Fizarana 5: Grisia: Herim-panjakana Fahadimy
Toy ny leoparda manana elatra alefa hiriotra, dia niainga avy ao Grisia i Aleksandra mba hanafika an’i Azia Minora (Torkia ankehitriny), Palestina, Egypta sy ny Empira mediana sy persiana, ary izany dia hatrany India. Ho tianao ve ny hahafantatra bebe kokoa ny amin’io mpanafika tsy nanam-paharoa io sy ny amin’izay lazain’ny Baiboly momba azy?
VAO 20 taona monja i Aleksandra fony izy nandova ny seza fiandrianan’i Makedonia. Roa taona tatỳ aoriana, araka ny fikasan’ny rainy, Filipo, dia niditra hanao ady famaliana faty tamin’ny Persiana nanana empira nitatra tany atsinanana izy. Tsy ela dia azony izao tontolo izao tamin’ny androny.
Nanafika an’i Azia Minora, Syria, Palestina, Egypta, Babylonia sy ny Empira mediana sy persiana manontolo hatrany amin’ny vavahadin’i India io jeneraly nahay sy nirehitra io. Nolazaina fa izy angamba no jeneraly lehibe indrindra fahizay; tsy nantsoina hoe Aleksandra Lehibe koa ve izy?
Tao anatin’ny fotoana fohy, dia tonga ny Herim-panjakana Fahadimy teo amin’ny tantaran’ny Baiboly i Grisia. Mobla tsy nisy empira nitatra toy izany mihitsy. Ahoana no nitrangan’izany zavatra izany? Inona no fifandraisan’izany amin’ny Tenin’Andriamanitra? Inona no dikan’izany ho antsika?
Ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly
Taonjato roa talohan’io fotoana io, raha mbola nampihatra ny fanapahany i Babylona ka mbola tsy nahaforona ny empira ho tonga Herim-panjakana Fahefatra ny Mediana sy ny Persiana, Daniela mpaminanin’i Jehovah dia nahazo fahitana ara-paminaniana roa lehibe nampiseho tamin’ny ambangovangony hoe hanao ahoana ny tantaran’izao tontolo izao. Taorian’ny nianjeran’i Babylona, dia nahazo faminaniana fahatelo momba ny fisehoan-javatra tokony hitranga any aoriana lavitra izy. Taonjato maro tatỳ aoriana vao nanomboka tanteraka ireny faminaniana ireny, izay notanany an-tsoratra; nirakitra fanazavana hentitra momba izay hitranga amin’i Aleksandra sy ny fanjakany izany.
Mba hahafantarana hoe fahitana inona avy no naharihary tamin’i Daniela, dia ampy ny mijery ireo faminaniana nosoratany tao amin’ny bokiny tany amin’ny 536 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Izao, raha fintinina, no hitany, momba ny Herim-panjakana Fahadimy, Grisia:
Tao amin’ilay fahitana ara-paminaniana voalohany, Grisia dia naseho tamin’ny endriky ny leoparda nomena fahaizana mihetsika haingana; io biby io dia “nanana ela-borona efatra teo an-damosiny (...) ary nomena fanapahana izy”. — Daniela 7:6.
Tao amin’ilay fahitana ara-paminaniana faharoa, dia hitan’i Daniela ny osilahy iray avy tany “andrefana ka nitety ny tany rehetra”; nihazakazaka haingana aoka izany izy io, hany ka “tsy nikasika ny tany”; tonga izy nanatona ilay ondrilahy nanana tandroka roa izay, araka ny tenin’ilay anjely, dia nampiseho “ny mpanjakan’i Media sy Persia”. “Namely ny ondrilahy ary nanapaka ny tandrony roa” ilay osilahy. Hoy ny teny nanampin’i Daniela: “Ny osy lahy lava volo dia [mampiseho, MN ] ny mpanjakan’i Grisia.” — Daniela 8:5-8, 20, 21.
Tao amin’ilay fahitana fahatelo azon’i Daniela, ny mpanjakan’i ‘Persia (...) dia hanaitra ny olona rehetra hamely ny fanjakan’i Grisia. Ary hisy mpanjaka mahery hitsangana, izay hanapaka amin’ny fanapahana lehibe sady hanao araka izay sitrapony’. — Daniela 11:2, 3.
