Efa Antomotra ny Andron’i Jehovah
“Henoy izao, ry anti-panahy! Ary mandrenesa, hianareo mponina rehetra amin’ny tany!” — JOELA 1:2.
1, 2. Inona ny tarehin-javatra nisy tao Joda, ka nahatonga an’i Jehovah hanome tsindrimandry an’i Joela mba hanambara faminaniana misy heriny lehibe?
“INDRISY ny andro! Fa efa antomotra ny andron’i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin’ny Tsitoha no fihaviny.” Fanambarana manaitra re izany! Hafatr’Andriamanitra ho an’ny vahoakany izy io, ary nampitainy tamin’ny alalan’i Joela mpaminaniny.
2 Ireo teny ao amin’ny Joela 1:15 ireo dia noraketina an-tsoratra tany Joda, azo inoana fa tokony ho tamin’ny taona 820 al.f.i. Nisy havoana maitso mavana nandravaka ilay tany tamin’izany fotoana izany. Tondraka ny voankazo sy ny voa. Nidadasika sy maitso ny kijana. Nisy zavatra tena tsy nandeha anefa tao. Niroborobo tao Jerosalema sy tao amin’ny tanin’ny Joda ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala. Nanaram-po nikorana tao anatin’ny fahamamoana ilay vahoaka, teo anatrehan’io andriamani-diso io. (Ampitahao amin’ny 2 Tantara 21:4-6, 11.) Havelan’i Jehovah hitohy ve izany rehetra izany?
3. Nampitandrina ny amin’inona i Jehovah, ary tokony hiomana ny amin’inona ireo firenena?
3 Mazava ny valiny omen’ny bokin’i Joela ao amin’ny Baiboly. Hanamarina ny fiandrianany sy hanamasina ny anarany masina i Jehovah Andriamanitra. Efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah. Amin’io fotoana io, Andriamanitra dia hampihatra didim-pitsarana amin’ny firenena rehetra, ao amin’ny “Lohasahan’i Josafata”. (Joela 4:12). Aoka izy ireo hiomana hiady amin’ny Tsitoha — dia i Jehovah. Isika koa dia miatrika ny andro lehiben’i Jehovah. Andeha àry hodinihintsika ireo teny ara-paminanian’i Joela ho an’ny androntsika sy ho an’ny andro lasa.
Fanafihan’ny bibikely
4. Toy inona ny fiavahan’ilay fisehoan-javatra nanomezan’i Joela fampitandremana?
4 Hoy i Jehovah tamin’ny alalan’ny mpaminaniny: “Henoy izao, ry anti-panahy! Ary mandrenesa, hianareo mponina rehetra amin’ny tany! Moa mba efa nisy tamin’ny andronareo na tamin’ny andron’ny razanareo, va izao? Lazao amin’ny zanakareo izao, ary aoka ny zanakareo hilaza amin’ny zanany kosa, ary ny zanak’ireo kosa indray amin’ny taranaka mandimby azy.” (Joela 1:2, 3). Samy nanampo zavatra mbola tsy nitranga tamin’ny androny na tamin’ny andron’ny razambeny, ny zokiolona sy ny olona rehetra. Tena tsy fahita ilay izy ka hotantaraina hatrany amin’ny taranaka fahatelo! Inona loatra izany fisehoan-javatra miavaka izany? Mba hahafantarana izany, dia aoka hatao hoe niaina tamin’ny andron’i Joela ny tenantsika.
5, 6. a) Lazalazao ilay loza nambaran’i Joela tao amin’ny faminaniany. b) Iza no Loharanon’io loza io?
