Goavana ara-paminaniana iray: hilaza inona ny fianjerany?
INONA no hitan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona nahery, tao amin’ny torimasony, 2500 taona mahery lasa izay? Raha tadidiny izany teo am-pifohazany, ho fantany ve fa hitany tao amin’ny sary iray monja ny fampisehoana fohy ny ho avin’izao tontolo izao?
Rehefa nifoha i Nebokadnezara, mpanjakan’ny Empira babyloniana, dia niantso ireo mpanandrony sy ireo olon-kendriny. Tiany ny hampahatsiarovan’izy ireo azy ny nofiny sy ny hanazavany izany aminy.
Iza anefa no afaka manazava zavatra tsy fantany? Very hevitra ireo olon-kendry. Nomen’i Jehovah an’i Daniela, babo jiosy iray, anefa ny fahaizana hampahatsiaro ilay nofy sy hilaza ny heviny, ka hanambara amin’izany amin’ny mpanjaka ireo fisehoan-javatra ho avy. Aoka hodinihintsika ny fanazavan’i Daniela an’io nofy io, satria mahakasika ny androntsika izy io.
Sary iray mifono zava-miafina
Natombok’i Daniela ny filazalazana ny amin’ny sary makadiry iray izay volamena ny lohany, volafotsy ny tratrany sy ireo sandriny, varahina ny kibony sy ny feny, vy ny ranjony, ary vy miharo tanimanga ny tongony. Nisy vato namely ny tongotr’ilay sary ka namotipotika azy tanteraka. Nitombo tamin’izay io vato io ka tonga tendrombohitra izay nameno ny tany manontolo (Daniela 2:31-35). Toy izany ilay nofy hadinon’ny mpanjaka. Fa inona no dikan’izany rehetra izany?
Nampahafantarin’i Daniela ny mpanjaka fa ireo fizarana samy hafa tamin’ilay sary dia nampiseho ireo herim-panjakana hisesy. Mpivaofy teny maro no manaraka ny hevitra voalaza amin’izao teny izao ao amin’ny “encyclopédie” araka ny Baiboly iray: “Ny foto-pahamarinana voalaza ao amin’ny (Daniela toko faha-2) dia hoe indray andro any ny fanjakan’Andriamanitra dia haka ny toeran’ny empiran’olombelona rehetra.” Rahoviana no ho tonga io andro io? Ny faminanian’i Daniela dia manome fanazavana sarobidy momba an’io raharaha io.
Ny loha sy ny vatana
“Hianao, ry mpanjaka ô, izay mpanjakan’ny mpanjaka sady nomen’Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery sy fahaleovana ary voninahitra, (...) dia hianao izany loha volamena izany.” Araka izany, ny loha dia nampiseho an’i Nebokadnezara mpanjaka sy ny tarana-mpanjaka naoriny. — Daniela 2:37, 38.
“Ary manarakaraka anao dia hisy fanjakana hafa hitsangana ambany noho ny anao, ary hisy fanjakana fahatelo koa izay varahina sady hanam-pahefana amin’ny tany rehetra.” (Daniela 2:39). Manarakaraka an’i Babylona, ny Empira mediana sy persiana dia mba tonga herim-panjakana manapaka eo amin’ny tantaran’ny Baiboly koa. Nandimby azy ny Empira grika izay, tamin’ny andron’i Aleksandra Lehibe, dia nanitatra ny fanapahany tao amin’ny faritany iray midadasika lavitra noho ny an’izay rehetra mety ho empira maneran-tany teo aloha.
