-
AleksandraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
1. Aleksandra Lehibe, zanakalahin’i Philippe II mpanjakan’i Makedonia, ary i Olympias no reniny. Teraka tao Pela izy tamin’ny 356 T.K. Tsy hita ao amin’ny Baiboly ny anarany, kanefa efa voalaza 200 taona talohan’ny nahaterahany fa izy no hitondra ny firenena fahadimy matanjaka indrindra eran-tany.—Da 8:5-7, 20, 21.
Lasa mpanjaka i Aleksandra tamin’izy 20 taona teo ho eo, rehefa nisy namono ny rainy. Ny hifehy an’izao tontolo izao no tanjony ka nandeha niady tamin’ireo firenena izy, roa taona taorian’ny nahazoany fahefana. (Da 8:5) Vitsy ihany ny miaramilany, kanefa nampiasa tetikady tena nahomby io mpitari-tafika tanora sahisahy io. Nasainy nanao andiany nifanety kely sy niara-namindra ny miaramilany, izay samy nitondra ampinga sy lefona. Efa nampiasain-drainy ihany io tetikady io, fa nohatsarain’i Aleksandra fotsiny.
Resiny indroa ny Persianina tany Azia Minora, ka vaky nandositra (ny voalohany teo amoron’ny Renirano Granique; ny faharoa teo amin’ny Lemak’i Issus, izay nandreseny tanteraka ny miaramila persianina tombanana ho 500 000). Tsy nanenjika azy ireo anefa izy, fa ny nosin’i Tyro indray no nokendreny hotafihina. Efa nambaran’ny faminaniana an-jatony taona mialoha fa hatsipy any an-dranomasina ny mandan’i Tyro, ny tilikambony, ireo trano tao ary ny vovoka tao aminy mihitsy aza. (Ezk 26:4, 12) Izany indrindra no nataon’i Aleksandra! Nalainy ireo sisa tavela tamin’ilay tanàna noravan’i Nebokadnezara taona maro talohan’izay, ka nanaovany lalana 800 m hiampitana teny amin’ilay nosy. Nampiasa tafika an-dranomasina sy fitaovam-piadiana hafa izy avy eo, mba hanapotehana an’ilay tanàna nirehareha, ka rava izy io tamin’ny Jolay 332 T.K.
Ny mponin’i Jerosalema kosa nilavo lefona, ka navelan’izy ireo nidanadana ny vavahadiny. Nilaza i Josèphe (Rakitry ny Ela Jiosy, XI, 337 [viii, 5]) fa naseho an’i Aleksandra ny faminanian’i Daniela, angamba ny toko faha-8, izay milaza fa hisy mpanjaka grika handresy ny Fanjakana Persianina. Tsy notafihiny àry i Jerosalema, fa lasa izy nianatsimo nankany Ejipta. Noraisina ho toy ny mpanafaka izy rehefa tonga tany. Nanorina ny tanànan’i Aleksandria izy tany. Lasa nisy sekoly ambony tao, ary tao koa no nanaovana ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Niantsinanana i Aleksandra avy eo, ka nandalo an’i Palestina ary tonga tany akaikin’i Gaugamèles niaraka tamin’ny miaramilany 47 000. Resiny indray ny tafika persianina tany, izay efa nahangona miaramila maro be. Novonoin’ny namany taloha i Dariosy III taoriana kelin’izay, ary nitolo-batana ny Babylonianina. Nataon’i Aleksandra avy eo izay hahazoana an’i Sosa sy Persepolisy. Nanohy ny fanafihany hatrany India (Inde) koa izy, ary niankandrefana indray.
-
-
Biby An’ohatraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ilay ondrilahy sy ilay osilahy. Nahazo fahitana hafa i Daniela roa taona tatỳ aoriana (Da 8:1), ary nolazaina taminy hoe iza ireo biby roa hitany. Ny fanjakan’i Media-Persa ilay ondrilahy nanana tandroka roa, ary lava kokoa ilay tandroka nipoitra farany. Asehon’ny tantara fa ny Medianina no natanjaka aloha, avy eo vao lasa natanjaka kokoa ny Persianina, na dia fanjakana roa niara-niasa aza izy ireo. Ny fanjakan’i Gresy izay lasa natanjaka indrindra kosa ilay osilahy niriotra nitety ny tany manontolo. (Da 8:3-8, 20, 21) Tapaka ilay “tandroka lehibe” teo anelanelan’ny masony, na ilay mpanjaka voalohany, “raha vao natanjaka”, ary nisy fanjakana efatra nisolo azy, na dia tsy nahery hoatr’azy aza. (Da 8:5, 8, 21, 22) Efa voaresaka teo aloha hoe vetivety kely ny nandresen’i Aleksandra ny Fanjakana Medianina-Persianina, ary nifampizaran’ny jeneraliny efatra ny fanjakany avy eo.
-
-
OsyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Ny Firenena Matanjaka Grika (na Grika-Makedonianina) ilay osilahy ao amin’ny faminanian’i Daniela. (Da 8:5-8, 21) Hoy Ny Diksioneram-panjakana Momba ny Baiboly (nataon’i P. Fairbairn, Londres, 1874, Boky I, p. 664): “Mahaliana fa [ny osy] amin’ny Makedonianina no marika famantarana ny fireneny. Mbola misy rakitry ny ela ahitana io marika io, toy ilay andry any Persepolisy. Hita eo ny sarina osy misy tandroka ngezabe eo amin’ny handriny, ary tazonin’ny Persianina iray ilay tandroka. Midika izany fa nofehezin’i Persa i Makedonia” (nitranga izany tamin’ny faramparan’ny taonjato fahenina T.K.).
-
-
Gresy, GrikaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Teo ambany fitondran’i Aleksandra Lehibe. Efa tamin’ny taonjato fahenina T.K. i Daniela no nahazo fahitana momba ny handresen’i Gresy ny Fanjakana Medianina-Persianina. Nampianarin’i Aristote i Aleksandra zanak’i Philippe, ary lasa mpiaro an’ireo firenena niteny grika rehefa nisy namono i Philippe. Te hamaly faty i Aleksandra noho ny nanafihan’ny Persianina an’ireo tanàna grika teny amin’ny morontsiraka andrefan’i Azia Minora, ka nandeha niady tamin’izy ireo izy tamin’ny 334 T.K. Vetivety kely ny nandreseny an’i Azia Minora manontolo sy Syria, Palestina, Ejipta, ary ny Fanjakana Medianina-Persianina manontolo. Tonga hatrany India (Inde) mihitsy aza izy. Tanteraka àry ilay faminaniana ao amin’ny Daniela 8:5-7, 20, 21. (Ampit. Da 7:6.) Nofeheziny koa i Joda tamin’ny 332 T.K. I Gresy àry no lasa firenena natanjaka indrindra fahadimy nifehy ny firenen’Israely, ka i Ejipta sy Asyria sy Babylona ary Media sy Persa ireo efatra talohany. Resin’i Aleksandra tanteraka i Media sy Persa tamin’ny 328 T.K. Mbola misy ampahany amin’ilay faminanian’i Daniela ho tanteraka anefa. Maty tany Babylona i Aleksandra tamin’ny 323 T.K. Nizara efatra ny fanjakany tatỳ aoriana, araka ilay faminaniana, nefa tsy nisy nitovy hery tamin’ny fanjakany ireo fanjakana efatra ireo.—Da 8:8, 21, 22; 11:3, 4 ; jereo SARINTANY, Boky Faha-2, p. 334; ALEKSANDRA No. 1.
-