Ny andro sy ny fotoana noferan’i Jehovah: ny vokany amin’izao androntsika izao
“Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.” — MATIO 7:19.
1. Mampahafantatra inona antsika ny fomba nampiasain’i Jehovah taloha tamin’ny mpanjaka sasany?
HAMARININ’NY tantara fa Jehovah dia afaka manova “ny andro sy ny fotoana; Izy no manaisotra mpanjaka sy manangana mpanjaka”. (Daniela 2:21.) Mba hiasana ho an’ny fikasany tao anatin’ireo taonjato, dia nesoriny Farao, Nebokadnezara, Belsazara, Heroda Agripa I mbamin’ny mpanjaka hafa koa. ‘Tantara tranainy anefa izany rehetra izany, hoy angamba ny sasany. Inona no mety ho hevitr’izany ho antsika amin’izao andro izao?’ Raha ny marina, ireny fisehoan-javatra taloha ireny dia misy heviny be dia be ho antsika, satria afaka manatsoaka fianarana tsara dia tsara avy amin’izany isika. Ampahafantariny antsika fa faranan’i Jehovah ny fanapahan’ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao amin’ny fotoana voafetrany ary ataony eo amin’ny toerany ny mpitondra nofidiny rehefa iriny izany.
2. Inona no nomanin’i Jehovah hatao amin’izao androntsika izao?
2 Tonga indray izao ny fotoana ‘anesoran’i Jehovah mpanjaka sy ananganany mpanjaka’. Alohan’ny ‘hananganana’ ilay Mpanjaka nofidiny anefa, dia hanaisotra ny mpitondra rehetra eo amin’izao tontolo izao ankehitriny izy ka hanafoana ny fandehan-javatra tapahin’izy ireo. Nahoana? Satria sahala amin’ny nataon’i Belsazara, mpanjakan’i Babylona fahiny, izy ireo dia ‘nolanjaina tamin’ny mizanan’ny fahamarinan’Andriamanitra ka hita fa latsa-danja’. Amin’izao androntsika izao, izy ireny dia tena ao anatin’ny tarehin-javatra hitan’i Belsazara izay nilazan’i Daniela, mpanompon’i Jehovah, hoe: “Voaisan’Andriamanitra ny nanjakanao ka taperiny amin’izao.” (Daniela 5:26, 27). Noho izany, amin’izao androntsika izao Jehovah dia “handripaka mpanjaka maro amin’ny andro fahatezerany. Hitsara any amin’ny jentilisa Izy”. — Salamo 110:5, 6.
‘Hita fa latsa-danja’
3, 4. Raha ny amin’ny fiadanana, ahoana no ‘nahitana fa latsa-danja’ ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao amin’izao taonjato iainantsika izao?
3 Noho ny antony inona avy moa no ‘ahitana fa latsa-danja’ ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao? Manana anjara andraikitra mavesatra izy ireny tamin’ireo fahoriana namely ny fianakavian’olombelona tamin’izao androntsika izao toy ny mbola tsy hita mihitsy teo aloha. Araka izany, nanomboka tamin’ny 1914 fotsiny, dia olona eo amin’ny zato tapitrisa no maty tamin’ny ady. Amin’izao andro izao, ireo fiadiana noklehera dia mahatandindomin-doza ny faharetan’ny fiainana eto an-tany mihitsy. Tamin’izany fotoana hentitra izany, dia bala afomanga noklehera an’arivony maro no anambanana ireo tanàn-dehibe eo amin’izao tontolo izao, ary misy antoko-mpitifitra vonona ny hanapoaka fiadiana.
