BERI-SHEBA
(Bèri-shèba) [Lavadranon’ny Fianianana; na Lavadranon’ny Fito].
Toerana tany amin’ny faritra atsimon’i Joda, izay nisy lavadrano, ary nisy tanàna tatỳ aoriana. Eo antsasa-dalana no misy azy raha avy any amin’ny morontsirak’i Mediterane no mankany amin’ny tendrony atsimo amin’ny Ranomasina Maty. Tokotokony ho 45 km any atsimoandrefan’i Hebrona no misy azy io, ary 45 km eo ho eo any atsimoatsinanan’i Gaza.
Lasa fomba fiteny ny hoe “hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba” (Mpts 20:1), na “hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana” (1Ta 21:2; 2Ta 30:5) mba hilazana ny halavan’ny Tany Nampanantenaina, ka i Beri-sheba no iantsoana ny farany atsimo. Rehefa nizara roa ny fanjakana, dia mbola niantsoana ny faritra atsimo indrindra tamin’ny fanjakan’ny Joda ny hoe Beri-sheba. Manamarina izany ny fitenenana hoe “hatrany Geba ka hatrany Beri-sheba” (2Mp 23:8) sy hoe “hatrany Beri-sheba ka hatrany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima” (izay sisin-tanin’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra). (2Ta 19:4) Voalaza fa nonina hatrany Beri-sheba ka “hatrany amin’ny lohasahan’i Hinoma” ireo anisan’ny fokon’i Joda, izay nody an-tanindrazana taorian’ny sesitany.—Ne 11:27, 30.
Raha ny marina dia mbola nisy tanàna hafa anisan’ny Tany Nampanantenaina tany atsimon’i Beri-sheba, toy ny tany avaratr’i Dana ihany. Teo amin’ny sisin-tany voajanahary anefa no nisy an’i Dana sy Beri-sheba. Teo am-pototr’ireo tendrombohitr’i Joda, teo amin’ny sisin’ny tany efitra, ohatra, no nisy an’i Beri-sheba. Tanàna nalaza tany Joda, toa an’i Jerosalema sy Hebrona, koa izy io satria tsy ory rano sady fihaonan-dalana. Ampy rano tsara tao raha nampitahaina tamin’ny manodidina, ka nety tamin’ny fambolena sy fiompiana ary nisy toerana feno ahitra firaofan’ny andiam-biby. Maro koa ny lalana nihaona tao: Ny “Lalan’ny Lavadrano”, izay avy tany Ejipta, ary nandalo tao Kadesi-barnea; ny lalana fandehanan’ireo mpivaro-mandeha nitaingina rameva avy any amin’ny “Fanjakan’ny Zavamaniry Mani-pofona” tany amin’ny Saikinosin’i Arabia rehefa ho any Filistia na ho any Joda; ny lalana niainga avy tao Eziona-gebera, teo amin’ny tendron’ny Hoalan’i ʽAkaba, izay namakivaky an’i Araba, ary nivily niankandrefana nanaraka ny fiakarana Akrabima; ny sampanan’ny lalambe iray avy tany Gaza, eo amin’ny tany Lemaky ny Filistinina, izay nivily nianatsimoatsinanana. Nampitohy an’i Beri-sheba tamin’ny tanàna hafa tany Joda koa ny lalana iray nianavaratratsinanana, izay nananika ny lembalemban’ireo tendrombohitr’i Joda, ary nankany Jerosalema sy ireo tanàna tany avaratra kokoa.—Ge 22:19.
Voaresaka voalohany i Beri-sheba tamin’i Hagara sy Ismaela zanany nirenireny “tany an-tany efitr’i Beri-sheba”, noho izy ireo nalefan’i Abrahama handeha. (Ge 21:14) Natahotra i Hagara hoe ho fatin’ny hetaheta ny zanany ka nihataka lavidavitra izy. Ren’i Jehovah anefa ny feon’ilay zaza, ka nanoro lavadrano an’i Hagara izy. (Ge 21:19) Mety ho lavadrano nolavahan’i Abrahama taloha io, saingy mbola tsy nomena anarana tamin’izany. Naka an-keriny lavadrano iray teo amin’io faritra io ny Filistinina, indray andro, ary toa tsy nahalala izany i Abimeleka mpanjakan’i Gerara. Nankany amin’i Abrahama izy sy Pikola lehiben’ny tafiny, mba hanao fifanekem-pihavanana. Niteny mafy an’i Abimeleka anefa i Abrahama hoe nisetrasetra sy naka an-keriny an’ilay lavadrano ny mpanompony. Niaiky i Abimeleka fa tsy fantany izany. Nanao fifanekena tamin’i Abrahama izy, ary noraisiny ireo ondrivavy kely fito nomen’i Abrahama azy ho porofo fa an’i Abrahama ilay lavadrano. ‘Izany no antony niantsoan’i Abrahama an’ilay toerana hoe Beri-sheba, satria teo izy roa lahy no nianiana.’ (Ge 21:31) Namboly hazo tamariska teo i Abrahama avy eo, ary niantso “ny anaran’i Jehovah, ilay Andriamanitra mandrakizay.” (Ge 21:33) Rehefa hanao sorona an’i Isaka tany Moria i Abrahama, dia avy tao Beri-sheba izy no niainga, ary nonina tao izy nony tafaverina.—Ge 22:19.
