Toko 24
Hafatra Mamy sy Mangidy
Fahitana 6—Apokalypsy 10:1–11:19
Foto-kevitra: Fahitana momba ilay horonam-boky kely sy ny tempoly, ary fitsofana ny trompetra fahafito
Fotoana fahatanterahany: Nanomboka tamin’ny nanjakan’i Jesosy tamin’ny 1914 ka hatramin’ny fahoriana lehibe
1, 2. a) Inona no vokatr’ilay loza faharoa, ary rahoviana no ho tapitra izy io? b) Iza no hitan’i Jaona nidina avy tany an-danitra?
NANDRAVARAVA tokoa ilay loza faharoa, izay namely ny Kristianisma Anarana sy ny mpitondra fivavahany, izany hoe ny “ampahatelon’ny olona.” Naharihary tamin’izany fa maty ara-panahy izy ireo. (Apokalypsy 9:15) Azo antoka fa tian’i Jaona ho fantatra hoe inona indray no hoentin’ny loza fahatelo. Andraso anefa aloha! Mbola tsy tapitra ny loza faharoa, raha tsy tonga eo amin’ny Apokalypsy 11:14 isika. Misy fisehoan-javatra hafa aloha hitan’i Jaona, ary mandray anjara amin’izany mihitsy izy. Mahatalanjona ny zavatra hitany voalohany:
2 “Ary hitako fa nisy anjely mahery hafa iray nidina avy tany an-danitra, nitafy rahona, sady nisy avana teo amin’ny lohany, ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro, ary ny tongony tahaka ny andry afo.”—Apokalypsy 10:1.
3. a) Iza ilay “anjely mahery”? b) Inona no dikan’ilay avana eo amin’ny lohany?
3 Iza io “anjely mahery” io? Tsy iza fa i Jesosy Kristy nomem-boninahitra sy nahazo andraikitra hafa. Mitafy rahona izy, ka tsy hita maso. Mampahatsiahy antsika an’ireto tenin’i Jaona momba an’i Jesosy ireto izany: “Indro, ho avy izy, ao amin’ny rahona. Ary hahita azy ny maso rehetra sy ireo nandefona azy.” (Apokalypsy 1:7; ampitahao amin’ny Matio 17:2-5.) Misy avana eo amin’ny lohan’ilay anjely. Tsaroantsika angamba fa misy ‘avana tahaka ny emeraoda’ eo amin’ny seza fiandrianan’i Jehovah, araka ny hitan’i Jaona teo aloha. (Apokalypsy 4:3; ampitahao amin’ny Ezekiela 1:28.) Manondro filaminana sy fiadanana manodidina ilay seza fiandrianana io avana io. Ny avana eo amin’ny lohan’ilay anjely koa dia manondro fa mpitondra hafatra manokana momba ny fiadanana izy. Izy ilay “Andrian’ny fiadanana” nampanantenain’i Jehovah.—Isaia 9:5, 6.
4. Inona no dikan’ilay hoe a) “tahaka ny masoandro” ny tarehin’ilay anjely mahery? b) “tahaka ny andry afo” ny tongony?
4 “Tahaka ny masoandro” ny tarehin’ilay anjely mahery. “Tahaka ny masoandro mamirapiratra amin’ny heriny rehetra” koa ny tarehin’i Jesosy, tao amin’ilay fahitan’i Jaona momba ny tempoly. (Apokalypsy 1:16) “Masoandron’ny fahamarinana” i Jesosy, ka mitondra fanasitranana ho an’ireo matahotra ny anaran’i Jehovah. (Malakia 3:20) Tsy ny tarehin’ilay anjely ihany no manjelanjelatra, fa ny tongony koa, izay “tahaka ny andry afo.” Miorina mafy toy ny andry izy, satria nomen’i Jehovah “ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.”—Matio 28:18; Apokalypsy 1:14, 15.
5. Inona no hitan’i Jaona teny an-tanan’ilay anjely mahery?
5 Izao koa no hitan’i Jaona: “Ary nisy horonam-boky kely nivelatra teny an-tanany. Ary najorony teo ambonin’ny ranomasina ny tongony havanana, fa teo amin’ny tany kosa ny havia.” (Apokalypsy 10:2) Horonam-boky hafa indray ve io? Eny, saingy tsy misy tombo-kase. Azo antoka àry fa mbola hahita zava-mahaliana i Jaona, ary isika koa. Hijery fanazavana kely mifandray amin’izany anefa aloha isika.