4 Momba ny ady noklehera, ny revio Siansa (anglisy) dia nanolotra izao famakafakana mampihoron-koditra izao: “Izay rehetra mety ho ady noklehera lehibe dia azo inoana fa hitarika fahafoanan’ny ankamaroan’ny karazam-piainan-javamaniry sy biby. Tsy ho afaka amin’izany ny karazana olombelona.’ Tetsy andaniny koa, ny mpanao raharaham-panjakana ambony eoropeana iray dia nanao izao fanamarihana izao: “Tsy ho tanàna intsony no hafoy fa kontinanta manontolo maro.” Noho ireo fandaniana ara-tafika eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, dia nanambara toy izao ny prezidan’ny repoblika iray any Amerika latina: “Mandeha ao anatin’ny sambo marefo iray izay tena mila hivadika ny olombelona (...). Raha rendrika tokoa izy io, dia tena mety hitarika miaraka aminy ny ao anatiny rehetra.” Izao koa no azo novakina tao amin’ny gazety japone iray: “Toa lavitra kokoa ny [fiadanana] noho ny tamin’ny fotoana hafa rehetra teo amin’ny tantarany izao tontolo izao.”
5, 6. Manao ahoana ny tarehin-javatra ara-toe-karena hitan’ny firenena maro?
5 Na dia ao aza izany rehetra izany, ireo firenena dia manohy mandany vola betsaka kokoa ihany ho amin’ny fitaovam-piadiana. Ankehitriny, ny fandaniana amin’io fisetran-doza io dia tafakatra ho fito arivo lavitrisa mahery isan-taona. Araka ny filazan’ny manam-pahefana iray dia toa hoe avo 50 heny ny vola lanin’ny ankizy mpianatra tsirairay avy. Etsy andaniny koa, ny tatitra iray nataon’ny Firenena mikambana dia mampiseho fa olona 450 tapitrisa fara fahakeliny no mijaly noho ny hanoanana ary tsy mitsahatra ny mitombo ny isany. Ny tatitra hafa iray dia manizingizina fa “isan-taona dia olona 30 ka hatramin’ny 40 tapitrisa no maty noana” any amin’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana, ary eo amin’ny antsasaky ny niharam-pahavoazana no latsaka ny dimy taona.
6 Ny mpitondra tenim-pitondram-panjakana iray any amin’ny tany lehibe iray any Amerika latina dia nanazava fa any aminy dia “40 isan-jato amin’ny mponina miasa no miaina ao anatin’ny fahantrana tanteraka”. Any amin’ny firenena hafa iray ao amin’io kontinanta io ihany, ny tsy manana asa dia 51 isan-jato amin’ny mponina miasa. Mifarana toy izao ilay tatitra: “Io kontinanta misy mponina 260 tapitrisa io dia eo am-piainana ny fitambotsirany lehibe indrindra hatramin’ny antsasa-taonjato.” Hevero izao ireto lohateny telo amin’ny sora-baventy manaraka ireto izay voamarika tany amin’ny faritra samy hafa amin’ny gilaoby: “Ny habetsahan’ny mahantra lazaina fa ‘mahabe ahiahy’.” “Mahazo vahana ny fahantrana.” “Ny tsy fananana, zava-mihatra mahatsiravina.” Moa ve ireo lohateny ireo avy any amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana? Tsy izany velively. Izany dia nalaina avy amin’ny fanambarana nataon’ny mpanao raharaham-panjakana ambony any Kanada, Etazonia sy Alemaina federaly. Araka izany, na dia ireo firenena lazaina fa manana aza dia tafahitsoka ao anatin’ny zava-manahirana.
7. Inona moa no fanamarihana nataon’ny olona mahafanta-javatra sasany momba ny firehetan’ny heloka bevava sy ny herisetra ankehitriny?
