-
RahonaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Mihelina sy tsy azo antoka. Misy rahon-javona mora levona any Israely amin’ny maraina, ary nampitovina tamin’izany ny fitiavan’i Efraima sy Joda an’Andriamanitra, satria niovaova sy nihelina. Nampitovina tamin’izany koa i Efraima noho izy tsy haharitra eo amin’ny taniny satria nanaraka fivavahan-diso.—Ho 6:4; 13:3.
-
-
AndoFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Vetivety dia levona ny zavona sy ny andon’ny maraina tany Israely, rehefa tratran’ny hainandro. Levona vetivety toy izany koa ny fitiavan’i Efraima (Israely) sy Joda an’Andriamanitra, nefa efa kely dia kely. (Ho 6:4) Nanao ratsy ny mponin’i Efraima (Israely) ka natao sesitany, ary lasa “toy ny ando levona vao maraina.”—Ho 13:1-3, 16.
-