Inona no dikan’io fanoharana io? Nitranga araka ny fomba nanambarana azy tamin’i Daniela ve ny zavatra? Aoka hojerentsika ny amin’izany.
Tanteraka ireo faminaniana
Tamin’ny lohataonan’ny taona 334 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia nandalo tany Hellespont (andilan-dranomasin’i Dardanellees ankehitriny) i Aleksandra, ary niditra tany Azia, narahin’ny miaramila mpandeha an-tongotra 30000 sy ny mpitaingin-tsiavaly 5000. Haingana toy ny leoparda ara-panoharana manana elatra efatra na tahaka ny osilahy toa tsy mikasika ny tany izy io ka nanafika ny faritanin’ny Empira persiana, avo dimampolo heny noho ny azy ny fanjakany. Moa ve izy “hanapaka amin’ny fanapahana lehibe sady hanao araka izay sitrapony”? Mamaly antsika ny Tantara.
Tany amin’ny farany avaratra andrefana amin’i Azia Minora (Tiorikia ankehitriny), eo akaikin’ny ony iray, Granika, dia nandresy tamin’ny ady nataony voalohany hamelezana ny Persiana i Aleksandra. Tao anatin’ny ririnina, dia haka ny andrefan’i Azia Minora izy. Tamin’ny fararano nanaraka, tany Isosy, teo amin’ny tendrony atsimo andrefana amin’i Azia Minora, dia nataony vaky nandositra ny tafika persiana iray notombanana ho nisy lehilahy 500000; nandositra ilay Mpanjaka Lehibe, Dariosa III tany Persia, ka namela ny fianakaviany ho eo an-tanan’i Aleksandra.
Tsy nanenjika ny Persiana i Aleksandra fa nandeha nianatsimo, nanaraka ny moron-tsiraka mediteraneana, ary naka an-keriny ny tapany aloha amin’ny tafika an-dranomasina persiana nahery. Hanohitra azy mandritra ny fito volana ny tanànan’i Tyro tao amin’ny nosy; nampiasa sisan-javatra rava avy amin’ilay tanàna tao amin’ny kontinanta noravan’i Nebokadnezara anefa izy ka nampanorina fefiloha nanelanelana ny moron-tsiraka sy ny nosy. Mbola hita ihany ankehitriny ny sisa avy amin’io fefiloha io, ka manamarina fa tanteraka ny faminanian’i Ezekiela hoe hatsipy any anaty ranomasina ny vovok’i Tyro. — Ezekiela 26:4, 12.
Nitsimbina an’i Jerosalema izay nitolo-batana taminy i Aleksandra ka nanohy nianatsimo; azony Gaza ary nitariny ny ‘fanapahany lehibe’, ka nanao zavatra “araka ny sitrapony” izy tany Egypta; horaisina amin’ny maha-mpanafaka izy any. Tao Memphis, dia nanao sorona ho an’i Apisy andriamanitra vantotr’ombilahy izy, ka nahita sitraka tamin’ireo mpisorona egyptiana tamin’izany. Afa-tsy izany koa, dia naoriny Aleksandria, izay mbola mitondra an’io anarana io amin’izao andro izao; ho tonga foibe ara-tsaina hifaninana amin’i Atena izy io.
Eo amin’io dingana amin’ny fanafihany io i Aleksandra dia efa nihoatra ny fanirian-dazan’i Filipo, nefa tsy tonga eo amin’ny faran’ny azy: toy ny osilahy alefa hiriotra, dia miakatra mianavaratra atsinanana izy, mamakivaky an’i Palestina ary mitodika mankany amin’i Tigra. Tamin’ny 331 izy dia nifanehatra tamin’ny Persiana tany Gaogamelesy, tsy lavitra ny sisan-javatra rava avy amin’i Ninive, renivohitr’i Asyria fahiny. Nandresy ny tafika persiana nalamina indray nisy lehilahy iray tapitrisa ireo miaramilany 47000. Nandositra i Dariosa III; ny havany no hamono azy atỳ aoriana.
