dia afaka mahatsapa isika fa ny teny arameana ao amin’ny bokin’i Era dia ny an’izany fotoana izany indrindra ary ireo tahirin-kevitra ofisialy tononina dia mitovy karazana amin’ireo ampiarahina mandrakariva amin’ny fitondrana persiana.” Ny ankiray amin’ireny tahirin-kevitra ireny dia nirakitra didin’ny mpanjakan’i Persia momba ny fankalazana ny Paska nataon’ny zanatany jiosy tany Egypta.
Resin’i Grisia ny Empira mediana sy persiana
Tao amin’ny fahitana iray, dia hitan’i Daniela ny Empira mediana sy persiana naseho tamin’ny endriky ny ondrilahy nanana tandroka roa. Nanaraka izany, taonjato roa talohan’ny hahatanterahan’ny fisehoan-javatra voalazan’ny faminaniana, dia hitany fa nisy “osilahy nivoaka avy tany andrefana”; niriotra aoka izany izy io ka “tsy nikasika ny tany”. Io osilahy haingam-pamindra io dia “namely ny ondrilahy ary nanapaka ny tandrony roa, ka tsy nahajanona teo anoloany intsony ilay ondrilahy”. (Daniela 8:5-7.) Asehon’ny Tantara ve fa izany indrindra no nitranga tamin’ny Empira mediana sy Persiana?
Eny. Tamin’ny 334 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia nivoaka avy any Grisia, tany andrefan’ny faritany mediana sy persiana i Aleksandra Lehibe. Haingana toy ny tselatra, toy ny osilahy, dia niely tany Azia Minora izy, nahazo fandresena nisesy teo amin’ny Persiana. Farany, tamin’ny 331, tany Gaugamèles dia nampiparitaka tafika persiana nahery voaforon’ny lehilahy iray tapitrisa izy. Nandositra i Dariosa III, filohan’io tafika io ary novonoin’ireo sakaizany fahiny tatỳ aoriana. Resy izao ny Herim-panjakana fahefatra ary tapaka ny tandrony; tonga ny Herim-panjakana fahadimy teo amin’ny tantara araka ny Baiboly ny empiran’i Aleksandra. Hanokana lahatsoratra iray ho an’io foto-kevitra io Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny 1 jolay 1988.
Nanomboka tamin’ny nianjeran’i Babylona tamin’ny 539 alohan’ny fanisan-taona iraisana ka hatreo amin’ny nandraisan’i Aleksandra ny fahefana, ny Herim-panjakana mediana sy persiana dia nanapaka nandritra ny taonjato roa mahery kely, mitovitovy amin’ny fotoana lasa nanomboka tamin’ny Revolisiona frantsay na ny niforonan’i Etazonia, any Amerika, ka hatramin’izao androntsika izao. Nandritra izany vanim-potoana azo lazaina hoe fohy izany, ny Mediana sy Persiana dia tafiditra tsy nahy tao amin’ny fahatanterahan’ny fikasana sy ny faminanian’i Jehovah Andriamanitra tsy mety diso.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ahitana fandinihana amin’ny andinindinin’io faminaniana io sy ny fahatanterahany ao amin’ilay boky hoe “Que ton royaume vienne!”, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., pejy faha-56 ka hatramin’ny 66.
[Sarintany/Sary, pejy 26]
(Jereo ny gazety)
Ny Empira mediana sy persiana.
INDIA
Akmeta
Sosana
Persepolisy
Babylona
Jerosalema
EGYPTA
[Sary]
Sisan-javatra rava avy amin’i Persepolisy, renivohitra ofisialin’i Persia.
[Sary nahazoan-dalana]
Manley Studios
[Sary, pejy 29]
Ny fasan’i Kyrosy, any Iran.