7 Any amin’ny tany maro, izany fahasahiranana izany dia mbola miseho koa amin’ny tena firehetan’ny fanaovana heloka bevava, herisetra sy fampihorohoroana. Any Etazonia, ohatra, ireo foibe federaly momba ny fikarohana aretina dia nanamarika fa isan-taona dia Amerikana maherin’ny 50 000 no mamono tena na misy mamono. Izany no nitarika tonian’ny gazety New York Times iray hanatsoaka hevitra toy izao: “Tsy voasakantsika ny fisehoan-javatra.” Tao amin’ny lahatsoratry ny tale hafa iray koa dia nahitana izao fanamarihana izao: “Tafiditra ao anatin’ny fotoan’ny fikorontanana iraisam-pirenena isika.” Araka izany, na dia tao aza ny taonjato maro nanaovana fiezahana sy fanandramana, na dia tao aza ny fandrosoana rehetra vitan’ny olombelona teo amin’ny lafin’ny haitao (technologie) dia tsy afaka manome fahafahampo amin’izay tena ilain’ny ampahany lehibe amin’ny entina ny mpitondra.
8. Inona no hamarinin’ny Tantara?
8 Hatramin’ny fahagola ka mandraka ankehitriny, dia porofoin’ny Tantara fa tsy afaka mandamina ireo zava-manahirana azy amin’ny fomba ampiasain’ny tenany ihany ny olombelona. Ny fitarihana ara-politika sy ara-toe-karena ary ara-pivavahana eo amin’izao tontolo izao dia tsy ho afaka hitondra na oviana na oviana ho an’ny olombelona ny fiadanana, ny filaminana, ny fahasalamana sy ny fiainana ilainy sy iriny fatratra. Noho izany antony izany, dia tokony hanjavona izao tontolo izao. Ary tena hanjavona tokoa izy, satria tafiditra ao anatin’ny fikasan’i Jehovah ny fanafoanana azy. Izao tokoa no lazain’ny Baiboly: “Efa mipetraka ao amin’ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.” — Lioka 3:9.
Antony hafa iray koa mahameloka
9. Ahoana mandrakariva no iheveran’ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao ny fikasan’i Jehovah?
9 Ratsy ny vokatra nentin’izao tontolo izao sy ireo mpitondra azy. Izany dia anankiray amin’ireo antony nandanjan’i Jehovah izao tontolo izao tamin’ny mizana, nahitany azy fa latsa-danja ka iomanany hanafoana azy. Kanefa, raha izany no izy dia satria koa ireo mpitondra eo amin’izao fandehan-javatra izao tsy nihevitra mihitsy an’i Jehovah, Mpamorona sy Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao. Rehefa fotorana, dia tsy heverin’izy ireo tanteraka ny fikasany na ny fotoana sy andro noferany. Noho izany antony izany, ao amin’ny I Korintiana 2:8 dia ara-drariny tokoa ny ilazana fa ‘tsy nisy nahalala ny fahendrena [araka an’Andriamanitra] ny mpanapaka izao tontolo izao’. Manome antsika izao torohevitra izao àry ny Salamo 146:3: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.”
10, 11. a) Inona moa no tokony hataon’ny olona izay maniry ny hahafantatra an’i Jehovah? b) Ahoana no mety hahafantaran’ireo mpanompon’Andriamanitra izay tsy fantatr’ireo mpiara-belona aminy?
10 Mifanohitra amin’izany, dia hitantsika izao fananarana izao ao amin’ny Ohabolana 3:5, 6: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” Ny lehilahy sy ny vehivavy izay manaraka ireo toromarika ireo dia tsy hitoetra ao anatin’ny maizina sy ny famoizam-po mampiavaka izao tontolo izao ankehitriny. Hanome azy ireo ny fanahiny Jehovah mba hanjary hahalalan’izy ireo ny fikasany ary ny andro sy ny fotoana noferany mba hanatanterahana izany. Omen’i Jehovah ny fanahiny masina “ny manaiky Azy”.
