Ny Nahaterahan’i Jesosy — Ny Tantara Marina
ERITRERETO ny amin’ny fisehoan-javatra iray be mpahalala teo amin’ny tantaran’ny taninao. Betsaka ny porofo manamarina azy io sady nosoratan’ny mpahay tantara mihoatra ny iray ilay izy. Ahoana izao raha toa ka misy olona milaza aminao fa tsy nitranga velively io fisehoan-javatra io, fa angano fotsiny ilay izy? Na koa, raha ampiharina amin’ny toe-javatra mahakasika kokoa anao, ahoana raha misy olona manizingizina fa diso ny maro amin’ny zavatra notantarain’ny fianakavianao taminao momba ny nahaterahan’ny raibenao sy ny fiainany taloha? Amin’ireo toe-javatra roa ireo, dia mety hanafintohina anao na dia ilay hevitra natolotra fotsiny aza. Azo antoka fa tsy hanaiky amin’izao fotsiny ny fanizingizinana toy izany ianao!
Ireo mpanao tsikera amin’izao andro izao mantsy mazàna dia manilika ny firaketana an-tsoratry ny Filazantsara momba ny nahaterahan’i Jesosy, notantarain’i Matio sy i Lioka. Lazainy fa sady mifanipaka be erỳ no tsy azo ampifanarahina ireo fitantarana ireo, ary samy mirakitra lainga mibaribary sy fahadisoana lehibe ara-tantara. Mety ho marina ve izany? Aoka isika tsy hanaiky ny fiampangana toy izany, fa aoka ny tenantsika mihitsy no handinika ireo firaketana an-tsoratry ny Filazantsara. Eo am-panaovana izany, dia aoka hojerentsika izay azon’izy ireo ampianarina antsika amin’izao andro izao.
Zava-nokendrena tamin’ny fanoratana
Eto am-piandohana, dia manampy ny hitadidiana ny zava-kendren’ireny fitantarana ara-baiboly ireny. Tsy tantaram-piainan’olona akory izy ireny; Filazantsara kosa izy ireny. Zava-dehibe io fahasamihafana io. Ao amin’ny tantaram-piainan’olona, ilay mpanoratra dia mety hameno pejy an-jatony maro eo am-piezahany hampiseho ny fomba nahatongavan’ilay olona tantarainy ho fanta-daza aoka izany. Araka izany, ny tantaram-piainan’olona sasany dia mandany pejy maro be mba hanomezana tsipiriany momba ny ray aman-dreny sy ny nahaterahana ary ny fahazazan’ilay olona tantarainy. Hafa noho izany ireo Filazantsara. Amin’ireo firaketana an-tsoratry ny Filazantsara efatra, dia roa monja, ny an’i Matio sy i Lioka, no mitantara ny nahaterahan’i Jesosy sy ny fahazazany. Tsy ny hampiseho ny fomba nahatongavan’i Jesosy ho lehilahy fanta-daza anefa no zava-nokendren’izy ireo. Tadidio fa ireo mpanara-dia an’i Jesosy dia nanaiky fa efa nisy izy tamin’ny naha zavaboary ara-panahy azy, talohan’ny nahatongavany teto an-tany. (Jaona 8:23, 58). Koa tsy ho fikendrena ny hanazava hoe nanjary karazana lehilahy nanao ahoana i Jesosy no antony nilazalazan’i Matio sy i Lioka momba ny fahazazany. Notantarain’izy ireo kosa ireo fisehoan-javatra izay nifanentana tamin’ny zava-nokendren’ny Filazantsarany.
