Aoka isika hanao ny marina amin’ny zavatra rehetra
“Matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te-hitondra tena tsara amin’ny zavatra rehetra.” — HEBREO 13:18.
1, 2. a) Manao ahoana ny fanaovana ny marina amin’izao androntsika izao? b) Sokajin’olona inona avy no tsy manao ny marina?
IREO olona be taona dia tsy isalasalana fa mahatsiaro ny fotoana, tany amin’ny toerana maro, tsy nilàna ny hanidiana tamin’ny fanalahidy ny varavaran’ny tena. Tsy nieritreritra izy ireny fa hoe nety hisy olona hangalatra aminy na hamitaka azy. Raha nisambo-bola izy ireny dia nahatsiaro tena ho tsy maintsy namerina izany ary nitana ny teny nataony. Marina fa nisy ny tsy fanaovana ny marina, kanefa tsy tafiditra hatraiza hatraiza akory izany. Amin’izao androntsika izao, dia fahita maneran-tany ny halatra, ny lainga sy ny fitaka. Ambonin’izany, dia fanao tsy marina maro be no ataon’olona heverina fa mihaja izay monina sy miasa ao amin’ny faritany tsara tarehy, tsara fitafy aoka izany, angamba manaraka fivavahana iray ary heverina ho olom-pirenena tsara. Raha ny marina, dia manjary iaraha-mahalala ny tsy fanaovana ny marina eo amin’ny lafiny ara-politika sy ara-barotra.
2 Any Etazonia, dia maherin’ny 11 tapitrisa isan-taona ny isan’ny fahadisoana lehibe vita. Ankoatr’izany, ny fanaovana fanambarana sandoka momba ny hetra dia andaniana 250 lavitrisa dôlara mahery isan-taona. Any New York, isan’andro, dia olona eo amin’ny 100 000 no mandeha amin’ny “métro” (lalamby any ambanin’ny tany) tsy mandoa vola. Nilaza ny mpanao raharaham-panjakana iray fa raha samborina ireny mpisandoka rehetra ireny, “dia ho voasakana tanteraka tsy hiasa ireo fitsarana mandritra ny volana maromaro”. Any Japon, ny famotopotorana natao dia nampiharihary fa 95 isan-jato amin’ireo mpisolovava sy mpahay lalàna hafa no nisandoka rehefa nameno ny fanambarana momba ny hetra. Tao anatin’ny iray volana monja, dia olona 16000 mahery no tratra nandeha tamin’ny fiaran-dalamby tsy nanana karatra.
3. Nanao ahoana ny nahakasihan’ny tsy fanaovana ny marina ny fanambadiana?
3 Mihamatetika koa ny tsy fanaovana ny marina eo amin’ireo mpivady. Taona vitsivitsy lasa izay, ny famotopotorana natao dia nampiharihary fa 30 isan-jato tamin’ny vehivavy amerikana no “nanana firaisan’ny lahy sy ny vavy ivelan’ny fanambadiana”. Tamin’ny famotopotorana vao haingana kokoa natao tamin’ny vehivavy manambady maherin’ny 100 000, dia 50 isan-jato no niaiky fa “nisetra loza indray mandeha fara fahakeliny”. Raha nivaofy ny amin’izany ny olona iray dia nilaza fa angamba “90 isan-jato amin’ny lehilahy manambady” no namitaka ny vadiny.
Toetra mampiavaka ny “andro farany”
4. Nahoana moa no tsy mahagaga antsika ny fitomboan’ny tsy fanaovana ny marina?
4 Tsy mahagaga an’ireo mpanompon’i Jehovah ny fitomboan’ny fanaovana ny tsy marina. Fantatr’izy ireo fa toetra mampiavaka ny “andro farany” izany. Nambaran’ny Tenin’Andriamanitra fa amin’izao androntsika izao ny olona dia ‘ho tia tena, ho tia vola, tsy manaja izay masina [tsy mahatoky, MN ], tsy tia ny tsara, manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny, handroso hiharatsiratsy kokoa’. (II Timoty 3:1-5, 13.) Araka ny filazan’ny antokon’olona manam-pahaizana manokana, eo amin’izao tontolo izao amin’ny ankapobeny dia “mihamaro [ny olona] mandà ny hevitra sarobidy mahazatra momba ny tsara sy ny ratsy ka mampangina ny fieritreretany”.
5. Inona moa no nitranga rehefa nitombo tao amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Isiraely ny toe-piainana azo ampitahaina amin’izay misy amin’izao andro izao?
