Tahafo Ireo Mpaminany: Zefania
1. Nanao ahoana ny fiainana tamin’i Zefania naminany? Nahoana izy no ohatra tsara ho antsika?
1 Niely be tao Joda ny fivavahana tamin’i Bala, tamin’ny taona 650 T.K. tany ho any. Vao avy nisy namono i Amona mpanjaka ratsy fanahy, ary i Josia kely indray no nanjaka. (2 Tan. 33:21–34:1) Tamin’izay i Jehovah no naniraka an’i Zefania hanambara ny didim-pitsarany. Tsy namboamboarin’i Zefania ilay hafatra nanameloka ny mpitondra tao Joda, na dia mety ho anisan’ny fianakavian’ny mpanjaka aza izy. (Zef. 1:1; 3:1-4) Miezaka mafy koa isika mba ho be herim-po toa an’i Zefania ary tsy havelantsika hanelingelina ny fanompoantsika an’i Jehovah ny havantsika. (Mat. 10:34-37) Inona no hafatra nambaran’i Zefania ary inona no vokany?
2. Inona no tsy maintsy ataontsika raha te ho voafina isika amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah?
2 Tadiavo i Jehovah: I Jehovah ihany no afaka mamonjy antsika tsirairay amin’ny andro fahatezerany. Izany no nahatonga an’i Zefania hampirisika ny mponin’i Joda hitady an’i Jehovah sy hikatsaka ny fahamarinana sy ny fandeferana dieny mbola nisy fotoana. (Zef. 2:2, 3) Mampirisika ny olona hitady an’i Jehovah koa isika, toa an’i Zefania. Tokony ho tapa-kevitra ‘hanaraka an’i Jehovah’ foana koa anefa isika. (Zef. 1:6) Mitady an’i Jehovah isika, ka mianatra tsara ny Teniny sy mivavaka mba hahazo ny tari-dalany. Mikatsaka ny fahamarinana isika, izany hoe madio fitondran-tena. Mikatsaka ny fandeferana isika, ka miezaka mba ho mora mankatò sy vonona hanaraka ny toromariky ny fandaminan’i Jehovah.
3. Nahoana isika no tokony hanana toe-tsaina tsara foana rehefa manompo?
3 Vokatra tsara: Nisy vokany tsara teo amin’ny mponin’i Joda ny didim-pitsarana nambaran’i Zefania, fara faharatsiny tamin’ny olona sasany. Tena niavaka anefa ny vokatr’ilay izy teo amin’i Josia, satria nanomboka nitady an’i Jehovah izy na dia mbola kely aza. Nanao ezaka goavana mba hanalana ny fanompoan-tsampy tao amin’ilay tany izy, tatỳ aoriana. (2 Tan. 34:2-5) Latsaka eny amoron-dalana, eny amin’ny toerana be vato, na eny amin’ny tsilo koa ny sasany amin’ny voan’ilay Fanjakana ankehitriny. Misy anefa latsaka eny amin’ny tany tsara ary mamoa. (Mat. 13:18-23) Matoky isika fa hotahin’i Jehovah foana ny ezaka ataontsika, raha mbola mazoto mamafy ny voan’ilay Fanjakana isika.—Sal. 126:6.
4. Nahoana isika no tokony ‘hiandry an’i Jehovah’?
4 Nihevitra ny olona sasany tao Joda hoe tsy hanao zavatra i Jehovah. Nanome antoka anefa i Jehovah fa efa akaiky ny andro lehibeny. (Zef. 1:12, 14) Izay nialoka taminy ihany no voavonjy. (Zef. 3:12, 17) Enga anie isika ho faly hiara-manompo an’i Jehovah eo am-piandrasantsika azy.—Zef. 3:8, 9.