Manome Fiadanana sy Fahamarinana Tondraka i Jehovah
“Hositraniko izy, ary hasehoko aminy ny haren’ny fiadanana sy ny fahamarinana.” — JEREMIA 33:6.
1, 2. a) Raha ny amin’ny fiadanana, inona ny zava-misy fantatra teo amin’ireo firenena? b) Tamin’ny 607 al.f.i., fianarana inona no nomen’i Jehovah ny Isiraely momba ny fiadanana?
FIADANANA! Faniry toy inona moa izany, kanefa tsy fahita toy inona moa izy io teo amin’ny tantaran’ny olombelona! Ny taonjato faha-20 indrindra no tsy taonjaton’ny fiadanana. Izy io kosa aza no nahita ny ady roa nandrava indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona. Taorian’ny ady lehibe voalohany dia natsangana ny Fikambanam-pirenena mba hitandrovana ny fiadanana maneran-tany. Tsy nahomby io fikambanana io. Taorian’ny ady lehibe faharoa dia naorina ny fandaminan’ny Firenena Mikambana, noho ny zava-kendrena nitovy tamin’izany ihany. Tsy mila afa-tsy ny mamaky ny gazety mivoaka isan’andro isika mba hahitana hoe tsy nahomby tanteraka koa izy io.
2 Tokony ho gaga ve isika raha tsy afaka mitondra fiadanana ireo fandaminan’olombelona? Tsy izany velively. Dimanjato sy roa arivo taona mahery lasa izay, dia nomena fianarana momba izany ny Isiraely, vahoaka nofidin’Andriamanitra. Tamin’ny taonjato fahafito al.f.i., dia norahonan’i Babylona, ilay herim-panjakana nisandratra, ny fiadanan’ny Isiraely. Nitodika tany amin’i Egypta ny Isiraely mba hahitana fiadanana. Tsy nahomby i Egypta. (Jeremia 37:5-8; Ezekiela 17:11-15). Tamin’ny 607 al.f.i., dia nandrava ny mandan’i Jerosalema sy nandoro ny tempolin’i Jehovah ireo tafika babyloniana. Tamin’izany no nianaran’ny Isiraelita tamin’ny fomba nampanaintaina fa zava-poana ny fianteherana tamin’ireo fandaminan’olombelona. Tsy nahita fiadanana ilay firenena, fa nentina an-tery hatao sesitany kosa, tany Babylona. — 2 Tantara 36:17-21.
3. Ho fahatanterahan’ny tenin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jeremia, fisehoan-javatra ara-tantara inona avy no nanome fianarana fanindroany ny Isiraely momba ny fiadanana?
3 Talohan’ny nianjeran’i Jerosalema anefa, dia efa nambaran’i Jehovah fa ny tenany, fa tsy i Egypta, no hitondra tena fiadanana ho an’ny Isiraely. Toy izao no nampanantenainy tamin’ny alalan’i Jeremia: “Hositraniko izy, ary hasehoko aminy ny haren’ny fiadanana sy ny fahamarinana. Ary ny Joda sy ny Isiraely dia hampodiko avy amin’ny fahababoany, ka haoriko ho toy ny taloha izy.” (Jeremia 33:6, 7). Nanomboka ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah tamin’ny 539 al.f.i., rehefa resy i Babylona ka nomena fahafahana ny Isiraelita natao sesitany. (2 Tantara 36:22, 23). Tamin’ny faramparan’ny 537 al.f.i., dia nisy antokona Isiraelita nankalaza ny Andro Firavoravoana Fitoerana tao Amin’ny Trano Rantsan-kazo tao amin’ny tanin’ny Isiraely, sambany tao anatin’ny 70 taona! Taorian’ilay andro firavoravoana, dia nanomboka nanorina indray ny tempolin’i Jehovah izy ireo. Nanao ahoana ny fihetseham-pon’izy ireo momba izany? Hoy ny firaketana an-tsoratra: “Nihoby mafy ny olona rehetra, raha nidera an’i Jehovah, satria vita ny fanorenan’ny tranon’i Jehovah.” — Ezra 3:11.
4. Ahoana no nandrisihan’i Jehovah ny Isiraelita hanao ny asa fanorenana ny tempoly, ary fampanantenana inona no nomeny momba ny fiadanana?