Mamon’ny fandresena i Aleksandra ka naka an-keriny an’i Babylona, renivohitr’ireo mpanjaka persiana tamin’ny ririnina, tany atsimo, avy eo dia nalainy ny renivohitra telo hafa: Sosana ny Persepolisy, nahitany ny harena mahagagan’ny Persiana sy nampandorany ny lapa kanton’i Ksersesy, ary Ekbatana. Avy eo, dia hampanaiky ny tapany sisa amin’ny Empira persiana izy, ka hanohy ny fanafihany any atsinana hatreo an-tsinsin’i Indus, ao amin’ny faritanin’i Pakistan ankehitriny. Tena tonga ny Herim-panjakana Fahadimy teo amin’ny tantaran’ny Baiboly tokoa Grisia.
Nahatonga ny fiteny sy ny kolon-tsaina grika hiely tao amin’io empira midadasika io ny fanafihan’i Aleksandra. Noho ireo zanatany noforonina tao, dia tonga ny fiteny niraisam-pirenena tamin’izany fotoana izany ny fiteny grika nitenenan’ny maro, na koïnê; tamin’io fiteny io tatỳ aoriana no nosoratana ny tapany faharoa tamin’ny Baiboly, antsoina hoe Soratra grika kristiana.
Nizarazara ny fanjakan’i Aleksandra
Naniry hanorina indray an’i Babylona sy hanao azy ho renivohitry ny empirany i Aleksandra; tsy tokony ho toy izany anefa ny fitrangan-javatra. Izao no hitan’i Daniela momba ilay osilahy lava volo nolazalazain’ny faminaniana ho manana tandroka lehibe:
“Ary dia nihanahery indrindra ilay osilahy; nefa nony nahery izy, dia tapaka ilay tandrony lehibe; ary nisy efatra lehibe nipoitra nisolo iny nifanandrify tamin’ny rivotra efatry ny lanitra. (...) ny osilahy lava volo dia ny mpanjakan’i Grisia; ary ny tandroka lehibe teo anelanelan’ny masony dia ny mpanjaka voalohany. Ary ny amin’ilay efa tapaka, dia nisy efatra nitsangana nandimby azy, dia hisy fanjakana efatra hitsangana amin’ny jentilisa, nefa tsy mitovy hery aminy.” — Daniela 8:8, 21, 22.
“Ary rehefa mitsangana izy, dia horavana ny fanjakany ka hozaraina ho amin’ny rivotra efatry ny lanitra; fa tsy ho an’ny taranany, na araka ny fanapahany izay nanapahany, fa hongotana ny fanjakany ka ho an’ny hafa, fa tsy ho an’ireo.” — Daniela 11:4
Araka ny voalazan’ny Baiboly mialoha, dia tsy naharitra ny fananan’i Aleksandra ny fanapahana maneran-tany. Vao 32 taona monja tokoa izy, teo an-tampon’ny voninahiny noho ireo fanafihany, raha tsy maintsy namarana ny fihazakazahany tamin-kadalana. Voan’ny tazo izy, nefa nanohy nanao fanasana sy nimamo tao Babylona, mandra-pakan’ny fahafatesana tampoka azy, tamin’ny 323. Halevina any Egypta, any Aleksandria, izy. Tapaka izao “ny tandroka lehibe”, nampiseho “ny mpanjaka voalohany”. Inona no hanjo ny empirany?
Nilaza ilay faminaniana hoe hozaraina ny fanjakan’i Aleksandra, “fa tsy ho an’ny taranany”. Filipo Aride rahalahiny, tsy nahay, dia nanjaka fotoana fohy talohan’ny hamonoana azy ho faty, toy ny hitranga amin’ny zanak’i Aleksandra ara-dalàna, Aleksandra Aidosy, sy ny zanany tsy ara-dalàna, Herakilesy na Herkiola. Ao anatin’ny ra àry no hahafoanan’ny taranak’i Aleksandra lian-dra.
Nanambara koa ireo faminaniana fa ‘hisy fanjakana efatra hitsangana avy amin’ny fireneny, nefa tsy hitovy hery aminy’ ary ny fanjakany dia “hozaraina ho amin’ny rivotra efatry ny lanitra; fa tsy ho (...) araka ny fanapahany izay nanapahany”. Tanteraka koa io lafiny amin’ny faminaniana io.
