“Tiava ny Fahamarinana sy ny Fiadanana”!
“Ny tenin’i Jehovah, Tompon’ny maro, dia tonga tamiko nanao hoe: (...) tiava ny fahamarinana sy ny fiadanana.” — ZAKARIA 8:18, 19.
1, 2. a) Inona no firaketana an-tsoratra nataon’ny olona raha ny amin’ny fiadanana? b) Nahoana itỳ tontolo ankehitriny itỳ no tsy hahita tena fiadanana mihitsy?
“MBOLA tsy nanana fiadanana mihitsy izao tontolo izao. Any ho any — ary matetika any amin’ny toerana maro indray miaraka — dia nisy foana ny ady.” Toy izany no nolazain’ny Profesora Milton Mayer avy amin’ny Oniversiten’i Massachusetts, any Etazonia. Fanazavana mampalahelo momba ny taranak’olombelona re izany! Marina fa naniry fiadanana ny olona. Efa nanandrana izao karazana fomba rehetra izao mba hitandrovana azy io ireo mpanao politika, nanomboka tamin’ny Pax Romana tamin’ny andron’ny Romana ka hatramin’ilay fitsipika narahina hoe “Fifandringanana Azo Antoka” nandritra ny Ady Mangatsiaka. Tamin’ny farany anefa, dia nandamòka avokoa ny ezaka nataon’izy ireo. Araka ny nilazan’i Isaia azy taonjato maro lasa izay, dia ‘nitomany mafy ny iraka nitady fihavanana’. (Isaia 33:7). Nahoana no izany no izy?
2 Izany dia satria tsy maintsy miandoha avy amin’ny tsy fisian’ny fankahalana sy ny fierenana ny fiadanana maharitra; tsy maintsy miorina amin’ny fahamarinana izy io. Tsy afaka ny hiorina amin’ny lainga ny fiadanana. Izany no antony nilazan’i Jehovah toy izao fony izy nampanantena ny Isiraely fahiny fa hamerina azy ireo tany amin’ny taniny sy hanome azy ireo fiadanana: “Indro, hitarihako fiadanana tahaka ny ony izy ary ny voninahitry ny firenena tahaka ny renirano tondraka”. (Isaia 66:12). Ny andriamanitr’itỳ fandehan-javatra itỳ, i Satana Devoly, dia “mpamono olona”, ‘mpandainga sady rain’ny lainga’. (Jaona 8:44; 2 Korintiana 4:4, NW ). Ahoana moa no ahafahan’ny tontolo iray manana andriamanitra toy izany mahita fiadanana?
3. Fanomezana miavaka inona no nomen’i Jehovah ny vahoakany na dia miaina eo amin’ny tontolo iray mikorontana aza izy ireo?
3 Tsara homarihina anefa fa i Jehovah dia manome fiadanana ny vahoakany, na dia miaina ao amin’ny tontolon’i Satana rotidrotiky ny ady aza izy ireo. (Jaona 17:16). Tamin’ny taonjato fahenina al.f.i., dia notanterahiny tamin’ny alalan’i Jeremia ny fampanantenany ary nomeny ‘fiadanana sy filaminana’ ilay firenena azy manokana, rehefa naveriny tany amin’ny tany niaviany, izy io. (Jeremia 33:6). Ary amin’izao andro farany izao, dia nomeny ‘fiadanana sy fahamarinana’ ny vahoakany ao amin’ny ‘tanin’izy ireo’, na toe-piainana ara-panahy misy azy ireo eto an-tany, na dia miaina mamakivaky ilay fotoam-pikorontanana ratsy indrindra hitan’itỳ tontolo itỳ hatramin’izao aza, izy ireo. (Isaia 66:8; Matio 24:7-13; Apokalypsy 6:1-8). Arakaraka ny hanohizantsika ny fandinihana ny toko faha-8 amin’ny Zakaria, dia hahazo fahatakarana lalina kokoa an’io fiadanana sy fahamarinana avy amin’Andriamanitra io isika, ary hahita izay tokony hataontsika mba hiarovana tsy ho very ny anjarantsika amin’izy io.