11 Ireo mpanompon’Andriamanitra àry dia manana fahalalana tsy fantatr’ireo filoha eo amin’izao tontolo izao tanteraka. Izy ireo tokoa dia ampahafantarina ny amin’ny fikasan’i Jehovah, toy izany koa ny amin’ny andro sy fotoana noferany mba hanatontosana izany. Ao amin’ny taratasiny voalohany (I Pe 1:11, MN), dia ampahafantarin’i Petera antsika fa taloha ireo mpanompon’Andriamanitra dia “nikatsaka hoe fotoana manokana inona na karazam-potoana manao ahoana no notondroin’ny (...) fanahy izay tao amin’izy ireo”. Koa satria ny fanahin’Andriamanitra nanondro ny andro sy fotoana, dia azon’ny apostoly Paoly natao ny nilaza toy izao tamin’ireo izay nanaraka ny fanompoam-pivavahana marina sahala aminy: “Fantatsika [fantatrareo, MN] ny andro.” (Romana 13:11). Koa satria amin’izao fotoana izao ireo mpanompon’i Jehovah dia mankatò azy foana, dia ahariharin’ny fanahy masina amin’izy ireo koa ny hoe aiza ho aiza izy ireo amin’ny andro sy ny fotoana noferan’Andriamanitra. Izao no vakintsika ao amin’ny Amosa 3:7: “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony.”
Antony iray amboniny
12, 13. Noho ny antony lehibe hafa inona koa moa no ahitan’i Jehovah fa latsa-danja izao tontolo izao ankehitriny sy ireo mpitondra eo aminy?
12 Izany dia mitarika antsika ho amin’ny antony hafa iray ahitan’i Jehovah fa latsa-danja izao tontolo izao sy ireo mpitondra azy ka handrava izany. Tadidio izay nataon’i Farao, Belsazara, Heroda mbamin’ny mpanao raharaha ambony hafa tamin’ireo mpanompon’Andriamanitra tamin’ny lasa. Nanohitra azy ireny ireo, nanenjika azy ary namono nahafaty ny sasany taminy mihitsy aza. Nampamoahin’Andriamanitra ny amin’izany anefa izy ireo.
13 Toy izany koa amin’izao androntsika izao. Fitondram-panjakana maro no manohitra ireo mpanompon’i Jehovah tia filaminana. Enjehiny izy ireny ary mihoatra ny iray taminy no matiny. ‘Miteny manohitra ny Avo Indrindra izy ary mampahory ny olo-masin’ny Avo Indrindra’. (Daniela 7:25; 11:36.) Manambara toy izao anefa ny soratra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra voarakitra ao amin’ny Isaia 54:17: “Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hambinina. (...) Izany no lovan’ny mpanompon’i Jehovah.” Amin’ny farany, dia haetry daholo ny fahavalony rehetra, toy ny nanaovana izany taloha. Jehovah kosa anefa dia nanaiky fa hiantoka ny hahatafita velona sy ny hanambinana ireo mpanompony.
Manatona ny oran’ny farany
14, 15. a) Fotoana manao ahoana no iainantsika, ary fampitandremana inona no tokony horaisintsika am-po? b) Na dia ao aza ny fiezahany rehetra, inona no hitranga tsy ho ela amin’ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao?
14 Amin’ny firy àry izao araka ny fiheveran’Andriamanitra? Ho an’izao tontolo izao ankehitriny dia izao no ora ifaranan’ny zavatra rehetra. Milentika ny masoandro. Manatona haingana ny alina. Mby am-baravarana ny ririnina. Ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly sy ny fandaharan-taona naorin’i Jehovah dia mampiseho fa miaina ao anatin’ny “andro farany”, “ny fifaranan’ny fandehan-javatra”, isika. (II Timoty 3:1-5, MN; Matio 24:3-14, MN.) Tokony horaisintsika am-po izao fampitandremana nomen’i Jesosy izao: “Fa mivavaha hianareo mba tsy ho amin’ny ririnina (...) no handosiranareo.” (Matio 24:20). Rehefa ho tonga ny alina na ny ririnina ho an’izao tontolo izao, dia ho diso aoriana loatra raha amin’izay vao hitady ny fankasitrahan’i Jehovah.
