Manaova Fanambarana Ampahibemaso ny Anaran’i Jehovah
“Aoka isika hanatitra ny fanati-piderana (...) ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay [manao fanambarana ampahibemaso, NW ] ny anarany.” — HEBREO 13:15.
1. Nandodona ny Isiraelita namany hanao inona i Hosea mpaminany?
NANANA hafatra niankinan’ny aina ho an’ireo Isiraelita namany i Hosea mpaminanin’i Jehovah. Tamin’ny taonjato fahavalo Alohan’ny Fanisan-taona Iraisana, dia nampirisihiny hibebaka ireo niara-belona taminy naditra. Nandodona toy izao izy: “Mitondrà teny hianareo, eny, miverena amin’i Jehovah, ka manaova aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra, ary raiso izay tsara, ka dia haterinay ho fanatitra ny [vantotr’ombilahin’ny] molotray.” (Hosea 14:3, jereo ny fanamarihana ambany pejy.) Rehefa nandodona ny olona hanolotra ‘ny vantotr’ombilahin’ny molony’ ho an’i Jehovah ny faminanian’i Hosea, dia nampirisika ireo Isiraelita mba hibebaka sy hanolotra fanati-piderana feno fahatsorana ho an’Andriamanitra.
2. Karazana fanatitra inona no nampirisihan’ny apostoly Paoly hataon’ny Kristiana?
2 Amin’izao andro izao, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manatitra ‘ny vantotr’ombilahin’ny molony’. Arahin’izy ireo koa ilay fampirisihana nataon’ny apostoly Paoly izay nanisy fitenenana tsy nivantana an’ireo teny faminanian’i Hosea ireo rehefa nanoratra hoe: “Aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ny alalany [Jesosy Kristy] ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay [manao fanambarana ampahibemaso, NW ] ny anarany.” (Hebreo 13:15). Araka izany, dia midera an’i Jehovah amim-pifaliana ireo mpanompon’Andriamanitra, toy ny ataony eo amin’ny asa fitoriany ilay Fanjakana. — Matio 24:14.
3. Ahoana no ahafahantsika manolotra “fanati-piderana” ho an’i Jehovah, ary ny asan’iza izao no hodinihintsika?
3 Ho an’ny olombelona tsy lavorary, ny fanaovana fanambarana ampahibemaso ny anaran’i Jehovah dia tombontsoa ho an’izay tsy mendrika akory. Faly toy inona moa isika milaza amin’ny hafa ny momba an’Andriamanitsika, ka amin’izany dia manolotra “fanati-piderana”, ‘ny vantotr’ombilahin’ny molotsika’ ho an’i Jehovah! Mba hampaherezana antsika eo amin’ny fitoriana ampahibemaso ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’izao andro izao, dia aoka isika handinika izay lazain’ny Baiboly amintsika mikasika an’ireo mpaminanin’Andriamanitra sy ireo mpanompon’i Jehovah hafa. Afaka miana-javatra betsaka avy amin’ny fiainan’izy ireo isika, ka izany dia hanampy antsika hankafy ny asa fitoriana ataontsika. — Romana 15:4.
Ny anjara asan’ireo mpaminany
4, 5. a) Inona no hevitra fototr’ireo teny nadika hoe “mpaminany” tao amin’ny fiteny nampiasain’ny Baiboly tany am-boalohany? b) Inona no manondro fa nanana anjara asa nanaitra tao anatin’ny fandaharan’Andriamanitra ireo mpaminany?
4 Nanana tombontsoa hanambara ny hafatr’i Jehovah ampahibemaso ireo mpaminaniny. Tsy fantatra tsara ny niavian’ilay teny hebreo hoe “mpaminany” (na·viʼʹ), kanefa ny fampiasan’ny Baiboly azy io dia manondro fa ireo tena mpaminany dia mpitondra tenin’i Jehovah, lehilahin’Andriamanitra nanana hafatra ara-tsindrimandry. Ilay teny grika nadika hoe “mpaminany” (pro·pheʹtes) dia midika ara-bakiteny hoe “mpiteny sahisahy”, milaza zavatra “eo anatrehan’ny” na “eo anoloan’ny” olona iray. Ny mpaminany dia olona iray izay manambara hafatra lazaina fa avy amin’Andriamanitra. Matetika, fa tsy hoe izany foana, ny tena mpaminanin’Andriamanitra dia nilaza mialoha fisehoan-javatra amin’ny hoavy.