6. a) Nahoana no mety ny hilazana hoe eo ambonin’ny tany sy ny ranomasina ny tongotr’i Jesosy? b) Oviana no tanteraka ny Salamo 8:5-8?
6 Andeha hiverenantsika ny momba an’i Jesosy. Eo ambonin’ny tany sy ny ranomasina ny tongony toy ny andry afo, ka midika izany fa manana fahefana feno amin’ny tany sy ny ranomasina izy. Mifandray amin’izany ilay salamo hoe: “Efa nataonao [Jehovah] ambany kely noho Andriamanitra izy [Jesosy], ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana. Efa nampanjakainao amin’ny asan’ny tànanao izy; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin’ny tongony, dia ny ondry aman-osy sy ny omby rehetra, ary ny bibi-dia koa mbamin’ny voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina, izay mandeha amin’ny làlan-dranomasina.” (Salamo 8:5-8; jereo koa ny Hebreo 2:5-9.) Tanteraka tamin’ny 1914 io salamo io, rehefa lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy, ary nanomboka ny andro farany. Tanteraka nanomboka tamin’io àry ilay fahitan’i Jaona eto.—Salamo 110:1-6; Asan’ny Apostoly 2:34-36; Daniela 12:4.
Kotroka fito
7. Toy ny inona ny feon’ilay anjely mahery, ary inona no dikan’ilay antsoantsony?
7 Raha mbola variana nandinika an’ilay anjely mahery i Jaona, dia niteny ilay anjely. “Ary niantsoantso mafy toy ny liona mierona izy [ilay anjely]. Ary rehefa niantsoantso izy, dia namoaka feo ny kotroka fito.” (Apokalypsy 10:3) Nanaitra an’i Jaona ilay antsoantso mafy, izay nanamafy fa i Jesosy tokoa no “Liona avy amin’ny fokon’i Joda.” (Apokalypsy 5:5) Fantatr’i Jaona koa fa lazaina hoe “mierona” i Jehovah indraindray. Toy ny hoe nierona i Jehovah, mba hanangonana ny Israely ara-panahy sy hanambarana fa ho avy ny fandringanana amin’ny “andron’i Jehovah.” (Hosea 11:10; Joela 4:14, 16; Amosa 1:2; 3:7, 8) Mierona toy ny liona àry ilay anjely mahery, mba hanambarana fa hisy fisehoan-javatra lehibe koa hitranga amin’ny tany sy ny ranomasina. Namoaka feo ireo kotroka fito taorian’izay.
8. Inona no atao hoe ‘feon’ny kotroka fito’?
8 Efa nahare kotroka avy teo amin’ny seza fiandrianan’i Jehovah i Jaona teo aloha. (Apokalypsy 4:5) Nantsoina hoe “feon’i Jehovah” ny kotroka ara-bakiteny, tamin’ny andron’i Davida. (Salamo 29:3) Noheverin’ny olona maro koa fa kotroka ny feon’i Jehovah, rehefa nilaza ny fikasany hanome voninahitra ny anarany izy, tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. (Jaona 12:28, 29) Ny filazan’i Jehovah ny fikasany àry no atao hoe ‘feon’ny kotroka fito.’ “Fito” ireo kotroka, satria feno na ampy tsara ny fanazavana ren’i Jaona.
9. Inona no baiko nomen’ilay feo avy tany an-danitra?
9 Henoy anefa ange e! Mandre feo hafa indray i Jaona. Toa hafahafa ny baiko nomen’izy io. “Ary rehefa niteny ny kotroka fito, dia saika hanoratra aho, kanjo nahare feo avy tany an-danitra nanao hoe: ‘Asio tombo-kase izay nolazain’ny kotroka fito, fa aza soratana.’ ” (Apokalypsy 10:4) Maika erỳ i Jaona ny handre sy hanoratra ny tenin’ireo kotroka fito. Maika ny hahalala ny fikasan’i Jehovah koa ireo voahosotra, mba hahafahany hanambara izany. Tsy mampiharihary izany anefa i Jehovah raha tsy amin’ny fotoana voatondrony.—Lioka 12:42; jereo koa ny Daniela 12:8, 9.