5 Ankehitriny ny toe-piainana eo amin’izao tontolo izao dia ratsy noho ny tamin’ny fotoana nialoha ny fampiharana ny fitsaran’i Jehovah ny fanjakan’ny foko folon’ny Isiraely. Izao no vakina ao amin’ny Hosea 4:1-3 momba izany fotoana izany: “Jehovah manana ady amin’ny mponina amin’ny tany, satria tsy misy fahamarinana, na fitiavana, na fahalalana an’Andriamanitra eo amin’ny tany, fa fianianana sy lainga sy vonoana sy halatra sy fijangajangana kosa, eny, manao an-keriny izy ka mifanontona ny fandatsahan-dra. Ary noho izany dia mitomany ny tany, ary reraka [hihasimba, MN ] izay rehetra mitoetra ao aminy.” Nampihatra ny fanamelohany i Jehovah tamin’ny 740 alohan’ny fanisan-taona iraisana, rehefa namela an’i Asyria hanongana ny Isiraely sy Samaria renivohiny, ka handefa ho babo ireo mponina tao aminy.
6. Nahoana moa Andriamanitra no hampihatra ny fanamelohany ny fandehan-javatra ankehitriny, ary nahoana no azo antoka izany?
6 Toy izany koa, Jehovah dia manana “ady” amin’izao tontolo izao tsy marina ankehitriny. Asehon’ny Soratra Masina mazava fa nomelohin’i Jehovah izy io ka “hihasimba”; raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hofoanana izy. “Izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin’izany teny izany ho amin’ny afo ka tehirizina ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.” (II Petera 3:7). Azo antoka aoka izany ny hanatanterahana izany fanamelohana izany, hany ka miresaka azy ho toy ny efa nitranga sahady ny Tenin’Andriamanitra: “Indro, tonga Jehovah mbamin’ny masiny tsy omby alinalina hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan’ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin’ny haratsiam-panahiny.” — Joda 14, 15.
7. Fahasahiranana inona avy no ho hitan’ireo mpanompon’i Jehovah raha mbola tsy ho nifarana izao tontolo izao ankehitriny?
7 Kanefa, raha tsy mbola ho nandringana izao tontolo izao tsy marina ankehitriny koa Andriamanitra, dia tsy maintsy miaina ao ireo mpanompony. “Eo amin’izao tontolo izao” ny kristiana na dia nilaza aza i Jesosy fa “tsy naman’izao tontolo izao” izy. (Jaona 17:11-14.) Noho izany antony izany, isan’andro izy ireny dia tsy maintsy manao fanapahan-kevitra amin’ny lafiny ara-pitondrantena mifandray amin’ny fanaovana ny marina, na any am-piasana izany, na any an-tsekoly, ao anatin’ny fianakaviana na miaraka amin’ireo namana. Isaky ny misy fitaomana ny fieritreretany voataizan’ny Baiboly, dia irin’ireo mpanompon’i Jehovah ny hiray fihetseham-po amin’i Paoly izay nanambara hoe: “Matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te-hitondra tena tsara amin’ny zavatra rehetra.” — Hebreo 13:18.
Tsy hoe ny ‘fomba fanaovan-javatra tsara indrindra’ fotsiny
8. Nahoana moa ny fanaovana ny marina no fomba fanaovan-javatra arahin’ireo mpanompon’i Jehovah?
8 Nolazaina fa ‘ny fanaovana ny marina no fomba fanaovan-javatra tsara indrindra’, raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe manome vokatra tsara izany. Ho an’ny kristiana anefa, dia mihoatra noho izany. Ho azy ireo, dia ny fanaovana ny marina no hany fomba fanaovan-javatra. Noho izy ireo mpanompon’i Jehovah, izy ireo dia tsy tokony hanahaka ny tsy fahamarinan’izao tontolo izao ankehitriny voaheloka, na noho ny antony inona na noho ny antony inona. Tokony hanao ny zavatra rehetra amin’ny fanarahana ireo lalàn’Andriamanitra kosa izy ireo. Tsy niova anefa izany lalàna izany.
9. Tamin’ny fomba ahoana no nanasoritan’ny Lalàna nomen’i Jehovah ny Isiraely fahiny ny amin’ny fanaovana ny marina?
9 Ohatra, izao no nambaran’i Jehovah tamin’ny Isiraelita taloha: “Aza mijangajanga. Aza mangalatra. Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao. Aza mitsiriritra (...) izay mety ho an’ny namanao.” (Eksodosy 20:14-17). Toy izany koa, dia izao no vakintsika ao amin’ny Levitikosy 19:11, 12: “Aza mangalatra, aza mamitaka, aza mifandainga. Aza mianian-tsy to amin’ny anarako, na manamavo ny anaran’Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.”