15 Antomotra ny fotoana noferan’Andriamanitra mba hamaranana izao tontolo izao izay manala baraka azy. Rehefa ho tonga izany, dia handray anjara amin-kery Jehovah mba hanesorana amin’ny raharahany izay rehetra mitondra ireo firenena. Na manao ahoana na manao ahoana fahatsoran’izany, ireo planiny tsy mahavokatra sy tsy misy antenaina dia hanjavona hiaraka amin’izy ireo. Angamba izy ireo manandrana mampahery ireo vahoakany indray amin’ny fanaovana fanekena momba ny famerana ny fitaovam-piadiana, amin’ny fanamboarana planina samihafa ho amin’ny fiadanana sy ny filaminana na amin’ny fanambarana ‘taona masina’. Na ahoana na ahoana, ny fotoana dia tsy maintsy manosika azy ireny ho amin’ny fitsapan-kery farany, hanatona ny Hara-Magedona, adin’Andriamanitra. — Apokalypsy 16:13-16.
16. Iza no nanankinan’i Jehovah ny fanapahana ny tany?
16 Tadidio anefa fa tsy mianina amin’ny ‘fanesorana mpanjaka’ Jehovah. ‘Manangana’ amin’izany koa izy (Daniela 2:21). Ny tafiky ny lanitra hampiasain’i Jehovah mba hampiharana ny fanamelohany ao Hara-Magedona dia hotarihin’ilay Mpanjaka ‘natsangany’ ho an’ny tany rehetra. Izany dia ny Zanany mahatoky, Jesosy Kristy, izay mitafy hery sy voninahitra any an-danitra izao. Ao amin’ny Apokalypsy 19:16 izy io dia antsoina hoe “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo”. Izao no vakintsika momba azy ao amin’ny Daniela 7:14: “Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.” — Jereo koa Daniela 2:44.
17, 18. a) Araka ny Tenin’Andriamanitra, inona no hitranga amin’ireo izay tsy mety manaiky an’i Jehovah sy ilay Mpanjaka nomeny ny tany? b) Iza koa no mahafantatra fa kely sisa ny androny?
17 Ny Teny ara-paminanian’Andriamanitra dia mampiharihary mazava izay hitranga amin’ireo izay tsy mety manaiky an’i Jehovah sy ny Mpanjaka nomeny ho an’ny tany rehetra. Izao no vakina ao: “Ary hitako fa, indro, nisy anjely anankiray koa nitsangana teo amin’ny masoandro, ary niantso tamin’ny feo mahery izy ka nanao tamin’ny voro-manidina rehetra teo afovoan’ny habakabaka hoe: Avia, ka miangòna ho amin’ny fanasana lehiben’Andriamanitra, mba hihinananareo ny nofon’ny mpanjaka sy ny nofon’ny mpifehy arivo sy ny nofon’ny mahery sy ny nofon’ny soavaly mbamin’izay mitaingina azy ary ny nofon’ny olona rehetra, na andevo na tsy andevo, na kely na lehibe.” — Apokalypsy 19:17, 18.
18 Ny Jeremia 25:33 dia mampiseho izao filazalazana izao sahala amin’izany: “Ary amin’izany andro izany ny voavonon’i Jehovah, dia hiampatrampatra hatramin’ny faran’ny tany anankiray ka hatramin’ny farany koa; tsy hisaonana, na hangonina, na halevina ireny, fa ho zezika eny ambonin’ny tany.” Eny, antomotra ny farany ho an’ny fandehan-javatra ratsy manontolo natsangan’i Satana. Mahatsapa izany koa na dia Satana aza. Araka ny Apokalypsy 12:12, dia fantany fa “kely sisa ny androny”.
Mitadiava an’i Jehovah dieny ankehitriny
19. Fotoana mahafinaritra inona no hanomboka aorian’ny fahataperan’ny fandehan-javatra ankehitriny?
19 Rehefa ho tapitra ny alina na ny ririnina ho an’ny fandehan-javatr’i Satana, inona no hitranga amin’izay? Ho tonga ny fotoana hisantaran’i Jehovah andro vaovao sy mamirapiratra iray, lohataona mahafinaritra vaovao. Eny, ho tonga amin’izay ny fotoana hanorenany fandehan-javatra vaovao sy marina, hotarihin’ilay Mpanjaka any an-danitra, dia Jesosy Kristy. Ary ao anatin’io fandehan-javatra vaovao io, ny herisetra, ny tsy rariny, ny fahoriana, ny aretina sy ny fahafatesana dia tsy hanan-toerana intsony. Hasandratra ho amin’ny fahatanterahana ny olona, ho amin’ny fiainana mandrakizay. Fahatsinjovan-javatra mampahery re izany! — Salamo 37:10, 11, 29; Apokalypsy 21:4.