5 Henoy! Mandre rodorodo avy lavitra i Joela. Mihamaizina ny lanitra, ary injay fa sady mihamafy ilay feo hafahafa sy mampihoron-koditra no indro koa fa lasa mitatao eo ambony lohany ilay haizina. Nisy rahona nitarehin-tsetroka nidina nony avy eo. Andiam-bibikely miisa an-tapitrisany maro, hay, ilay izy! Faharavana toy inona moa no entin’izy ireo! Izao dia diniho ny Joela 1:4. Tsy koraika na valala ary elatra mpifindrafindra monina avokoa akory ireo bibikely mpanafika ireo. Tsia! Manatevin-daharana azy ireo koa ny andiana valalavao noana izay mbola tsy ary elatra. Tonga tampoka ireo valala noho izy entin-drivotra, ary toy ny feon’ny kalesy ny feony. (Joela 2:5). Mirangorango be izy ireo, ka vetivety foana ny an-tapitrisany maro aminy dia afaka manova toerana iray toy ny paradisa ho zary tany efitra.
6 Tsy mipetra-potsiny koa ireo kijeja na fanday, izany hoe, ireo olitra mbola hiofo ho samoina sy lolo. Ny fanday noana izay manao andiany maro dia maro dia afaka mandripaka tsikelikely ireo ravin-javatra, mandra-pahatongan’ilay zavamaniry ho saika ringitra tanteraka. Ny ankabeazan’ny sisan’izy ireo anefa, dia lanin’ny valala. Ary ny sisa tsy lanin’ny valala, dia azo antoka fa hotaperin’ny sompanga, na kalalao, haingam-pandeha. Mariho anefa izao: Ao amin’ny Joela toko faha-2, andininy faha-11, dia ampahafantarin’Andriamanitra ho “miaramilany” ilay andiam-balala. Eny, izy no Loharano mampirongatra ilay andiam-balala, izay handrava ny tany sy hiteraka mosary mafy. Rahoviana? Aloha kelin’ny “andron’i Jehovah”.
“Mifohaza, hianareo mpimamo”!
7. a) Toe-piainana nanao ahoana no nisy an’ireo mpitarika ara-pivavahan’i Joda? b) Amin’ny ahoana no ao anatin’ny toe-javatra mitovy amin’ny an’ireo mpitarika ara-pivavahan’i Joda ireo mpitondra fivavahana ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana?
7 Nosinganina manokana ny vahoaka tsy fanaja iray, dia ireo mpitarika ara-pivavahan’i Joda, fony nambara ilay baiko manao hoe: “Mifohaza, hianareo mpimamo, ka mitomania, eny, midradradradrà, hianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka, satria tapaka tsy ho amin’ny vavanareo izany.” (Joela 1:5). Eny, nasaina ‘hifoha’, na hoe hampisava ny hamamoany, ireo mpimamo ara-panahin’i Joda. Aza mieritreritra anefa hoe tantara tranainy fotsiny izany. Amin’izao isika miteny izao, alohan’ny andro lehiben’i Jehovah, dia tena mamon’ny divay mamy, amin’ny heviny ara-panoharana, ny klerjin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, hany ka zara raha mahamarika an’io baiko avy amin’ny Avo Indrindra io. Akory ny hagagan’izy ireo rehefa hamoha azy amin’ny hamamoany ara-panahy ilay andron’i Jehovah izay sady lehibe no mahatahotra!
8, 9. a) Ahoana no ilazalazan’i Joela ireo valala sy ny vokatry ny firongatr’izy ireo? b) Mampiseho an’iza ireo valala, amin’izao andro izao?
8 Jereo ange ny hatevin’io andiam-balala io e! “Misy firenena mahery sady tsy hita isa miakatra hamely ny taniko; ny nifiny dia nifin-diona, ary ny vazany dia vazan’ny liom-bavy. Nataony simba tokoa ny voaloboko, ary notapatapahiny ny aviaviko; nataony nakiky tokoa ireny ka nariany, eny, tonga fotsy ny rantsany. Midradradradrà toy ny virijina misikin-damba fisaonana noho ny amin’ny vadin’ny fahatanorany.” — Joela 1:6-8.
9 Moa ve izy io faminaniana momba ny “firenena” iray voaforon’ny valala, izany hoe andiam-balala, manafika an’i Joda fotsiny? Tsia, mihoatra noho izany ny hevitra fonosin’izy io. Ao amin’ny Joela 1:6 sy ny Apokalypsy 9:7, dia aseho ho toy ny valala ny vahoakan’Andriamanitra. Tsy iza akory ilay andiam-balala maoderina fa ireo valala voahosotra miaramilan’i Jehovah. Manatevin-daharana azy ireo koa ankehitriny ny ‘ondry hafan’i Jesosy’ tokony ho 5 600 000. (Jaona 10:16). Tsy faly ve ianao anisan’io vahoaka be mivavaka amin’i Jehovah io?