10. Ahoana no teny nanantitranteran’ny kristianisma ny amin’ny fanaovana ny marina?
10 Notononina ho an’ny kristiana indray ireo lalàna ireo. Araka izany, dia manambara toy izao ny Tenin’Andriamanitra: “Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra? Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.” Toy izany koa ny amin’izay rehetra “zatra mandainga”. (I Korintiana 6:9, 10; Apokalypsy 22:15, MN.) Izay rehetra maniry hiaina ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra dia tokony hahitana taratr’ireo toetran’Andriamanitra. Ary anefa “Andriamanitra tsy mahay mandainga”. (Titosy 1:2; Hebreo 6:18.) Teraka niaraka tamin’i Satana “rain’ny lainga” ny tsy fanaovana ny marina. — Jaona 8:44.
11, 12. a) Nahoana moa isika no tokony hianatra hanao ny marina amin’izao andro izao? b) Nahoana moa isika no mahatsiaro ho tsy manana ahiahy eo anivon’ny fandaminana hita mason’Andriamanitra?
11 Koa satria ‘ny fahamarinana hitoetra’ ao amin’ny “tany vaovao” nampanantenain’Andriamanitra, dia ‘hianatra fahamarinana ny mponina amin’izao tontolo izao’. (II Petera 3:13; Isaia 26:9.) Noho izany antony izany, ireo ho vahoaka ao amin’ny Paradisa an-tany, izay mihamaro haingana, ‘dia ampianarina ny lalan’i Jehovah’, indrindra fa ny fanaovana ny marina (Isaia 2:3, 4). Koa manome antsika izao torohevitra izao ny Tenin’Andriamanitra: “Aza mifandainga hianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin’ny asany.” (Kolosiana 3:9). Izao koa no nolazainy: “Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana.” — Efesiana 4:28.
12 Tokony hanao ny marina amin’ny zavatra rehetra àry ireo mpanompon’i Jehovah. Koa satria hitondra tena toy izany izy ireo ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao, dia tokony hiseho ho marina dieny izao izy. Toy inona moa ny fahafinaretana miaraka amin’ny fikambanana iraisam-pirenena iray ikambanan’ny olona an-tapitrisany maromaro mitondra tena araka ny marina! Tsy mahatsiaro tena ho tsy manana ahiahy ve isika ao anatin’ny paradisa ara-panahy toy izany izay vokatry ny asa maherin’ny fanahy masin’Andriamanitra, dia fanahy ‘nomeny ny manaiky Azy’? (Asan’ny apostoly 5:32.) Toy inona moa ny fifanoheran’izany amin’ny fanahy manimba mameno an’izao tontolo izao ankehitriny eo ambany fanapahan’ilay “andriamanitr’izao tontolo izao”, dia Satana Devoly! — II Korintiana 4:4, MN; Galatiana 5:19-24.
Voamarika ny fanaovana ny marina
13, 14. Inona avy moa no famoaboasan-kevitra natao momba ny fanaovan’ireo mpanompon’i Jehovah ny marina?
13 Voamariky ny olona matetika ny fanaovan’ireo mpanompon’Andriamanitra ny marina. Ohatra, ilay gazety italiana atao hoe Il Piccolo dia namoaka taratasin’ny anankiray tamin’ireo mpamaky azy, izay nilaza hoe: “Iriko ny hisaotra ilay vehivavy izay nitonona ho Vavolombelon’i Jehovah, ka nandefa ho ahy, tamin’ny alalan’ity gazety ity, volako be dia be very.” Tany Etazonia, ny gazety iray (The Indianapolis Star) dia niresaka ny amin’ny mpivady Vavolombelon’i Jehovah izay nahita 4 000 dôlara ka nandefa izany ho an’ny tompony. Araka ny voalazan’io gazety io, ireny olona ireny dia “tsy nisalasala mihitsy raha ny amin’izay tokony hataon’izy ireo”. Nahoana? “Tsy afaka nitana an’io vola io izahay, hoy ny navalin’izy ireo. Vavolombelon’i Jehovah izahay.”