Tanteraka ilay zava-miafina masina
10. Nianiana tamin’iza ilay anjely mahery, ary inona no nambarany?
10 Misy zavatra hafa anirahan’i Jehovah an’i Jaona, mandritra izany. Miteny indray ilay anjely mahery, taorian’ireo kotroka fito. “Ary nanangana ny tanany havanana ho amin’ny lanitra ilay anjely izay hitako nijoro teo ambonin’ny ranomasina sy teo amin’ny tany. Ary izy nianiana tamin’Ilay velona mandrakizay mandrakizay, izay namorona ny lanitra mbamin’izay ao aminy sy ny tany mbamin’izay ao aminy ary ny ranomasina mbamin’izay ao aminy, ka nanao hoe: ‘Tsy hisy hataka andro intsony.’ ” (Apokalypsy 10:5, 6) Nianiana tamin’iza ilay anjely mahery? Tsy nianiana tamin’ny tenany i Jesosy nomem-boninahitra, fa tamin’i Jehovah, ilay Manam-pahefana ambony indrindra sy tsy mety maty, ary Mpamorona ny lanitra sy ny tany. (Isaia 45:12, 18) Nanome toky an’i Jaona ny fianianan’ilay anjely fa tsy hangataka andro intsony Andriamanitra.
11, 12. a) Inona no dikan’ilay hoe “tsy hisy hataka andro intsony”? b) Inona no tanteraka hatramin’ny farany?
11 Ilay teny grika nadika hoe “hataka andro” dia hoe khroʹnos, izay midika ara-bakiteny hoe “fotoana.” Nisy nieritreritra fa io andininy io dia tokony hadika hoe “tsy hisy intsony ny fotoana”, ka toy ny hoe ho tapitra ny fotoana ara-bakiteny. Tsy misy mpanoritra voafaritra anefa miaraka amin’ilay teny grika. Tsy ilay heviny mahazatra àry no tiana holazaina eto, fa “fotoana” na “fe-potoana” tsy voafaritra. Midika izy io hoe tsy hangataka fotoana na hangataka andro intsony i Jehovah. Ampiasaina ao amin’ny Hebreo 10:37 koa ny matoanteny grika avy amin’ilay hoe khroʹnos. Nalain’i Paoly avy ao amin’ny Habakoka 2:3, 4 io teny io, izay milaza fa ‘tsy hitaredretra [na hangataka andro] ilay ho avy.’
12 Azo antoka fa mahafaly an’ireo voahosotra zokiolona ankehitriny ilay hoe “tsy hisy hataka andro intsony”! Inona no ho tanteraka tsy misy hataka andro? Hoy i Jaona: “Fa amin’ny andro handrenesana an’ilay anjely fahafito, rehefa hadiva hitsoka trompetra izy, dia ho efa tanteraka hatramin’ny farany tokoa ilay zava-miafina masin’Andriamanitra. Ary io zava-miafina io dia araka ny vaovao tsara nambaran’Andriamanitra tamin’ny mpaminany mpanompony.” (Apokalypsy 10:7) Tonga ny fotoana hanatanterahan’i Jehovah hatramin’ny farany an’ilay zava-miafina masina. Mahafaly tokoa izany fandresena lehibe izany!
13. Inona ilay zava-miafina masin’Andriamanitra?
13 Inona ilay zava-miafina masina? Anisan’io zava-miafina io ny hoe iza ilay taranaka nampanantenaina tany Edena, ka i Jesosy Kristy no taranaka voalohany. (Genesisy 3:15; 1 Timoty 3:16) Anisan’izy io koa ny hoe iza ilay vehivavy niavian’ilay Taranaka. (Isaia 54:1; Galatianina 4:26-28) Tafiditra amin’izy io ireo taranaka faharoa sy ilay Fanjakana hoentin’ilay Taranaka. (Lioka 8:10; Efesianina 3:3-9; Kolosianina 1:26, 27; 2:2; Apokalypsy 1:5, 6) Tsy maintsy torina eran-tany mandritra ny andro farany ny vaovao tsara momba io Fanjakana miavaka any an-danitra io.—Matio 24:14.
14. Nahoana ilay loza fahatelo no mifandray amin’ny Fanjakan’Andriamanitra?
14 Vaovao faran’izay tsara tokoa izany! Mifandray amin’io Fanjakana io anefa ilay loza fahatelo ao amin’ny Apokalypsy 11:14, 15. Nahoana? Satria milaza loza ho an’ny olona tia ny tontolon’i Satana, ny fanambarana ilay vaovao tsara hoe tanteraka hatramin’ny farany ilay zava-miafina masina, izany hoe efa manjaka ny Fanjakan’ny Mesia. (Ampitahao amin’ny 2 Korintianina 2:16.) Midika izany fa madiva ho ringana ilay tontolo tena tian’izy ireo. Mihamazava sy mihamafy hatrany ny feon’ireo kotroka mampitandrina ny amin’izany loza izany, arakaraka ny anatonan’ny andro famalian’i Jehovah.—Zefania 1:14-18.