5 Mikasika ny anjara asa nanaitra notanan’ireo mpaminany tao amin’ny fandaharan’Andriamanitra, dia izao no lazain’ny Cyclopædia nataon’i M’Clintock sy i Strong: “Indraindray dia nangatahina ny torohevitr’izy ireo (...) Kanefa matetika kokoa dia nahatsiaro tena ho voatosika anaty izy ireo mba hiteny amin’ny olona, tsy nisy fangatahana ny toroheviny, ary tsy natahotra ny hiteny tamim-pahasahiana sy tamim-pahatapahan-kevitra izy ireo teny amin’ny toerana izay angamba nahatonga ny fisehoany hiteraka fahasosorana sy horohoro.” (Boky faha-VIII, pejy faha-640). Diniho ny ohatra sasany mikasika izay nanosika ireo mpaminany ireo hanana fijoroana tamin-kerim-po toy izany.
Fihetseham-po sy antony manosika
6, 7. Inona no nasain’i Jehovah nohanin’i Ezekiela mpaminaniny, ary inona no vokatr’izany?
6 Talohan’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i., dia niresaka tamin’ireo Jiosy natao sesitany tany Babylona i Jehovah, tamin’ny alalan’i Ezekiela mpaminaniny. Nilaza taminy toy izao i Jehovah: “Ry zanak’olona, hano izay hitanao, eny, hano ity horonan-taratasy ity, dia mandehana, ka mitenena amin’ny taranak’Isiraely.” Nankato i Ezekiela. Hoy izy: “Dia nosokafako ny vavako, ary nafahany ahy izany horonan-taratasy izany. Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, vokiso ny kibonao, ary fenoy ity horonan-taratasy omeko anao ity ny tsinainao. Dia nihinana aho, ka, mamy tao am-bavako toy ny tantely izy.” — Ezekiela 3:1-3.
7 Maka ny otrikaina avy amin’ny sakafo izay hanintsika ny vatantsika, ka amin’ny heviny sasany dia manjary anisan’ny tenantsika ireny otrikaina ireny. Toy izany koa fa ilay “horonan-taratasy” nohanin’i Ezekiela — ilay hafatr’i Jehovah tsy maintsy nambaran’ilay mpaminany — dia tsy maintsy tonga anisan’ny tenany, nisy fiantraikany teo amin’ny fihetseham-pony. Nanetsika aoka izany ny fihetseham-po lalin’i Ezekiela ny tenin’Andriamanitra, hany ka fahafinaretana ho azy ny fanambarana izany ampahibemaso. Raha Vavolombelon’i Jehovah ianao, moa ve ianao mahita fahafinaretana eo amin’ny fanaovana fanambarana ampahibemaso ny hafatr’Andriamanitra?
8, 9. Inona no nanosika an’i Amosa haminany?
8 Diniho koa ny mpaminany Amosa. Niaina tamin’ny taonjato fahasivy al.f.i. izy, ary anisan’ireo mpaminany hebreo voalohany nanoratra boky ao amin’ny Baiboly mitondra ny anarany. Sahala amin’i Ezekiela, dia mpanambara tsy misy olakolaka ny tenin’i Jehovah i Amosa. Miverimberina in-11 ao anatin’ilay boky manontolo mitondra ny anarany ny fitenenana hoe “izao no lazain’i Jehovah”! (Amosa 1:3, 6, 9, 11, 13; 2:1, 4, 6; 3:12; 5:4; 7:17). Nahatsapa filana hanambara ampahibemaso ny tenin’Andriamanitra i Amosa.
9 Tamin’ny naha-mpaminanin’Andriamanitra an’i Amosa, dia nanaiky ny fanambaran’Andriamanitra izy, tamin’ny fanombohana nanao zavatra haingana. Hoy Andriamanitra, tamin’ny alalan’i Amosa: “Ny liona no mierona, ka iza no tsy hatahotra? Jehovah Tompo no miteny, ka iza no tsy haminany?” (Amosa 3:8). Voatosika tamin’ny fomba tsy voatohitra hanambara ny hafatr’i Jehovah ilay mpaminany.