4 Taorian’io fiandohana nahafaly io anefa, dia ketraka ny Isiraelita noho ireo mpanohitra ka nampitsahatra ilay asa fanorenana ny tempoly. Taona maromaro tatỳ aoriana, dia nanangana an’i Hagay sy i Zakaria, mpaminany i Jehovah, mba handrisika ny Isiraelita hamita ilay asa fanorenana indray. Tsy maintsy ho nampientana azy ireo toy inona moa ny nandre an’i Hagay nilaza toy izao momba ilay tempoly izay haorina: “Ny voninahitr’ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha, hoy Jehovah, Tompon’ny maro; ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako, fiadanana”! — Hagay 2:9.
Manatanteraka ny fampanantenany i Jehovah
5. Inona no tsara homarihina momba ny toko fahavalo amin’ny Zakaria?
5 Ao amin’ny Zakaria, boky ao amin’ny Baiboly, isika dia mamaky ny amin’ireo fahitana sy faminaniana ara-tsindrimandry maro izay nanatanjaka ny vahoakan’Andriamanitra tany amin’ny taonjato fahenina al.f.i. Mbola manohy manome antoka antsika ny amin’ny fanohanan’i Jehovah ireo faminaniana ireo. Omeny antsika ny antony rehetra hinoana fa hanome fiadanana ny vahoakany i Jehovah, amin’izao androntsika izao koa. Ohatra, ao amin’ny toko fahavalo ao amin’ilay boky mitondra ny anarany, i Zakaria mpaminany, dia nanonona izao teny izao impolo: ‘Izao no lazain’i Jehovah’. Isaky ny miseho ilay fitenenana dia mampiditra fanambarana iray avy amin’Andriamanitra mifandray amin’ny fiadanan’ny vahoakany. Tanteraka tany amin’ny andron’i Zakaria ny sasany tamin’ireo fampanantenana ireo. Efa tanteraka avokoa izy rehetra, na eo an-dalam-pahatanterahana amin’izao andro izao.
“Saro-piaro dia saro-piaro an’i Ziona Aho”
6, 7. Tamin’ny lafiny inona avy i Jehovah no ‘saro-piaro tamin’i Ziona tamin’ny fahatezerana mafy’?
6 Miseho voalohany ilay fitenenana ao amin’ny Zakaria 8:2 izay amakiantsika toy izao: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an’i Ziona Aho, eny, saro-piaro azy amin’ny fahatezerana mafy Aho.” Ny fampanantenan’i Jehovah fa ho saro-piaro, hanana zotom-po lehibe, ho an’ny vahoakany izy dia nidika fa ho mailo tsara izy eo amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fiadanana amin’izy ireo. Porofon’izany zotom-po izany ny famerenana ny Isiraelita tany amin’ny taniny sy ny fanorenana indray ny tempoly.
7 Ahoana kosa ny amin’ireo nanohitra ny vahoakan’i Jehovah? Ny zotom-pony ho an’ny vahoakany dia hitovy amin’ny ‘fahatezerany mafy’ tamin’ireny fahavalo ireny. Rehefa nanolotra fanompoam-pivavahana tao amin’ilay tempoly voaorina indray ireo Jiosy nahatoky, dia nanana fahafahana izy ireo hisaintsaina ny fiafarana ratsy nanjo an’ilay Babylona nahery izay nianjera izao. Afaka nieritreritra koa izy ireo ny amin’ny tsy fahombiazana tanteraka hitan’ireo fahavalo izay nanandrana nisakana ny fanorenana indray ny tempoly. (Ezra 4:1-6; 6:3). Ary afaka nisaotra an’i Jehovah izy ireo noho izy nanatanteraka ny fampanantenany. Nitondra fandresena ho azy ireo ny zotom-pony!
“Tanànan’ny fahamarinana”
8. Tamin’ny andron’i Zakaria, ahoana no nahatonga an’i Jerosalema ho tanànan’ny fahamarinana, raha ampifanoherina amin’ireo fotoana tany aloha kokoa?
