VIRJINY
Midika hoe vehivavy mbola tsy nanambady mihitsy ary mbola tsy nanao firaisana mihitsy ilay teny hebreo hoe betolah. (Ge 24:16; De 32:25; Mpts 21:12; 1Mp 1:2; Es 2:2, 3, 17; Ft 1:18; 2:21) Mety hidika hoe lehilahy na vehivavy mbola mpitovo kosa ilay teny grika hoe partenôs.—Mt 25:1-12; Lk 1:27; As 21:9; 1Ko 7:25, 36-38.
Raha nisy lehilahy nanao firaisana tamin-jazavavy virjiny mbola tsy nanana fofombady, dia tsy maintsy naka azy ho vady izy (raha eken’ny rain-drazazavavy) ary nanome sekely volafotsy 50 (110 dolara) ho an’ny rain-drazazavavy. Tsy azony nisarahana izy “mandritra ny androm-piainany.” (Ek 22:16, 17; De 22:28, 29) Tsy maintsy notoraham-bato ho faty kosa ny virjiny efa fofombadin’olona raha tsy niantsoantso mafy rehefa nisy nametaveta. Toy ny hoe nanaiky hovetavetaina mantsy izy ka noheverina ho mpanitsakitsa-bady, satria toy ny hoe efa vadin’olona izy. (De 22:23, 24; ampit. Mt 1:18, 19.) Noheverina ho toy ny vehivavy manambady ny virjiny efa fofombadin’olona.—Jl 1:8, Prot.
Nilaza ny apostoly Paoly fa tsara kokoa ny mijanona ho mpitovo, raha mahafehy tena ny Kristianina. Ny virjiny mantsy afaka mifantoka kokoa amin’ny fanompoana ny Tompo. (1Ko 7:25-35) Hoy kosa i Paoly amin’ireo tsy mahafehy tena: “Raha misy anefa mihevitra fa tsy hainy ny mitondra tena amin’ny maha virjiny azy, ary raha efa dila ny fotoana fivelaran’ny fahatanorana izy, ka tokony hanambady, dia aoka izy hanao izay tiany. Tsy manota izy. Aoka izy ireo hanambady.”—1Ko 7:36.
Midika ara-bakiteny hoe “virjiny” ilay teny grika nadika hoe “maha virjiny azy” ao amin’ny 1 Korintianina 7:36-38. Misy àry mihevitra hoe ny adidin’ny ray na adidin’ny mpitaiza amin’ny zanakavavy ampy taona hanambadiana no lazain’i Paoly eo. Hoy ny Fandikan-teny Katolika: “Raha misy mihevitra fa adidiny ny mampanam-bady ny zanany vavy, satria mety hahafa-baraka azy ny mamela azy hihoatra ny taom-panambadiana, dia aoka izy hanao izay tiany, fa tsy manota izy raha mamela azy hanam-bady.” Misy koa mihevitra fa lehilahy tapa-kevitra hampakatra ny fofombadiny no lazain’i Paoly eo. Hoy ny DIEM: “Izao kosa ny amin’ireo efa mpifamofo talohan’ny nahatonga azy ho kristianina. Raha miredareda-paniriana razazalahy, ka mihevitra fa tsy hahafehy tena manoloana ny fofombadiny ary mihevitra fa tokony hotanterahina ny raharaham-panambadiana, dia aoka ilay tovolahy hanao izay irîny fa tsy manota izy amin’izany: aoka hifanambady izy roa!”
Asehon’ny teny manodidina anefa fa tsy zazavavy virjiny no tian’i Paoly holazaina eo, fa ny maha virjiny ny olona iray. Hoy ny manam-pahaizana iray: “Mbola tohin’ny fanazavan’i Paoly ireo teny ireo, araka ny hevitro. Afaka manao izay tiany ny mpitovo, ka nilaza tamin’izy ireo izay tokony hataony i Paoly. Ny maha virjiny ny olona iray no tiana holazaina eo.” (Fanazavana ny Baiboly Manontolo Nataon’i Matthew Henry, 1976, Boky III, p. 1036) Ampiasaina amin’ny lehilahy mpitovo koa ilay teny grika hoe partenôs, ka ny hoe “maha virjiny azy” no dikan-teny mety sy mifanaraka indrindra amin’ny teny manodidina, ary izany no ampiasain’ny Baibolin’i Darby sy ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.
Virjiny ny ampakarin’i Kristy. Virjiny ihany no azon’ny mpisoronabe teo amin’ny Israely nalaina ho vady. (Le 21:10, 13, 14; ampit. Ezk 44:22.) Mpisoronabe ambony i Jesosy Kristy ka tsy maintsy ho “virjiny” koa ilay ‘ampakariny’, izany hoe ilay ho vadiny any an-danitra. (Ap 21:9; He 7:26; ampit. Ef 5:25-30.) Tena tian’ny apostoly Paoly hadio foana àry ny fiangonana tany Korinto, satria izy te hanolotra azy io “ho virjiny madio ho an’i Kristy.” (2Ko 11:2-6) “Virjiny” foana ny tsirairay amin’ireo Kristianina voahosotra 144 000, ilay ampakarin’i Kristy, satria izy ireo miezaka foana ny ho tafasaraka amin’ity tontolo ity sy hadio fitondran-tena ary hanaraka fampianarana marina.—Ap 14:1, 4; ampit. 1Ko 5:9-13; 6:15-20; Jk 4:4; 2Jn 8-11.
Faminaniana momba ny Mesia. Betolah no teny hebreo nadika hoe “virjiny”, nefa ʽalmah no hita ao amin’ny Isaia 7:14. Izao no voalaza ao: “Ho bevohoka ny tovovavy [haʽalmah] ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela.” Midika hoe tovovavy ny hoe ʽalmah, ary azo ampiasaina amin’ny virjiny na tsy virjiny izy io. Natao hoe “tovovavy”, ohatra, i Rebeka tamin’izy mbola tsy nanambady. Nantsoina koa hoe “virjiny” (betolah) izy tamin’izany. (Ge 24:16, 43) Ilay teny grika hoe partenôs (virjiny) no nampiasain’i Matio tamin’izy nanazava hoe tanteraka farany ny Isaia 7:14 rehefa nateraky ny virjiny i Jesosy Mesia. Samy nilaza i Matio sy Lioka fa virjiny tokoa i Maria renin’i Jesosy tamin’izy bevohoka noho ny fiasan’ny fanahy masin’Andriamanitra.—Mt 1:18-25; Lk 1:26-35.
Tanàna, toerana, vahoaka. Matetika no ampiasaina amin’ny tanàna, toerana, na vahoaka ny hoe “virjiny.” Ampiasaina, ohatra, ny hoe “virjiny” na “zanakavavy virjiny” rehefa miresaka momba ny “oloko” (Je 14:17), ny “Israely” (Je 31:4, 21; Am 5:2), Joda (Ft 1:15), Ziona (2Mp 19:21; Ft 2:13), Ejipta (Je 46:11), Babylona (Is 47:1), ary Sidona (Is 23:12). An’ohatra no ampiasana ny hoe virjiny eo, ka ny tiana holazaina dia vahoaka na toerana mbola tsy nobaboin’ny tafika vahiny na tsy nisy nanjanaka ka toy ny hoe virjiny.