10. Ahoana no fihetsik’ireo mpanompon’i Jehovah amin’izao andro izao rehefa toherina ny asa fitoriana ataony?
10 Amin’ny fomba fieron’ny liona, dia mandefa hafatra fanamelohana ho an’ny fandehan-javatra ratsin’izao tontolo izao ankehitriny i Jehovah. Sahala amin’i Amosa, ireo mpanompon’i Jehovah amin’izao andro maoderina izao dia mahatsiaro ho voatosika hanambara ampahibemaso ny tenin’Andriamanitra. Na dia rehefa rahonan’ny mpanohitra aza izy ireo, dia manaraka ny ohatry ny apostoly Petera sy Jaona izay nanambara tamin-kery hoe: “Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay.” Nilaza koa ireo apostoly hoe: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” (Asan’ny Apostoly 4:20; 5:29). Ahoana àry ny amintsika? Tsara ny mandinika ny fihetseham-pontsika mikasika ny fanambarana ampahibemaso ny anaran’i Jehovah.
‘Amin’ny haben’ny ao am-po’
11. Inona no tokony hanosika antsika haharitra eo amin’ny fanaovana fanambarana ampahibemaso ny anaran’i Jehovah?
11 Tsy isalasalana fa velom-pankasitrahana noho ny tombontsoa nananany ireo mpaminanin’i Jehovah. Ny fankasitrahana an’i Jehovah toy izany dia tokony hanosika antsika hanao fanambarana ampahibemaso ny anarany. Hoy ny Salamo 145:1, 2: “Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria. Hankalaza Anao isan-andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria.” Mampiseho taratry ny toe-tsainao ve ireo teny ireo? Ny fianarana tsy tapaka ny Baiboly dia manampy antsika handalina ny fankasitrahantsika an’izay efa nataon’Andriamanitra sy ataony ary mbola hataony ho antsika. Ary rehefa miara-mianatra ny Baiboly amin’ny maha-fianakaviana isika, moa ve tsy hitantsika fa misy heriny ny Tenin’Andriamanitra, ka mahatonga antsika haniry hiresaka ny aminy sy ny fikasany? (Hebreo 4:12). Mba hahitana vokatra eo amin’ny fanaovana fanambarana ampahibemaso ny anaran’i Jehovah, dia ilaintsika koa ny mampiasa amin’ny fomba feno ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana izay omen’i Jehovah Andriamanitra amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” voahosotra. — Matio 24:45-47, NW.
12. Ahoana no ahafahan’ny fivoriana kristiana sy ny fisaintsainana manampy antsika hanao fanambarana ampahibemaso?
12 Raha te hidera an’i Jehovah amin’ny fo feno fankasitrahana isika, dia ilaintsika ny manatrika tsy tapaka ireo fivoriana kristiana. Ny rehetra amin’ny vahoakan’i Jehovah dia tokony hanaraka ilay fananaran’i Paoly manao hoe: “Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.” (Hebreo 10:24, 25). Manatrika tsy tapaka ireo fivoriana kristiana ve ianao? Moa ve ianao miresaka matetika ny amin’ireo fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina, ny amin’ireo fitantarana tsara dia tsara hita teny am-pitoriana, sy ny amin’ireo vaovao mampientanentana mikasika ny fitarana teokratika renao any amin’ireo fivorian’ny vahoakan’Andriamanitra? Raha malaina ny hiresaka ny amin’i Jehovah sy ny fikasany ianao, dia makà fotoana hisaintsainana ny Teniny mba hahafahan’ireo heviny hilentika lalina ao am-ponao. (Salamo 77:12; 143:5). Eny, ny fivoriana kristiana sy ny fisaintsainana tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra dia tokony hanampy anao hankasitraka ilay tombontsoa mahatalanjona hanao fanambarana ampahibemaso ny anaran’i Jehovah.
13. Ahoana no ‘amoahantsika ny tsara’ avy ao am-pontsika?
13 Rehefa manana fo feno fankasitrahana an’i Jehovah isika, dia mamoaka zavatra tsara. “Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony”, hoy ny fanjohian-kevitra nataon’i Jesosy, “ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa amin’ny haben’ny ao am-pony no itenenan’ny vavany.” (Lioka 6:45). Mety hisy ve fomba tsara kokoa ‘amoahana ny tsara’ noho ny fanaovana fanambarana ampahibemaso ny anaran’i Jehovah sy ny firesahana ny amin’ny fikasany amin’ireo mpiara-monina amintsika, amin’ireo havantsika — eny, amin’izay rehetra mifanena amintsika?