Nanjary nozaraina tamin’ny efatra tamin’ireo jeneraliny tokoa ny empiran’i Aleksandra nidadasika: 1) Kasandra, izay nitana an’i Makedonia sy Grisia; 2) Lysimaka, izay nahazo an’i Azia Minora ary Trasy any Eoropa; 3) Selekiosy Nikatora, izay nomena an’i Babylonia, Media, Syria, Persia ary ireo provansa atsinanana hatrany Indiosy; 4) Ptoleme Lagiosy, izay nitana an’i Egypta, Lybia sy Palestina. Nifanaraka tamin’ireo faminaniana, dia fanjakana efatra nanana fiteny na hevitra grika, no teraka avy amin’ny empiran’i Aleksandraa.
Ny naharitra ela indrindra tamin’izay efatra ireo dia ny fanjakan’i Ptoleme, tany Egypta. Tamin’ny taona 30 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia naharesy azy i Roma izay nisolo toerana an’i Grisia ka tonga ny Herim-panjakana Fahenina.
Misy fanantenana kanto atolotra ny olombelona
Hisesy tsy hisy farany ve ireny herim-panjakana lozabe ireny? Tsia, satria ahariharin’ny Baiboly amintsika fa ho tonga eo amin’ny fiafarany ny farany amin’ireny fanjakana mahery ireny. — Apokalypsy 17:10.
Rehefa avy nahazo fahitana ny amin’ireny fitondram-panjakan’olombelona sahala amin’ireny biby ireny i Daniela dia nandinika zavatra hafa. Nampidirina ho any an-danitra mihitsy izy tamin’ny heviny ara-paminaniana ka nahita “ny Fahagola”, ny tenan’Andriamanitra mihitsy, izay nanome ny Fanjakana, tsy ho an’ny mpitondra olombelona iray liam-pahefana, fa ho an’izay “toy ny zanak’olona”, izany hoe Jesosy Kristy tafatsangana amin’ny maty any an-danitra. — Daniela 7:9, 10, 13.
Ho toy inona moa ny fifanoheran-javatra eo amin’ny fomba hitondran’io Fanjakana any an-danitra io ny tany sy ny fanapahan’ireo mpanjaka olombelona tia ady! Izao no nolazain’i Daniela ny amin’io “toy ny zanak’olona” io, izay tokony hasandratra any an-danitra: “Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.” (Daniela 7:14). Tsy mainsy ho voamariky ny fiadanana sy ny rariny io Fanjakana io. — Isaia 9:5, 6.
Rehefa heverina ny herisetra sy ny faniriana mihoa-pampana nampiavaka ny fanapahan’olombelona, dia tsy afaka afa-tsy ny hifaly ny tena rehefa mahafantatra fa efa miorina io Fanjakana io ary tsy ho ela dia hanapaka ny tany araka ny rariny. — Apokalypsy 12:10, 12.
“Fa ny fahitana dia mbola ho amin’ny fotoan’andro, ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona.” — Habakoka 2:3.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ireo fikorontonana nanaraka ny empiran’i Aleksandra dia nambara tao amin’ny faminaniana momba ny “mpanjakan’ny avaratra” sy ny “mpanjakan’ny atsimo”. Io faminaniana io, voasoratra ao amin’ny Daniela toko faha-11, dia fakafakaina amin’ny andinindininy ao amin’ny pejy faha-229 ka hatramin’ny 248 amin’ilay boky hoe “Que ta volonté soit faite sur la terre”, navoakan’ny Watchtower Bible andr Tract Society of New York, Inc.
[Sarintany, pejy 23]
(Jereo ny gazety)
Ny velaran’ny empiran’i Aleksandra
Pela
Sardisy
Isosy
Damaskosy
Tyro
Jerosalema
Aleksandria
Memfisy
Teba
Ranon’i Eofrata
Ranon’i Tigra
Gaogamelesy
Babylona
Ekbatana
Sosana
Persepolisy
Aleksandria Eskate
Taksila
Ranon’i Indiosy
[Sarintany, pejy 25]
(Jereo ny gazety)
Rava ny empiran’i Aleksandra
KASANDRA
Pela
LYSIMAKY
Lysimasia
PTOLEME LAGIOSY
Aleksandria
SELEKIOSY NIKATORA
Antiokia
Seleosia
[Sary, pejy 24]
Aleksandria amin’izao andro izao: ny moron-tsiraka.
[Sary nahazoan-dalana]
Pictoriala Archive (Near Eastern History) Est.