Ary inona ny zava-nokendreny rehefa nanoratra azy ireo? “Vaovao tsara” no dikan’ilay teny hoe “filazantsara”. Nitovy ny hafatra nampitain’ireo lehilahy roa ireo, dia izao: I Jesosy no ilay Mesia, na Kristy nampanantenaina, maty noho ny fahotan’ny olombelona izy, ary natsangana tamin’ny maty ho any an-danitra. Miharihary anefa fa samy hafa ny tarehin-javatra nisy ireo mpanoratra roa ireo, ary ho an’ny olona samy hafa koa no nanoratany. I Matio, izay mpamory hetra, dia namolavola ny fitantarany ho an’ny mpamaky jiosy voalohany indrindra. I Lioka kosa, izay mpitsabo, dia nanoratra ho an’i “Teofilo tsara indrindra”, izay nety ho nanana toerana ambony, ary ho an’ny mpamaky voaforon’ny Jiosy sy Jentilisa, raha itarina. (Lioka 1:1-3). Ny mpanoratra tsirairay dia nifantina ireo fisehoan-javatra nifanaraka indrindra tamin’izay nilainy, azo inoana fa mba hampiekena ny mpamaky azy manokana. Araka izany, ny firaketana an-tsoratr’i Matio dia manamafy ireo faminaniana ao amin’ny Soratra Hebreo izay tanteraka tamin’i Jesosy. I Lioka, etsy an-danin’izany, dia manaraka fomba fitantara mahazatra kokoa izay nety ho fantatr’ireo tsy Jiosy mpamaky azy.
Tsy mahagaga àry raha samy hafa ny fitantaran’izy ireo. Kanefa, tsy mifanipaka, araka ny anizingizinan’ireo mpanao tsikera azy akory, izy roa ireo. Mifameno ary mifanaraka tsara mba hahaforona sary iray feno kokoa izy ireo.
Ny nahaterahan’i Jesosy tao Betlehema
I Matio sy i Lioka dia samy nandrakitra an-tsoratra fahagagana iray niavaka momba ny nahaterahan’i Jesosy — nateraky ny virjiny iray izy. Asehon’i Matio fa nanatanteraka faminaniana iray nolazain’i Isaia, taonjato maro talohan’izay, io fahagagana io. (Isaia 7:14; Matio 1:22, 23). Hazavain’i Lioka fa teraka tao Betlehema i Jesosy, satria nisy fisoratana anarana naorin’i Kaisara ka nanery an’i Josefa sy i Maria handeha tany. (Jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-7.) Nifono heviny lehibe ny nahaterahan’i Jesosy tao Betlehema. Taonjato maro talohan’izay, i Mika mpaminany dia efa nanambara mialoha fa ho avy ao amin’io tanàna kely toa tsy dia nanao ahoana io, izay tany akaikin’i Jerosalema, no hipoiran’ny Mesia. — Mika 5:1.
Nanjary nalaza ho fototra iorenan’ireo fampisehoana ny nahaterahan’i Jesosy, ilay alina nahaterahany. Hafa tanteraka noho ilay tantara aseho matetika erỳ anefa ilay tena izy. I Lioka, mpahay tantara, izay milaza amintsika ny amin’ilay fanisam-bahoaka nahatonga an’i Josefa sy i Maria hankany Betlehema no milaza amintsika koa ny amin’ireo mpiandry ondry izay nandany io alina nanan-tantara io tany an-tsaha niaraka tamin’ny andiam-bibiny. Ireo tarehin-javatra roa ireo no nitarika mpanao fikarohana maro momba ny Baiboly hanatsoaka hevitra fa tsy nety ho teraka nandritra ny Desambra i Jesosy. Hazavain’izy ireo fa tsy azo inoana ny naneren’i Kaisara an’ireo Jiosy nahery fihetsika handeha hamonjy ny tanàna niaviany nandritra ny fizaran-taona nangatsiaka sy nanorana. Nety ho nampitombo ny fahatezeran’ny vahoaka iray mpikomy izany. Tsy azo inoana toy izany koa, hoy ny fanamarihan’ireo manam-pahaizana, ny hoe nipetraka tany an-tsaha niaraka tamin’ny andiam-bibiny ireo mpiandry ondry, tao anatin’ny toetr’andro ratsy toy izany. — Lioka 2:8-14.