8 Nanoratra toy izao fanindroany i Zakaria: “Izao no lazain’i Jehovah”. Inona avy ireo tenin’i Jehovah tamin’io fotoana io? “Efa tafaverina ho eto Ziona Aho ka honina eto afovoan’i Jerosalema; ary Jerosalema dia hatao hoe Tanànan’ny fahamarinana, ary ny tendrombohitr’i Jehovah, Tompon’ny maro, dia hatao hoe Tendrombohitra masina.” (Zakaria 8:3). Talohan’ny 607 al.f.i., dia azo antoka fa tsy tanànan’ny fahamarinana i Jerosalema. Ireo mpisorony sy mpaminaniny dia nandray kolikoly, ary ny vahoakany dia tsy nahatoky. (Jeremia 6:13; 7:29-34; 13:23-27). Izao dia nanorina indray ny tempoly ny vahoakan’Andriamanitra, nampiseho ny fanekeny hanolotra fanompoam-pivavahana madio. Tamin’ny fanahy, dia nitoetra indray tao Jerosalema i Jehovah. Nolazaina indray tao aminy ny fahamarinana momba ny fanompoam-pivavahana madio, hany ka azo nantsoina hoe “Tanànan’ny fahamarinana” i Jerosalema. Azo nantsoina hoe “tendrombohitr’i Jehovah” ny toerana nanerinerina nisy azy.
9. Fiovana niavaka inona teo amin’ny toe-piainana no hitan’ny “Isiraelin’Andriamanitra” tamin’ny 1919?
9 Raha nisy heviny ho an’ny Isiraely fahiny ireo fanambarana roa ireo, dia misy heviny lehibe koa ho antsika izy ireo, rehefa madiva hifarana ny taonjato faha-20. Efa ho 80 taona lasa izay, nandritra ny ady lehibe voalohany, ireo voahosotra an’arivony vitsivitsy izay nisolo tena ny “Isiraelin’Andriamanitra” tamin’izay, dia niditra tao amin’ny fahababoana ara-panahy, dia toy ny nidiran’ny Isiraely fahiny ho babo tany Babylona. (Galatiana 6:16). Araka ny faminaniana, izy ireo dia nolazalazaina ho toy ny faty niampatra teny an-dalambe. Kanefa izy ireo dia nanana faniriana tamim-pahatsorana hanolotra fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah ‘tamin’ny fanahy sy ny fahamarinana’. (Jaona 4:24). Noho izany, tamin’ny 1919, i Jehovah dia nanafaka azy ireo tamin’ny fahababoana, nanangana azy ireo hiala tamin’ny toe-piainana maty ara-panahy nisy azy. (Apokalypsy 11:7-13). I Jehovah àry dia namaly tamin’ny Eny nanakoako an’ilay fanontaniana ara-paminanian’i Isaia nanao hoe: “Hisy tany hateraka indray andro va, na firenena azo atao indray miteraka?” (Isaia 66:8). Tamin’ny 1919, dia nisy indray ny vahoakan’i Jehovah, tamin’ny naha-firenena ara-panahy iray tao amin’ny ‘taniny’ manokana, na toe-piainana ara-panahy iray eto an-tany.
10. Nanomboka tamin’ny 1919, fitahiana inona avy no nananan’ireo Kristiana voahosotra tao amin’ny ‘taniny’?
10 Voaro tamin’ny loza tao amin’io tany io ireo Kristiana voahosotra ary nanompo tao amin’ny tempoly ara-panahy lehiben’i Jehovah. Nantsoina tamin’ny anarana hoe “mpanompo mahatoky sy malina” izy ireo, nanaiky ny andraikitra hikarakara ny fananan’i Jesosy teto an-tany, dia tombontsoa iray izay mbola ananany ihany na dia manakaiky ny fifaranany aza ny taonjato faha-20. (Matio 24:45-47, NW ). Nianarany tsara fa i Jehovah no ilay “Andriamanitry ny fiadanana”. — 1 Tesaloniana 5:23.
11. Ahoana no nampisehoan’ireo filoham-pivavahana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana fa fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra ny tenan’izy ireo?
