-
Tahafo ny Fomba Fijerin’i Jehovah ny OlonaNy Tilikambo Fiambenana—2003 | 15 Martsa
-
-
7. Nanao ahoana ny toe-javatra niainan’i Jona fony izy nanompo an’i Jehovah tany Isiraely, ary ahoana no tokony ho fomba fijerintsika azy, noho izany?
7 Raha ny marina, dia mpaminany tsy nivadika i Jona, ary niasa mafy tany Isiraely, na dia tena vitsy aza no nandray ny hafatra nentiny. Nilaza i Amosa, mpaminany niaina tamin’ny andron’i Jona, fa tia vola sy fahafinaretana loatra ny Isiraelita.b Nisy zava-dratsy teo amin’ny tanin’izy ireo, nefa tsy noraharahainy akory. (Amosa 3:13-15; 4:4; 6:4-6) Tsy nivadika anefa i Jona, fa nitory tamin’izy ireo hatrany, araka ny nanirahana azy. Raha mpitory ny vaovao tsara ianao, dia fantatrao fa tena sarotra ny miresaka amin’ny olona efa afa-po amin’ny fiainany sy tsy miraika amin’ny hafatra entinao. Koa na dia ekentsika aza fa nanana kilema i Jona, dia aoka isika tsy hanadino ny toetra tsarany, dia ny tsy fivadihany sy ny fiaretany, fony izy nitory tamin’ny Isiraelita tsy nanam-pinoana.
-
-
Tahafo ny Fomba Fijerin’i Jehovah ny OlonaNy Tilikambo Fiambenana—2003 | 15 Martsa
-
-
b Toa nampitombo ny harenan’ny fanjakana tany avaratra i Jeroboama II, noho ny fandresena lehibe sasany sy ny fakana indray ny faritany sasany lasan’ny fahavalo ary ny fanangonana hetra.—2 Samoela 8:6; 2 Mpanjaka 14:23-28; 2 Tantara 8:3, 4; Amosa 6:2.
-