-
Mampahafantatra “ny Zavatra Hitranga Tsy ho Ela” i JehovahNy Tilikambo Fiambenana—2012 | 15 Jona
-
-
7. Mifanitsy amin’ny inona ny loha fahafito amin’ilay bibidia sy ny tongotr’ilay sarivongana ngezabe?
7 Samy midika hoe Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina ny tongotr’ilay sarivongana ngezabe sy ny loha fahafito amin’ilay bibidia. Nipoitra avy tamin’ny Fanjakana Romanina ny Fanjakana Anglisy, ary zanatany anglisy ny Amerikanina. Azo lazaina hoe nipoitra avy tamin’ny Fanjakana Romanina àry ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. Ny Fanjakana Romanina ilay ranjo vy amin’ilay sarivongana, nefa nanomboka nisongadina ny Firenena Anglisy-Amerikanina ka izy io no tongotra vy sy tanimanga eo amin’ilay sarivongana. (Vakio ny Daniela 2:41-43.) Malemy anefa ny vy mifangaro tanimanga, raha oharina amin’ny vy. Inona àry no manaporofo fa malemy kokoa noho i Roma ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina?
8, 9. a) Nahoana no azo lazaina fa manana ny tanjaky ny vy ilay firenena matanjaka fahafito? b) Mifanitsy amin’ny inona ilay tanimanga amin’ny tongotr’ilay sarivongana?
8 Nanana ny tanjaky ny vy ilay loha fahafito indraindray. Nandresy, ohatra, izy io tamin’ny Ady Lehibe I sy II.c Mbola natanjaka toy izany ihany izy io, na dia taorian’izay aza. Efa hita hatry ny ela koa anefa hoe nifangaro tanimanga izy io, izany hoe nalemy.
9 Efa ela ny mpanompon’i Jehovah no niezaka namantatra hoe mifanitsy amin’ny inona ny tongotr’ilay sarivongana. Takatr’izy ireo avy amin’ny Daniela 2:41 fa “fanjakana” iray ilay tongotra vy sy tanimanga, fa tsy fanjakana maromaro. Tsy avy any amin’ny fanjakana hafa àry ilay hoe tanimanga fa antokon’olona ao amin’ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina, sy any amin’ny firenena anjakany ihany. Nampihena ny herin’ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina ny zavatra ataon’ireo antokon’olona ireo, ka lasa nalemy kokoa noho i Roma io fanjakana io. Antsoina hoe “taranak’olombelona” ilay tanimanga, izany hoe ny sarambabem-bahoaka. (Dan. 2:43) Nanao ezaka mba hitakiana ny zony ny olona ao amin’io fanjakana io, tamin’ny alalan’ny hetsika isan-karazany. Nisy koa nitaky ny zon’ny mpiasa, ary nisy nanao hetsika mba hananganana fanjakana mahaleo tena. Tsy hatanjaka toy ny vy ilay Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina, noho ny ataon’ny sarambabem-bahoaka. Samy manana ny heviny koa ny mpanao politika eo anivon’io fanjakana io. Mifanakaiky be koa ny voka-pifidianana any, ka tsy tena manana fahefana hanatanterahana ny tetikasany ny mpitondra, na dia izy aza no lany. Marina tokoa ny faminanian’i Daniela hoe: ‘Hisy ampahany amin’ilay fanjakana hatanjaka, fa hisy ampahany kosa halemy.’—Dan. 2:42; 2 Tim. 3:1-3.
-
-
Mampahafantatra “ny Zavatra Hitranga Tsy ho Ela” i JehovahNy Tilikambo Fiambenana—2012 | 15 Jona
-
-
11 Misy dikany manokana ve ny isan’ireo rantsantongotr’ilay sarivongana? Milaza isa voafaritra tsara i Daniela ao amin’ny fahitana hafa. Nolazainy, ohatra, hoe firy ny tandrok’ireo biby samihafa, ary misy dikany manokana ireo isa ireo. Tsy nolazainy kosa anefa ny isan’ny rantsantongotr’ilay sarivongana. Toa tsy misy dikany àry ny isan’izy ireo, mitovy amin’ny hoe tsy misy dikany ny isan’ny sandrin’ilay sarivongana, ny tanany, ny rantsantanany, ny ranjony, ary ny tongony. Ny nolazain’i Daniela dia hoe vy sy tanimanga ny rantsantongony. Afaka manatsoaka hevitra àry isika fa ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina no firenena hatanjaka indrindra eto an-tany, rehefa hamely an’ireo tongotr’ilay sarivongana ilay “vato”, dia ny Fanjakan’Andriamanitra.—Dan. 2:45.
-