-
Andro FaranyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Faminanian’i Isaia sy Mika. Hitanjozotra ho any ‘an-tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah’ ny olona avy amin’ny firenena rehetra, “any am-parany”, hoy ny Isaia 2:2 sy Mika 4:1. Tanteraka voalohany io faminaniana io teo anelanelan’ny taona 29 sy 70, rehefa nadiva ho rava ny tontolo jiosy. Nasandratra ho avo noho ny fivavahan’ny mpanompo sampy (izay oharina koa amin’ny tendrombohitra) mantsy ny fivavahana tamin’i Jehovah. Nanandratra ny fivavahana marina i Jesosy Kristy Mpanjaka ka azo lazaina hoe “mpanagorobaka.” Nanaraka azy ny sisa tamin’ny firenen’Israely, ary avy eo ny olona avy tamin’ny firenena rehetra. (Is 2:2; Mi 2:13; As 10:34, 35) Tanteraka amin’izao andro farany izao koa ny faminanian’i Isaia sy Mika, satria efa asandratra avo ny fivavahana amin’i Jehovah. Tarihin’i Jesosy Kristy Mpanjaka ho amin’ny fivavahana madio ny sisa amin’ny Israely ara-panahy, ary avy eo ny vahoaka be avy amin’ny firenena rehetra.—Ap 7:9.
-
-
TendrombohitraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Izao no lazain’ny faminaniana fa hitranga: “Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia ho mafy orina sady ho avo noho ny tampon’ireo tendrombohitra, ka hasandratra ho avo noho ireo havoana. Ary hitanjozotra ho any ny firenena rehetra.” (Is 2:2, 3; Mi 4:1, 2) Inona no dikan’ny hoe ho avo noho ireo tendrombohitra sy ireo havoana “ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah”? Te hilaza io faminaniana io fa hasandratra ho avo noho ny fivavahan-diso ny fivavahana marina. Maro mantsy ireo tendrombohitra sy havoana fahiny no natao toeram-pivavahana tamin’ny sampy sy toerana masina ho an’ireo andriamani-diso.—De 12:2; Je 3:6; Ezk 18:6, 11, 15; Ho 4:13.
Tanteraka voalohany io faminaniana io teo anelanelan’ny taona 29 sy 70, rehefa nadiva ho rava ny tontolo jiosy. Tamin’izay ny fivavahana tamin’i Jehovah dia nasandratra ho avo noho ny fivavahan’ny mpanompo sampy izay noheverin’izy ireny ho avo. Nanandratra ny fivavahana marina i Jesosy Kristy Mpanjaka ka azo lazaina hoe “mpanagorobaka.” Nanaraka azy ny sisa tamin’ny firenen’Israely, ary avy eo ny olona avy tamin’ny firenena rehetra. (Is 2:2; Mi 2:13; As 10:34, 35) Tanteraka amin’izao andro farany izao koa io faminaniana io, satria efa asandratra avo dia avo ny fivavahana amin’i Jehovah. Tarihin’i Jesosy Kristy Mpanjaka ho amin’ny fivavahana madio ny sisa amin’ny Israely ara-panahy, ary avy eo ny vahoaka be avy amin’ny firenena rehetra.—Ap 7:9.
-
-
TempolyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Milaza ny Isaia 2:1-4 sy Mika 4:1-4 fa “hasandratra ho avo” “ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah” “any am-parany.” Hangonina ho ao amin’io “tranon’i Jehovah” io ny olona avy amin’ny “firenena rehetra.” Efa rava tamin’ny taona 70 anefa ilay tempolin’i Jehovah tao Jerosalema. Tsy trano ara-bakiteny àry ilay resahina eto fa ny fanandratana ny fivavahana marina “any am-parany”, sy ny fanangonana olona avy amin’ny firenena rehetra mba hanompo an’i Jehovah ao amin’ilay tempoly ara-panahy lehibe.
-