MARESA
(Marèsa) [Toerana eny An-tampony (An-tendrony)].
1. Taranak’i Joda, voalaza fa “rain’i” Hebrona. (1Ta 2:3, 42) Mety hisy hilaza hoe tanàna i Hebrona, ka i Maresa no razamben’ny mponina tao. Tsy mitombina anefa izany. Olona mantsy ilay Hebrona voaresaka eto satria voalaza fa manan-janakalahy izy.—1Ta 2:43.
2. Taranak’i Joda avy tamin’i Sela. Voalaza fa “rain’i Maresa” i Lada. (1Ta 4:21) Mety ho ity Maresa ity (na i Lada rainy) no nanorina ny tanànan’i Maresa. Mety ho ilay Maresa tany Joda voaresaka eo amin’ny No. 1 koa anefa izy io. Tsy fantatra izay tena marina momba izany.
3. Iray tamin’ireo tanàna sivy tany Sefela any Joda. (Js 15:44) Nitana toerana lehibe i Maresa, satria teo amoron’ny lohasaha, izay nisy lalana voajanahary avy any amin’ny lemaka amoron-tsiraka, nananika an’ireo tendrombohitra, ary nankany Hebrona. Maro no milaza azy io ho i Tell Sandahannah (Tel Maresha), tokony ho 1,5 km any atsimon’i Beit Jibrin (Bet Govrin).
Nataon’i Rehoboama, mpanjaka nandimby an’i Solomona, ho tanàna voaro mafy i Maresa, ka lasa mafy kokoa ny fiarovana an’i Joda avy any amin’iny lafiny iny. (2Ta 11:5, 8) Nanafika avy any atsimo i Zera Etiopianina mbamin’ny miaramilany iray tapitrisa, ka notsenain’ny tafik’i Asa Mpanjaka tao Maresa. Rafitra tao ny ady ka nandresy ny Jodianina satria nampian’Andriamanitra. Rehefa resy ny Etiopianina dia nenjehin’i Asa hatrany Gerara, tokony ho 35 km any atsimoandrefan’i Maresa. (2Ta 14:9-13) Avy any Maresa koa i Eliezera, ilay naminany fa hahita loza i Josafata Mpanjaka noho izy niara-nanao sambo tamin’i Ahazia mpanjakan’ny Israely. (2Ta 20:35-37) Voatonona manokana koa i Maresa, ao amin’ny faminanian’i Mika momba ny sazy miandry ny Joda sy Israely noho izy ireo nivadi-pinoana.—Mi 1:15.
Marisa no niantsoana an’i Maresa taorian’ny sesitany. Mbola tanàna lehibe izy io na dia lasa zanatanin’ny Sidonianina aza. Lasan’ny Idomeanina izy io tatỳ aoriana ary nataony toerana voaro mafy. Noravan’ny Partianina izy io tamin’ny taona 40 T.K.