14 Indray andro, ny Vavolombelona iray tany Missouri (Etazonia) dia nahita 9500 dôlara izay nentiny nankany amin’ny polisy. Nitantara toy izao ireto tenin’ny polisy iray ireto ny gazety iray: “Faran’izay mahalana no mamerina vola toy izany izay mahita azy. Mbola tsy tsaroako ho nisy olona nanao toy izany mihitsy. Tena mahagaga izany.” Nolazain’ilay lahatsoratra fa “tsy nihevitra na dia kely akory aza ny hitana ny vola” ilay Vavolombelona. Nanambara ilay lehiben’ny sampan-draharaha fa ilay Vavolombelona “dia nahatonga azy hino indray fa mbola misy olo-marina ihany eto amin’izao tontolo izao”. Izao no navalin’ilay Vavolombelona: “Ireharehanay ny maha-vahoaka manao ny marina amin’ny lafiny rehetra anay.”
15, 16. Zava-nitranga inona avy no mampiseho fa na dia ny fanaovana ny marina eo amin’ny zava-madinika aza dia voamarik’ireo izay mandinika antsika?
15 Tokony hanao ny marina isika, tsy amin’ny zavatra lehibe ihany, fa amin’ny zavatra madinika koa (Lioka 16:10). Ohatra, tamin’ny fivahinian’ny fianakaviana Vavolombelona iray tao amin’ny hotely iray tany Floride, ilay zanakalahy dia nitondra tsy nahy ondana iray nampifangaroiny tamin’ny akanjony ba. Koa satria naverin’io fianakaviana io tany amin’ilay hotely tamin’ny alalan’ny paositra ilay ondana, dia nanoratra toy izao ny talen’io: “Tianay ny misaotra be dia be anareo noho ny fanaovanareo ny marina. Azo inoana fa asa fanao toy ny hafa ataonareo isan’andro ny famerenana ny ondana, eo imasonay anefa dia zavatra mendrika ny hoderaina izany.” Toy izany koa, ny mpivady Vavolombelona izay namerina tany amin’ny hotely iray any Géorgie ny “stylo” nentiny tsy nahy, dia nanoratan’ny tale toy izao: “Mamelà ahy hisaotra anareo noho ny nakanareo fotoana namerenana taminay ny “stylo” nentinareo tsy nahy niaraka tamin’ny entanareo. Mampahery ny mandray taratasy toy izany avy amin’olo-marina sy be fahamoram-panahy.”
16 Tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa iray, dia anisan’ny antokon’ny mpanao “baseball” ny Vavolombelona tanora iray. Vao avy nandray anjara tamin’ny fizarana mafy izy, kanefa fantany fa “tafavoaka” izy. Nilaza ireo namany fa tsy “tafavoaka” izy. Tamin’izay ny anankiray anisan’ny antoko nifanohitra taminy dia nanambara fa nisy fomba tena azo antoka nahafantarana ny marina. Hoy izy: “Anontanio azy na tafavoaka izy na tsia. Vavolombelona io, ary anefa tsy mandainga ny Vavolombelona.” Voamariky ny hafa ny fitondrantena tsaran’ilay zazalahy teo amin’ny fiainana andavanandro. Marina tokoa fa mety hisy fiderana an’i Jehovah na dia avy amin’ny “vavan’ny ankizy madinika” aza rehefa manaraka ireo fitsipika noferan’Andriamanitra izy ireny. — Matio 21:16.
17, 18. Mety hisy vokany tsara inona moa ireo fotopoto-pitsipik’i Jehovah momba ny fanaovana ny marina eo amin’ny olona tso-po?
17 Tany Nigéria, ny vadin’ny vehivavy Vavolombelon’i Jehovah iray dia nanohitra ny hankanesany any amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany iray. Nanaraka ilay vehivavy àry izy io mba hiteraka fikorontanana. Taorian’ny fotoam-pivoriana, dia niteny anakampo ilay lehilahy hoe: “Hotsapaiko ianareo izao, ry Vavolombelona.” Nanararaotra ny tsy nisian’ny olona nijery azy izy, ka namoaka vola taratasy vitsivitsy avy tao am-paosiny, nanisy marika izany, avy eo dia namoriporitra azy sy nanjera izany tamin’ny tany. Taoriana kelin’izay, dia lasa izy nilaza fa very vola. Novaliana izy fa tsy tokony hanahy fa ho hita indray izany. Dia niverina teo amin’ilay toerana nanjerany ireo vola taratasy àry izy, nefa tsy teo izany. “Ah! Ah!! hoy ny fihiakany, indro fa voaporofo ny tsy fanaovanareo ny marina!” Dia nilazana izy fa tsy teo ny volany fa nisy nametraka tany amin’ny zavatra hita. Tena tany tokoa ireo vola taratasy nomarihiny, ary naverina taminy. Io fisehoan-javatra io dia nanosika azy handinika ny zavatra ninoan’ny vadiny, ary amin’izao fotoana izao dia Vavolombelon’i Jehovah koa ny tenany.
