TSELATRA
Fahazavana mamirapiratra miserana vetivety eny amin’ny habakabaka, vokatry ny herinaratra miampita avy amin’ny rahona iray mankamin’ny rahona iray, na avy eny amin’ny rahona manketỳ an-tany. Matetika no misy tselatra arahin’oram-baratra any Israely, amin’ny fotoanan’ny oran-dohataona sy oram-pararano, ary indrindra fa amin’ireo volana mangatsiaka (Novambra na Desambra).
I Jehovah no mpamorona an’ireo zavatra miteraka tselatra. Izy àry no nampisy ny tselatra. (Jb 37:3, 11) Hainy koa ny mibaiko azy io, ary azo inoana fa efa nampiasa tselatra sy zavatra toy izany izy mba hanafahana ny mpanompony tamin’ny fahavalon’izy ireo sy mba hanatanterahana ny didim-pitsarany. (2Sa 22:1, 15; Sl 18:14; 77:16-20; Za 9:14; ampit. Jb 36:32; Sl 97:4; 144:6.) Mety tsara àry ny ilazana hoe nisy tselatra nivoaka avy teo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra (Ap 4:5; ampit. Ap 11:19), sy hoe nandefa tselatra izy mba hanehoana ny fahatezerany. (Ap 8:5; 16:18) Voalaza koa fa toy ny hoe manao tatitra ny tselatra ka milaza ny asa vitany. (Jb 38:35) Nisy tselatra sy zava-mahagaga hafa niseho tao amin’ny Tendrombohitra Sinay ho porofo fa nanatrika teo Andriamanitra.—Ek 19:16; 20:18
Ampiasaina an’ohatra ny tselatra (heb.: barak) mba hilazana ny fanjelanjelatry ny metaly nokosehina hangilatra. (De 32:41; Ezk 21:10; Na 3:3; Ha 3:11) Voalaza fa “toy ny tselatra” ny kalesin’adin’ireo fahavalo rehefa nitsoriaka teny amin’ny arabe tany Ninive. Mety ho ny fanjelanjelatry ny kalesin’ady no tiana holazaina eo, nefa mety ho ny hafainganam-pandehany koa. (Na 2:4) Mamirapiratra koa no fahitana an’ireo anjely, na ny tarehiny, ka lazaina fa toy ny tselatra.—Da 10:5, 6; Mt 28:2, 3; jereo koa Ezk 1:14.
Nanazava i Kristy Jesosy fa tsy ho azo afenina ny fanatrehany, toy ny tsy azo anafenana “ny tselatra avy any atsinanana ka mazava hatrany andrefana.” (Mt 24:23-27; Lk 17:20-24) Naniraka mpianatra 70 lahy izy talohan’izay, ary hoy ireo rehefa niverina: “Manaiky anay hatramin’ny demonia noho ny fampiasanay ny anaranao.” Hoy ny navalin’i Jesosy: “Hitako fa efa nazera toy ny tselatra avy any an-danitra i Satana.” Ny handroahany an’i Satana avy any an-danitra amin’ny hoavy no noresahiny tamin’izany ary te hilaza izy fa azo antoka izany.—Lk 10:1, 17, 18.
Astrape no teny grika nadika hoe tselatra. Midika hoe hazavan’ny jiro izy io, ao amin’ny Lioka 11:36.