MPILA HEVITRA AMIN’NY MATY
Nadika hoe “mpila hevitra amin’ny maty, mpamoha angatra, mpilalao ody” ny teny hebreo hoe ʼash·shaf (aramianina: ʼashaf; nadika hoe “mpisikidy”, Prot.). (Diksioneran’ny Testamenta Taloha Hebreo-Anglisy, nataon’i Brown sy Driver ary Briggs, 1980, p. 80, 1083; Lexicon in Veteris Testamenti Libros, nataon’i Koehler sy Baumgartner, Leyde, 1958, p. 95, 1055) Miantso an’ireo lazaina fa fanahin’ny maty ny olona mpila hevitra amin’ny maty. Ny mpamoha angatra kosa mihambo ho mahalala mialoha ny hoavy na afaka mifehy izay hitranga amin’ny hoavy, satria mifandray amin’ny maty, hono.
Tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fifandraisana amin’ny maty. Hoy ny Isaia 8:19: “Mety hisy hiteny aminareo hoe: ‘Manontania mpamoha angatra na olona itoeran’ny fanahy mpilaza ny hoavy, izay samy manao feom-boronkely sy mibitsibitsika.’ Tsy ny Andriamaniny anefa ve no tokony hanontaniany? Ny maty indray ve no hanontaniana mba hahasoa ny velona?” Nandeha nanontany ‘vehivavy nahay namoha angatra tao En-dora’ i Saoly mpanjakan’ny Israely, na dia voarara aza izany. Nifandray tamin’ny demonia io vehivavy io, raha ny marina.—1Sa 28:7; Le 20:27.
Tany Babylona no tena be mpila hevitra tamin’ny maty. Nentina ho babo tany i Daniela sy ny namany telo lahy, ary nampianarina ny fitenin’ny Kaldeanina izy ireo nandritra ny telo taona. Hita anefa taorian’izay ‘fa avo folo heny ny [fahendren’izy ireo sy ny fahiratan-tsainy] raha noharina tamin’ny an’ny mpisorona rehetra nampiasa herin’ny maizina sy ny mpila hevitra tamin’ny maty.’—Da 1:3-20.
Tsy ny mpila hevitra amin’ny maty ihany fa izay rehetra mpampiasa herin’ny maizina no nampanantsoin’i Nebokadnezara, valo taona teo ho eo taorian’izay, ka nodidiany hilaza ny nofiny sy ny hevitr’izy io. (Da 2:1-3, 27) Tsy dia natoky azy ireo anefa ny mpanjaka, ka niteny hoe: “Lainga sy zavatra tsy marina no efa nifanarahanareo holazaina eto anatrehako.” Fantany koa fa nangataka andro izy ireo. Te hahazo antoka izy hoe ho afaka hanazava an’ilay nofiny ireo olon-kendriny sady ho marina ny fanazavany, ka hoy izy tamin’ireo: “Lazao amiko [aloha] ilay nofy, dia ho fantatro raha mahay milaza ny heviny ianareo.” (Da 2:4-9) Tsy hain’ireo mpila hevitra amin’ny maty sy ireo mpampiasa herin’ny maizina anefa ilay nofy. Tezitra be àry ny mpanjaka, ka nandidy ny handringanana ny olon-kendry rehetra tao Babylona. Ren’i Daniela ilay didy (voakasik’izy io koa izy sy ny namany), ka nandeha haingana nankany amin’ny mpanjaka izy rehefa ‘nahariharin’Andriamanitra taminy ilay zava-miafina.’ Tsy nitady laza ho an’ny tenany anefa izy, fa hoy izy: “Tsy noho izaho manana fahendrena mihoatra noho ny velona rehetra akory no nampiharihariana tamiko izany zava-miafina izany.”—Da 2:19-30.
Taitra be i Belsazara taona maro tatỳ aoriana, nahita ‘sora-tanana teo amin’ny rindrina.’ Tsy hainy anefa ny namaky an’ilay izy. “Koa niantsoantso mafy” ny mpanjaka “mba hoentina eo aminy ny mpila hevitra amin’ny maty sy ny Kaldeanina ary ny mpanandro.” Hoy izy avy eo: “Izay mahavaky io soratra io ka milaza amiko ny heviny, dia hampanaovina akanjo volomparasy, hasiana rojo volamena ny vozony, ary ho mpitondra fahatelo eto amin’ny fanjakana izy.” (Da 5:5-7) Tsy nahay ny hevitr’ilay soratra anefa ireo mpila hevitra amin’ny maty sy mpampiasa herin’ny maizina, ka i Jehovah Andriamanitr’i Daniela indray no nampahafantatra an’ilay izy.—Da 5:8-29.