Vokatry ny fanambarana ampahibemaso
14. a) Afaka manandrana inona ireo mpanambara sy mpihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana? b) Inona no tanterahina amin’ny alalan’ny asa fitoriana ilay Fanjakana?
14 Nahita fifaliana tamin’ny fanompoany ireo mpaminanin’Andriamanitra, ary izay nolazainy dia nitondra soa ho an’ireo mpihaino izay nandray izany. Toy izany koa fa mitondra fifaliana lehibe ho an’ireo mpitory azy ny fanambarana ampahibemaso ny hafatra momba ilay Fanjakana. (Asan’ny Apostoly 20:35). Ary soa toy inona moa no entin’izany ho an’ireo mpihaino mahay mankasitraka! Manampy ny olona handresy na hisetra ny fahaketrahana ny fanekena ny vaovao tsara. Mifaly amin’ny fahatsinjovana ny fitsanganan’ny maty ireo nidonam-pahoriana. Afaka amin’ny fanandevozan’ny nicotine (poizina avy amin’ny sigara na paraky) sy ny héroïne (zava-mahadomelina) ary ny zavatra hafa mahatonga fahazaran-dratsy ireo za-dratsy tamin’izany. Maro no mihatsara fitondran-tena, ary izay rehetra manaiky ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly dia mahazo fahafahana ara-panahy. (Jaona 5:28, 29; 8:32). Ny fanambarana ilay Fanjakana ho ny hany fanantenana ho an’ny taranak’olombelona koa dia natao hampitandremana ny ratsy fanahy, na dia miteraka fandraisana amim-pifaliana aza izy io eo amin’ny olona tso-po. Araka izany, dia eo am-panavahana azy ny olona: Na ho amin’ny “fanafoanana mandrakizay”, na ho amin’ny “fiainana mandrakizay” rehefa hampiharina eo amin’itỳ tontolo ratsy itỳ ny didim-pitsaran’Andriamanitra. (Matio 24:14; 25:31-46, NW; Ezekiela 33:1-9; 1 Timoty 2:3, 4). Asa famonjena mbola tsy nisy toa azy ny asa fitoriantsika, dia fanambarana fampahafantarana amin’ny besinimaro amin’ny fomba miitatra sy miely patrana indrindra tanterahina eto an-tany!
15. Inona no azo atao mba hanampiana ireo azo ampoizina fa olona mendrika ao amin’ny faritany fitoriantsika?
15 Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro maoderina antsika, dia manompo amim-pifaliana sy amim-pankatoavana ny Raintsika any an-danitra isika. (Romana 12:11). Noho izany, dia faly isika manokana fotoana tsy tapaka mba handraisana anjara amin’ilay asa fitoriana ny vaovao tsara ampahibemaso sy isan-trano. (Asan’ny Apostoly 5:42; 20:20). Asehon’ireo tatitra maneran-tany fa mbola misy olona sasany mendrika ao amin’ireo faritanintsika. Misy fiantraikany eo amin’ny olona amin’ny fomba maro samihafa ny fiovan’ny toe-javatra eo amin’izao tontolo izao. Tamin’ny fomba tsy nampoizina, dia maro no nanjary mpitsoa-ponenana, mpialokaloka any an-tanin’olona. Angamba misy sasany amin’ireny olona ireny ao amin’ny faritany itoriantsika. Raha izany no izy, dia aoka isika hanao izay azontsika atao mba hanampiana azy ireny ara-panahy eo am-paharetantsika amin’ny “asa masin’ny vaovao tsara”. (Romana 15:16, NW ). Ny Kristiana sasany dia nianatra fiteny hafa mba hanambarana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’ny olona toy izany.