Mariho fa tsy nifidy an’ireo mpitarika ara-pivavahana nahita fianarana sy nanana fahefana tamin’izany andro izany i Jehovah mba hanambarana ny fahaterahan’ny Zanany. Mpiasa tomady izay nipetraka tany an-tsaha kosa no nofidiny. Azo inoana fa ireo mpanora-dalàna sy Fariseo dia tsy nifandray firy tamin’ireo mpiandry ondry izay tsy afaka nitandrina ny tsipiriany sasany tamin’ny lalàna am-bava noho ny fandaharam-potoana niasany niovaova. Nomen’Andriamanitra izao voninahitra lehibe izao anefa ireny lehilahy nanetry tena sy nahatoky ireny. Nisy solontenan’ny anjely nampahafantatra azy ireo fa vao teraka tao Betlehema ny Mesia izay nandrasan’ny vahoakan’Andriamanitra efa an’arivony taona maro. Ireny lehilahy ireny, fa tsy ireo “mpanjaka telo” izay aseho matetika erỳ ao amin’ireo fampisehoana ny nahaterahan’i Jesosy, no nitsidika an’i Maria sy i Josefa ka nahita io zazakely tsy nanan-tsiny io nandry teo amin’ny fihinanam-bilona. — Lioka 2:15-20.
Manome tombontsoa manokana an’ireo mitady amim-panetren-tena ny fahamarinana i Jehovah
Manome tombontsoa manokana an’ireo olona manetry tena izay tia azy sady liana fatratra ny hahita ny fahatanterahan’ny fikasany, Andriamanitra. Loha hevitra miverimberina ao amin’ireo fisehoan-javatra manodidina ny nahaterahan’i Jesosy izany. Iray volana teo ho eo taorian’ny nahaterahan’ilay zaza, fony i Josefa sy i Maria nanolotra azy tao amin’ny tempoly ho fankatoavana ny Lalàn’i Mosesy, dia nanao fanatitra “domohina roa, na zana-boromailala roa” tao, izy ireo. (Lioka 2:22-24). Ondrilahy, raha ny marina, no notakin’ny Lalàna, kanefa navela hisy io safidy mora vidy kokoa io ho an’ny mahantra. (Levitikosy 12:1-8). Eritrereto ange izany e. I Jehovah Andriamanitra, ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao, dia tsy nifidy fianakaviana nanankarena fa fianakaviana nahantra mba ho ny ankohonana izay hitaiza ilay Zanany lahitokana sady malalany. Raha ray na reny ianao, izany dia tokony ho fampahatsiahivana mazava fa ny fanomezana tsara indrindra azonao atolotra ny zanakao dia tokantrano iray izay mametraka ireo zava-tsarobidy ara-panahy eo amin’ny toerana voalohany. Tsara lavitra noho ny harena ara-nofo na ny fianarana izay heverin’ny olona ho zava-dehibe, izany.
Tao amin’ny tempoly, dia nisy mpivavaka roa hafa nahatoky sy nanetry tena, izay nomen’i Jehovah tombontsoa manokana. I Ana ny anankiray, izay vehivavy maty vady efa 84 taona, ary “tsy niala teo an-kianjan’ny tempoly”. (Lioka 2:36, 37). Ilay faharoa dia lehilahy zokiolona nahatoky izay nantsoina hoe Simeona. Samy nientam-po izy ireo noho ny tombontsoa nomen’Andriamanitra azy, dia ny fahitana ilay ho Mesia nampanantenaina, talohan’ny nahafatesan’izy ireo. Nanonona faminaniana iray nahakasika ilay zaza, i Simeona. Faminaniana feno fampanantenana, saingy somary nosembanin’alahelo ihany ilay izy. Nambarany mialoha fa ho rotidrotiky ny alahelo io reny tanora io, dia i Maria, indray andro any, noho ny zanany malalany. — Lioka 2:25-35.
