-
KrizolitaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
KRIZOLITA
(krizôlita).
Vatosoa tsy tena sarobidy, vokatry ny fitambaran’ny silikatina manezioma sy silikatina vy. Mangarahara na tantera-pahazavana izy io, ary mavo na maitso ny lokony. Matetika izy io no hita any anaty vato avy amin’ny volkano (na koa any anaty vato dolomia sy karazana vato sokay sasany). Mety ho amin’ny endriny feno sy tsy poakaty ny krizolita, na amin’ny endriny kristaly, na koa vato madinika kely be dia be mitambatra. Avy amin’ny teny grika hoe krysôlitôs, izay midika hoe “vato volamena”, ny hoe krizolita. Toa nisy olona fahiny nampiasa an’io teny io mba hilazana vatosoa isan-karazany miloko mavo. Misy krizolita kristaly tena tsara any Ejipta.
-
-
KrizolitaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nisy kodiarana efatra tao amin’ny fahitana roa azon’i Ezekiela, ary “namirapiratra tahaka ny krizolita” ny fahitany azy ireo. (Ezk 1:15-21; 10:9) Nilaza ilay tovovavy solemita fa tahaka ny “vaingam-bolamena lavalava, feno krizolita”, ny tanan’ilay mpiandry ondry malalany. Angamba ireo rantsantanana no lazainy hoe vaingam-bolamena lavalava, ary ireo hohon-tanana no krizolita. (To 5:14) Nolazain’i Daniela mpaminany hoe toy ny krizolita ny vatan’ny “lehilahy iray nanao akanjo vita tamin’ny lamba rongony.” Nampahafantatra azy izay hanjo ny fireneny “any am-parany” io lehilahy io. (Da 10:5, 6, 14) Voamariky ny apostoly Jaona, tamin’izy nahazo fahitana momba an’i Jerosalema Vaovao, fa krizolita ny vato fototra fahafito tamin’ny mandan’ilay tanàna, ary nisy ny anaran’ny iray tamin’ireo “apostoly roa ambin’ny folon’ny Zanak’ondry” teo amin’ilay izy.—Ap 21:2, 10, 14, 20; jereo FIRAVAKA SY VATOSOA.
-