“Aoka hatanjaka ny tànanareo”
4. Ahoana no nampirisihan’i Zakaria ny Isiraely hanao zavatra raha tian’izy ireo ny hahita fiadanana?
4 Fanineniny ao amin’ny Zakaria toko faha-8 no andrenesantsika ny fanambarana mampientam-po iray avy amin’i Jehovah, manao hoe: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Aoka hatanjaka ny tànanareo izay mandre izany teny izany amin’izao andro izao avy amin’ny vavan’ny mpaminany, izay teo amin’ny andro nanaovana ny fanorenan’ny tranon’i Jehovah, Tompon’ny maro, dia ny nanaovana ny tempoly. Fa talohan’izany andro izany dia tsy nisy valim-pahasasarana ho an’ny olona, na valim-pahasasarana ho an’ny biby fiompy; ary tsy nisy fiadanana ho an’izay nivoaka sy izay niditra noho ny fahavalo, fa nalefako samy hifamely amin’ny namany avy ny olona rehetra.” — Zakaria 8:9, 10.
5, 6. a) Noho ny fahakiviana nahazo ny Isiraelita, nanao ahoana ny tarehin-javatra teo amin’ny Isiraely? b) Fiovana inona no nampanantenain’i Jehovah ny Isiraely raha mametraka ny fanompoam-pivavahana aminy eo amin’ny toerana voalohany izy ireo?
5 Nilaza ireo teny ireo i Zakaria fony teo am-panorenana azy indray ny tempoly tao Jerosalema. Talohan’izay, dia nanjary kivy ireo Isiraelita izay tafaverina avy tany Babylona, ary nampitsahatra ilay asa fanorenana ny tempoly. Noho izy ireo nampitodika ny sainy tamin’izay zavatra nampiadana ny tenany manokana, dia tsy nahazo na ny fitahiana, na ny fiadanana avy tamin’i Jehovah izy ireo. Na dia namboly ny taniny sy nikarakara ny tanimboalobony aza izy ireo, dia tsy nambinina. (Hagay 1:3-6). Toy ny hoe niasa “tsy nisy valim-pahasasarana” izy ireo.
6 Ankehitriny, rehefa teo am-panorenana azy indray ny tempoly, dia nampirisihin’i Zakaria ireo Jiosy mba “hatanjaka” ary hametraka tamin-kerim-po ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah teo amin’ny toerana voalohany. Inona no hitranga raha manao toy izany izy ireo? “Fa amin’izay kosa dia tsy ho toy ny tamin’ny fahiny intsony amin’ny sisa amin’ity firenena ity Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro. Fa hisy [voan’ny, NW ] fiadanana, ny voaloboka hamoa, ary ny tany hahavokatra, ary ny lanitra hampilatsaka ny andony, ary ny sisa amin’ity firenena ity no hampandovaiko izany rehetra izany. Ary toy ny nahatongavanareo ho fanozonana tany amin’ny firenena, ry taranak’i Joda sy ry taranak’Isiraely, dia ho toy izany no hamonjeko anareo, ka dia ho tonga [fitahiana, NW ] kosa hianareo; aza matahotra, fa aoka hatanjaka ny tànanareo.” (Zakaria 8:11-13). Raha manao zavatra amim-pahatapahan-kevitra ny Isiraely, dia hambinina izy. Taloha kokoa, rehefa naniry hanonona oha-panozonana iray ireo firenena, dia afaka nanondro ny Isiraely. Izao dia oha-pitahiana ny Isiraely. Antony faran’izay tsara ‘hanatanjahana ny tanan’izy ireo’ re izany!
7. a) Fiovana mampientam-po inona avy no hitan’ny vahoakan’i Jehovah, ka nahatratra ny fara tampony tamin’ny taom-panompoana 1995? b) Rehefa jerena ny tatitra fanao isan-taona, tany iza avy no hitanao fa manana isan’ny mpitory, mpisava lalana sy antsalan’ora miavaka?