16. Inona no afaka manampy antsika mba haharitra eo amin’ny fanambarana ny anaran’i Jehovah?
16 Maro tamin’ireo mpaminanin’Andriamanitra no nahazo fanendrena tena sarotra. Tsy mora taminy ny nanambara ny hafatr’Andriamanitra tamin’olona tsy nandray. Toy izany koa fa tsy mora ho an’izay rehetra nanolo-tena ho an’i Jehovah akory ny manao fanambarana ampahibemaso ny anarany, indrindra fa any amin’ireo faritany izay misy olona tsy mandray ny ankamaroany. Afaka maharitra amin’ny fanambarana ny hafatra momba ilay Fanjakana anefa isika, amin’ny fananana fatokiana izay vokatry ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra amim-pandavan-tena, miaraka amin’ny tanjaka izay omen’i Jehovah. (Filipiana 4:13; Apokalypsy 14:6). Amin’io lafiny io, inona koa no azontsika ianarana avy amin’ireo mpaminanin’i Jehovah sy ireo mpanompony hafa tamin’ny andro fahiny?
Fiarahana eny amin’ny asa fanompoana
17. Inona avy ireo ohatra sasany araka ny Soratra Masina mikasika ny fiarahana nahasoa teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra?
17 Tamin’ny voalohany i Mosesy mpaminanin’Andriamanitra dia nahazo ny fanampian’i Arona zokiny lahy, mba hikarakarana ny asa nanendrena azy. Nilaza tamin’i Mosesy toy izao i Jehovah: “[I Arona] hiteny amin’ny olona hisolo anao; ka dia izy no ho solovavanao”. (Eksodosy 4:16). Diniho koa ny tamin’ny andron’ny mpaminany Elia sy Elisa, fony niroborobo “ireo zanaky ny mpaminany”. Izy ireo dia toa antokona mpanompon’Andriamanitra izay niara-niasa, tsy isalasalana fa nankafy fiarahana nahafinaritra teo amin’izy samy izy. (2 Mpanjaka 2:3-5; 4:38; ampitahao amin’ny 1 Samoela 10:5, 10.) Mazava ho azy fa tsy nandray anjara tamin’ny fanambarana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana i Mosesy sy i Arona ary “ireo zanaky ny mpaminany”. Na dia izany aza, dia nahasoa azy rehetra ny fiarahan’izy ireo. Taonjato maro tatỳ aoriana i Jesosy Kristy dia nandefa mpianatra 70 teny amin’ny fanompoana nandeha “tsiroaroa”, ary tsy isalasalana fa nandray soa avy tamin’ny fiarahana nomena tamin’izany izy ireo. — Lioka 10:1-16; ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:10, 11; 20:20.
18. Amin’ny ahoana ny fiarahana eo amin’ny fanompoana no miasa ho amin’ny zava-kendrena mahasoa amin’izao andro izao?
18 Tamin’ny taona 1953, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanomboka fandaharana iray. Tao amin’izany fandaharana izany ireo mpitory ilay Fanjakana dia niara-niasa teny amin’ny asa fanompoana. Mazava ho azy fa izany akory tsy natao fotsiny mba hisian’ny fiarahana. Ilay fandaharam-pampiofanana dia natao mba hahatonga ny mpanompon’Andriamanitra ho mpampianatra sy mpitory ny vaovao tsara mahita vokatra kokoa. Tamin’ny fitadidiana izany zava-kendrena izany, ireo mpitory ilay Fanjakana za-draharaha kokoa dia nandray anjara tamin’ny fanompoana niaraka tamin’ireo vaovao kokoa. Faran’izay nahasoa io fandaharam-pampiofanana teo amin’ny isan-trano io ary nanampy ny vahoakan’i Jehovah mba hihatsara teo amin’ny fanaovana fanambarana ampahibemaso ny anarany. (1 Timoty 4:16). Amin’izao andro izao, dia ny fiarovana amin’ny loza no antony hafa iray mahatonga ny Kristiana hampirisihina handray anjara amin’ny fanompoana “tsiroaroa”, indrindra any amin’ny faritra sasany.
