JOSAFATA, LEMAKA IVAN’I
Toa tsy toerana ara-bakiteny izy io, ary nantsoina koa hoe “lemaka ivan’ny didim-pitsarana.” (Jl 3:2, 14) Hampihatra ny didim-pitsarany eo Andriamanitra, ka mety tsara ny iantsoana azy io hoe “lemaka ivan’i Josafata.” Midika hoe “I Jehovah no Mpitsara” mantsy ny anarana hoe Josafata. Tamin’ny andro nanjakan’i Josafata koa i Jehovah no nanafaka an’i Joda sy Jerosalema teo an-tanan’ny tafik’i Amona sy Moaba ary ny avy any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Seira. Nataon’i Jehovah nifanaritaka ireo tafika fahavalo ireo, ka nifamono.—2Ta 20:1-29.
Eo amin’ilay “lemaka ivan’i Josafata” an’ohatra i Jehovah no hitsara an’ireo firenena ka hanameloka azy ireo ho faty noho izy ireo nampijaly ny vahoakany. Ilay lemaka iva dia toy ny famiazam-boaloboka lehibe an’ohatra, izay hanitsakitsahana an’ireo firenena oharina amin’ny sampahom-boaloboka. Misy milaza fa ny Lohasahan’i Kidrona, na ny Lohasahan’i Hinoma, na ny Lohasahan’i Jezirela, io “lemaka ivan’i Josafata” io. Sarotra inoana anefa izany. Tsy misy amin’ireo lohasaha ireo mantsy antonona ny firenena “rehetra.”—Jl 3:1-3, 12-14; ampit. Ap 14:18-20.