20, 21. Amin’izao andro izao, ahoana no itadiavan’ny olona tsy tambo isaina avy amin’ny firenena rehetra an’i Jehovah?
20 Kanefa isika dia eo amin’ny fotoana nomanin’i Jehovah hanaovan-javatra iankinan’ny aina ho an’ireo manetry tena amin’ny tany, alohan’ny hahataperan’ny fandehan-javatra ankehitriny ka hametrahana vaovao iray. Isika tokoa dia miaina ao anatin’ny fotoana noferany mba hanangonana izay rehetra maniry hahalala azy, hanaiky ny sitrapony sy hitsaoka ilay Mpanjaka nofidiny. Ny olona manao toy izany dia mipetraka eo ambany fiarovan’i Jehovah, satria izao no voasoratra: “Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy; ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.” — Ohabolana 18:10.
21 Izany amin’izao fotoana izao no ataon’ny olona maro, eny an-tapitrisany maro. Ireny lehilahy ireny sy ireny vehivavy ireny izay avy amin’ny firenena rehetra amin’ny tany dia voalazalaza amin’izao teny izao ao amin’ny Zakaria toko faha-8, andininy faha-20 sy 21: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Mbola hisy firenena sy mponina avy amin’ny tanàna maro ho avy; ary ny mponina ao amin’ny anankiray hankany amin’ny anankiray kosa ka hanao hoe: Aoka handeha tokoa isika hifona amin’i Jehovah sy hitady an’i Jehovah, Tompon’ny maro.” Manampy teny toy izao ny Za 8 andininy faha-23: “Amin’izany andro izany [eny, amin’izao androntsika izao] dia hisy folo lahy avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ny Jiosy anankiray [ireo mpanompon’i Jehovah voahosotry ny fanahy] ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.”
22. Inona no tokony ho tsapantsika, ary inona no tokony hataontsika raha tiantsika ny ho tafita velona amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah?
22 Miaraha àry amin’ireo mpanompon’i Jehovah mba hivavaka aminy ao amin’ny toeram-pialofana nomaniny. Mandraisa anjara amin’ny asa lehibe indrindra atao eto an-tany amin’izao andro izao, dia: ny fanangonana sy ny fampiofanana olona ho tafita velona ao Hara-Magedona ka hahita hisokatra eo anoloany ny fahatsinjovana mahafinaritra ny hanova ny tany ho paradisa ka hiaina ao mandrakizay. Fantaro ny andro sy ny fotoana iainantsika ary valio izao fanasana voasoratra ao amin’ny Isaia 55:6 izao: “Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy, miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.” Eny, “mitadiava an’i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah”. — Zefania 2:3.
Famerenana
◻ Amin’ny lafiny inona avy moa ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao no ‘hita fa latsa-danja’ eo imason’Andriamanitra?
◻ Nahoana moa ireo mpanompon’i Jehovah no mahalala ny andro sy ny fotoana noferany, kanefa tsy izany no hita amin’ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao?
◻ Nahoana moa ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao no mendrika ny hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra?
◻ Fotoana inona no tonga araka ny fiheveran’i Jehovah?
◻ Nahoana moa isika no tokony hitady an’i Jehovah dieny ankehitriny ary amin’ny fomba ahoana?
[Sary, pejy 18]
Olona maro maneho finoana amin’izao andro izao no ho tafita velona amin’ny fahataperan’izao tontolo izao ankehitriny.