19. Inona no tokony hotadidina ao an-tsaina mikasika ireo tanjon’ny tena manokana eo amin’ny fanompoana?
19 Na miasa miaraka amin’ny mpiray finoana eo amin’ny fanompoana ianao, na mandeha irery isam-baravarana, dia manaova fiezahana mba hanatratrarana tanjona na zava-kendrena an’ny tenanao manokana. Tokony hanisy fiheverana ny zava-misy sy ho azo tratrarina izy io. Mila fanampiana ve ianao eo amin’ny fampifanarahana ny fampidiran-dresakao mba hanairana ny fahalianan’ny olona ao amin’ny faritaninao? Raha izany no izy, dia angamba ianao afaka miaraka amin’ny mpisava lalana iray, mpitory ilay Fanjakana manontolo andro, na miaraka amin’ny mpitory iray izay mety hahita vokatra manokana eo amin’ny fampidiran-dresaka tsara. Mety ho afaka hanampy anao ilay namanao eo amin’ny fanomanana sy ny fampiasana ireo fampidiran-dresaka voasoritra ao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana na ao amin’ilay boky hoe Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina. Indraindray rehefa miara-mitory isan-trano ianareo, dia henoy amim-pitandremana ny fomba fampiseho ataon’ilay namanao. Avy eo, dia aoka ny tenanao hanandrana fomba fampiseho mitovy amin’izany mandra-pahatonganao ho kinga eo amin’io lafiny amin’ny fanompoanao io.
20, 21. Inona no mety hahatonga ny fiarahana eo amin’ny asa fanompoana hahasoa indrindra?
20 Ahoana raha mila fanampiana ianao eo amin’ny fanaovana fiverenana mitsidika mandaitra mba hanombohana fampianarana ny Baiboly any an-tokantrano? Angamba, amin’ny alalan’ny mpitarika ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona, dia azo atao ny fandaharana iray mba hiasanao eo amin’ny asa fanompoana miaraka amin’ny mpitory ilay Fanjakana iray izay tena mahita fahombiazana eo amin’ny fanombohana fampianarana ny Baiboly. Aoka ianao tsy ho tsangan’olona fotsiny rehefa miara-manao fiverenana mitsidika. Rehefa avy nasehon’ilay namanao kosa ny fomba hitondrany ny raharaha mandritra ny fitsidihana iray, dia mety ho hitanao fa mahasoa ny fanaovana fomba fampiseho mitovy amin’izany rehefa manao ilay fiverenana mitsidika manaraka. Ho eo ilay namanao mba hanampy sy hanolotra torohevitra aorian’izay. — Ampitahao amin’ny Galatiana 6:6.
21 Afaka manampy anao hanatratra ny zava-kendrenao ny fanampiana feno fitiavana avy amin’ny namana eo amin’ny asa fanompoana toy izany. Hahatonga anao hahita vokatra bebe kokoa mihitsy aza io fanampiana io sy ilay fankasitrahanao lalina ny hatsaram-panahin’i Jehovah miharo fitiavana ka namelany anao hanao io asa feno tombontsoa io. Ary enga anie ianao hankamamy ny tombontsoa anananao hankalaza an’i Jehovah amin’ny firesahana zavatra tsara momba azy sy amin’ny fanaovana tsy tapaka fanambarana ampahibemaso ny anarany. — Salamo 145:1, 2, 9-13.
22. Hanampy antsika hamaly ny fanontaniana inona avy ny fianarantsika manaraka?
22 Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika, dia manao fitsidihana miverimberina isika eo amin’ny fanompoantsika isan-trano. Maro no mihaino ny vaovao tsara amim-pankasitrahana lalina. Ny sasany anefa mety halaina ny hihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana. Inona no tokony hataontsika amin’ny toe-javatra toy izany? Ahoana no hahafahantsika haharitra amin’ilay asa nanendren’i Jehovah ny vahoakany? Ohatra araka ny Soratra Masina inona avy no afaka manampy na mitarika antsika? Hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo.
Takatrao ve Ireto Hevitra Ireto?
◻ Inona no samy nolazain’i Hosea sy ny apostoly Paoly mikasika ny fanatitra ho an’Andriamanitra?
◻ Inona no nanosika an’i Ezekiela sy i Amosa haminany?
◻ Ahoana no tokony hiheverantsika ny asa fitoriana ilay Fanjakana ataontsika?
◻ Tombontsoa inona avy no azo raisina avy amin’ny fiarahana eo amin’ny asa fanompoana?
[Sary, pejy 13]
Afaka manampy antsika hihatsara eo amin’ny fanompoana ny fiarahana misy zava-kendrena