NAHOMA, BOKIN’I
Bokim-paminaniana mirakitra “fanamelohana an’i Ninive”, renivohitry ny Fanjakana Asyrianina. Nosoratan’i Nahoma Elkosita izy io. (Na 1:1) Anisan’ny Soratra Masina io boky io satria tanteraka ilay faminaniana. Nosoratana izy io taorian’ny naharesy tanteraka an’i No-amona (Thèbes) tanàna ejipsianina tamin’ny taonjato fahafito T.K. (3:8-10), sy talohan’ny nandravana an’i Ninive tamin’ny 632 T.K.—Jereo ASYRIA; NINIVE.
Mifanaraka amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly. Resahin’ny bokin’i Nahoma, ohatra, hoe “mitaky ny hanompoana azy irery ihany” i Jehovah, “tsy mora tezitra”, ary “lehibe ny heriny” nefa tsy hataony ho afa-maina mihitsy izay tokony hosazina. (Na 1:2, 3; ampit. Ek 20:5; 34:6, 7; Jb 9:4; Sl 62:11.) “Tsara i Jehovah, sady fiarovana mafy amin’ny andro fahoriana. Fantany izay mitady fialofana eo aminy.” (Na 1:7; ampit. Sl 25:8; 46:1; Is 25:4; Mt 19:17.) Porofon’izany ny hoe nafahany tamin’ny fampahorian’ny Asyrianina ny Israelita, ka novaliany ny nataon’i Ninive mpandatsa-dra rehefa avy nandefitra ela be Izy.
Misy itovizana koa ny voalazan’ny Nahoma toko 1 sy ny Salamo faha-97. Mitovitovy koa ny fanamelohan’i Jehovah an’i Asyria resahin’ny Isaia (10:24-27; 30:27-33) sy ny resahin’ny Nahoma toko faha-2 sy 3.—Ampit. Is 52:7; Na 1:15; Ro 10:15.
Zava-nitranga ara-tantara. Nomena toky i Ahaza mpanjakan’ny Joda fa tsy hahomby ny tetik’i Rezina mpanjakan’i Syria sy Peka mpanjakan’ny Israely hanongana azy. (Is 7:3-7) Tsy nanam-pinoana anefa i Ahaza ka nangataka ny fanampian’i Tiglato-pilesera III (Tilgato-pilnesera) mpanjakan’i Asyria. “Nampahory azy” izany “fa tsy nampahery azy”, satria lasa nofehezin’i Asyria ny Joda. (2Ta 28:20, 21) I Hezekia zanak’i Ahaza nandimby azy kosa nikomy tamin’ny Asyrianina. (2Mp 18:7) Nanafika an’i Joda àry i Sankeriba mpanjaka asyrianina. Naka an’ireo tanàna voaro mafy rehetra izy ka lasa lao ilay tany. (Ampit. Is 7:20, 23-25; 8:6-8; 36:1, 2.) Nosamborin’ny lehiben’ny tafika asyrianina i Manase mpanjaka nandimby an’i Hezekia, ka nentin’izy ireo tany Babylona (izay nofehezin’ny Asyrianina).—2Ta 33:11.
Nampahorin’ny Asyrianina ela be ny Joda. Vaovao tsara àry ilay faminanian’i Nahoma hoe ho rava tsy ho ela i Ninive. Toy ny hoe efa resy i Asyria tamin’i Nahoma nilaza hoe: “Eny an-tendrombohitra ny tongotr’ilay mitondra vaovao tsara sy manambara fiadanana. Ankalazao ireo fetinao, ry Joda ô! Efao ny voadinao, satria tsy hisy handalo eo aminao intsony ny olona tsy manjary, ary ho ringana tanteraka izy.” (Na 1:15) Tsy hohelingelenin’ny Asyrianina intsony ny Jodianina ka ho afaka hanatrika sy hankalaza an-kalalahana an’ireo fetiny. Tsy hampahory azy ireo intsony ny Asyrianina. (Ampit. Na 1:9.) “Hitehaka” na hifaly noho ny loza hanjo an’i Ninive koa ny firenen-kafa rehefa mandre hoe rava izy. Nampahory azy ireo loatra mantsy ny haratsiam-panahin’i Ninive.—3:19.
Nantsoina hoe “tanàna mpandatsa-dra” i Ninive satria tia ady ny Asyrianina. (Na 3:1) Lozabe sy nanao habibiana tamin’ireo babo an’ady koa izy ireo. Nisy nodorana velona, nesorina ny hodiny, nopotsirina ny masony, notapahina ny orony na ny sofiny na ny rantsantanany. Matetika ireo babo no notaritarihina tamin’ny tady nasiana farango naraikitra tamin’ny orony na ny molony. Mendrika ny horavana tokoa àry i Ninive mpandatsa-dra.
[Efajoro, pejy 555]
HEVITRA MISONGADINA: NAHOMA
Fanamelohana an’i Ninive renivohitr’i Asyria
Nosoratana talohan’ny nandravana an’i Ninive tamin’ny 632 T.K.
Valian’i Jehovah ny nataon’ny fahavalony (1:1-6)
Mitaky ny hanompoana azy irery ihany izy, tsy mora tezitra nefa tsy hataony ho afa-maina izay tokony hosazina
Tsy misy mahajanona eo anoloan’ny fahatezerany; ritra ny ranomasina, mihovotrovotra ny tendrombohitra, mitsonika ny havoana, mihozongozona ny tany
Hiadana ireo manantena an’i Jehovah rehefa ringana ny ratsy fanahy (1:7–3:19)
Fiarovana mafy ho an’izay miantehitra aminy i Jehovah, haripany ny fahavalo
Hambara any Joda ny vaovao tsara; haringana ny “olona tsy manjary”, ary tsy hisy hanakantsakana ny fivavahana marina
Hangonin’i Jehovah indray ny olony, fa i Ninive kosa ho aolo ary hodorana ny kalesin’adiny
Horobaina ilay tanàna mpandatsa-dra noho ny fahotany; tsy hisy hahavonjy azy, ho toy ny vehivavy ny miaramila mpiadiny
Tsy mety sitrana ny ferin’ny mpanjakan’i Asyria