Zaza iray notandindomin-doza
Ilay faminanian’i Simeona dia fampahatsiahivana nanjombona fa ho tonga lasibatry ny fankahalana io zaza tsy nanan-tsiny io. Na dia fony izy mbola zazakely aza, dia efa hita sahady izany fankahalana izany. Manome tsipiriany momba ny hoe nahoana no izany no izy, ny fitantaran’i Matio. Volana maromaro no efa lasa, ary nipetraka tao amin’ny trano iray tao Betlehema izao i Josefa sy i Maria ary i Jesosy. Nahazo fitsidihana tsy nampoizina avy tamin’ny vahiny maromaro izy ireo. Na dia eo aza ireo zavatra asehon’ireo fampisehoana tsy tambo isaina momba ny nahaterahan’i Jesosy, i Matio dia tsy mamaritra ny isan’ny tonga tamin’ireny lehilahy ireny, na koa niantso azy ireny hoe “olon-kendry”, na hoe “mpanjaka telo”. Ilay teny grika hoe maʹgoi, izay midika hoe “mpanandro” no nampiasainy. Na dia izany fotsiny aza dia tokony hitarika ny mpamaky hieritreritra fa misy fanaovana zava-dratsy ao, satria fahaizan-javatra melohin’ny Tenin’Andriamanitra ny fanandroana, ary nohalavirin’ireo Jiosy nahatoky tamim-pitandremana. — Deoteronomia 18:10-12; Isaia 47:13, 14.
Nanaraka kintana iray avy tany atsinanana ireo mpanandro ireo ary nitondra fanomezana ho ‘an’Ilay teraka ho Mpanjakan’ny Jiosy’. (Matio 2:2). Tsy nitarika azy ireo ho any Betlehema anefa ilay kintana, fa nitarika azy kosa ho any Jerosalema sy ho any amin’i Heroda Lehibe. Tsy nisy lehilahy teto an-tany nanana fananana sy antony nanosika toy izany mba hanisian-dratsy an’i Jesosy zaza. Io lehilahy fatra-paniry laza sady mpamono olona io dia efa namono mpianakaviny akaiky maromaro izay noheveriny ho fandrahonana ho azy.a Rehefa nikorontan-tsaina izy nandre ny nahaterahan’ilay ho “Mpanjakan’ny Jiosy”, dia nirahiny haingana ireo mpanandro mba hitady azy io tany Betlehema. Rehefa nandeha izy ireo, dia nisy zavatra hafahafa nitranga. Toa nihetsika ilay “kintana” izay nitarika ny dian’izy ireo ho any Jerosalema! — Matio 2:1-9.
Tsy fantatsika izao raha tena hazavana teny amin’ny lanitra ilay izy, na fahitana fotsiny ihany. Fantatsika kosa anefa fa tsy avy tamin’Andriamanitra io “kintana” io. Tany amin’i Jesosy mihitsy, izay zaza mora nasiana sy tsy afa-nanoatra ary tsy nisy mpiaro afa-tsy mpandrafitra nahantra iray sy ny vadiny, no nitarihan’izy io an’ireo mpanompo sampy ireo, tamin’ny fomba tsy nisy diso nefa nampidi-doza. Azo inoana fa ho niverina nanao tatitra tamin’ilay mpanjaka mpamaly faty ireo mpanandro ireo izay tsy nahafantatra akory hoe voafitak’i Heroda. Ho nitarika tamin’ny fandringanana ilay zaza izany. Nisalovana tamin’ny alalan’ny nofy anefa Andriamanitra, ka nandefa azy ireo hody tamin’ny lalan-kafa. Ilay “kintana” àry dia tsy maintsy ho fitaovana nampiasain’ilay fahavalon’Andriamanitra, dia i Satana, izay nanao ny rehetra azony natao mba hanisian-dratsy ny Mesia. Hafahafa toy inona moa ny mahita ilay “kintana” sy ireo mpanandro aseho toy ny irak’Andriamanitra, ao amin’ireo fampisehoana ny nahaterahan’i Jesosy! — Matio 2:9-12.
Tsy nilavo lefona anefa i Satana. I Heroda Mpanjaka, ilay saribakoly nampiasainy tamin’io raharaha io, dia nanome baiko mba hamonoana ny zazakely rehetra latsaka ny roa taona tao Betlehema. Tsy afaka ny handresy amin’ny ady ifanaovana amin’i Jehovah anefa i Satana. Marihin’i Matio fa efa tsinjon’Andriamanitra ela be mialoha na dia io fandripahana naharikoriko natao tamin’ny ankizy tsy nanan-tsiny io aza. Nampandamòka ny tetik’i Satana indray i Jehovah tamin’ny alalan’ny anjely iray izay nilaza tamin’i Josefa mba handositra tany Egypta ka hahazo fiarovana. Manao tatitra i Matio fa fotoana kelikely taorian’izay dia nitondra ilay fianakaviana keliny nifindra indray i Josefa, ary namponeniny tao Nazareta izy ireo tamin’ny farany. Tao no nihalehibe i Jesosy niaraka tamin’ireo zandriny lahy sy vavy. — Matio 2:13-23; 13:55, 56.
