SISA TAVELA
Izay sisa tavela tamin’ny fianakaviana, firenena, foko na ny iray karazana; izay sisa tsy maty na ripaka tamin’ny zava-nitranga iray; izay sisa tsy nivadika tamin’Andriamanitra tamin’ny firenena na vahoaka nania.
Ry Noa mianakavy no sisa niangana tamin’ny olombelona, taorian’ny Safodrano. Ny matoanteny hebreo hoe shaʼar nadika hoe “sisa velona” no nampiasaina mba hilazana azy ireo. (Ge 7:23) Hoy i Josefa tamin’ny rahalahiny tany Ejipta: “Koa nalefan’Andriamanitra hialoha anareo aho, mba tsy ho lany taranaka eto ambonin’ny tany ianareo, ary mba ho voatsimbina ny ainareo noho ny famonjena lehibe.”—Ge 45:4, 7; ampit. 2Sa 14:7.
Ny sisa tamin’ny Israely avy tany an-tsesitany. Ny vahoakan’Andriamanitra no resahin’ny Baiboly matetika hoe nisy sisa tavela. Nilaza tamin’izy ireo ny mpaminany fa hanasazy azy ireo Andriamanitra noho izy ireo tsy nankatò. Hisy sisa miangana ihany anefa hiverina any Jerosalema ka hanorina azy io indray, ary hanan-taranaka sy hamokatra izy ireo.—Is 1:9; 11:11, 16; 37:31, 32; Je 23:3; 31:7-9.
Nahazo fahitana avy tamin’i Jehovah i Jeremia, rehefa nataon’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona sesitany i Joiakina mpanjakan’ny Joda sy ny Israelita hafa, tamin’ny 617 T.K. Ireo mponin’i Joda natao sesitany tany Babylona izay hampodian’i Jehovah any Joda no aviavy tsara tao amin’ilay fahitana. I Zedekia Mpanjaka sy ireo andrianany sy ny olon-kafa tsy natao sesitany tamin’izay (ny ankamaroan’ny mponin’i Jerosalema sy Joda) ary ny Israelita tany Ejipta kosa no aviavy ratsy. Maty na natao sesitany ny ankamaroan’ny mponin’i Joda tamin’ny 607 T.K., rehefa noravan’i Nebokadnezara i Jerosalema. Nahita faisana koa ireo efa tany Ejipta sy ireo nandositra tany taorian’ny 607 T.K., rehefa nanafika an’i Ejipta i Nebokadnezara.—Je 24:1-10; 44:14; 46:13-17; Ft 1:1-6.
Navelan’i Jehovah hatao sesitany ny Israelita satria nanota. Nampanantena anefa izy fa hangoniny toy ny andian’ondry ao am-bala ny sisa tavela nibebaka. (Mi 2:12) Izany tokoa no nitranga tamin’ny 537 T.K. Nisy sisa tamin’ny Jiosy niara-nody tamin’i Zerobabela. (Ezr 2:1, 2) ‘Nikotringa’ izy ireo, nefa nangonin’i Jehovah. Lasa tena Mpanjakany indray Andriamanitra (na dia mbola nofehezin’ny Persianina aza izy ireo), satria i Zerobabela no governorany ary lasa foiben’ny fivavahana marina indray ny tempoly. (Mi 4:6, 7) Voalazan’ny faminaniana fa ho toy ny “ando avy amin’i Jehovah” izy ireo ka hamelombelona sy hampiroborobo. Ho be herim-po sy hatanjaka toy ny “liona eo anivon’ny bibidia any an’ala” koa izy ireo. (Mi 5:7-9) Toa tanteraka tamin’ny andron’ny Makabeo io faminaniana farany io. Tsy fongotra tanteraka àry ny Jiosy, ary azo nampiasaina foana ny tempoly mandra-pahatongan’ny Mesia.
Nisy zanakalahin’i Isaia mpaminany nantsoina hoe Seara-jasoba. Midika hoe “Hiverina Ireo Sisa Tavela” ny hoe sheʼar (matoanteny: shaʼar) amin’io anarany io. Famantarana àry izy io fa ho rava i Jerosalema ary hatao sesitany ny mponina tao, nefa hamindra fo Andriamanitra ka hampody ny sisa amin’izy ireo.—Is 7:3.
Tsy nisy sisa niangana avy tao Babylona. Nampiasain’Andriamanitra hanasaziana ny vahoakany i Babylona. Tafahoatra anefa ny nataon’i Babylona, ary faly nampahory sy nampijaly an’ilay vahoaka izy. Nataony sesitany koa izy ireo ary tsy tiany havela hody intsony. I Babylona mantsy no tena mpanohana ny fivavahan-diso, ka nankahala an’i Jehovah sy ny fivavahana marina. Hoy àry Andriamanitra: “Hofoanako ny anaran’i Babylona sy izay sisa miangana aminy ary ny zanany sy ny taranany.” (Is 14:22) Lasa aolo tanteraka i Babylona tatỳ aoriana, ary tsy nisy sisa niangana niverina mba hanorina azy indray.
Nino an’i Kristy ny sisa tamin’ny Israely. Nanda an’i Jesosy Kristy ny ankamaroan’ny Jiosy. Vitsivitsy monja no nino azy ka lasa mpianany. Nilaza ny apostoly Paoly fa tanteraka tamin’ireo Jiosy sisa ireo ny faminanian’i Isaia (10:22, 23; 1:9). Hoy izy: “Tsy izay ihany fa izao koa no antsoantson’i Isaia momba ny Israely: ‘Na dia mety ho toy ny fasika any an-dranomasina aza ny isan’ny zanak’Israely, dia ny sisa tavela no hovonjena. Fa i Jehovah dia hanao ampamoaka ny velona eto an-tany, ka hamita izany haingana.’ Araka ny nambaran’i Isaia mialoha koa hoe: ‘Raha tsy i Jehovah Tompon’ny tafika no namela taranaka ho antsika, dia ho efa tonga tahaka an’i Sodoma isika, ary ho efa natao tahaka an’i Gomora.’” (Ro 9:27-29) Noresahin’i Paoly koa ny amin’ireo olona 7000 sisa tsy nandohalika tamin’i Bala, tamin’ny andron’i Elia. Hoy izy avy eo: “Toy izany koa fa mbola misy sisa tavela ihany ankehitriny, dia ireo voafidy noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa.”—Ro 11:5.
Ny sisa amin’ny rahalahin’i Kristy. Fahitana momba ny vehivavy iray any an-danitra sy ny dragona no resahin’ny Apokalypsy toko faha-12. Hoy ny andininy farany: “Ary tezitra tamin-dravehivavy ilay dragona, ka lasa nandeha niady tamin’ny sisa [lôipôn] amin’ny taranany, izay nitandrina ny didin’Andriamanitra sy nanankinana ny asa fitoriana momba an’i Jesosy.” Ireo nanankinana “ny asa fitoriana momba an’i Jesosy” ireo no sisa amin’ny rahalahin’i Jesosy Kristy eto an-tany, taorian’ny nanipazana ny Devoly teto an-tany sy nanambarana hoe: “Ankehitriny dia tonga ny famonjen’Andriamanitsika sy ny heriny ary ny fanjakany sy ny fahefan’ny Kristiny.” Miady amin’ireo sisa amin’ny rahalahin’i Kristy ireo ny dragona, na ny Devoly, amin’ny alalan’ireo ‘bibidia’ sy ny “sarin’ny bibidia.” (Ap 13) Handresy anefa ireo sisa ireo, araka ny Apokalypsy toko faha-14.—Jereo TARANAKA No. 2.