10. Niteraka vokany inona teo amin’ny Joda ny firongatr’ilay andiam-balala?
10 Voalaza ao amin’ny Joela 1:9-12 ireo vokatry ny fanimbana entin’ny firongatr’ilay andiam-balala. Nampangadihady tanteraka an’ilay tany ny andiam-balala nifanesisesy. Tsy nisy intsony ny voa sy ny divay ary ny diloilo ka tsy afaka nanohy ny asany ireo mpisorona tsy nahatoky. Nisaona hatramin’ny tany, satria tapitry ny valala ny voa teo aminy, ary tsy namoa intsony ireo hazo fihinam-boa. Simba ireo voaloboka naniry, hany ka tsy nisy divay intsony ho an’ireo mpiboboka divay nivavaka tamin’i Bala ireo, izay sady mpimamo ara-panahy koa.
“Mitomania, hianareo mpisorona”
11, 12. a) Iza no mitonona ho mpisoron’Andriamanitra amin’izao andro izao? b) Misy fiantraikany manao ahoana ny firongatr’ilay andiam-balala maoderina, eo amin’ireo mpitondra fivavahana eo anivon’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana?
11 Henoy ny hafatr’Andriamanitra ho an’ireo mpisorona nania ireo: “Misikìna sy mitomania, hianareo mpisorona; midradradradrà, hianareo mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ny alitara”. (Joela 1:13). Nanompo teo amin’ny alitara ireo mpisorona levita fony tanteraka voalohany ny faminanian’i Joela. Ahoana kosa anefa ny amin’ny fahatanterahany farany? Amin’izao andro izao, ny klerjin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia naka fahefana mba hanompo eo amin’ny alitaran’Andriamanitra, ka mitonona ho mpanao fanompoam-pivavahana aminy, ho ‘mpisorony’. Inona anefa no mitranga amin’izao fotoana irosoan’ny valala maoderin’Andriamanitra izao?
12 Rehefa mahita ny vahoakan’i Jehovah miasa ireo “mpisorona” ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, ka mandre ny fampitandreman’izy ireo ny amin’ny didim-pitsaran’Andriamanitra, dia manjary misahotaka. Sady sahiran-tsaina no romotra izy ireo ka mitomany, noho ny fandravana ateraky ny hafatra momba ilay Fanjakana. Midradradradra koa izy ireo satria miala aminy ny ondriny. Mangadihady ny kijanany, koa avelao izy ireo handry amin’ny lamba fisaonana mandritra ny alina, ka hisaona noho ny famoizany ny fidiram-bolany. Tsy ho ela dia hamoy ny asany koa izy ireo! Raha ny marina, dia asain’Andriamanitra hisaona mandritra ny alina izy ireo satria efa antomotra ny fiafarany.
13. Handray tsara ny hafatra fampitandreman’i Jehovah ve ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, amin’ny fitambarany?
13 Araka ny Joela 1:14, dia ny fibebahana sy ny ‘fitarainana amin’i Jehovah’ ihany no hany fanantenan’izy ireo. Afaka manantena ve isika fa hitodika amin’i Jehovah avokoa ny klerjy manontolo eo anivon’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana? Mazava ho azy fa tsia! Mety handray tsara ny fampitandreman’i Jehovah ny olona sasantsasany eo anivon’izy ireo. Amin’ny fitambarany anefa, dia hitohy ilay hanoanana ara-panahy mahazo an’ireo mpitondra fivavahana sy ireo mpiangona ao aminy. Nanambara mialoha tokoa mantsy i Amosa mpaminany hoe: “Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin’ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin’i Jehovah”. (Amosa 8:11). Etsy an-danin’izany, dia velom-pankasitrahana erỳ isika noho ny hanim-pito loha ara-panahy izay omen’Andriamanitra amim-pitiavana amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”! — Matio 24:45-47, NW.