11 Ahoana kosa ny amin’ny fahavalon’ny Isiraelin’Andriamanitra? Mitovy amin’ny fahatezerany mafy tamin’ireo mpanohitra ny zotom-pon’i Jehovah ho an’ny vahoakany. Nandritra ny ady lehibe voalohany, ireo filoham-pivavahana tao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia nampihatra fanerena goavana rehefa nanandrana — ary tsy nahomby — nanamontsana an’io antoko kely nisy Kristiana nilaza ny fahamarinana io. Nandritra ny ady lehibe faharoa, ireo mpitondra teo amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia niray saina tamin-javatra iray monja dia izao: Teo amin’ny andaniny roa tamin’ilay ady, dia nampirisihin’izy ireo ny fitondram-panjakana mba hamongotra ny Vavolombelon’i Jehovah. Na dia amin’izao andro izao aza, any amin’ny tany maro, ireo filoham-pivavahana dia manome saina an’ireo fitondram-panjakana mba hamepetra na handrara ny asa fitoriana kristiana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah.
12, 13. Ahoana no nisehoan’ny fahatezeran’i Jehovah tamin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana?
12 Tsy hoe tsy nomarihin’i Jehovah akory izany zavatra izany. Taorian’ny ady lehibe voalohany, ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, niaraka tamin’ny tapany sisa amin’ny Babylona Lehibe, dia nianjera. (Apokalypsy 14:8, NW ). Nanjary fantatry ny besinimaro ny zava-misy ny amin’ny fianjeran’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana rehefa nararaka, nanomboka tamin’ny 1922, ny fitohitohizan’ireo loza ara-panoharana, ka nampiharihary ampahibemaso ny toe-piainany maty ara-panahy sy nampitandrina ny amin’ny fandravana azy ho avy. (Apokalypsy 8:7–9:21). Ho porofo fa mitohy ny fandrarahana ireo loza ireo, dia natao maneran-tany, tamin’ny 23 Aprily 1995, ilay lahateny hoe “Akaiky ny Faran’ny Fivavahan-diso”, narahin’ny fanelezana an-jato tapitrisany maro tamin’ny nomerao manokana amin’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana.
13 Amin’izao andro izao, dia ao anatin’ny toe-javatra mampahonena ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Nandritra ny taonjato faha-20 manontolo, ireo mpikambana tao aminy dia nifamono tao amin’ireo ady nahatsiravina nahazo ny tso-dranon’ireo pretra sy mpitondra tao aminy. Any amin’ny tany sasany, dia zara raha manana hery mitaona izy. Voatokana ho amin’ny fandringanana izy miaraka amin’ny tapany sisa amin’i Babylona Lehibe. — Apokalypsy 18:21.
Fiadanana ho an’ny vahoakan’i Jehovah
14. Sary ara-paminaniana manaitra ny saina inona no lazalazaina momba ny vahoaka iray mandry feizay?
14 Etsy an-danin’izany, amin’itỳ taona 1996 itỳ, ny vahoakan’i Jehovah dia mankafy fiadanana tondraka ao amin’ny taniny tafaverina amin’ny laoniny, araka ny voalazalaza ao amin’ny fanambarana fahatelo avy amin’i Jehovah manao hoe: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Mbola hisy lahy antitra sy vavy antitra hipetraka eny an-dàlamben’i Jerosalema, samy hitehina amin’ny tehina eny an-tànany isan-olona noho ny fahanterany; ary eny an-dàlambe any an-tanàna dia ho feno ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika milalao eny an-dàlambe.” — Zakaria 8:4, 5.
15. Na dia teo aza ny ady teo amin’ireo firenena, fiadanana inona no nananan’ireo mpanompon’i Jehovah?
15 Io sary manaitra ny saina sady mahafinaritra io dia mampiseho zavatra miavaka eto amin’itỳ tontolo rotidrotiky ny ady itỳ — vahoaka iray mandry feizay. Tanteraka nanomboka tamin’ny 1919 ireo teny ara-paminanian’i Isaia manao hoe: “Fiadanana, fiadanana ho an’izay lavitra sy ho an’izay akaiky! hoy Jehovah, ka dia hahasitrana azy Aho. Fa (...) tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro.” (Isaia 57:19-21). Mazava ho azy fa na dia tsy anisan’izao tontolo izao aza ny vahoakan’i Jehovah, dia tsy afaka manalavitra ny ho voakasiky ny korontana miseho eo amin’ireo firenena ny tenan’izy ireo. (Jaona 17:15, 16). Any amin’ny tany sasany, izy ireo dia miaritra fahasahiranana mafy, ary nisy vitsivitsy taminy novonoina mihitsy aza. Kanefa manana fiadanana eo amin’ny lafiny roa ny tena Kristiana. Voalohany, izy ireo dia manana “fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompo[ny]”. (Romana 5:1). Faharoa, izy ireo dia mihavana eo amin’izy samy izy. Mamboly “ny fahendrena izay avy any ambony”, izy ireo, dia fahendrena izay “madio aloha, ary tia fihavanana”. (Jakoba 3:17; Galatiana 5:22-24). Ambonin’izany, izy ireo dia manandrandra ny hankafy fiadanana amin’ny heviny feno indrindra, rehefa ‘handova ny tany ny mpandefitra ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana’. — Salamo 37:11.