7 Ahoana ny amin’izao andro izao? Tamin’ireo taona talohan’ny 1919, dia toa tsy ampy zotom-po ny vahoakan’i Jehovah. Tsy nitana toeram-pialanalanana feno izy ireo tamin’ny ady lehibe voalohany, ary nirona hanaraka olona fa tsy ilay Mpanjakan’izy ireo, dia i Jesosy Kristy. Vokatr’izany dia kivy ny sasany noho ny fanoherana avy tao anatiny sy avy tany ivelan’ny fandaminana. Avy eo, tamin’ny 1919, noho ny fanampian’i Jehovah dia nohatanjahan’izy ireo ny tanany. (Zakaria 4:6). Nomen’i Jehovah fiadanana izy ireo ary niroborobo tamin-kery. Hita izany ao amin’ny firaketana an-tsoratra nataon’izy ireo ny amin’ireo 75 taona farany, izay nahatratra ny fara tampony tamin’ny taom-panompoana 1995. Amin’ny maha-vahoaka azy, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manalavitra ny fanindrahindram-pirenena, ny fanindrahindram-poko, ny fitsarana an-tendrony sy ireo loharanom-pankahalana hafa rehetra. (1 Jaona 3:14-18). Manompo an’i Jehovah amin-jotom-po marina ao amin’ny tempoliny ara-panahy, izy ireo. (Hebreo 13:15; Apokalypsy 7:15). Tamin’ny taona lasa fotsiny izy ireo dia nandany maherin’ny arivo tapitrisa ora, niresahany tamin’ny hafa momba ilay Rain’izy ireo any an-danitra! Isam-bolana dia nitarika fampianarana Baiboly 4 865 060 izy ireo. Tamin’ny antsalany dia 663 521 no nandray anjara tamin’ny fanompoan’ny mpisava lalana, isam-bolana. Rehefa maniry hanome ohatra ny amin’ny olona izay mafana fo marina tokoa amin’ny fivavahany ireo mpitondra ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, dia ny Vavolombelon’i Jehovah no tondroiny indraindray.
8. Ahoana no azon’ny Kristiana isam-batan’olona andraisan-tsoa amin’“ny voan’ny fiadanana”?
8 Noho ny zotom-pon’ny vahoakany, dia omen’i Jehovah azy ireo “ny voan’ny fiadanana”. Ny tsirairay izay mamboly io voa io dia hahita fiadanana hitombo ao am-pony sy eo amin’ny fiainany. Ny Kristiana mino rehetra izay mitady fihavanana amin’i Jehovah sy amin’ireo Kristiana tahaka azy dia manana anjara amin’ilay fahamarinana sy fiadanan’ny vahoaka mitondra ny anaran’i Jehovah. (1 Petera 3:11; ampitahao amin’ny Jakoba 3:18.) Tsy mahatalanjona ve izany?
“Aza matahotra hianareo”
9. Fiovana inona teo amin’ny fifampiraharahany tamin’ny vahoakany no nampanantenain’i Jehovah?
9 Izao isika dia mamaky ny fanambarana fahafito avy amin’i Jehovah. Inona izy io? “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Toy ny nisainako hahatonga loza aminareo tamin’ny nampahatezeran’ny razanareo Ahy, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, ka tsy nanenina Aho, dia ho toy izany kosa no hisainako hanisy soa an’i Jerosalema sy ny taranak’i Joda amin’izao andro izao: aza matahotra hianareo.” — Zakaria 8:14, 15.
10. Firaketana an-tsoratra inona nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah no mampiseho fa tsy natahotra izy ireo?
10 Na dia nihahaka tamin’ny heviny ara-panahy aza ny vahoakan’i Jehovah nandritra ny ady lehibe voalohany, dia naniry hanao izay marina izy ireo, tao am-pony. Noho izany, i Jehovah, taorian’ny nampiharany famaizana sasany, dia nanova ny fomba nifampiraharahany tamin’izy ireo. (Malakia 3:2-4). Amin’izao andro izao isika dia manao jery todika ka misaotra azy amin-kafanam-po noho izay nataony. Marina fa “halan’ny firenena rehetra” isika. (Matio 24:9). Maro no natao an-tranomaizina, ary ny sasany dia maty mihitsy aza noho ny finoany. Matetika isika no miatrika tsy firaharahana na fankahalana. Kanefa tsy matahotra isika. Fantatsika fa i Jehovah dia mahery kokoa noho izay mety ho fanoherana hita maso na tsy hita maso. (Isaia 40:15; Efesiana 6:10-13). Tsy hitsahatra hanaraka izao teny izao isika: “Miandrasa an’i Jehovah hianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao”. — Salamo 27:14.
“Samia miteny marina amin’ny namany avy”
11, 12. Inona no tokony hataon’ny tsirairay amintsika ao an-tsaina, raha irintsika ny hanana anjara feno amin’ireo fitahiana omen’i Jehovah ny vahoakany?
