-
“Miandrasa Ahy Hianareo”Ny Tilikambo Fiambenana—1996 | 1 Martsa
-
-
‘Miandrasa ianareo’
16. a) Tamin’iza no loharanom-pifaliana ny fahantomoran’ny andron’i Jehovah, ary nahoana? b) Antso nandrisika inona no niantefa tamin’io sisa nahatoky io?
16 Raha mbola nanjaka teo amin’ireo mpitarika sy ny maro tamin’ireo mponina tao Joda sy Jerosalema, ny faharendremana ara-panahy, ny fisalasalana sy ny fahasimbana ara-pitondran-tena ary ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo, dia toa nisy Jiosy nahatoky sasany nihaino ireo faminaniana fampitandremana nambaran’i Zefania. Nalahelo izy ireo noho ny fanao naharikorikon’ireo lehibe sy mpitsara ary mpisorona tao Joda. Loharanom-pampiononana ho an’ireny olona tsy nivadika ireny ireo fanambaran’i Zefania. Tsy nahatonga tebiteby ho azy ireo ny fahantomoran’ny andron’i Jehovah, fa loharanom-pifaliana kosa, satria izany dia hampitsahatra ireny fanao naharikoriko ireny. Io sisa nahatoky io dia nanaraka ilay didy nandrisika avy tamin’i Jehovah nanao hoe: “Koa miandrasa Ahy hianareo, hoy Jehovah, ambara-pihavin’ny andro hitsanganako haka babo; fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho, hanidinako ny fahatezerako amin’ireo, dia ny firehetan’ny fahatezerako rehetra”. — Zefania 3:8.
17. Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nanomboka tanteraka tamin’ireo firenena ny hafatra mirakitra didim-pitsarana nambaran’i Zefania?
17 Tsy gaga ireo izay nanaraka an’io fampitandremana io. Maro no velona ka nahita ny fahatanterahan’ny faminanian’i Zefania. Tamin’ny 632 al.f.i., i Ninive dia azo ka noravan’ny fitambaran’ireo Babyloniana sy Mediana ary ireo andiany avy tany avaratra, azo inoana fa ireo Sikitiana. Mitantara toy izao i Will Durant mpanoratra tantara: “Nisy tafika babyloniana teo ambany fitarihan’i Nabopolasara niaraka tamin’ny tafika mediana teo ambany fitarihan’i Cyaxare sy andiana Sikitiana avy tany Caucase, namabo mora foana sady haingana tamin’ny fomba nahatalanjona ireo tanàna nimanda tany avaratra. (...) Indray namely monja, dia nanjavona teo amin’ny tantara i Asyria.” Izany indrindra no nambaran’i Zefania tao amin’ny faminaniana. — Zefania 2:13-15.
18. a) Ahoana no nampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra tamin’i Jerosalema, ary nahoana? b) Ahoana no nahatanterahan’ny faminanian’i Zefania nahakasika an’i Moaba sy i Amona?
18 Jiosy maro izay niandry an’i Jehovah no velona koa ka nahita ny fampiharana ireo didim-pitsarany tamin’i Joda sy i Jerosalema. Momba an’i Jerosalema, dia naminany toy izao i Zefania: “Lozan’ny tanàna miodina sady voaloto, dia ilay mampahory! Tsy nihaino ny feo izy, na nino anatra; Jehovah tsy nitokiany, Andriamaniny tsy nohatoniny.” (Zefania 3:1, 2). Noho ny tsy fahatokiany, i Jerosalema dia nataon’ny Babyloniana fahirano indroa, ary tamin’ny farany dia azony ka noravany tamin’ny 607 al.f.i. (2 Tantara 36:5, 6, 11-21). Raha ny amin’i Moaba sy i Amona indray, araka ny nambaran’i Josèphe mpanoratra tantara jiosy, dia niady tamin’izy ireo ary naharesy azy ny Babyloniana tamin’ny taona fahadimy taorian’ny nianjeran’i Jerosalema. Taorian’izany, dia tsy nisy intsony izy ireo, araka ny voambaran’ny faminaniana.
19, 20. a) Ahoana no namalian’i Jehovah soa an’ireo niandry azy? b) Nahoana no mahakasika antsika ireny fisehoan-javatra ireny, ary inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
19 Ny fahatanterahan’ireny zavatra ireny sy ireo tsipiriany hafa tamin’ny faminanian’i Zefania, dia fanandraman-javatra nanatanjaka ny finoan’ireo Jiosy sy tsy Jiosy izay niandry an’i Jehovah. Anisan’ireo tafita velona tamin’ny fandravana namely an’i Joda sy i Jerosalema, dia teo i Jeremia, sy i Ebeda-meleka etiopiana, ary ny Rekabita, ankohonan’i Jonadaba. (Jeremia 35:18, 19; 39:11, 12, 16-18). Ireo Jiosy nahatoky natao sesitany, mbamin’ny taranany izay niandry hatrany an’i Jehovah, dia tonga anisan’ireo sisa sambatra izay nafahana avy tany Babylona tamin’ny 537 al.f.i., ka niverina tany Joda mba hanorina indray ny fanompoam-pivavahana madio. — Ezra 2:1; Zefania 3:14, 15, 20.
-
-
“Aza Miraviravy Tànana”Ny Tilikambo Fiambenana—1996 | 1 Martsa
-
-
2. Inona avy ireo fitoviana misy eo amin’ny toe-piainana tamin’ny andron’i Zefania sy ny tarehin-javatra ao anatin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana amin’izao andro izao?
2 Amin’izao andro izao, ny didim-pitsaran’i Jehovah dia ny hanangonana ireo firenena ho amin’ny fandringanana amin’ny ambaratonga lehibe lavitra noho ny tamin’ny andron’i Zefania. (Zefania 3:8). Ireo firenena izay mihambo ho kristiana ireo, no azo tsinìna indrindra eo imason’Andriamanitra. Tahaka ny nanasaziana mafy an’i Jerosalema noho ny tsy fahatokiany teo anatrehan’i Jehovah, dia toy izany koa fa tsy maintsy hampamoahin’Andriamanitra ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana noho ireo lalana feno fanaranam-po narahiny. Ireo didim-pitsaran’Andriamanitra natao hamelezana an’i Joda sy i Jerosalema tamin’ny andron’i Zefania, dia mihatra amin-kery mbola lehibe kokoa aza, amin’ireo fiangonana sy antokom-pivavahana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Izy ireo koa dia nandoto ny fanompoam-pivavahana madio, tamin’ireo foto-pampianarany manala baraka an’Andriamanitra, ka ny maro amin’ireny dia avy amin’ny mpanompo sampy. Izy ireo dia nanao sorona ireo zanany lahy salama tsara an-tapitrisany maro, teo amin’ny alitara maoderin’ny ady. Ankoatra izany, ireo mponina ao amin’ilay nanana an’i Jerosalema ho tandindona, dia mampifangaro an’ilay antsoina hoe Kristianisma nefa tsy izy, amin’ny astrolojia, ny fanao mifandray amin’ny spiritisma, sy ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy mampietry, izay mampahatsiaro ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala. — Zefania 1:4, 5.
-