18 Tao amin’ny taratasy iray nalefany tany amin’ny foibe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah tany New York, ny vehivavy iray tsy Vavolombelona dia naniry hampahafantatra izay nitranga tamin’ny zanany vavy fony izy io nianatra. Indray andro, dia nisy nangalatra ny lamboridin-tsoavaliny sarobidy. Roa taona taty aoriana, dia naharay taratasy ilay zanany vavy ka izao no voalaza tao ankoatra ny zavatra hafa: “Ry Lili malala, ity ilay lamboridy nisy nangalatra taminao, roa taona lasa izay. Izaho no nangalatra azy taminao, nefa rehefa Vavolombelon’i Jehovah aho izao, ny fieritreretako vaovao tokoa dia tsy mamela ahy hitana azy maharitra kokoa. Malahelo amim-pahatsorana aho. Miangavy anao aho mba hamela ahy.” Izay rehetra maniry hanompo an’i Jehovah tokoa dia tokony hamboly “fieritreretana tsara ka te-hitondra tena tsara amin’ny zavatra rehetra”. — Hebreo 13:18.
Aoka isika hiaro ny fahadiovan’ny fandaminana
19. a) Inona moa no tokony hataon’ny kristiana iray izay nanao zavatra tsy marina? b) Raha misy amintsika mikiry manao ny tsy marina, inona no hitranga aminy, ary nahoana?
19 Raha toa ny mpanompon’Andriamanitra iray ka manao zavatra tsy marina tsy nahy, dia tokony hanonitra izany avy hatrany izy raha vao tsapany izany na misy manintona ny sainy amin’ny zavatra nataony. Raha toa eo amintsika ka misy manjary tsy mankamamy intsony ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ka maharitra amin’ny fanaovana ny tsy marina, dia tsy havela handoto ireo mpanompon’Andriamanitra izy ireny. Horoahina izy ireny (I Korintiana 5:11-13). Amin’izany, dia afaka miantehitra amin’ny fanampian’ny lanitra isika, satria izao no nambaran’i Jesosy: “Ny Zanak’olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin’ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin’izay manao meloka (...). Ary amin’izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny fanjakan’ny Rainy.” — Matio 13:41-43.
20, 21. a) Nahoana moa isika no afaka manasa amim-pitokisana tanteraka ireo manetry tena mba ho tonga hivavaka amin’i Jehovah eo anilantsika? b) Lafiny inona amin’ny fanaovana ny marina no hovelabelarina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
20 Arovana ho madio àry ny fandaminan’i Jehovah. Koa ‘mamirapiratra’ toy ny fanilo izy ho an’ireo olona tso-po. Noho izany antony izany no andefasantsika amim-pitokisana tanteraka ireto teny ireto ho an’ireo manetry tena amin’ny tany: “Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah [ny toerana avo na ny toeran’ny fanompoam-pivavahana marina] (...), mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony.” — Mika 4:2.
21 Koa satria ny Vavolombelon’i Jehovah tokony hanao ny marina amin’ny zavatra rehetra, dia tokony ho izany koa no izy amin’ireo fifandraisana ara-barotra mety hananan’izy samy izy. Amin’izany koa, indraindray dia misy toe-javatra maha-sarotra ny hanaovana ny marina hatrany. Inona moa no sasantsasany amin’ireny toe-javatra ireny? Inona no hatao amin’izany? Hovelabelarina ao amin’ny lahatsoratra manaraka io lafiny amin’ny fanaovana ny marina io.
Famerenana
◻ Inona no mitranga amin’ny fanaovana ny marina amin’izao androntsika izao? Nahoana?
◻ Inona no lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba ny ilàna hanao ny marina?
◻ Nahoana moa isika no tokony hamboly fanaovana ny marina alohan’ny fanorenana ny fandehan-javatra vaovao mihitsy?
◻ Zava-mitranga inona no mampiseho ny tena hasarobidin’ny fanaovana ny marina?
◻ Inona no antoka ananantsika fa harovana eo amintsika ny fanaovana ny marina?
[Sary, pejy 13]
Dieny izao, dia ampianarin’i Jehovah ao amin’ny lalan’ny fanaovana ny marina ireo ho vahoaka ao amin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenainy.