Fianarana azo tsoahina avy ao amin’ny Soratra masina: Zefania 1:1 ka hatramin’ny toko faha-3:20
Mitadiava an’i Jehovah ary manompoa azy amin’ny fonao rehetra
DIMAMPOLO taona talohan’ny nandravan’ny Babyloniana an’i Joda, ilay firenena nivadika, dia nanambara tamin’ny alalan’i Zefania mpaminaniny Jehovah nanao hoe: “Hakifiko tokoa ny zavatra rehetra tsy ho eny ambonin’ny tany.” (1:1, 2). Natoron’Andriamanitra ny vahoakany koa anefa ny fomba fandosirana (2:3; 3:9). Amin’io lafiny io, ny bokin’i Zefania dia mirakitra fianarana sarobidy ho antsika rehetra izay hahita tsy ho ela ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”. — Apokalypsy 16:14.
Akaiky ny andron’i Jehovah
Tokony hiverina faingana amin’Andriamanitra ireo rehetra nanalavitra azy, satria tena akaiky ny andron’i Jehovah. Anisan’ireo izay ‘hakifik’Andriamanitra’ “izay nihemotra niala tamin’i Jehovah”. Niodina taminy ireo ka tsy miraharaha intsony ny sitrapon’Andriamanitra. Toe-javatra mampidi-doza re izany! Tokony harenina tsy misy hataka andro izany. — Zefania 1:3-11.
Tsy hahavonjy amin’ny andron’i Jehovah ny harena ara-nofo. Ny sasany amin’ireo izay milaza fa manompo an’i Jehovah dia mandany hery be mba hahazoana fananana ara-nofo ary migalabina ao anatin’ny toe-javatra mampiadana. Mamita-tena anefa izy ireny! Tsy hahavonjy azy ny fananany “amin’izany andro izany”. — Zefania 1:12-18.
Mety ho azo ny famonjena
Tsy ampy ny fananana fahalalana marivo ny amin’ny Soratra masina mba ho voafina amin’ny andron’i Jehovah. Amporisihina ‘hitady an’i Jehovah, hitady ny fahamarinana ary hitady ny fandeferana’ ireo “mpandefitra” izay “efa nanaraka ny fitsipiny”. “Izay maharitra hatramin’ny farany” ihany no hovonjena. — Zefania 2:1-3; Matio 24:13.
Ho ringana ireo firenena izay mampijaly ny vahoakan’i Jehovah amin’izao androntsika izao. Hihatra amin’izy ireo izay nanjo an’i Moaba sy Amona ary Asyria mbamin’ny firenena hafa manakaiky ny tanin’i Joda. Miandry an’i Babylona Lehibe koa ny fandringanana (Apokalypsy 18:4-8). Mamporisika antsika izany mba hanambara amin-jotom-po ny fitsaran’Andriamanitra. — Zefania 2:4-15.
Vahoaka tafarina
Manomana ny vahoakany mba ho tafita velona i Jehovah ankehitriny. Nanary ny hevitra nanam-piandohana babyloniana ve ianao ka nanomboka niteny ny ‘fiteny madio’, dia ny fahamarinana sarobidin’ny Baiboly? Moa ve ianao ‘niantso ny anaran’i Jehovah’ tamin’ny fanoloranao tena ho azy? ‘Mitondra fanatitra’ ve ianao, dia ny “vokatry ny molotra izay manaiky [manao fanambarana ampahibemaso, MN ] ny anarany”? Mba hiantohana ny fahatafitanao velona, dia tokony hanompo ‘amin’ny firaisan-kina’ miaraka amin’ireo izay nanolo-tena ho an’i Jehovah ianao. — Zefania 3:1-10; Romana 10:13-15; Hebreo 13:15.
Tokony hitady an’i Jehovah sy haneho fiheverana lehibe ny anarany masina isika mba hahazoana famonjena. Tsy manana ny toerany eo amin’ireo mpanompon’Andriamanitra ny avonavona sy ny tsy rariny ary ny lainga (Efesiana 4:25-32). Ireo ‘ory sy malahelo’ ihany no ho voavonjy rehefa hanamasina ny anarany izy. — Zefania 3:11-20.
Fianarana azo tsoahina avy ao amin’ny Soratra masina: Hagay 1:1 ka hatramin’ny 2:23
NY BOKIN’i Hagay dia mitondra antsika hiverina any amin’ny taona 520 alohan’ny fanisan-taona iraisana, izany hoe 17 taona taorian’ny niverenan’ny sisa tamin’ny Jiosy tany Jerosalema mba hanorina ao indray ny tempolin’i Jehovah (Hagay 1:1). Fotoana tokony hampifantohan’ny rehetra ny fony tamin’ny asan’Andriamanitra izany. Voatery naniraka an’i Hagay mpaminaniny anefa Jehovah mba hampahatsiaro ny mpanompony ny asa tokony hataony. Moa ve mirakitra fianarana ho antsika ny hafatr’io mpaminany io?
Aoka homentsika ny toerana voalohany ny asan’i Jehovah
Aoka isika tsy hametraka na oviana na oviana ny tombontsoantsika ara-nofo alohan’ny andraikitsika ara-panahy. Nety ho nampanahy an’ireo Jiosy niverina tany amin’ny taniny, ankoatra ny zavatra hafa, ny fihilangilan’ny toe-karena sy ny fanoheran’ny manodidina azy. Tsy izany anefa no nahatonga ny fanaovany tsirambina satria niaina tao anatin’ny renty izy ireo. Taorian’ny fanairana ara-panahy nataon’i Hagay ihany izy ireo vao niasa ho amin’ny fanorenana indray ny tempoly. Toy izany koa, amin’izao androntsika izao, dia tokony ‘hihevitra ny lalantsika’ isika ka hitandrina mba handray anjara amin’ny asan’Andriamanitra araka izay rehetra azontsika atao. — Hagay 1:2-15.
Tahin’i Jehovah ny ezaka ataon’ireo izay manao ny asany amin’ny fo rehetra. Hotahin’i Jehovah ny asan’i Zerobabela sy ny an’ireo Jiosy hafa mba hamitana ny fanorenana ny tempoly izay ho be voninahitra lavitra noho ilay trano fahiny. Amin’izao androntsika izao, dia “olona betsaka” no mandray tsara ny hafatry ny Fanjakana, ka amin’izany no idiran’izay ‘irin’ny firenena rehetra’ ao amin’ny tempolin’i Jehovah ara-panahy sy ‘amenoany voninahitra ny tranony’. — Hagay 2:1-9; Apokalypsy 7:9.
Tokony hanompo an’Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra isika
Tsy hisy vidiny ny fanompoam-pivavahana ataontsika raha tsy madio ny tenantsika, tsara ny antony manosika antsika, ary amin’ny fo manontolo no anompoantsika an’i Jehovah. Nandoto azy ireo ny fanaovan’ny Jiosy tsirambina ny tranon’Andriamanitra; hanampy azy anefa i Jehovah raha vao hiandoha ny fanorenana. Toy izany koa, raha tiantsika ny hitahian’i Jehovah antsika, dia tokony hanao ny fiovana rehetra ilaina isika ary hampifantoka ny fontsika amin’ny asany (jereo Nomery 19:11-13). Eo am-piandrasana ny hampihorohoroan’Andriamanitra ny lanitra sy ny tany mba hanonganany fanjakana maro, dia aoka isika hanaraka an’ilay Zerobabela nasehon’ny tandindona, dia Jesosy Kristy, ary handany hery amin’ny fontsika rehetra amin’ny asan’i Jehovah. — Hagay 2:10-23.
[Efajoro, pejy 30]
FANDINIHANA ANDININY VITSIVITSY AO AMIN’NY BAIBOLY
○ Zefania 1:5 — Malkama, izay angamba mifanitsy amin’i Milkoma, Moleka na Moloka, no lehibe indrindra amin’ireo andriamani-dison’ny Amonita (1 Mpanjaka 11:5, 7). Tafiditra tao amin’ny fanompoana an’i Moloka ny fanao maharikoriko iray, dia ny sorona ankizy, ary nomelohin’ny Lalàna izany. — Levitikosy 20:2-5; Asa 7:42, 43.
○ Zefania 2:14 — Araka ny voalaza mialoha, ireo andry niongana tao Ninive mbamin’ireo kapitaliny dia tonga fitoeran’ny vorona sy ny biby dia. Ireo vorona, ary angamba koa ny rivotra no ‘nikiririoka’ teo amin’ny varavarankely efa lao. Ny tokonana, ary na dia ireo efitra anatin’ny lapa aza dia rava.
○ Zefania 3:9 — Tsy miantoka ny firaisan-kina ny fisian’ny fiteny iraisana, araka ny asehon’ireo ady mampifanohitra olona manana fiteny mitovy. Ny “molotra [fiteny, MN ] madio” dia ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, “ny mariky ny teny tsy misy kilema”. (2 Timoty 1:13.) Resiny ny avonavona ary manome voninahitra an’Andriamanitra sady mampiray ireo miteny azy izy.
○ Hagay 1:6 — Koa satria ny Jiosy nanao tsirambina ny tempoliny, dia tsy nitahy azy Jehovah. Namafy be àry izy ireo nefa kely ny voan-javatra fihinana ka tsy ampy sakafo sy fisotro izy ireo. Tsy tsara loatra na vitsy loatra ny fitafian’izy ireo ka tsy nanafana azy, ary ny mpikarama dia toa nametraka ny volany tao anatin’ny kitapo loaka. Mifanohitra amin’ireo Jiosy ireo, dia aoka isika tsy hanao tsirambina na oviana na oviana ny tombontsoan’Andriamanitra. — Ohabolana 10:22; Nehemia 10:40.
○ Hagay 2:9 — Raha naharitra 420 taona ny tempoly “tany aloha” naorin’i Solomona, ilay ‘trano farany’ kosa dia nampiasaina nandritra ny 584 taona (nanomboka tamin’ny 515 al. fan. ir. ka hatramin’ny 70 amin’ny fan. ir.). Araka izany, dia naharitra kokoa ny tempoly faharoa. Maro kokoa ny mpivavaka nankany, ohatra tamin’ny Pentekosta taona 33, rehefa nivory tao ny Jiosy sy proselyta avy tany ivelan’i Jodia. Ankoatra izany, Jesosy Kristy, ilay Mesia, dia nampianatra tao amin’io ‘trano farany’ io. Izany rehetra izany no nanome azy voninahitra ara-pivavahana lehibe kokoa.