11 Mba hananana anjara feno amin’ireo fitahiana avy amin’i Jehovah, dia misy zavatra tokony hotadidintsika. Toy izao no tenin’i Zakaria: “Izao no zavatra hataonareo: Samia miteny marina amin’ny namany avy hianareo; mitsarà marina, eny, mitsarà hahatonga fiadanana ao am-bavahadinareo; ary aza misy mieritreritra ao am-ponareo hanisy ratsy ny namanareo hianareo, ary aza tia fianianan-tsy to; fa izany rehetra izany dia halako, hoy Jehovah.” — Zakaria 8:16, 17.
12 Mampirisika mafy antsika hilaza ny marina i Jehovah. (Efesiana 4:15, 25). Tsy mihaino ny vavaka ataon’ireo mieritreritra hanatanteraka zavatra mitera-doza izy, na ny an’ireo manafina ny fahamarinana ho tombontsoan’ny tenany manokana, na ny an’ireo mianian-tsy to. (Ohabolana 28:9). Koa satria izy mankahala ny fivadiham-pinoana, dia iriny ny hifikirantsika amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. (Salamo 25:5; 2 Jaona 9-11). Ankoatra izany, tahaka ireo loholona teo amin’ny vavahadin’ny tanàna tany amin’ny Isiraely, ireo loholona mikarakara ireo raharaha ara-pitsarana dia tokony hampiorina ny toroheviny sy ny fanapahan-keviny amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly fa tsy amin’ny heviny manokana. (Jaona 17:17). Irin’i Jehovah izy ireo hitady ‘fitsarana hahatonga fiadanana’, hiezaka, amin’ny maha-mpiandry kristiana, hamerina indray amin’ny laoniny ny fihavanana eo amin’ireo andaniny roa tsy mifanaraka, ary hanampy ireo mpanota mibebaka hihavana indray amin’Andriamanitra. (Jakoba 5:14, 15; Joda 23). Amin’izay fotoana izay ihany, dia hotandrovan’izy ireo ny fiadanan’ny kongregasiona, amin’ny fananana herim-po handroaka ireo manakorontana io fiadanana io amin’ny finiavany hikiry amin’ny fanaovan-dratsy. — 1 Korintiana 6:9, 10.
“Fifaliana sy firavoravoana”
13. a) Fiovana inona momba ny fifadian-kanina no nambaran’i Zakaria tao amin’ny faminaniana? b) Fifadian-kanina inona no notandremana teo amin’ny Isiraely?
13 Izao isika dia mandre ny fanambarana lehibe fahavalo manao hoe: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Ny fifadian-kanina amin’ny volana fahefatra sy ny fifadian-kanina amin’ny fahadimy sy ny fifadian-kanina amin’ny fahafito ary ny fifadian-kanina amin’ny fahafolo dia samy ho tonga fifaliana sy firavoravoana ary fotoana mahafinaritra avokoa ho an’ny taranak’i Joda; koa tiava ny fahamarinana sy ny fiadanana.” (Zakaria 8:19). Teo ambany Lalàn’i Mosesy ny Isiraelita dia nifady hanina tamin’ny Andro Fanavotana mba hanehoana ny alahelony noho ny fahotany. (Levitikosy 16:29-31). Ireo fifadian-kanina efatra notononin’i Zakaria dia toa notandremana ho fahatsiarovana tamin’alahelo ireo fisehoan-javatra nifandray tamin’ny faharesen’i Jerosalema sy ny fandravana azy. (2 Mpanjaka 25:1-4, 8, 9, 22-26). Izao anefa dia teo am-panorenana azy indray ny tempoly ary nisy mponina indray i Jerosalema. Nosoloana firavoravoana ny alahelo ary afaka ny ho tonga fotoana nahafinaritra ireo fifadian-kanina.
14, 15. a) Tamin’ny ahoana ny fankalazana ny Fahatsiarovana no loharanom-pifaliana lehibe, ary tokony hampahatsiaro antsika ny amin’inona izy io? b) Araka ny hita ao amin’ny tatitra fanao isan-taona, tany iza avy no nanana isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana niavaka?