Ilay horonam-boky mivelatra
15. Ahoana hoy ilay feo avy tany an-danitra, ary inona no tenin’ilay anjely mahery? Inona no vokatr’izany teo amin’i Jaona?
15 Nisy zavatra hafa nasaina nataon’i Jaona, raha mbola niandry ny fitsofana ny trompetra fahafito sy ny fahatanterahan’ilay zava-miafina masina izy: “Ary niteny tamiko indray ilay feo reko avy tany an-danitra, nanao hoe: ‘Andeha raiso ilay horonam-boky mivelatra eny an-tanan’ilay anjely mijoro eo ambonin’ny ranomasina sy eo amin’ny tany.’ Koa nankeny amin’ilay anjely aho ka nilaza taminy mba hanome ahy ilay horonam-boky kely. Ary hoy izy tamiko: ‘Raiso ity, dia hano ka lanio. Hampangidy ny kibonao izy ity, fa ho mamy toy ny tantely kosa ao am-bavanao.’ Ary noraisiko teny an-tanan’ilay anjely ilay horonam-boky kely ka nohaniko, dia mamy toy ny tantely izy tao am-bavako, fa rehefa laniko kosa, dia nanjary nangidy ny kiboko. Ary hoy izy ireo tamiko: ‘Tsy maintsy maminany indray ny amin’ny vahoaka sy firenena sy olona samy hafa fiteny ary mpanjaka maro ianao.’ ”—Apokalypsy 10:8-11.
16. a) Inona no nitranga tamin’i Ezekiela mpaminany, ka nitovy tamin’izay nitranga tamin’i Jaona? b) Nahoana no mamy tao am-bavan’i Jaona ilay horonam-boky kely, nefa nahoana izy io no nangidy tao an-kibony?
16 Mitovy amin’izay nitranga tamin’i Ezekiela mpaminany tany an-tsesitany tany Babylona ny nitranga tamin’i Jaona. Nasaina nihinana horonam-boky koa i Ezekiela, ary mamy tao am-bavany ilay izy. Tsy maintsy nilaza hafatra mangidy ho an’ny Israely nikomy anefa izy taorian’izay. (Ezekiela 2:8–3:15) Hafatra avy amin’Andriamanitra koa ilay horonam-boky nivelatra azon’i Jaona avy tamin’i Jesosy Kristy nomem-boninahitra. Tsy maintsy mitory momba ny “vahoaka sy firenena sy olona samy hafa fiteny ary mpanjaka maro” i Jaona. Mamy tao am-bavany na tiany ilay horonam-boky, satria avy tamin’Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny Salamo 119:103; Jeremia 15:15, 16.) Nangidy tao an-kibony anefa izy io, satria nilaza loza ho an’ny olombelona mpikomy, toy ny hafatra nolazain’i Ezekiela.—Salamo 145:20.
17. a) Iza no niteny tamin’i Jaona mba haminany “indray”, ary inona no dikan’ilay hoe “indray”? b) Oviana no tanteraka ny fahitan’i Jaona mifandray amin’ilay horonam-boky kely?
17 Azo inoana fa i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy no niteny tamin’i Jaona mba haminany indray. Natao sesitany tany amin’ny nosy Patmo izy tamin’io, ary efa naminany momba ny vahoaka sy firenena sy olona samy hafa fiteny ary mpanjaka maro, tao amin’ireo toko tany aloha, ao amin’ny Apokalypsy. Ilay teny hoe “indray” àry dia midika fa tsy maintsy manoratra sy mampiely ny ambin’ireo fanazavana ao amin’ny Apokalypsy izy. Tadidio anefa fa anisan’ilay faminaniana koa ny zavatra nataon’i Jaona mifandray amin’ilay horonam-boky kely. Tanteraka taorian’ny 1914, raha ny marina, ny faminaniany. Tamin’io mantsy no tanteraka ilay hoe nijoro teo ambonin’ny tany sy ny ranomasina ilay anjely mahery. Inona àry no dikan’io fahitan’i Jaona io ho an’ireo voahosotra ankehitriny?