14. Fambara inona ny firongatr’ilay andiam-balala?
14 Taloha dia fambara zavatra ny firongatr’ilay andiam-balala, ary toy izany koa izy io ankehitriny. Fambara inona anefa? Milaza mazava amintsika toy izao i Joela: “Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny andron’i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin’ny Tsitoha no fihaviny.” (Joela 1:15). Ny fanafihana maneran-tany ataon’ilay andiam-balalan’Andriamanitra amin’izao andro izao, dia manondro mazava fa efa antomotra ny andron’i Jehovah izay sady lehibe no mahatahotra. Azo antoka fa maniry fatratra an’io andro fampamoahana manokana io avokoa ireo olona mahitsy fo rehetra, rehefa hampiharina amin’ny ratsy fanahy ny didim-pitsaran’Andriamanitra ka hivoaka ho mpandresy i Jehovah, amin’ny maha-Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao azy.
15. Manao ahoana ny fihetsik’ireo manaraka ny fampitandreman’Andriamanitra, rehefa hitany fa lao ny tany?
15 Araka ny asehon’ny Joela 1:16-20, dia tapaka ny hanina tany Joda fahiny. Tapaka toy izany koa ny hafaliana. Foana ny sompitra, ary voatery narodana ireo trano fitahirizam-bokatra. Lanin’ny valala daholo ny zava-maitso teo amin’ilay tany, ka foana ny kijana. Nipenimpenina, noho izany, ny omby, ary ripaka ny andian’ondry. Loza re izany! Nanao ahoana i Joela tao anatin’izany toe-piainana izany? Izao no nolazainy, araka ny andininy faha-19: “Jehovah ô, Hianao no itarainako”. Amin’izao andro izao koa, dia maro no manaraka ireo fampitandreman’Andriamanitra ka mitaraina amin’i Jehovah Andriamanitra amim-pinoana.
“Avy ny andron’i Jehovah”
16. Nahoana no tokony hangovitra ny ‘mponina amin’ny tany’?
16 Henoy izao baiko avy amin’Andriamanitra izao: “Tsofy ao Ziona ny anjomara! Ary miantsoa mafy ao an-tendrombohitro masina! Aoka hangovitra ny mponina rehetra amin’ny tany”. (Joela 2:1). Nahoana no izany no tokony ho fihetsika? Mamaly toy izao ilay faminaniana: “Fa avy ny andron’i Jehovah, eny, efa antomotra izany, — dia andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito, toy ny fahazavan’ny maraina miely manerana ny tendrombohitra”. (Joela 2:1, 2). Ampifandraisina amin’ny tena fahatsapana fahadodonana eto ilay andro lehiben’i Jehovah.
17. Nanao ahoana ny fiantraikan’ny firongatr’ilay andiam-balala, teo amin’ny tany sy ny olona tao Joda?
17 Alao sary an-tsaina ny vokatra nentin’ny fahitan’ilay mpaminany, rehefa nanova ny saha iray toa an’i Edena ho lasa tany efitra nangadihady, ireo valala tsy hay tohaina. Henoy ny fomba ilazalazana ilay andiam-balala: “Mitarehin-tsoavaly ny tarehiny; ary tahaka ny firiotry ny mpitaingin-tsoavaly ny firiotrany. Tahaka ny figorodon’ny kalesy any an-tampon’ny tendrombohitra no figorodon’ny fitsambikimbikiny, sy tahaka ny fipororotry ny lelafo eny amin’ny hain-tanety, ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady. Eo anoloany dia raiki-tahotra indrindra ny firenena; ny tarehy rehetra mivaloarika”. (Joela 2:4-6). Nandritra ny fotoana nampirongatra ilay andiam-balala tamin’ny andron’i Joela, dia nitombo ny tebitebin’ireo mpivavaka tamin’i Bala, ary hita soritra teny amin’ny endriny ny fanahiany.