14 Amin’izao andro izao isika dia tsy mitandrina ireo fifadian-kanina voalazan’i Zakaria na ny fifadian-kanina voalazalaza ao amin’ny Lalàna. Koa satria i Jesosy nanolotra ny ainy noho ny fahotantsika, dia mifaly isika noho ireo fitahiana entin’ny Andro Fanavotana. Voasarona ny fahotantsika, tsy amin’ny ampahany fotsiny fa tanteraka mihitsy. (Hebreo 9:6-14). Ho fanarahana ny didin’ilay Mpisoronabe any an-danitra, i Jesosy Kristy, dia tandremantsika ny Fahatsiarovana ny nahafatesany ho toy ny hany fankalazana lehibe ao amin’ny kalandrien’ny Kristiana. (Lioka 22:19, 20). Moa ve isika tsy mahita “fifaliana sy firavoravoana” rehefa miara-mivory isan-taona noho io fankalazana io?
15 Tamin’ny taona lasa, dia nisy 13 147 201 tonga niara-nankalaza ny Fahatsiarovana, nihoatra 858 284 noho ny tamin’ny 1994. Vahoaka maro be re izany! Alao sary an-tsaina ny firavoravoana tany amin’ireo kongregasiona 78 620 an’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa nirohotra nankany amin’ny Efitrano Fanjakanany ireo olona maro be tsy toy ny nahazatra, noho ilay fankalazana. Azo antoka fa ireo rehetra tonga tao dia voatosika ho ‘tia ny fahamarinana sy ny fiadanana’, rehefa tsaroan’izy ireo ny nahafatesan’Ilay “làlana sy fahamarinana ary fiainana” sady manjaka ankehitriny amin’ny maha-“Andrian’ny fiadanana”! (Jaona 14:6; Isaia 9:5). Nanana heviny manokana io fankalazana io ho an’ireo nitandrina izany tany amin’ireo tany nijaly mafy noho ny fikorontanana izaitsizy sy ny ady. Vavolombelona nanatri-maso horohoro tsy hay lazaina ny sasany tamin’ireo rahalahintsika, nandritra ny 1995. Kanefa, ‘ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra dia niaro ny fony sy ny heviny tao amin’i Kristy Jesosy’. — Filipiana 4:7.
‘Aoka isika hampitony ny tavan’i Jehovah’
16, 17. Ahoana no azon’ny olona avy amin’ireo firenena ‘ampitonena ny tavan’i Jehovah’?
16 Avy taiza kosa ireo olona an-tapitrisany maro rehetra ireo izay nanatrika ny Fahatsiarovana? Manazava toy izao ilay fanambarana fahasivy nataon’i Jehovah: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Mbola hisy firenena sy mponina avy amin’ny tanàna maro ho avy; ary ny mponina ao amin’ny anankiray hankany amin’ny anankiray kosa ka hanao hoe: Aoka handeha tokoa isika [hampitony ny tavan’i Jehovah, NW ] sy hitady an’i Jehovah, Tompon’ny maro; izaho koa mba handeha. Eny, ho avy ny olona maro sy ny firenena mahery mba hitady an’i Jehovah, Tompon’ny maro, any Jerosalema sy [hampitony ny tavan’i Jehovah, NW ].” — Zakaria 8:20-22.
17 Ireo olona nanatrika ny Fahatsiarovana dia naniry “hitady an’i Jehovah, Tompon’ny maro”. Maro tamin’izy ireo no mpanompony vita fanoloran-tena sy batisa. An-tapitrisany maro hafa tamin’ny mpanatrika no mbola tsy tonga amin’io dingana io. Any amin’ny tany sasany, dia avo efatra na dimy heny noho ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana. Mila fanampiana ireny olona liana maro be ireny mba hanohizany hanao fandrosoana. Aoka isika hampianatra azy ireny hifaly amin’ny fahalalana fa maty noho ny fahotantsika i Jesosy ary manapaka izy ankehitriny ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. (1 Korintiana 5:7, 8; Apokalypsy 11:15). Ary aoka isika hampirisika azy ireny hanolotra ny tenany ho an’i Jehovah Andriamanitra sy hanaiky ilay Mpanjaka voatendriny. Amin’izany fomba izany no ‘hampitoneny ny tavan’i Jehovah’. — Salamo 116:18, 19; Filipiana 2:12, 13.
“Folo lahy avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra”
18, 19. a) Ho fahatanterahan’ny Zakaria 8:23, iza amin’izao andro izao no “Jiosy anankiray”? b) Iza amin’izao andro izao no ilay “folo lahy” izay ‘mihazona ny sisin-damban’ny Jiosy anankiray’?