Ny dikan’ny nahaterahan’i Kristy ho anao
Somary gaga ihany ve ianao tamin’io famintinana ireo zava-niseho nanodidina ny nahaterahan’i Jesosy sy ny fahazazany io? Maro no toy izany. Gaga izy ireny mahita fa sady mirindra no araka ny marina ireo fitantarana, raha ny marina, na dia sahy manizingizina ny mifanohitra amin’izany aza ny olona sasany. Gaga izy ireny mahafantatra fa efa voalaza an-jatony taona maro mialoha ny zava-niseho sasany. Ary gaga koa izy ireny satria hafa tanteraka noho izay lazalazain’ireo tantara mahazatra momba ny nahaterahan’i Jesosy sy ireo tranon’omby, ny zavatra fototra sasany ao amin’ny Filazantsara.
Kanefa ny zavatra mahagaga indrindra amin’izany rehetra izany angamba dia ny hoe tsy manisy fiheverana an’ireo hevi-dehibe ao amin’ny fitantaran’ny Filazantsara ny maro be amin’ireo fankalazana Krismasy mahazatra. Tsy asiana fiheverana firy, ohatra, ny Rain’i Jesosy, izay tsy i Josefa, fa i Jehovah Andriamanitra. Alao sary an-tsaina ny fihetseham-pony fony izy nanankina ny fitaizana sy ny famelomana ny Zanany malala tamin’i Josefa sy i Maria. Alao sary an-tsaina ny fahorian-tsain’ilay Ray any an-danitra, rehefa namela an’io Zanany io hitombo teo amin’ny tontolo nisy mpanjaka iray feno fankahalana, izay nitetika ny hamono azy io hatramin’ny fahakeliny mihitsy aza! Ny fitiavana lalina ny taranak’olombelona no nanosika an’i Jehovah hanao izany sorona izany. — Jaona 3:16.
Matetika no ailika ilay tena Jesosy ao amin’ireny fankalazana Krismasy ireny. Tsy misy mihitsy soratra mirakitra fa efa mba nilaza ny daty nahaterahany tamin’ny mpianany izy, ary tsy misy filazana fa nankalaza ny andro nahaterahany ireo mpanara-dia azy.
Tsy ny nahaterahan’i Jesosy fa ny nahafatesany, izay nisy vokany lehibe teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao, no nandidiany mba hotsarovan’ireo mpanara-dia azy. (Lioka 22:19, 20). Tsia, tsy tamin’ny naha zazakely tsy afa-nanoatra azy tao amin’ny fihinanam-bilona no nirin’i Jesosy hitadidiana azy, satria tsy toy izany mihitsy ny tenany ankehitriny. Enim-polo taona mahery taorian’ny namonoana azy ho faty, dia niseho tao amin’ny fahitana tamin’ny apostoly Jaona izy. Mpanjaka mahery nitaingin-tsoavaly mba hiantafika no nahitan’i Jaona azy. (Apokalypsy 19:11-16). Amin’io anjara asa io, dia amin’ny maha Mpanapaka ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra azy, no tokony hahafantarantsika an’i Jesosy amin’izao andro izao, satria izy no Mpanjaka izay hanova ity tontolo ity.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha ny marina, dia nomarihin’i Aogosto Kaisara fa ny kisoan’i Heroda no nanana fanantenana bebe kokoa ny tsy hovonoina noho ny zanak’i Heroda.
[Efajoro/Sary, pejy 7]
Diso ve i Lioka?
AHOANA no nety ho nahaterahan’i Jesosy tany Betlehema, tany amin’ny 150 kilaometatra tany ho any, nefa izy nihalehibe tao Nazareta ka matetika no fantatra tamin’ny hoe Nazareanina? Manazava toy izao i Lioka: “Ary tamin’izany andro izany [talohan’ny nahaterahan’i Jesosy] dia nisy didy navoak’i Aogosto Kaisara hampanoratra ny anaran’ny vahoaka rehetra amin’ny fanjakany. (Izany no fanoratana voalohany natao fony Kyrenio nanapaka tany Syria.) Dia samy nankany amin’ny tanànany avy izy rehetra mba hosoratana.” — Lioka 1:1; 2:1-3.