16, 17. a) Ahoana no nanatanjahan’ireo “lahy antitra sy vavy antitra” ary koa ireo “ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika” ny fandaminan’i Jehovah? b) Inona no mampiharihary ny fiadanana eo amin’ny vahoakan’i Jehovah?
16 Mbola misy “lahy antitra sy vavy antitra” eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah, dia ireo voahosotra izay mahatadidy ny fandresena tany am-boalohany azon’ny fandaminan’i Jehovah. Ankasitrahana be dia be ny fahatokiana sy ny fiaretan’izy ireo. Nandray ny fitarihana ireo voahosotra tanora kokoa, nandritra ireo andro namaivain’ireo taona 1930 sy ny Ady Lehibe Faharoa, ary koa ireo taona nahitana fitomboana nampientam-po nanaraka izany. Ankoatra izany, nanomboka tamin’ny 1935 indrindra, dia niseho ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa”. (Apokalypsy 7:9; Jaona 10:16). Koa satria efa nihantitra sy nanjary vitsy kokoa ireo Kristiana voahosotra, dia nanohy ny asa fitoriana ny ondry hafa ary nanitatra azy io manerana ny tany. Tato anatin’ireo taona faramparany, dia nisy ondry hafa tonga maro be niditra tao amin’ny tanin’ny vahoakan’Andriamanitra. Tamin’ny taona lasa fotsiny, dia 338 491 tamin’izy ireo no natao batisa ho mariky ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah! Tsy azo lavina fa tena tanora tokoa, amin’ny heviny ara-panahy, ireny vaovao ireny. Ankamamina ny fahavononany hanao zavatra sy ny risi-pony, satria manatevin-daharana an’ireo izay manao hira fiderana feno fankasitrahana “ho an’Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy ho an’ny Zanak’ondry”, izy ireo. — Apokalypsy 7:10.
17 Amin’izao andro izao, dia ‘feno ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika eny an-dalambe’, dia Vavolombelona izay manana ny tanjaky ny tanora. Tamin’ny taom-panompoana 1995, dia nisy tatitra voaray avy tany amin’ny tany sy nosin-dranomasina 232. Tsy misy anefa fifandrafiana iraisam-pirenena, tsy misy fifankahalana ara-poko, tsy misy fialonana, eo amin’ny voahosotra sy ny ondry hafa. Samy miara-mitombo ara-panahy ny rehetra, tafaray ao amin’ny fitiavana. Tsy manan-tsahala marina tokoa eo amin’ny sehatr’izao tontolo izao, ny firahalahian’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. — Kolosiana 3:14; 1 Petera 2:17.
Sarotra loatra amin’i Jehovah ve?
18, 19. Tamin’ireo taona nanomboka tamin’ny 1919, ahoana no nanatontosan’i Jehovah izay nety ho toa sarotra loatra araka ny fomba fihevitr’olombelona?
18 Tany amin’ny 1918, fony tsy nisy afa-tsy fanahy an’arivony vitsivitsy kivy tao amin’ny fahababoana ara-panahy no nahaforona ny sisa voahosotra, dia tsy nisy olona afaka nahatsinjo mialoha izay ho fizotran’ny ny fisehoan-javatra. Kanefa i Jehovah dia nahalala — araka ny hamarinin’ny fanambarana ara-paminaniana fahefatra nataony, manao hoe: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Raha [sarotra loatra, NW ] izany eo imason’ny sisa amin’ity firenena ity amin’izany andro izany, moa [ho sarotra loatra, NW ] eo imasoko koa va? hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” — Zakaria 8:6.
