BETI-HAEZELA
(Bèti-haezèla).
Tanàna, izay azo inoana fa tany Joda. Ny hany miresaka azy io dia ny faminanian’i Mika momba ny loza hanjo an’i Samaria sy Jerosalema noho izy ireo nivadika. (Mi 1:11) Nanao tsilaolaon-teny imbetsaka ilay mpaminany rehefa nanonona anaran-tanàna maromaro tao amin’io faminaniana io. Hoy izy: “Mihosinkosena amin’ny vovoka, ao amin’ny trano any Afra [mety hidika hoe “Vovoka”]. Mandehana, ry mponin’i Safira [midika hoe “Mihaja; Mangirana; Mahafinaritra”], amin’izato fitanjahanao mahamenatra. Tsy nety nandeha kosa ny mponin’i Zanana. Noho ny fidradradradran’i Beti-haezela [midika hoe “Trano eo Akaiky (Mifanila)”], dia tsy hahajanona ao amin’ny toeram-pialofana any ianareo. Ary zava-tsoa no nandrasan’ny mponin’i Marota [avy amin’ny fototeny midika hoe “mangidy”], kanjo zava-dratsy avy tamin’i Jehovah no nidina ho eo am-bavahadin’i Jerosalema.” (Mi 1:10-12) Nampitandrina an’ireo hiharan’ny loza ilay mpaminany, ka nampahafantatra azy ireo fa ho tonga hatrany Jerosalema ny fidradradradrana.
Misy mihevitra ny toerana nisy an’i Beti-haezela fahiny ho tao Deir el-ʽAsal, tokony ho 16 km any andrefana atsimoandrefan’i Hebrona.