Misy mpanao tsikera mamely mafy an’io andalan-teny io amin’ny filazana fa fahadisoana lehibe, na ny mbola ratsy kokoa aza, dia hoe lainga tsara lahatra fotsiny izy io. Manizingizina izy ireo fa io fanisam-bahoaka io sy ny fanapahan’i Kyrenio dia nitranga tamin’ny taona fahenina na fahafito am.f.i. Raha marina ny azy ireo, dia hampisy fisalasalana be momba ny fitantaran’i Lioka izany, satria toa manambara ny porofo fa teraka tamin’ny taona faharoa al.f.i. i Jesosy. Zava-misy fototra roa anefa no tsy heverin’ireo mpanao tsikera ireo. Voalohany, i Lioka dia manaiky fa nisy fanisam-bahoaka nihoatra ny iray — mariho fa miresaka momba ‘izany fanoratana voalohany izany’ izy. Fantany tsara ny amin’ilay fanoratana iray hafa, tatỳ aoriana kokoa. (Asan’ny Apostoly 5:37). Io fanisam-bahoaka tatỳ aoriana kokoa io, dia ilay nolazalazain’i Josèphe mpahay tantara ihany, izay nitranga tamin’ny taona fahenina am.f.i. Faharoa, ny naha mpanapaka an’i Kyrenio dia tsy manery antsika hilaza fa tamin’io daty aoriana kokoa io no nahaterahan’i Jesosy. Nahoana? Satria voaporofo fa nitana io toerana io indroa i Kyrenio. Manam-pahaizana maro no manaiky fa tafiditra tao amin’ny fe-potoana voalohany nanapahany ny taona faharoa al.f.i.
Milaza ny mpanao tsikera sasany fa noforonin’i Lioka ilay fanisam-bahoaka mba hanomezana antony nahatonga an’i Jesosy ho teraka tany Betlehema, ho fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Mika 5:1. Manao an’i Lioka ho mpandainga nanao fanahy iniana io teôria io. Tsy misy mpanao tsikera na dia iray aza anefa afaka mampihatra ny filazana tsy voaporofo toy izany amin’ilay mpahay tantara niasa tamin-kitsim-po izay nanoratra ny Filazantsara sy ny bokin’ny Asan’ny Apostoly.
Ny zavatra hafa tsy hain’ny mpanao tsikera hazavaina koa dia izao: Nanatanteraka faminaniana iray koa ange ilay fanisam-bahoaka e! Tamin’ny taonjato fahenina al.f.i., dia naminany ny amin’ny mpanapaka iray izay “hampandeha [mpitaky, NW ] ho any amin’izay tsara indrindra amin’ny fanjakany”, i Daniela. Nihatra tamin’i Aogosto sy ny baiko nomeny mba hanatanterahana fanisam-bahoaka teo amin’ny Isiraely ve izy io? Notohizin’ilay faminaniana ny fanambarany mialoha fa ny Mesia, na ilay “Mpitari-dalana ao amin’ny fanekena” (NW ), dia “hotorotoroina” (NW ) mandritra ny fanjakan’ilay handimby an’io mpanapaka io. ‘Notorotoroina’, na novonoina ho faty marina tokoa i Jesosy nandritra ny fanjakan’i Tiberio, ilay nandimby an’i Aogosto. — Daniela 11:20-22.
[Sary]
Aogosto Kaisara (27 al.f.i.–14 am.f.i.)
Tiberio Kaisara (14–37 am.f.i.)
[Sary nahazoan-dalana]
Musée de Normandie, any Caen, Frantsa
Photograph taken by courtesy of the British Museum
[Sary, pejy 8]
Nanome tombontsoa manokana an’ireo mpiandry ondry nanetry tena ny anjelin’i Jehovah ka nilaza taminy ny vaovao tsara momba ny nahaterahan’i Kristy