18, 19. Amin’ny ahoana no mitovy amin’ny firongatry ny andiam-balala ny asan’ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro izao?
18 Tsy nisy na inona na inona nahasakana ireo valala voalamina sy tsy nety sasatra ireo. Nihazakazaka “tahaka ny lehilahy mahery” izy ireo ary nananika manda mihitsy aza. Raha ‘[lavo eo anivon’ny, NW ] sabatra ny sasany aminy, ny hafa kosa tsy voasakana’. (Joela 2:7, 8, fanamarihana ambany pejy). Izany ka filazalazana ara-paminaniana toa hitan’ny maso erỳ! Sary mampiseho ireo andiam-balalan’Andriamanitra ara-panoharana ankehitriny, izy io. Amin’izao andro izao koa, dia tsy mitsahatra miroso ny andiam-balalan’i Jehovah. Tsy misy “mànda” fanoherana mahakivy azy ireo. Tsy mampandefitra ny tsy fivadihany amin’Andriamanitra izy ireo, fa vonona hisetra fahafatesana kosa, toy ireo Vavolombelona an’arivony maro izay ‘lavo teo anivon’ny sabatra’ noho ny fandavany tsy hiarahaba an’i Hitler, nandritra ny fitondrana nazia tany Alemaina.
19 Ny andiam-balalan’Andriamanitra amin’ny andro maoderina dia nanao fanambarana feno tao ‘an-tanànan’ny’ Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. (Joela 2:9). Nanao izany nanerana ny tany izy ireo. Mbola eo am-pananihana ny vato misakana rehetra foana izy ireo, ka miditra any an-tokantranon’ny olona an-tapitrisany maro, manatona ny olona eny amin’ny arabe, miresaka amin’izy ireny amin’ny alalan’ny telefaonina, ary mifandray amin’izy ireny araka izay fomba rehetra azo atao, eo am-panambarana ny hafatr’i Jehovah. Eny tokoa, nizara zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly an’arivo tapitrisany maro izy ireo, ary mbola hizara maro kokoa hatrany eo amin’ny fanompoany tsy manam-pitsaharana — na ampahibemaso izany na isan-trano. — Asan’ny Apostoly 20:20, 21.
20. Iza no manohana ireo valala maoderina, ary inona avy no vokany?
20 Asehon’ny Joela 2:10 fa toy ny rahona izay afaka manakona ny hazavan’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana ny andiam-balala matevina be iray. (Ampitahao amin’ny Isaia 60:8.) Misy isalasalana ve ny hoe iza no ao ambadik’io andia-miaramila io? Mbola re mafy ao anatin’ny firodorodon’ireo bibikely ireo ireto tenin’ny Joela 2:11 ireto: “Jehovah mahatonga kotroka eo alohan’ny miaramilany; fa lehibe indrindra ny tobiny, ary mahery izay manatanteraka ny teniny; fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron’i Jehovah, ka iza no mahatanty izany?” Eny, eo am-pandefasana ireo valala miaramilany i Jehovah Andriamanitra ankehitriny — alohan’ilay androny lehibe.
“Tsy mitaredretra i Jehovah”
21. Inona no ho vokany rehefa ‘ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’i Jehovah’?
21 Toa an’i Joela, dia niresaka momba ny andro lehiben’i Jehovah, ny apostoly Petera. Hoy ny nosoratany: ‘Ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’i Jehovah, ary amin’izany ny lanitra dia ho lasa amin’ny firimorimoana mafy, ary ho levon’ny afo ny tenan’ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy.’ (2 Petera 3:10). Eo ambany fitaoman’i Satana Devoly, “ny lanitra” — fitondram-panjakana feno faharatsiana — dia mitondra ny “tany”, izany hoe, ny olombelona lavitra an’Andriamanitra. (Efesiana 6:12; 1 Jaona 5:19). Ireo lanitra sy tany ara-panoharana ireo dia tsy hahatohitra ny firehetan’ny fahatezeran’Andriamanitra mandritra ilay andro lehiben’i Jehovah. Hisolo azy ireo kosa ny “lanitra vaovao sy tany vaovao izay andrasantsika, araka ny fampanantenany, ary tsy maintsy hitoeran’ny fahamarinana ireo”. — 2 Petera 3:13, NW.