Ny “fanjakana fahefatra” ny fanalahidin’ny zava-miafina
Ireo fanjakana telo voalohany dia niseho teo amin’ny sehatr’izao tontolo izao, avy eo dia tsy hita intsony ho herim-panjakana, tsy misy hafa amin’ny naminanian’i Daniela azy ara-tsindrimandrin’Andriamanitra. Amintsika anefa, dia zava-dehibe kokoa ny hamantarana ny “fanjakana fahefatra”. Fa nahoana? Satria amin’ny fotoana haha-eo an’io fanjakana io no tsy maintsy hirodana ilay sary hita tao amin’ny nofy, ary tena ilaintsika ny hahafantatra izay voafaokan’ny firodanany. Jereo ny andinindininy hafa omen’i Daniela:
“Ary ny fanjakana fahefatra dia ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manorotoro sy mahamongomongo ny zavatra rehetra, ary toy ny famakivakin’ny vy ireo rehetra ireo, dia toy izany no amakivakiany sy anorotoroany azy.” (Daniela 2:40). Moa ve io fanjakana fahefatra io tsy mampiseho afa-tsy ny Empira romana izay tonga herim-panjakana lehibe nanarakaraka an’i Grisia? Tsia, ary izany dia noho ny antony samy hafa.
Ny bokin’i Daniela mihitsy no manondro ny fotoana voafaokan’io sary io, satria izao no voalaza ao: “[Andriamanitra] mampahafantatra an’i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany.” (Daniela 2:28). Io andinin-teny io dia mampiseho fa ny fahatanterahana faran’ilay fahitana dia hitranga any amin’ny ho avy lavitra, aorian’ny vanim-potoana nisy ny Empira grika sy romana.
Ny apostoly Jaona, mpanoratra hafa iray koa ao amin’ny Baiboly, dia niresaka koa ny amin’ny “mpanjaka” na herim-panjakana. Izao no nosoratany ny amin’izy ireny: “Ary mpanjaka fito ireo; efa lavo ny dimy, fa ny iray mbola eo ihany, ary ny iray koa mbola tsy tonga.” Mbola tokony hitsangana ny herim-panjakana hafa iray alohan’ny handraisan’ny Fanjakan’Andriamanitra anjara (ka handimby ny Empira romana izay ‘teo’ tamin’ny andron’i Jaona). Io herim-panjakana io dia ho anisan’ny “fanjakana fahefatra” voalazan’ny faminanian’i Daniela koa (Apokalypsy 17:10-14; Daniela 2:40). Inona no ampahafantarin’ny Tantara antsika ny amin’izany?
Naorina tamin’ny alalan’ny fanafihana ara-tafika ny Herim-panjakana romana ka tsy nifarana rehefa naongan’ilay filoha germana natao hoe Odoacre tany Roma ny emperorany farany, tamin’ny 476 amin’ny fanisan-taona iraisana. Nandritra ny taonjato maro i Roma dia nanohy nampihatra fanapahana ara-politika, indrindra fa ara-pivavahana, tany Eoropa, satria ny fitondrana feodaly dia nifehy ny olona rehetra, voalohany indrindra ho eo ambany fahefan’ny tompony, manaraka izany dia ny mpanjaka, ary farany, ny papa. Raha lazaina tsotra, ny papa dia nitsara farany indrindra ireo raharaha lehibe ary afaka nampanaiky mpanjaka araka ny sitrapony, tamin’ny fandrahonana ny hanongana azy na hampihatra fandraranaa. Izao tokoa no nambaran’ny boky iray: “Ny Eglizy no fitondram-panjakana lehibe indrindra tany Eoropa.” (The Columbia History of the World).
Tamin’ny 1534, Henri VIII mpanjakan’i Angletera, dia nanao ny tenany ho filohan’ny Eglizy tany Angletera, tsy niankina tamin’i Roma. Tamin’izany no nanapahany ny fangejàn’ny papa. Kanefa dia nanomboka nanefy ny fiasana lehibe indrindra tamin’ny herin’ny tafika britanika koa izy, araka ny porofoin’i Eric Delderfield tao amin’ny bokiny hoe Mpanjaka sy mpanjakavavin’i Angletera (anglisy): “Henri dia nanohy ny asan-drainy izay naniry hamorona tafika an-dranomasina hahitam-bokatra. Rehefa maty i Henri dia efa nanampy sambo teo amin’ny valopolo tamin’ny tafika an-dranomasina ka tamin’izany dia nanomboka nahaika ny fahambonian’i Espaina an-dranomasina.”