19 Tamin’ny 1919, ny fanahin’i Jehovah dia nanome aina indray ny vahoakany ho amin’ny asa niandry azy ireo. Kanefa dia nitaky finoana ny fifikirana tamin’ilay fandaminana kely nisy an’ireo mpivavaka tamin’i Jehovah. Vitsy aoka izany izy ireny, ary maro aoka izany ireo zavatra tsy nazava. Tsikelikely anefa, i Jehovah dia nanatanjaka azy ireo teo amin’ny lafiny fandaminan-javatra, ary nanomana tsara azy ireo mba hanao ny asa kristiana, dia ny fitoriana ny vaovao tsara sy ny fanaovana mpianatra. (Isaia 60:17, 19; Matio 24:14, NW; 28:19, 20). Niandalana dia nampiany izy ireo hahay hanavaka ireo raharaha lehibe niadian-kevitra, toy ny fialanalanana sy ny fiandrianana eo amin’izao rehetra izao. Sarotra loatra tamin’i Jehovah ve ny hanatontosa ny sitrapony tamin’ny alalan’io antokona Vavolombelona vitsy io? Azo antoka fa tsia ny valiny! Voamarina izany eo amin’ny pejy faha-12 ka hatramin’ny faha-15 amin’itỳ gazety itỳ, izay mampiseho ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny taom-panompoana 1995.
“Izaho kosa ho Andriamaniny”
20. Hatraiza no tokony hitaran’ny fanangonana ny vahoakan’Andriamanitra voambaran’ny faminaniana?
20 Mampiseho amin’ny fomba miitatra kokoa ny toe-piainana sambatra misy ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao ny fanambarana fahadimy manao hoe: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Indro, hamonjy ny oloko avy any amin’ny tany atsinanana sy amin’ny tany andrefana Aho; ary hitondra azy Aho, ka honina any Jerosalema izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny amin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana.” — Zakaria 8:7, 8.
21. Tamin’ny fomba ahoana no nitanana sy nanitarana ny fiadanana tondraka ananan’ny vahoakan’i Jehovah?
21 Amin’ny 1996 dia afaka milaza tsy misy fisalasalana isika fa notorina manerana izao tontolo izao, hatrany “amin’ny tany atsinanana” ka hatrany “amin’ny tany andrefana”, ny vaovao tsara. Nisy mpianatra natao tamin’ny firenena rehetra, ary izy ireny dia nahita ny fahatanterahan’ilay fampanantenan’i Jehovah hoe: “Ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao.” (Isaia 54:13). Manana fiadanana isika satria ampianarin’i Jehovah. Noho izany zava-kendrena izany, dia misy zavatra vita an-tsoratra navoaka tamin’ny fiteny maherin’ny 300. Tamin’ny taona lasa fotsiny, dia nisy fiteny fanampiny 21 vao nanampy. Ny gazety Tilikambo Fiambenana izao dia avoaka amin’ny fotoana mitovy amin’ny fiteny 111, ary ny Mifohaza! amin’ny fiteny 54. Ireo fivoriambem-pirenena sy iraisam-pirenena dia manome fampiharihariana ampahibemaso ny fiadanana eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra. Ireo fivoriana fanao isan-kerinandro dia mampiray antsika sy manome antsika ny fampaherezana ilaintsika mba hiorenana hatrany. (Hebreo 10:23-25). Eny, mampianatra ny vahoakany “amin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana” i Jehovah. Manome fiadanana ny vahoakany izy. Mandray fitahiana toy inona moa isika amin’ny fananana anjara amin’io fiadanana tondraka io!
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Amin’ny andro maoderina, ahoana no ‘maha-saro-piaro amin’ny fahatezerana mafy’ an’i Jehovah amin’ny vahoakany?
◻ Ahoana no ananan’ny vahoakan’i Jehovah fiadanana, na dia any amin’ireo tany rotidrotiky ny ady aza?
◻ Amin’ny fomba ahoana no ‘maha-feno ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika ny lalam-be’?
◻ Fandaharana inona avy no natao mba hahafahan’i Jehovah hampianatra ny vahoakany?
[Tabilao, pejy 12-15]
TATITRA MANERAN-TANIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH, TAOM-PANOMPOANA 1995
(Jereo ny gazety)
[Sary, pejy 8, 9]
Tamin’ny taonjato fahenina al.f.i., ireo Jiosy nahatoky izay nanorina indray ny tempoly dia nianatra fa i Jehovah no ilay hany loharanon’ny fiadanana azo ianteherana