Ilay horonam-boky kely ankehitriny
18. Inona no manaporofo fa liana tamin’ny bokin’ny Apokalypsy ireo voahosotra, teo am-piandohan’ny andron’ny Tompo?
18 Tanteraka tamin’ny fomba miavaka tamin’ireo voahosotra ny fahitan’i Jaona, teo am-piandohan’ny andron’ny Tompo. Mbola tsy azon’izy ireo tsara tamin’izany ny fikasan’i Jehovah, anisan’izany ny zavatra nambaran’ireo kotroka fito. Tena liana tamin’ny Apokalypsy anefa izy ireo, ary nanazava momba ny ampahany maro tamin’izy io i Charles Russell. Nangonina sy natao tao amin’ilay boky hoe Ilay Mistery Fantatra ny zavatra maro nosoratany, rehefa maty izy tamin’ny 1916. Tsy tena nahafa-po anefa ny fanazavana momba ny Apokalypsy tao amin’io boky io. Tsy maintsy niandry elaela ireo rahalahin’i Kristy, satria rehefa nanomboka tanteraka ireo fahitana vao takatr’izy ireo ny tena heviny.
19. a) Ahoana no nampiasan’i Jehovah an’ireo voahosotra, na dia mbola tsy nazava tsara aza ny zavatra nambaran’ireo kotroka fito? b) Oviana ireo voahosotra no nomena an’ilay horonam-boky kely, ary inona no dikan’izany ho azy ireo?
19 Na dia mbola tsy nazava tsara aza anefa ny zavatra nambaran’ireo kotroka fito, dia efa nampiasain’i Jehovah ireo voahosotra, toy ny nataony tamin’i Jaona. Efa 40 taona talohan’ny 1914 izy ireo no nazoto nitory, ary mbola niezaka mafy nanao izany nandritra ny Ady Lehibe I. Izy ireo no nanome sakafo ara-panahy tamin’ny fotoana nety ho an’ireo olona antsoina hoe “mpiasa an-trano”, rehefa tonga ny tompo. (Matio 24:45-47) Izy ireo àry tamin’ny 1919 no nomena ilay horonam-boky nivelatra, izany hoe hafatra hotorina mba ho fantatry ny olona rehetra. Toa an’i Ezekiela izy ireo, ka nomena hafatra hotorina amin’ny olona tsy nahatoky, dia ny Kristianisma Anarana, izay mihambo ho manompo an’Andriamanitra, nefa tsy manao izany akory. Tsy maintsy nitory bebe kokoa momba ny “vahoaka sy firenena sy olona samy hafa fiteny ary mpanjaka maro” koa izy ireo, toa an’i Jaona.
20. Inona no oharina amin’ny fihinanan’i Jaona an’ilay horonam-boky?
20 Ny faneken’ireo rahalahin’i Jesosy an’ilay fanendrena azy hitory, no oharina amin’ny fihinanan’i Jaona an’ilay horonam-boky. Lasa nitana toerana lehibe teo amin’ny fiainan’izy ireo io asa io, satria niezaka foana izy ireo nanazava ny hafatra tao amin’ilay horonam-boky. Nataony sakafo ara-panahy koa io ampahany amin’ny Tenin’Andriamanitra io. Mangidy ho an’ny olona maro anefa ny didim-pitsaran’i Jehovah notorin’izy ireo. Anisan’izany ireo loza voalazan’ny Apokalypsy toko 8. Mamy ho an’ny Kristianina tso-po kosa ny nahafantatra ireo didim-pitsarana ireo sy ny hoe mbola ampiasain’i Jehovah hanambara izany izy ireo.—Salamo 19:9, 10.
21. a) Hazavao fa nanjary mamy ho an’ny vahoaka be koa ilay hafatra tao amin’ilay horonam-boky kely. b) Nahoana no vaovao ratsy ho an’ny mpanohitra ilay vaovao tsara?
21 Nanjary mamy koa io hafatra io ho an’ny ‘vahoaka be avy amin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra’, izay misento noho ny fahavetavetana hitany eo anivon’ny Kristianisma Anarana. (Apokalypsy 7:9; Ezekiela 9:4) Mazoto mitory ny vaovao tsara koa izy ireo, ka mampiasa teny mamy sy mahafinaritra mba hilazana ny fanampiana faran’izay tsara omen’i Jehovah ny olona toy ny ondry. (Salamo 37:11, 29; Kolosianina 4:6) Vaovao ratsy ho an’ny mpanohitra anefa izy io. Nahoana? Satria midika izy io hoe tsy maintsy horavana ilay tontolo nitokisan’izy ireo, izay mety ho nitondra fahafaham-po vetivety ho azy. Milaza loza ho azy ireo ilay vaovao tsara.—Filipianina 1:27, 28; ampitahao amin’ny Deoteronomia 28:15; 2 Korintianina 2:15, 16.
[Sary, pejy 160]
Mitory hafatra mamy sy mangidy ho an’ny olombelona rehetra ireo voahosotra sy ny namany