Tao anatin’ny taonjato maro, ny Fanjakana britanika dia niova ho empira nidadasika nolazalazain’i Daniel Webster, mpanao politika amerikana nalaza tamin’ny taonjato faha-19 ho “fanjakana nihoatra an’i Roma teo an-tampon’ny voninahiny tamin’ny lafin’ny fanafihana ny tany hafa sy ny fanerena — fanjakana nameno ny vohon’ny tany manontolo tamin’ireo fananany sy ireo toerana nisy ny tafiny”. Tsy ela ny Empira britanika dia tafakambana mafy tamin’ireo zanataniny taloha tany Amerika Avaratra teo amin’ny raharaha ara-politika sy ara-tafika. Tamin’izany fomba izany no nisehoan’ny mpanjaka fahafito voalaza ao amin’ny Apokalypsy 17:10, dia ny Herim-panjakana roa sosona anglisy amerikana.
Araka ny voalaza momba ilay sary hita tao amin’ny nofy, “ny taranak’olombelona”, na ny sarambabembahoaka, dia handray anjara lehibe kokoa ao amin’ny fitondram-panjakana amin’ny andron’io “mpanjaka” farany io (Daniela 2:42, 43.) Hamarinin’ny tantara amin’ny andro ankehitriny fa tena nitranga tokoa izany, satria nisy demokrasia na ‘fitondrana entim-bahoaka’ nisolo toerana mpanjaka lahy na vavy sy fitondran’ny mpanjaka tsy refesi-mandidy hafa. Amin’ireo fitondram-panjakana ankehitriny, asehon’ny rantsan-tongotra folon’ilay sary, ny sasany dia sahala amin’ny vy, izany hoe mandidindidy na lozabe. Fa ny hafa kosa, sosialista na demokratika, dia milefitra kokoa sahala amin’ny tanimanga.
Ny fianjerana
Araka ny faminanian’i Daniela, rehefa ho eo amin’ny toerany ireo fitondram-panjakana nasehon’ny tongotra — raha lazaina amin’ny teny hafa dia amin’izao androntsika izao — dia hanakaiky ny fiafarany ilay sary lehibe. Hianjera izy io, tsy noho ny fahalemen’ireo tongony vita amin’ny vy miharo tanimanga akory, fa noho izy hasian’ny vato ara-panoharana iray sy hotorotoroiny. Mampiseho inona io “vato” io? Ny Fanjakana mesianika izay tokony ‘hanorotoro sy handevona ireo fanjakana rehetra ireo’ ka ho tonga ‘tendrombohitra lehibe mahafeno ny tany rehetra’. — Daniela 2:34, 35, 44b.
“Marina ny nofy, ary tsy maintsy ho to ny heviny”, hoy ny filazan’i Daniela mazava (Daniela 2:45). Ireo fahatanterahana voalohan’ireo faminaniana ireo — ny amin’ny fandravana an’i Babylona sy ilay mahakasika ny fifandimbiasan’ireo herim-panjakana — dia manome antoka antsika fa izay mbola tokony hitranga dia ho avy amin’ny fotoany. Izany dia hahafaoka ny fanafoanana ilay sary ara-paminaniana voalazan’ny nofy, amin’ny fandraisan’ny Fanjakan’Andriamanitra anjara.
Misy boky araka ny Baiboly hafa mirakitra faminaniana tena lehibe mifandray amin’ny fikasan’Andriamanitra. Misy nomerao misesy amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana mamakafaka maro amin’izy ireny sy manazava ny heviny ho an’izao androntsika izao. Koa raha tsy mamaky tsy tapaka ity gazety ity ianao, nahoana no tsy hanao izany? Amin’izany fomba izany no hahafantaranao bebe kokoa ny amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay “mampiseho zava-miafina”, sy ny amin’ireo soa tsy tambo isaina hoentin’ny Fanjakany tsy ho ela ho an’ny tany. — Daniela 2:28.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Rehefa nampiharana fandrarana ny faritany iray, dia tsy tokony hatao tao ny fankalazana lamesa, fampakaram-bady, na fandevenana ara-pivavahana akory aza.
b Ireo nomerao telo teo aloha amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana dia mirakitra porofo hafa fa isika izao dia miaina ao anatin’ny “vanim-potoana farany amin’ireo andro” tsy maintsy hanafoanana ilay sary voalazan’ny nofy.