18 Farany, ao amin’ny toko fahavalo amin’ny Zakaria dia izao no vakintsika: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro”. Inona no fanambarana farany nataon’i Jehovah? “Amin’izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.” (Zakaria 8:23). Tamin’ny andron’i Zakaria, dia ny Isiraely ara-nofo no firenena voafidin’Andriamanitra. Tamin’ny taonjato voalohany anefa, dia nanda ilay Mesian’i Jehovah ny Isiraely. Noho izany, ilay Andriamanitsika dia nifidy “Jiosy anankiray” — Isiraely vaovao iray — ho toy ny vahoakany manokana, dia ny “Isiraelin’Andriamanitra” voaforon’ireo Jiosy ara-panahy. (Galatiana 6:16; Jaona 1:11; Romana 2:28, 29). Ny isan’izy ireo tsy azo ovana dia tsy maintsy ho 144 000, voafidy avy tamin’ny taranak’olombelona mba hiara-manjaka amin’i Jesosy any amin’ny Fanjakany any an-danitra. — Apokalypsy 14:1, 4.
19 Ny ankamaroan’ireo 144 000 ireo dia efa maty nahatoky ary nandray ny valisoany any an-danitra. (1 Korintiana 15:51, 52; Apokalypsy 6:9-11). Vitsy sisa tavela eto an-tany, ary mifaly izy ireny mahita fa ny “folo lahy” izay mifidy ny hiaraka amin’ilay “Jiosy” dia ny “olona betsaka (...) avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny” indrindra. — Apokalypsy 7:9; Isaia 2:2, 3; 60:4-10, 22.
20, 21. Arakaraka ny hanatonan’ny faran’itỳ tontolo itỳ, ahoana no mety hitoerantsika ho mihavana amin’i Jehovah?
20 Arakaraka ny hanatonan’ny faran’itỳ tontolo itỳ amin’ny fomba tsy azo sakanana, ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia sahala amin’i Jerosalema tamin’ny andron’i Jeremia: “Nanantena fiadanana izahay, kanjo tsy nahita soa, ary andro fanasitranana, fa indro fampitahorana.” (Jeremia 14:19). Hahatratra ny fara tampony izany fampitahorana izany rehefa hitodika hamely ny fivavahan-diso ireo firenena ka hitondra azy io ho amin’ny fiafarana mahery vaika. Fotoana fohy aorian’izay, ireo firenena koa dia hahita fandringanana ao amin’ilay ady farany hataon’Andriamanitra, dia Haramagedona. (Matio 24:29, 30; Apokalypsy 16:14, 16; 17:16-18; 19:11-21). Ho fotoam-pikorontanana lehibe toy inona moa izany!
21 Mandritra izany rehetra izany, i Jehovah dia hiaro ireo izay tia ny fahamarinana ka mamboly “ny voan’ny fiadanana”. (Zakaria 8:12, NW; Zefania 2:3). Aoka àry isika hitoetra ho voaro amin’ny loza ao amin’ilay tany misy ny vahoakany, hidera azy ampahibemaso amin-jotom-po, ary hanampy olona maro araka izay azo atao “hampitony ny tavan’i Jehovah”. Raha manao izany isika dia hifaly mandrakariva amin’ny fiadanan’i Jehovah. Eny, “Jehovah hanome hery ny olony; Jehovah hitahy ny olony amin’ny fiadanana”. — Salamo 29:11.
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Tamin’ny ahoana ny vahoakan’Andriamanitra no ‘nanatanjaka ny tanany’ tamin’ny andron’i Zakaria? Amin’izao andro izao?
◻ Ahoana no fihetsitsika manoloana ny fanenjehana, ny fankahalana, sy ny tsy firaharahana?
◻ Inona no tafiditra amin’ny ‘fitenenantsika ny marina amin’ny namantsika avy’?
◻ Ahoana no azon’ny olona iray ‘ampitonena ny tavan’i Jehovah’?
◻ Loharanom-piravoravoana lehibe inona no hita ho fahatanterahan’ny Zakaria 8:23?
[Sary, pejy 18]
Tamin’ny taona lasa, ireo Vavolombelon’i Jehovah dia nandany 1 150 353 444 ora niresahana tamin’ny olona momba ny Fanjakan’Andriamanitra