-
Iza no “Mpanjakan’ny Avaratra” Amin’ny Fotoanan’ny Farany?Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2020 | Mey
-
-
13. Inona no nataon’ny mpanjakan’ny avaratra nanomboka tamin’ny 1933 sy nandritra ny Ady Lehibe II?
13 Nanafika ny vahoakan’Andriamanitra ny mpanjakan’ny avaratra nanomboka tamin’ny 1933, indrindra fa nandritra ny Ady Lehibe II. Tsy nananany antra mihitsy ry zareo! Raha vao lasa nofehezin’ny Nazia i Alemaina, dia nandrara ny asan’ny vahoakan’i Jehovah i Hitler, mpitondra an-dry zareo, sy ny mpanohana azy. Mpanompon’i Jehovah 1500 teo ho eo no novonoin’izy ireo, ary an’arivony no nalefany tany amin’ny toby fitanana. Tanteraka tamin’izany ny voalazan’i Daniela. ‘Nanazimbazimba ny toerana masina’ sy ‘nanaisotra ny fanatitra atolotra tsy tapaka’ ny mpanjakan’ny avaratra, satria nandrara ny asa fitoriana. (Dan. 11:30b, 31a) Nivoadivoady mihitsy aza i Hitler hoe hataony tsy misy miangana ny mpanompon’i Jehovah tany Alemaina.
-
-
Iza no “Mpanjakan’ny Avaratra” Amin’ny Fotoanan’ny Farany?Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2020 | Mey
-
-
MPIFAHAVALO NEFA NIARA-NIASA
17. Inona ilay “zava-maharikoriko mahatonga faharavana”?
17 Marina fa niady foana ireo mpanjaka roa ireo hatramin’izay. Nampian’ny mpanjakan’ny avaratra anefa ny mpanjakan’ny atsimo mba hanao zavatra lehibe iray. Niara-nanangana “an’ilay zava-maharikoriko mahatonga faharavana” izy ireo. (Dan. 11:31) Ny Firenena Mikambana io “zava-maharikoriko” io.
18. Nahoana no antsoina hoe “zava-maharikoriko” ny Firenena Mikambana?
18 Antsoina hoe “zava-maharikoriko” ny Firenena Mikambana, satria milaza izy io hoe mahavita mampisy fandriampahalemana maneran-tany. Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany anefa no mahavita an’izany. Ary nahoana no lazaina fa “mahatonga faharavana” ilay zava-maharikoriko? Satria hanafika sy handrava ny fivavahan-diso rehetra ny Firenena Mikambana.—Jereo ilay hoe “Mpanjaka Roa Miady Mandritra ny Fotoanan’ny Farany.”
-