22, 23. a) Ahoana no tokony ho fihetsitsika eo anoloan’ny fahari-pon’i Jehovah, izay asehony amim-pamindram-po? b) Ahoana no tokony ho fihetsitsika eo anoloan’ny fahantomoran’ny andron’i Jehovah?
22 Izay rehetra manelingelina sy mitsapa finoana ankehitriny, dia mety hahatonga antsika hanadino fa mahadodona ny fotoana iainantsika. Miroso hatrany anefa ireo valala ara-panoharana, ka olona maro no mandray tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana. Na dia namela fotoana hisian’izany aza Andriamanitra, dia tsy tokony hafangarontsika amin’ny fahelana ny fahari-pony. “Tsy mitaredretra i Jehovah raha ny amin’ny fampanantenany, araka izay heverin’ny olona sasany ho fitaredretrany, fa manam-paharetana aminareo izy satria tsy iriny hisy ho ringana fa iriny ho tonga amin’ny fibebahana ny rehetra.” — 2 Petera 3:9, NW.
23 Eo am-piandrasantsika ny andro lehiben’i Jehovah, dia aoka isika handray am-po ny tenin’i Petera voarakitra ao amin’ny 2 Petera 3:11, 12, manao hoe: “Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa hianareo amin’ny fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, sady manantena no mampahafaingana ny hihavian’ny andron’Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra!” Azo antoka fa tafiditra amin’izany fitondran-tena sy toe-panahy izany ny hoe maharaka an’ilay andiam-balalan’i Jehovah, amin’ny fandraisana anjara tsy tapaka sy misy heviny, amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, alohan’ny hahatongavan’ny farany. — Marka 13:10.
24, 25. a) Manao ahoana ny fihetsikao eo anoloan’ilay tombontsoa handray anjara amin’ny asan’ilay andiam-balalan’i Jehovah? b) Inona ny fanontaniana misy heviny apoitran’i Joela?
24 Tsy hitsahatra amin’ny asany ilay andiam-balalan’Andriamanitra, mandra-pigadon’ilay andron’i Jehovah izay sady lehibe no mahatahotra. Ny fisian’io andia-miaramila valala tsy hay tohaina io dia efa porofo miavaka fa efa antomotra ny andron’i Jehovah. Tsy ravoravo ve ianao manompo eo anivon’ireo valala voahosotr’Andriamanitra sy ireo namany, eo am-panaovana ilay fanafihana farany, alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah izay sady lehibe no mahatahotra?
25 Ho andro lehibe tokoa ny andron’i Jehovah! Tsy isalasalana fa mipoitra izao fanontaniana izao: “Iza no mahatanty izany?” (Joela 2:11). Hodinihina ao amin’ireo lahatsoratra roa manaraka io fanontaniana io sy ny maro hafa.
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Nahoana i Jehovah no nampitandrina ny amin’ny firongatry ny bibikely teo amin’ny Joda?
◻ Amin’ny fahatanterahana maoderin’ny faminanian’i Joela, iza ireo valalan’i Jehovah?
◻ Manao ahoana ny fihetsik’ireo mpitondra fivavahana ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana, eo anoloan’ny firongatr’ilay andiam-balala, ary ahoana no ahafahan’ny sasany amin’izy ireny mandositra ny vokatra entin’izy io?
◻ Tonga hatraiza ny firongatr’ilay andiam-balala nandritra ny taonjato faha-20, ary mandra-pahoviana no hitohizan’izany?
[Sary, pejy 9]
Fambara zavatra mbola ratsy lavitra ny firongatr’ireo bibikely
[Sary nahazoan-dalana]
Hazo ringitra: FAO photo/G. Singh
[Sary, pejy 10]
I Jehovah Andriamanitra no ao ambadiky ny firongatr’ilay andiam-balala maoderina
[Sary nahazoan-dalana, pejy 8]
Valala: FAO photo/G. Tortoli; andiam-balala: FAO photo/Desert Locust Survey