-
OmbivavyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
“Ombivavin’i Basana” no niantsoana ireo vehivavy tia haitraitra mpanambaka madinika tao Samaria. (Am 3:15; 4:1) Toy ny ‘vantotr’ombivavy efa voafolaka izay tia niasa teny am-pamoloana’ i Efraima. (Ho 10:11) Mazava kokoa ilay fanoharana rehefa fantatra fa tsy nasiana fehivava ny biby niasa teny am-pamoloana, ka tonga dia nandray soa tamin’ny asa mafy nataony satria afaka nihinana an’izay voa teny. (De 25:4) Rehefa nihanatavy ny Israely satria notahin’i Jehovah, dia “nandaka” Azy na nikomy taminy. (De 32:12-15) Mety tsara àry ny nampitahana azy tamin’ny ombivavy maditra, izay tsy mety asiana zioga. (Ho 4:16) I Ejipta indray toy ny ombivavy kely tsara tarehy hahita loza eo an-tanan’ny Babylonianina. (Je 46:20, 21, 26) Ny Babylonianina nandroba an’i Joda na ny ‘lovan’Andriamanitra’ kosa hoatran’ny ombivavy kely nifalihavanja teo amin’ny ahi-maitso.—Je 50:11.
-
-
Fitaovam-pambolenaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Angady: Nampiasaina rehefa niava ary angamba rehefa namaky bainga. Resahin’ny faminaniana fa nisy niava tanimboaloboka tamin’ny angady.—Is 5:5, 6; 7:23-25.
-
-
Vantotr’ombivavyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Niadana sady nanana ny ampy i Ejipta ka toy ny “ombivavy kely tena tsara tarehy”, kanjo ho resy izy. (Je 46:20, 21) Faly erỳ koa ny Babylonianina rehefa nandresy an’ny Israely vahoakan’Andriamanitra, ka toy ny ombivavy kely nifalihavanja teo amin’ny ahi-maitso. (Je 50:11) Noharin’i Hosea tamin’ny vantotr’ombivavy efa voafolaka kosa i Efraima, na ny fanjakan’ny foko folo, tamin’izy nampianarin’Andriamanitra sy notahiny. Ampoky ny soa mantsy izy, toy ny biby niasa teny am-pamoloana navela hihinana ny vokatry ny asany, izay tsy dia tena mafy loatra.—Ho 10:11; De 25:4.
-