Notampenan’ny Filistinina ireo lavadrano nohadin’i Abrahama, rehefa maty izy. Nohadin’i Isaka indray anefa ireny, rehefa nonina teo izy, ary nantsoiny tamin’ny anarana niantsoan-drainy azy. (Ge 26:18) Niadian’ny Filistinina i Isaka, ka nifindrafindra izy mandra-pahitany toerana malalaka tao Rehobota. Niakatra nankany Beri-sheba izy tatỳ aoriana. (Ge 26:22, 23) Nihady lavadrano tao ny mpanompon’i Isaka, ka nankany amin’i Isaka i Abimeleka, izay mety ho mpanjaka hafa tao Gerara (fa mitovy anarana na mitovy anaram-boninahitra amin’ilay mpanjaka teo aloha, na mety ho ilay nanao fifanekena tamin’i Abrahama ihany). Niaraka tamin’i Pikola lehiben’ny tafiny izy mba hanao fifanekem-pihavanana tamin’i Isaka. Nisakafo be sy nisotro izy ireo, ary nifoha maraina ny ampitso, ka nianiana tamin’ny andaniny ny ankilany. Nisy rano nipoitra tamin’ilay lavadrano ny androtr’iny, ka nantsoin’i Isaka hoe Shiba, midika hoe “Fianianana; na Fito” ilay lavadrano. Ilay fianianana natao teo, izay nampiasana zavatra fito, no tiana holazaina. (Ge 26:31-33; jereo SHIBA.) Nantsoin’i Isaka hoe “Shiba” (endriny hafa amin’ny hoe Sheba) ilay lavadrano, angamba mba ho voatahiry ilay anarana hoe Beri-sheba nomen’i Abrahama an’ilay toerana. Mety ho io ihany mantsy ilay lavadrano resahin’ny Genesisy 26:18 hoe nohadin’i Abrahama fa naverin’ny mpanompon’i Isaka nohadina. Nonina tao Beri-sheba i Isaka tamin’izy nitso-drano an’i Jakoba fa tsy i Esao, sy tamin’izy nandefa an’i Jakoba tany Harana mba haka vady avy tamin’ireo zanakavavin’i Labana anadahin-dreniny. (Ge 28:1, 2, 10) Tao Beri-sheba koa i Jakoba no nanao sorona ho an’ilay Andriamanitr’i Isaka tamin’izy nankany Ejipta mba ho any amin’i Josefa zanany. Efa Israely ny anarany tamin’izay.—Ge 46:1-5.
Lasa nisy tanàna tao Beri-sheba tatỳ aoriana, tao anatin’ireo 250 taona mahery mandra-pizarana ny tany Kanana tamin’ny fokon’ny Israely 12. (Js 15:21, 28) Tao amin’ny faritanin’i Joda no nisy azy io, ary nomena ny fokon’i Simeona. (Js 19:1, 2) Tao ireo zanakalahin’i Samoela no nitsara. (1Sa 8:1, 2) Navelan’i Elia tao Beri-sheba ny mpanompony tamin’izy nandositra an’i Jezebela vadin’ny mpanjaka, izay tezitra mafy. Nianatsimo namakivaky an’i Negeba izy ka tonga hatrany Horeba. (1Mp 19:3) Avy tao Beri-sheba i Zibia renin’i Joasy Mpanjaka. (2Mp 12:1) I Beri-sheba no tanàna farany nandehanan’ireo nasain’i Davida nanisa vahoaka nanerana ny firenen’Israely (2Sa 24:2, 7), tao koa i Josafata no nanomboka namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana tamin’i Jehovah. (2Ta 19:4) Hita amin’ny tenin’i Amosa fa nanjaka tao Beri-sheba ny fivavahan-diso (Am 5:5; 8:14), angamba nifandray tamin’ny fanompoan-tsampin’ny fanjakana tany avaratra. Nisy sarivongan’ny andriamanibavy Astarta nofongarina tao Beri-sheba, sy tany amin’ny toerana maro tany Israely. Manomboka eo dia tsy manonona intsony ny anaran’i Beri-sheba ny Baiboly, afa-tsy amin’ilay filazana hoe nonenana indray izy io sy ireo tanàna niankina taminy, taorian’ny sesitany tany Babylona.—Ne 11:27.
Maro no mihevitra an’ilay Beri-sheba tamin’ny andron’ny mpanjaka ho i Tell es-Sabaʽ (Tel Beʼer Shevaʽ), 4 km any atsinanan’i Beʼer Shevaʽ ankehitriny. Nilaza ireo mpanoratra tamin’ny taonjato fahefatra fa tanàna lehibebe tany ambanivohitra i Beri-sheba tamin’izany, ary tao no nitoby ny miaramila romanina. Mbola maro ny lalana mihaona ao Beri-sheba ankehitriny, ary misy tsena lehibe ao. Mamokatra ny tany ao ary azo iompiana tsara ilay faritra na dia tanety anaty deboka aza i Beri-sheba, ary 15 sm ka hatramin’ny 20 sm monja ny rotsakorana ao isan-taona. Ahitana lavadrano maromaro any, ka ny lehibe indrindra dia lavadrano nolavahana teo amin’ny vatolampy: Efa ho 4 m ny savaivony, ary 5 m eo ho eo ny halaliny.